| Chapitre 8 1 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo. 2 Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera? 3 Teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy. 4 Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany. 5 Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana. 6 Fa hoy ireo andrianan'i Sokota: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao? 7 Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr'i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin'ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo*.[Heb. nofonareo] 8 Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin'ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin'ny mponina tao Sokota ihany. 9 Dia niteny tamin'ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity. 10 Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin'ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra* avokoa ireo.[Heb. mpanatsoaka sabatra] 11 Ary Gideona niakatra tamin'ny lalan'ny mpitoetra an-day, atsinanan'i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona. 12 Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin'ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra. 13 Dia niverina avy tamin'ny ady Gideona, zanak'i Joasy, avy teo amin'ny fiakarana Heresa; 14 ary nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan'ilay zatovo ny anaran'ireo andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy. 15 Ary Gideona dia nankany amin'ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka? 16 Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota. 17 Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna. 18 Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana avokoa izy rehetra. 19 Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo. 20 Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy. 21 Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an'i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin'ny vozon'ny ramevany. 22 Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao. 23 Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo. 24 Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita). 25 Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin'ny babony teo. 26 Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany. 27 Dia nataon'i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin'i Gideona sy ny ankohonany izany. 28 Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona. 29 Dia nandeha Jerobala, zanak'i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony. 30 Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy. 31 Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka. 32 Dia maty Gideona. zanak'i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny Abiezrita izy. 33 Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak'Isiraely ka nanao an'i Bala-berita ho andriamaniny. 34 Ary ny Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra nanodidina, 35 sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy. | | Chapitre 8 8:1 The men of Ephraim said to him, “Why have you treated us this way, that you didn’t call us, when you went to fight with Midian?” They rebuked him sharply. 8:2 He said to them, “What have I now done in comparison with you? Isn’t the gleaning of the grapes of Ephraim better than the vintage of Abiezer? 8:3 God has delivered into your hand the princes of Midian, Oreb and Zeeb! What was I able to do in comparison with you?” Then their anger was abated toward him, when he had said that. 8:4 Gideon came to the Jordan, and passed over, he, and the three hundred men who were with him, faint, yet pursuing. 8:5 He said to the men of Succoth, “Please give loaves of bread to the people who follow me; for they are faint, and I am pursuing after Zebah and Zalmunna, the kings of Midian.” 8:6 The princes of Succoth said, “Are the hands of Zebah and Zalmunna now in your hand, that we should give bread to your army?” 8:7 Gideon said, “Therefore when Yahweh has delivered Zebah and Zalmunna into my hand, then I will tear your flesh with the thorns of the wilderness and with briers.” 8:8 He went up there to Penuel, and spoke to them in the same way; and the men of Penuel answered him as the men of Succoth had answered. 8:9 He spoke also to the men of Penuel, saying, “When I come again in peace, I will break down this tower.” 