T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 Ary ny firenena navelan'i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,

2 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak'Isiraely izany amin'ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;

3 dia ireo andriana dimy tamin'ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin'i Bala-hermona ka hatramin'ny lalana mankany Hamata.

4 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin'i Jehovah, izay nasainy nandidian'i Mosesy ny razany, izy, na tsia.

5 Ary ny Zanak'Isiraely nonina teo amin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

6 Ary naka ny zanakavavin'ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin'ny zanakalahin'ireny ka nanompo ny andriamaniny.

7 [Ny ratsy nataon'ny Isiraely, sy ny nanirahan'Andriamanitra mpitsara hamonjy azy. Ny tantaran'i Otniela sy Ehoda ary Samgara] Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha*.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]

8 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia*, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.[Arama-naharaima]

9 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba.

10 Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima.

11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.

12 Fa nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ny zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.

13 Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia*.[Palma]

14 Dia nanompo an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, valo ambin'ny folo taona ny Zanak'Isiraely.

15 Ary nitaraina tamin'i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak'i Gera, avy amin'ny taranak'i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, ny Zanak'Isiraely.

16 Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin'ny fehin-kibony ambanin'ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.

17 Dia nitondra ny fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.

18 Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.

19 Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato* izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.[Na: sarin-javatra voasokitra]

20 Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianana Eglona.

21 Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin'ny kibon'i Eglona izany;

22 ary difotra mbamin'ny zarany, ka voasaron'ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin'ny kibony izy; ary niboroaka teo amin'ny vodiny izany.

23 Dia nivoaka teo amin'ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran'ny trano ka nanidy azy tao.

24 Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon'i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran'ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.

25 Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran'ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin'ny rihana ny tompony

26 Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seirata.

27 Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin'ny tany havoana ny Zanak'Isiraely, ary izy no nitarika azy.

28 Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.

29 Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

30 Dia resin'ny tanan'ny Isiraely ny Moabita tamin'izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.

31 Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak'i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin'ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.

 

Chapitre 3

3:1 Now these are the nations which Yahweh left, to prove Israel by them, even as many as had not known all the wars of Canaan; 3:2 only that the generations of the children of Israel might know, to teach them war, at the least such as before knew nothing of it: 3:3 the five lords of the Philistines, and all the Canaanites, and the Sidonians, and the Hivites who lived on Mount Lebanon, from Mount Baal Hermon to the entrance of Hamath. 3:4 They were left to test Israel by them, to know whether they would listen to the commandments of Yahweh, which he commanded their fathers by Moses. 3:5 The children of Israel lived among the Canaanites, the Hittites, and the Amorites, and the Perizzites, and the Hivites, and the Jebusites: 3:6 and they took their daughters to be their wives, and gave their own daughters to their sons and served their gods. 3:7 The children of Israel did that which was evil in the sight of Yahweh, and forgot Yahweh their God, and served the Baals and the Asheroth. 3:8 Therefore the anger of Yahweh was kindled against Israel, and he sold them into the hand of Cushan Rishathaim king of Mesopotamia: and the children of Israel served Cushan Rishathaim eight years. 3:9 When the children of Israel cried to Yahweh, Yahweh raised up a savior to the children of Israel, who saved them, even Othniel the son of Kenaz, Caleb’s younger brother. 3:10 The Spirit of Yahweh came on him, and he judged Israel; and he went out to war, and Yahweh delivered Cushan Rishathaim king of Mesopotamia into his hand: and his hand prevailed against Cushan Rishathaim. 3:11 The land had rest forty years. Othniel the son of Kenaz died. 3:12 The children of Israel again did that which was evil in the sight of Yahweh: and Yahweh strengthened Eglon the king of Moab against Israel, because they had done that which was evil in the sight of Yahweh. 3:13 He gathered to him the children of Ammon and Amalek; and he went and struck Israel, and they possessed the city of palm trees. 3:14 The children of Israel served Eglon the king of Moab eighteen years. 3:15 But when the children of Israel cried to Yahweh, Yahweh raised them up a savior, Ehud the son of Gera, the Benjamite, a man left-handed. The children of Israel sent tribute by him to Eglon the king of Moab. 3:16 Ehud made him a sword which had two edges, a cubit in length; and he wore it under his clothing on his right thigh. 3:17 He offered the tribute to Eglon king of Moab: now Eglon was a very fat man. 3:18 When he had made an end of offering the tribute, he sent away the people who bore the tribute. 3:19 But he himself turned back from the quarries that were by Gilgal, and said, “I have a secret errand to you, king.”

The king said, “Keep silence!” All who stood by him went out from him.

3:20 Ehud came to him; and he was sitting by himself alone in the cool upper room. Ehud said, “I have a message from God to you.” He arose out of his seat. 3:21 Ehud put forth his left hand, and took the sword from his right thigh, and thrust it into his body: 3:22 and the handle also went in after the blade; and the fat closed on the blade, for he didn’t draw the sword out of his body; and it came out behind. 3:23 Then Ehud went forth into the porch, and shut the doors of the upper room on him, and locked them.

3:24 Now when he was gone out, his servants came; and they saw, and behold, the doors of the upper room were locked; and they said, “Surely he is covering his feet in the upper room.” 3:25 They waited until they were ashamed; and behold, he didn’t open the doors of the upper room: therefore they took the key, and opened them, and behold, their lord was fallen down dead on the earth.

3:26 Ehud escaped while they waited, and passed beyond the quarries, and escaped to Seirah. 3:27 It happened, when he had come, that he blew a trumpet in the hill country of Ephraim; and the children of Israel went down with him from the hill country, and he before them.

