T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 [Ny nampahorian'ny Midiana ny Isiraely, sy ny niantsoan'Andriamanitra an'i Gideona ho mpamonjy azy] Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ka dia natolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Midiana fito taona izy;

2 ary ny tanan'ny Midiana dia nahery tamin'ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran'ny Zanak'Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin'ny fiarovana.

3 Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.

4 Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin'i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman'ny Isiraely, na ondry aman'osy, na omby, na boriky;

5 fa niakatra izy nitondra ny omby aman'ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin'ny tany izy handrava azy

6 Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin'i Jehovah izy.

7 Ary raha nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely noho ny Midiana,

8 Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin'ny zanak'Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny trano nahandevozana

9 ary namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny tànan'izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny;

10 ary hoy Izaho taminareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita, izay tompon'ny tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko ianareo.

11 Dia tonga Ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana.

12 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.

13 Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan'ny Midiana.

14 Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?

15 Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko.

16 Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao.

17 Dia hoy izy taminy: Masina Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko.

18 Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.

19 Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.

20 Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.

21 Ary naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony.

22 Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho.

23 Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.

24 Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i Jehovah-saloma*; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka androany.[Jehovah-saloma = Jehovah no fiadanana]

25 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia* ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha** eo anilany;[*Na: sy][**Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]

26 dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy*, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.[Na: amin'ny zavatra vonona eo]

27 Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.

28 Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,

29 dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany.

30 Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.

31 Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina* ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.[Na: mandra-pahamarain']

32 Ary tamin'izany andro izany ny anaran'ny Gideona dia nataony hoe Jerobala*, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.[Jerobala = Aoka Bala no handahatra]

33 [Ny nandresen'i Gideona ny Midiana] Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.

34 Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.

35 Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo.

36 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao,

37 indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.

38 Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia.

39 Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.

40 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.

 

Chapitre 6

6:1 The children of Israel did that which was evil in the sight of Yahweh: and Yahweh delivered them into the hand of Midian seven years. 6:2 The hand of Midian prevailed against Israel; and because of Midian the children of Israel made them the dens which are in the mountains, and the caves, and the strongholds. 6:3 So it was, when Israel had sown, that the Midianites came up, and the Amalekites, and the children of the east; they came up against them; 6:4 and they encamped against them, and destroyed the increase of the earth, until you come to Gaza, and left no sustenance in Israel, neither sheep, nor ox, nor donkey. 6:5 For they came up with their livestock and their tents; they came in as locusts for multitude; both they and their camels were without number: and they came into the land to destroy it. 6:6 Israel was brought very low because of Midian; and the children of Israel cried to Yahweh.

6:7 It happened, when the children of Israel cried to Yahweh because of Midian, 6:8 that Yahweh sent a prophet to the children of Israel: and he said to them, “Thus says Yahweh, the God of Israel, ‘I brought you up from Egypt, and brought you forth out of the house of bondage; 6:9 and I delivered you out of the hand of the Egyptians, and out of the hand of all who oppressed you, and drove them out from before you, and gave you their land; 6:10 and I said to you, “I am Yahweh your God; you shall not fear the gods of the Amorites, in whose land you dwell.” But you have not listened to my voice.’”

6:11 The angel of Yahweh came, and sat under the oak which was in Ophrah, that pertained to Joash the Abiezrite: and his son Gideon was beating out wheat in the winepress, to hide it from the Midianites. 6:12 The angel of Yahweh appeared to him, and said to him, “Yahweh is with you, you mighty man of valor!”

6:13 Gideon said to him, “Oh, my lord, if Yahweh is with us, why then has all this happened to us? Where are all his wondrous works which our fathers told us of, saying, ‘Didn’t Yahweh bring us up from Egypt?’ But now Yahweh has cast us off, and delivered us into the hand of Midian.”

6:14 Yahweh looked at him, and said, “Go in this your might, and save Israel from the hand of Midian. Haven’t I sent you?”

6:15 He said to him, “O Lord, how shall I save Israel? Behold, my family is the poorest in Manasseh, and I am the least in my father’s house.”

6:16 Yahweh said to him, “Surely I will be with you, and you shall strike the Midianites as one man.”

6:17 He said to him, “If now I have found favor in your sight, then show me a sign that it is you who talk with me. 6:18 Please don’t go away, until I come to you, and bring out my present, and lay it before you.”

He said, “I will wait until you come back.”

6:19 Gideon went in, and prepared a young goat, and unleavened cakes of an ephah of meal. He put the meat in a basket and he put the broth in a pot, and brought it out to him under the oak, and presented it.

6:20 The angel of God said to him, “Take the meat and the unleavened cakes, and lay them on this rock, and pour out the broth.”

He did so. 6:21 Then the angel of Yahweh stretched out the end of the staff that was in his hand, and touched the meat and the unleavened cakes; and fire went up out of the rock, and consumed the meat and the unleavened cakes; and the angel of Yahweh departed out of his sight.

6:22 Gideon saw that he was the angel of Yahweh; and Gideon said, “Alas, Lord Yahweh! Because I have seen the angel of Yahweh face to face!”

