| Chapitre 7 1 Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano Haroda*; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan'ny havoana More.[Haroda = Fangovitana; izahao and.3] 2 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy. 3 Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa. 4 Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao. 5 Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa. 6 Ary telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano. 7 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany avy. 8 Ary ny olona nitondra vatsy* sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.[Na: Ary nitondra ny vatsin'ny olona ireo] 9 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mitsangàna, midina ho any amin'ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io. 10 Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin'ny toby Pora zatovonao; 11 dia ho renao izay lazain'ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby. 12 Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony. 13 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midina ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay. 14 Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra. 15 Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana. 16 Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin'ny siny. 17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa. 18 Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An'i Jehovah sy Gideona! 19 Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany. 20 Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona! 21 Ary samy nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra. 22 Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra ny miaramila eran'ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin'ny fari-tanin'i Abela-mehola akaiky an'i Tabata. 23 Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana. 24 Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana. 25 Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.
| | Chapitre 7 7:1 Then Jerubbaal, who is Gideon, and all the people who were with him, rose up early, and encamped beside the spring of Harod: and the camp of Midian was on the north side of them, by the hill of Moreh, in the valley. 7:2 Yahweh said to Gideon, “The people who are with you are too many for me to give the Midianites into their hand, lest Israel vaunt themselves against me, saying, ‘My own hand has saved me.’ 7:3 Now therefore proclaim in the ears of the people, saying, ‘Whoever is fearful and trembling, let him return and depart from Mount Gilead.’” Twenty-two thousand of the people returned, and ten thousand remained. 7:4 Yahweh said to Gideon, “The people are still too many. Bring them down to the water, and I will test them for you there. It shall be, that of whom I tell you, ‘This shall go with you,’ the same shall go with you; and of whoever I tell you, ‘This shall not go with you,’ the same shall not go.” 7:5 So he brought down the people to the water; and Yahweh said to Gideon, “Everyone who laps of the water with his tongue, like a dog laps, you shall set him by himself; likewise everyone who bows down on his knees to drink.” 7:6 The number of those who lapped, putting their hand to their mouth, was three hundred men; but all the rest of the people bowed down on their knees to drink water. 7:7 Yahweh said to Gideon, “By the three hundred men who lapped will I save you, and deliver the Midianites into your hand. Let all the other people go, each to his own place.” 7:8 So the people took food in their hand, and their trumpets; and he sent all the men of Israel every man to his tent, but retained the three hundred men: and the camp of Midian was beneath him in the valley. 7:9 It happened the same night, that Yahweh said to him, “Arise, go down into the camp; for I have delivered it into your hand. 7:10 But if you are afraid to go down, go with Purah your servant down to the camp: 7:11 and you shall hear what they say; and afterward your hands will be strengthened to go down into the camp.” Then went he down with Purah his servant to the outermost part of the armed men who were in the camp. 7:12 The Midianites and the Amalekites and all the children of the east lay along in the valley like locusts for multitude; and their camels were without number, as the sand which is on the seashore for multitude. 7:13 When Gideon had come, behold, there was a man telling a dream to his fellow; and he said, “Behold, I dreamed a dream; and behold, a cake of barley bread tumbled into the camp of Midian, and came to the tent, and struck it so that it fell, and turned it upside down, so that the tent lay flat.” 7:14 His fellow answered, “This is nothing other than the sword of Gideon the son of Joash, a man of Israel. God has delivered Midian into his hand, with all the army.” 7:15 It was so, when Gideon heard the telling of the dream, and its interpretation, that he worshiped; and he returned into the camp of Israel, and said, “Arise; for Yahweh has delivered the army of Midian into your hand!” 7:16 He divided the three hundred men into three companies, and he put into the hands of all of them trumpets, and empty pitchers, with torches within the pitchers. 7:17 He said to them, “Watch me, and do likewise. Behold, when I come to the outermost part of the camp, it shall be that, as I do, so you shall do. 7:18 When I blow the trumpet, I and all who are with me, then blow the trumpets also on every side of all the camp, and shout, ‘For Yahweh and for Gideon!’” 7:19 So Gideon, and the hundred men who were with him, came to the outermost part of the camp in the beginning of the middle watch, when they had but newly set the watch: and they blew the trumpets, and broke in pieces the pitchers that were in their hands. 7:20 The three companies blew the trumpets, and broke the pitchers, and held the torches in their left hands, and the trumpets in their right hands with which to blow; and they shouted, “The sword of Yahweh and of Gideon!” 7:21 They each stood in his place around the camp; and all the army ran; and they shouted, and put them to flight. 7:22 They blew the three hundred trumpets, and Yahweh set every man’s sword against his fellow, and against all the army; and the army fled as far as Beth Shittah toward Zererah, as far as the border of Abel Meholah, by Tabbath. 7:23 The men of Israel were gathered together out of Naphtali, and out of Asher, and out of all Manasseh, and pursued after Midian. 7:24 Gideon sent messengers throughout all the hill country of Ephraim, saying, “Come down against Midian, and take before them the waters, as far as Beth Barah, even the Jordan!” So all the men of Ephraim were gathered together, and took the waters as far as Beth Barah, even the Jordan. 7:25 They took the two princes of Midian, Oreb and Zeeb; and they killed Oreb at the rock of Oreb, and Zeeb they killed at the winepress of Zeeb, and pursued Midian: and they brought the heads of Oreb and Zeeb to Gideon beyond the Jordan.