8:10 Now Zebah and Zalmunna were in Karkor, and their armies with them, about fifteen thousand men, all who were left of all the army of the children of the east; for there fell one hundred twenty thousand men who drew sword. 8:11 Gideon went up by the way of those who lived in tents on the east of Nobah and Jogbehah, and struck the army; for the army was secure. 8:12 Zebah and Zalmunna fled; and he pursued after them; and he took the two kings of Midian, Zebah and Zalmunna, and confused all the army. 8:13 Gideon the son of Joash returned from the battle from the ascent of Heres. 8:14 He caught a young man of the men of Succoth, and inquired of him: and he described for him the princes of Succoth, and its elders, seventy-seven men. 8:15 He came to the men of Succoth, and said, “See Zebah and Zalmunna, concerning whom you taunted me, saying, ‘Are the hands of Zebah and Zalmunna now in your hand, that we should give bread to your men who are weary?’” 8:16 He took the elders of the city, and thorns of the wilderness and briers, and with them he taught the men of Succoth. 8:17 He broke down the tower of Penuel, and killed the men of the city. 8:18 Then he said to Zebah and Zalmunna, “What kind of men were they whom you killed at Tabor?” They answered, “They were like you. Each one resembled the children of a king.” 8:19 He said, “They were my brothers, the sons of my mother. As Yahweh lives, if you had saved them alive, I would not kill you.” 8:20 He said to Jether his firstborn, “Get up, and kill them!” But the youth didn’t draw his sword; for he was afraid, because he was yet a youth. 8:21 Then Zebah and Zalmunna said, “Rise and fall on us; for as the man is, so is his strength.” Gideon arose, and killed Zebah and Zalmunna, and took the crescents that were on their camels’ necks. 8:22 Then the men of Israel said to Gideon, “Rule over us, both you, and your son, and your son’s son also; for you have saved us out of the hand of Midian.” 8:23 Gideon said to them, “I will not rule over you, neither shall my son rule over you. Yahweh shall rule over you.” 8:24 Gideon said to them, “I would make a request of you, that you would give me every man the earrings of his spoil.” (For they had golden earrings, because they were Ishmaelites.) 8:25 They answered, “We will willingly give them.” They spread a garment, and every man threw the earrings of his spoil into it. 8:26 The weight of the golden earrings that he requested was one thousand and seven hundred shekels of gold, besides the crescents, and the pendants, and the purple clothing that was on the kings of Midian, and besides the chains that were about their camels’ necks. 8:27 Gideon made an ephod of it, and put it in his city, even in Ophrah: and all Israel played the prostitute after it there; and it became a snare to Gideon, and to his house. 8:28 So Midian was subdued before the children of Israel, and they lifted up their heads no more. The land had rest forty years in the days of Gideon. 8:29 Jerubbaal the son of Joash went and lived in his own house. 8:30 Gideon had seventy sons conceived from his body; for he had many wives. 8:31 His concubine who was in Shechem, she also bore him a son, and he named him Abimelech. 8:32 Gideon the son of Joash died in a good old age, and was buried in the tomb of Joash his father, in Ophrah of the Abiezrites. 8:33 It happened, as soon as Gideon was dead, that the children of Israel turned again, and played the prostitute after the Baals, and made Baal Berith their god. 8:34 The children of Israel didn’t remember Yahweh their God, who had delivered them out of the hand of all their enemies on every side; 8:35 neither did they show kindness to the house of Jerubbaal, Gideon, according to all the goodness which he had shown to Israel.
| | Chapitre 8 1 Les hommes d'Éphraïm dirent à Gédéon: Que signifie cette manière d'agir envers nous? pourquoi ne pas nous avoir appelés, quand tu es allé combattre Madian? Et ils eurent avec lui une violente querelle. 2 Gédéon leur répondit: Qu'ai-je fait en comparaison de vous? Le grappillage d'Éphraïm ne vaut-il pas mieux que la vendange d'Abiézer? 3 C'est entre vos mains que Dieu a livré les chefs de Madian, Oreb et Zeeb. Qu'ai-je donc pu faire en comparaison de vous? Lorsqu'il eut ainsi parlé, leur colère contre lui s'apaisa. 4 Gédéon arriva au Jourdain, et il le passa, lui et les trois cents hommes qui étaient avec lui, fatigués, mais poursuivant toujours. 5 Il dit aux gens de Succoth: Donnez, je vous prie, quelques pains au peuple qui m'accompagne, car ils sont fatigués, et je suis à la poursuite de Zébach et de Tsalmunna, rois de Madian. 