6:23 Yahweh said to him, “Peace be to you! Don’t be afraid. You shall not die.”

6:24 Then Gideon built an altar there to Yahweh, and called it “Yahweh is Peace.” To this day it is still in Ophrah of the Abiezrites.

6:25 It happened the same night, that Yahweh said to him, “Take your father’s bull, even the second bull seven years old, and throw down the altar of Baal that your father has, and cut down the Asherah that is by it; 6:26 and build an altar to Yahweh your God on the top of this stronghold, in an orderly way, and take the second bull, and offer a burnt offering with the wood of the Asherah which you shall cut down.”

6:27 Then Gideon took ten men of his servants, and did as Yahweh had spoken to him: and it happened, because he feared his father’s household and the men of the city, so that he could not do it by day, that he did it by night.

6:28 When the men of the city arose early in the morning, behold, the altar of Baal was broken down, and the Asherah was cut down that was by it, and the second bull was offered on the altar that was built. 6:29 They said one to another, “Who has done this thing?”

When they inquired and asked, they said, “Gideon the son of Joash has done this thing.”

6:30 Then the men of the city said to Joash, “Bring out your son, that he may die, because he has broken down the altar of Baal, and because he has cut down the Asherah that was by it.” 6:31 Joash said to all who stood against him, “Will you contend for Baal? Or will you save him? He who will contend for him, let him be put to death by morning. If he is a god, let him contend for himself, because someone has broken down his altar.” 6:32 Therefore on that day he named him Jerub-Baal, saying, “Let Baal contend against him, because he has broken down his altar.”

6:33 Then all the Midianites and the Amalekites and the children of the east assembled themselves together; and they passed over, and encamped in the valley of Jezreel. 6:34 But the Spirit of Yahweh came on Gideon; and he blew a trumpet; and Abiezer was gathered together after him. 6:35 He sent messengers throughout all Manasseh; and they also were gathered together after him: and he sent messengers to Asher, and to Zebulun, and to Naphtali; and they came up to meet them.

6:36 Gideon said to God, “If you will save Israel by my hand, as you have spoken, 6:37 behold, I will put a fleece of wool on the threshing floor; if there is dew on the fleece only, and it is dry on all the ground, then shall I know that you will save Israel by my hand, as you have spoken.”

6:38 It was so; for he rose up early on the next day, and pressed the fleece together, and wrung the dew out of the fleece, a bowl full of water.

6:39 Gideon said to God, “Don’t let your anger be kindled against me, and I will speak but this once. Please let me make a trial just this once with the fleece. Let it now be dry only on the fleece, and on all the ground let there be dew.”

6:40 God did so that night: for it was dry on the fleece only, and there was dew on all the ground.

 