| | Chapitre 7 1 Jerubbaal, qui est Gédéon, et tout le peuple qui était avec lui, se levèrent de bon matin, et campèrent près de la source de Harod. Le camp de Madian était au nord de Gédéon, vers la colline de Moré, dans la vallée. 2 L'Éternel dit à Gédéon: Le peuple que tu as avec toi est trop nombreux pour que je livre Madian entre ses mains; il pourrait en tirer gloire contre moi, et dire: C'est ma main qui m'a délivré. 3 Publie donc ceci aux oreilles du peuple: Que celui qui est craintif et qui a peur s'en retourne et s'éloigne de la montagne de Galaad. Vingt-deux mille hommes parmi le peuple s'en retournèrent, et il en resta dix mille. 4 L'Éternel dit à Gédéon: Le peuple est encore trop nombreux. Fais-les descendre vers l'eau, et là je t'en ferai le triage; celui dont je te dirai: Que celui-ci aille avec toi, ira avec toi; et celui dont je te dirai: Que celui-ci n'aille pas avec toi, n'ira pas avec toi. 5 Gédéon fit descendre le peuple vers l'eau, et l'Éternel dit à Gédéon: Tous ceux qui laperont l'eau avec la langue comme lape le chien, tu les sépareras de tous ceux qui se mettront à genoux pour boire. 6 Ceux qui lapèrent l'eau en la portant à la bouche avec leur main furent au nombre de trois cents hommes, et tout le reste du peuple se mit à genoux pour boire. 7 Et l'Éternel dit à Gédéon: C'est par les trois cents hommes qui ont lapé, que je vous sauverai et que je livrerai Madian entre tes mains. Que tout le reste du peuple s'en aille chacun chez soi. 8 On prit les vivres du peuple et ses trompettes. Puis Gédéon renvoya tous les hommes d'Israël chacun dans sa tente, et il retint les trois cents hommes. Le camp de Madian était au-dessous de lui dans la vallée. 9 L'Éternel dit à Gédéon pendant la nuit: Lève-toi, descends au camp, car je l'ai livré entre tes mains. 10 Si tu crains de descendre, descends-y avec Pura, ton serviteur. 11 Tu écouteras ce qu'ils diront, et après cela tes mains seront fortifiées: descends donc au camp. Il descendit avec Pura, son serviteur, jusqu'aux avant-postes du camp. 12 Madian, Amalek, et tous les fils de l'Orient, étaient répandus dans la vallée comme une multitude de sauterelles, et leurs chameaux étaient innombrables comme le sable qui est sur le bord de la mer. 13 Gédéon arriva; et voici, un homme racontait à son camarade un songe. Il disait: J'ai eu un songe; et voici, un gâteau de pain d'orge roulait dans le camp de Madian; il est venu heurter jusqu'à la tente, et elle est tombée; il l'a retournée sens dessus dessous, et elle a été renversée. 14 Son camarade répondit, et dit: Ce n'est pas autre chose que l'épée de Gédéon, fils de Joas, homme d'Israël; Dieu a livré entre ses mains Madian et tout le camp. 15 Lorsque Gédéon eut entendu le récit du songe et son explication, il se prosterna, revint au camp d'Israël, et dit: Levez-vous, car l'Éternel a livré entre vos mains le camp de Madian. 16 Il divisa en trois corps les trois cents hommes, et il leur remit à tous des trompettes et des cruches vides, avec des flambeaux dans les cruches. 17 Il leur dit: Vous me regarderez et vous ferez comme moi. Dès que j'aborderai le camp, vous ferez ce que je ferai; 18 et quand je sonnerai de la trompette, moi et tous ceux qui seront avec moi, vous sonnerez aussi de la trompette tout autour du camp, et vous direz: Pour l'Éternel et pour Gédéon! 19 Gédéon et les cent hommes qui étaient avec lui arrivèrent aux abords du camp au commencement de la veille du milieu, comme on venait de placer les gardes. Ils sonnèrent de la trompette, et brisèrent les cruches qu'ils avaient à la main. 20 Les trois corps sonnèrent de la trompette, et brisèrent les cruches; ils saisirent de la main gauche les flambeaux et de la main droite les trompettes pour sonner, et ils s'écrièrent: Épée pour l'Éternel et pour Gédéon! 21 Ils restèrent chacun à sa place autour du camp, et tout le camp se mit à courir, à pousser des cris, et à prendre la fuite. 22 Les trois cents hommes sonnèrent encore de la trompette; et, dans tout le camp, l'Éternel leur fit tourner l'épée les uns contre les autres. Le camp s'enfuit jusqu'à Beth-Schitta vers Tseréra, jusqu'au bord d'Abel-Mehola près de Tabbath. 23 Les hommes d'Israël se rassemblèrent, ceux de Nephthali, d'Aser et de tout Manassé, et ils poursuivirent Madian. 24 Gédéon envoya des messagers dans toute la montagne d'Éphraïm, pour dire: Descendez à la rencontre de Madian, et coupez-leur le passage des eaux jusqu'à Beth-Bara et celui du Jourdain. Tous les hommes d'Éphraïm se rassemblèrent et ils s'emparèrent du passage des eaux jusqu'à Beth-Bara et de celui du Jourdain. 25 Ils saisirent deux chefs de Madian, Oreb et Zeeb; ils tuèrent Oreb au rocher d'Oreb, et ils tuèrent Zeeb au pressoir de Zeeb. Ils poursuivirent Madian, et ils apportèrent les têtes d'Oreb et de Zeeb à Gédéon de l'autre côté du Jourdain. | |