3:28 He said to them, “Follow me; for Yahweh has delivered your enemies the Moabites into your hand.” They followed him, and took the fords of the Jordan against the Moabites, and didn’t allow any man to pass over. 3:29 They struck of Moab at that time about ten thousand men, every lusty man, and every man of valor; and there escaped not a man. 3:30 So Moab was subdued that day under the hand of Israel. The land had rest eighty years.

3:31 After him was Shamgar the son of Anath, who struck of the Philistines six hundred men with an oxgoad: and he also saved Israel.

 

Chapitre 3
1 Voici les nations que l'Éternel laissa pour éprouver par elles Israël, tous ceux qui n'avaient pas connu toutes les guerres de Canaan. 2 Il voulait seulement que les générations des enfants d'Israël connussent et apprissent la guerre, ceux qui ne l'avaient pas connue auparavant. 3 Ces nations étaient: les cinq princes des Philistins, tous les Cananéens, les Sidoniens, et les Héviens qui habitaient la montagne du Liban, depuis la montagne de Baal-Hermon jusqu'à l'entrée de Hamath. 4 Ces nations servirent à mettre Israël à l'épreuve, afin que l'Éternel sût s'ils obéiraient aux commandements qu'il avait prescrits à leurs pères par Moïse. 5 Et les enfants d'Israël habitèrent au milieu des Cananéens, des Héthiens, des Amoréens, des Phéréziens, des Héviens et des Jébusiens; 6 ils prirent leurs filles pour femmes, ils donnèrent à leurs fils leurs propres filles, et ils servirent leurs dieux. 7 Les enfants d'Israël firent ce qui déplaît à l'Éternel, ils oublièrent l'Éternel, et ils servirent les Baals et les idoles. 8 La colère de l'Éternel s'enflamma contre Israël, et il les vendit entre les mains de Cuschan-Rischeathaïm, roi de Mésopotamie. Et les enfants d'Israël furent asservis huit ans à Cuschan-Rischeathaïm. 9 Les enfants d'Israël crièrent à l'Éternel, et l'Éternel leur suscita un libérateur qui les délivra, Othniel, fils de Kenaz, frère cadet de Caleb. 10 L'esprit de l'Éternel fut sur lui. Il devint juge en Israël, et il partit pour la guerre. L'Éternel livra entre ses mains Cuschan-Rischeathaïm, roi de Mésopotamie, et sa main fut puissante contre Cuschan-Rischeathaïm. 11 Le pays fut en repos pendant quarante ans. Et Othniel, fils de Kenaz, mourut. 12 Les enfants d'Israël firent encore ce qui déplaît à l'Éternel; et l'Éternel fortifia Églon, roi de Moab, contre Israël, parce qu'ils avaient fait ce qui déplaît à l'Éternel. 13 Églon réunit à lui les fils d'Ammon et les Amalécites, et il se mit en marche. Il battit Israël, et ils s'emparèrent de la ville des palmiers. 14 Et les enfants d'Israël furent asservis dix-huit ans à Églon, roi de Moab. 15 Les enfants d'Israël crièrent à l'Éternel, et l'Éternel leur suscita un libérateur, Éhud, fils de Guéra, Benjamite, qui ne se servait pas de la main droite. Les enfants d'Israël envoyèrent par lui un présent à Églon, roi de Moab. 16 Éhud se fit une épée à deux tranchants, longue d'une coudée, et il la ceignit sous ses vêtements, au côté droit. 17 Il offrit le présent à Églon, roi de Moab: or Églon était un homme très gras. 18 Lorsqu'il eut achevé d'offrir le présent, il renvoya les gens qui l'avaient apporté. 19 Il revint lui-même depuis les carrières près de Guilgal, et il dit: O roi! j'ai quelque chose de secret à te dire. Le roi dit: Silence! Et tous ceux qui étaient auprès de lui sortirent. 20 Éhud l'aborda comme il était assis seul dans sa chambre d'été, et il dit: J'ai une parole de Dieu pour toi. Églon se leva de son siège. 21 Alors Éhud avança la main gauche, tira l'épée de son côté droit, et la lui enfonça dans le ventre. 22 La poignée même entra après la lame, et la graisse se referma autour de la lame; car il ne retira pas du ventre l'épée, qui sortit par derrière. 23 Éhud sortit par le portique, ferma sur lui les portes de la chambre haute, et tira le verrou. 24 Quand il fut sorti, les serviteurs du roi vinrent et regardèrent; et voici, les portes de la chambre haute étaient fermées au verrou. Ils dirent: Sans doute il se couvre les pieds dans la chambre d'été. 25 Ils attendirent longtemps; et comme il n'ouvrait pas les portes de la chambre haute, ils prirent la clé et ouvrirent, et voici, leur maître était mort, étendu par terre. 26 Pendant leurs délais, Éhud prit la fuite, dépassa les carrières, et se sauva à Seïra. 27 Dès qu'il fut arrivé, il sonna de la trompette dans la montagne d'Éphraïm. Les enfants d'Israël descendirent avec lui de la montagne, et il se mit à leur tête. 28 Il leur dit: Suivez-moi, car l'Éternel a livré entre vos mains les Moabites, vos ennemis. Ils descendirent après lui, s'emparèrent des gués du Jourdain vis-à-vis de Moab, et ne laissèrent passer personne. 29 Ils battirent dans ce temps-là environ dix mille hommes de Moab, tous robustes, tous vaillants, et pas un n'échappa. 30 En ce jour, Moab fut humilié sous la main d'Israël. Et le pays fut en repos pendant quatre-vingts ans. 31 Après lui, il y eut Schamgar, fils d'Anath. Il battit six cents hommes des Philistins avec un aiguillon à boeufs. Et lui aussi fut un libérateur d'Israël.