Chapitre 6
1 Les enfants d'Israël firent ce qui déplaît à l'Éternel; et l'Éternel les livra entre les mains de Madian, pendant sept ans. 2 La main de Madian fut puissante contre Israël. Pour échapper à Madian, les enfants d'Israël se retiraient dans les ravins des montagnes, dans les cavernes et sur les rochers fortifiés. 3 Quand Israël avait semé, Madian montait avec Amalek et les fils de l'Orient, et ils marchaient contre lui. 4 Ils campaient en face de lui, détruisaient les productions du pays jusque vers Gaza, et ne laissaient en Israël ni vivres, ni brebis, ni boeufs, ni ânes. 5 Car ils montaient avec leurs troupeaux et leurs tentes, ils arrivaient comme une multitude de sauterelles, ils étaient innombrables, eux et leurs chameaux, et ils venaient dans le pays pour le ravager. 6 Israël fut très malheureux à cause de Madian, et les enfants d'Israël crièrent à l'Éternel. 7 Lorsque les enfants d'Israël crièrent à l'Éternel au sujet de Madian, 8 l'Éternel envoya un prophète aux enfants d'Israël. Il leur dit: Ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël: Je vous ai fait monter d'Égypte, et je vous ai fait sortir de la maison de servitude. 9 Je vous ai délivrés de la main des Égyptiens et de la main de tous ceux qui vous opprimaient; je les ai chassés devant vous, et je vous ai donné leur pays. 10 Je vous ai dit: Je suis l'Éternel, votre Dieu; vous ne craindrez point les dieux des Amoréens, dans le pays desquels vous habitez. Mais vous n'avez point écouté ma voix. 11 Puis vint l'ange de l'Éternel, et il s'assit sous le térébinthe d'Ophra, qui appartenait à Joas, de la famille d'Abiézer. Gédéon, son fils, battait du froment au pressoir, pour le mettre à l'abri de Madian. 12 L'ange de l'Éternel lui apparut, et lui dit: L'Éternel est avec toi, vaillant héros! 13 Gédéon lui dit: Ah! mon seigneur, si l'Éternel est avec nous, pourquoi toutes ces choses nous sont-elles arrivées? Et où sont tous ces prodiges que nos pères nous racontent, quand ils disent: L'Éternel ne nous a-t-il pas fait monter hors d'Égypte? Maintenant l'Éternel nous abandonne, et il nous livre entre les mains de Madian! 14 L'Éternel se tourna vers lui, et dit: Va avec cette force que tu as, et délivre Israël de la main de Madian; n'est-ce pas moi qui t'envoie? 15 Gédéon lui dit: Ah! mon seigneur, avec quoi délivrerai-je Israël? Voici, ma famille est la plus pauvre en Manassé, et je suis le plus petit dans la maison de mon père. 16 L'Éternel lui dit: Mais je serai avec toi, et tu battras Madian comme un seul homme. 17 Gédéon lui dit: Si j'ai trouvé grâce à tes yeux, donne-moi un signe pour montrer que c'est toi qui me parles. 18 Ne t'éloigne point d'ici jusqu'à ce que je revienne auprès de toi, que j'apporte mon offrande, et que je la dépose devant toi. Et l'Éternel dit: Je resterai jusqu'à ce que tu reviennes. 19 Gédéon entra, prépara un chevreau, et fit avec un épha de farine des pains sans levain. Il mit la chair dans un panier et le jus dans un pot, les lui apporta sous le térébinthe, et les présenta. 20 L'ange de Dieu lui dit: Prends la chair et les pains sans levain, pose-les sur ce rocher, et répands le jus. Et il fit ainsi. 21 L'ange de l'Éternel avança l'extrémité du bâton qu'il avait à la main, et toucha la chair et les pains sans levain. Alors il s'éleva du rocher un feu qui consuma la chair et les pains sans levain. Et l'ange de l'Éternel disparut à ses yeux. 22 Gédéon, voyant que c'était l'ange de l'Éternel, dit: Malheur à moi, Seigneur Éternel! car j'ai vu l'ange de l'Éternel face à face. 23 Et l'Éternel lui dit: Sois en paix, ne crains point, tu ne mourras pas. 24 Gédéon bâtit là un autel à l'Éternel, et lui donna pour nom l'Éternel paix: il existe encore aujourd'hui à Ophra, qui appartenait à la famille d'Abiézer. 25 Dans la même nuit, l'Éternel dit à Gédéon: Prends le jeune taureau de ton père, et un second taureau de sept ans. Renverse l'autel de Baal qui est à ton père, et abats le pieu sacré qui est dessus. 26 Tu bâtiras ensuite et tu disposeras, sur le haut de ce rocher, un autel à l'Éternel ton Dieu. Tu prendras le second taureau, et tu offriras un holocauste, avec le bois de l'idole que tu auras abattue. 27 Gédéon prit dix hommes parmi ses serviteurs, et fit ce que l'Éternel avait dit; mais, comme il craignait la maison de son père et les gens de la ville, il l'exécuta de nuit, et non de jour. 28 Lorsque les gens de la ville se furent levés de bon matin, voici, l'autel de Baal était renversé, le pieu sacré placé dessus était abattu, et le second taureau était offert en holocauste sur l'autel qui avait été bâti. 29 Ils se dirent l'un à l'autre: Qui a fait cela? Et ils s'informèrent et firent des recherches. On leur dit: C'est Gédéon, fils de Joas, qui a fait cela. 30 Alors les gens de la ville dirent à Joas: Fais sortir ton fils, et qu'il meure, car il a renversé l'autel de Baal et abattu le pieu sacré qui était dessus. 31 Joas répondit à tous ceux qui se présentèrent à lui: Est-ce à vous de prendre parti pour Baal? est-ce à vous de venir à son secours? Quiconque prendra parti pour Baal mourra avant que le matin vienne. Si Baal est un dieu, qu'il plaide lui-même sa cause, puisqu'on a renversé son autel. 32 Et en ce jour l'on donna à Gédéon le nom de Jerubbaal, en disant: Que Baal plaide contre lui, puisqu'il a renversé son autel. 33 Tout Madian, Amalek et les fils de l'Orient, se rassemblèrent; ils passèrent le Jourdain, et campèrent dans la vallée de Jizréel. 34 Gédéon fut revêtu de l'esprit de l'Éternel; il sonna de la trompette, et Abiézer fut convoqué pour marcher à sa suite. 35 Il envoya des messagers dans tout Manassé, qui fut aussi convoqué pour marcher à sa suite. Il envoya des messagers dans Aser, dans Zabulon et dans Nephthali, qui montèrent à leur rencontre. 36 Gédéon dit à Dieu: Si tu veux délivrer Israël par ma main, comme tu l'as dit, 37 voici, je vais mettre une toison de laine dans l'aire; si la toison seule se couvre de rosée et que tout le terrain reste sec, je connaîtrai que tu délivreras Israël par ma main, comme tu l'as dit. 38 Et il arriva ainsi. Le jour suivant, il se leva de bon matin, pressa la toison, et en fit sortir la rosée, qui donna de l'eau plein une coupe. 39 Gédéon dit à Dieu: Que ta colère ne s'enflamme point contre moi, et je ne parlerai plus que cette fois: Je voudrais seulement faire encore une épreuve avec la toison: que la toison seule reste sèche, et que tout le terrain se couvre de rosée. 40 Et Dieu fit ainsi cette nuit-là. La toison seule resta sèche, et tout le terrain se couvrit de rosée.