6 Les chefs de Succoth répondirent: La main de Zébach et de Tsalmunna est-elle déjà en ton pouvoir, pour que nous donnions du pain à ton armée? 7 Et Gédéon dit: Eh bien! lorsque l'Éternel aura livré entre mes mains Zébach et Tsalmunna, je broierai votre chair avec des épines du désert et avec des chardons. 8 De là il monta à Penuel, et il fit aux gens de Penuel la même demande. Ils lui répondirent comme avaient répondu ceux de Succoth. 9 Et il dit aussi aux gens de Penuel: Quand je reviendrai en paix, je renverserai cette tour. 10 Zébach et Tsalmunna étaient à Karkor et leur armée avec eux, environ quinze mille hommes, tous ceux qui étaient restés de l'armée entière des fils de l'Orient; cent vingt mille hommes tirant l'épée avaient été tués. 11 Gédéon monta par le chemin de ceux qui habitent sous les tentes, à l'orient de Nobach et de Jogbeha, et il battit l'armée qui se croyait en sûreté. 12 Zébach et Tsalmunna prirent la fuite; Gédéon les poursuivit, il s'empara des deux rois de Madian, Zébach et Tsalmunna, et il mit en déroute toute l'armée. 13 Gédéon, fils de Joas, revint de la bataille par la montée de Hérès. 14 Il saisit d'entre les gens de Succoth un jeune homme qu'il interrogea, et qui lui mit par écrit les noms des chefs et des anciens de Succoth, soixante-dix-sept hommes. 15 Puis il vint auprès des gens de Succoth, et dit: Voici Zébach et Tsalmunna, au sujet desquels vous m'avez insulté, en disant: La main de Zébach et de Tsalmunna est-elle déjà en ton pouvoir, pour que nous donnions du pain à tes hommes fatigués? 16 Et il prit les anciens de la ville, et châtia les gens de Succoth avec des épines du désert et avec des chardons. 17 Il renversa aussi la tour de Penuel, et tua les gens de la ville. 18 Il dit à Zébach et à Tsalmunna: Comment étaient les hommes que vous avez tués au Thabor? Ils répondirent: Ils étaient comme toi, chacun avait l'air d'un fils de roi. 19 Il dit: C'étaient mes frères, fils de ma mère. L'Éternel est vivant! si vous les eussiez laissés vivre, je ne vous tuerais pas. 20 Et il dit à Jéther, son premier-né: Lève-toi, tue-les! Mais le jeune homme ne tira point son épée, parce qu'il avait peur, car il était encore un enfant. 21 Zébach et Tsalmunna dirent: Lève-toi toi-même, et tue-nous! car tel est l'homme, telle est sa force. Et Gédéon se leva, et tua Zébach et Tsalmunna. Il prit ensuite les croissants qui étaient aux cous de leurs chameaux. 22 Les hommes d'Israël dirent à Gédéon: Domine sur nous, et toi, et ton fils, et le fils de ton fils, car tu nous as délivrés de la main de Madian. 23 Gédéon leur dit: Je ne dominerai point sur vous, et mes fils ne domineront point sur vous; c'est l'Éternel qui dominera sur vous. 24 Gédéon leur dit: J'ai une demande à vous faire: donnez-moi chacun les anneaux que vous avez eus pour butin. -Les ennemis avaient des anneaux d'or, car ils étaient Ismaélites. - 25 Ils dirent: Nous les donnerons volontiers. Et ils étendirent un manteau, sur lequel chacun jeta les anneaux de son butin. 26 Le poids des anneaux d'or que demanda Gédéon fut de mille sept cents sicles d'or, sans les croissants, les pendants d'oreilles, et les vêtements de pourpre que portaient les rois de Madian, et sans les colliers qui étaient aux cous de leurs chameaux. 27 Gédéon en fit un éphod, et il le plaça dans sa ville, à Ophra, où il devint l'objet des prostitutions de tout Israël; et il fut un piège pour Gédéon et pour sa maison. 28 Madian fut humilié devant les enfants d'Israël, et il ne leva plus la tête. Et le pays fut en repos pendant quarante ans, durant la vie de Gédéon. 29 Jerubbaal, fils de Joas, s'en retourna, et demeura dans sa maison. 30 Gédéon eut soixante-dix fils, issus de lui, car il eut plusieurs femmes. 31 Sa concubine, qui était à Sichem, lui enfanta aussi un fils, à qui on donna le nom d'Abimélec. 32 Gédéon, fils de Joas, mourut après une heureuse vieillesse; et il fut enterré dans le sépulcre de Joas, son père, à Ophra, qui appartenait à la famille d'Abiézer. 33 Lorsque Gédéon fut mort, les enfants d'Israël recommencèrent à se prostituer aux Baals, et ils prirent Baal-Berith pour leur dieu. 34 Les enfants d'Israël ne se souvinrent point de l'Éternel, leur Dieu, qui les avait délivrés de la main de tous les ennemis qui les entouraient. 35 Et ils n'eurent point d'attachement pour la maison de Jerubbaal, de Gédéon, après tout le bien qu'il avait fait à Israël.A | |