| Chapitre 18 1 [Ny nandehandehanan'ny firenen'i Dana nizaha tany hitoerany] Ary tamin'izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely; ary tamin'izany andro izany kosa ny firenen'i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin'izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin'ny firenen'Isiraely izy. 2 Ary ny taranak'i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao. 3 Rehefa mby teo akaikin'ny tranon'i Mika izy, dia fantany ny feon'ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ? 4 Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon'i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao. 5 Dia hoy izy ireo taminy: Masìna ianao, manontania amin'Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin'ny lalana alehanay izahay, na tsia. 6 Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan'i Jehovah izao lalana alehanareo izao. 7 Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon'ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory* azy teo amin'ny tany na amin'inona na amin'inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin'olona akory.[Na: hahamena-maso] 8 Dia nandeha ho any amin'ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo? 9 Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany. 10 Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any amin'ny olona tsy manana ahiahy sy any amin'ny tany malalaka; fa efa natolotr'Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina atỳ ambonin'ny tany. 11 Dia nisy niainga avy tamin'ny fokon'i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany. 12 Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran'izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana*; indro, eo andrefan'i Kiriata-jearima izany). 13 Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika. 14 Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo. 15 Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon'ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon'i Mika, ka niarahaba azy. 16 Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany, izay avy tamin'ny taranak'i Dana, dia nijanona teo anoloan'ny vavahady. 17 Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin'ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany nijanona teo anoloan'ny vavahady. 18 Dia niditra tao an-tranon'i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo? 19 Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely? 20 Dia faly ny fon'ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin'ny olona izy. 21 Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman'ondry mbamin'ny entany tsara dia nataony teo alohany. 22 Ary rehefa lasa lavitra ny tranon'i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin'i Mika ka nahatratra ny taranak'i Dana. 23 Dia niantso ny taranak'i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin'i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao? 24 Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao? 25 Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao. 26 Dia nandeha tamin'ny nalehany ny taranak'i Dana; ary rehefa hitan'i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony. 27 Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon'i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin'ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin'ny afo. 28 Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin'olona akory izy, sady teo amin'ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao. 29 Ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran'i Dana rainy, izay naterak'Isiraely; kanefa Laisy no anaran'ny tanàna taloha. 30 Dia natsangan'ny taranak'i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy*, sy ny zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i Dana hatramin'ny andro namaboana ny tany.[Na: Manase] 31 Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo.
| | Chapitre 18 18:1 In those days there was no king in Israel: and in those days the tribe of the Danites sought an inheritance to dwell in; for to that day, their inheritance had not fallen to them among the tribes of Israel. 18:2 The children of Dan sent of their family five men from their whole number, men of valor, from Zorah, and from Eshtaol, to spy out the land, and to search it; and they said to them, “Go, explore the land!” They came to the hill country of Ephraim, to the house of Micah, and lodged there. 18:3 When they were by the house of Micah, they knew the voice of the young man the Levite; and they turned aside there, and said to him, “Who brought you here? What do you do in this place? What do you have here?” 18:4 He said to them, “Thus and thus has Micah dealt with me, and he has hired me, and I am become his priest.” 18:5 They said to him, “Please ask counsel of God, that we may know whether our way which we go shall be prosperous.” 18:6 The priest said to them, “Go in peace. Your way in which you go is before Yahweh.” 18:7 Then the five men departed, and came to Laish, and saw the people who were therein, how they lived in security, in the way of the Sidonians, quiet and secure; for there was none in the land, possessing authority, that might put them to shame in anything, and they were far from the Sidonians, and had no dealings with any man. 18:8 They came to their brothers to Zorah and Eshtaol: and their brothers said to them, “What do you say?” 18:9 They said, “Arise, and let us go up against them; for we have seen the land, and behold, it is very good. Do you stand still? Don’t be slothful to go and to enter in to possess the land. 18:10 When you go, you shall come to a secure people, and the land is large; for God has given it into your hand, a place where there is no want of anything that is in the earth.” 18:11 There set forth from there of the family of the Danites, out of Zorah and out of Eshtaol, six hundred men girt with weapons of war. 18:12 They went up, and encamped in Kiriath Jearim, in Judah: therefore they called that place Mahaneh Dan, to this day; behold, it is behind Kiriath Jearim. 18:13 They passed there to the hill country of Ephraim, and came to the house of Micah. 18:14 Then the five men who went to spy out the country of Laish answered, and said to their brothers, “Do you know that there is in these houses an ephod, and teraphim, and an engraved image, and a molten image? Now therefore consider what you have to do.” 18:15 They turned aside there, and came to the house of the young man the Levite, even to the house of Micah, and asked him of his welfare. 18:16 The six hundred men girt with their weapons of war, who were of the children of Dan, stood by the entrance of the gate. 18:17 The five men who went to spy out the land went up, and came in there, and took the engraved image, and the ephod, and the teraphim, and the molten image: and the priest stood by the entrance of the gate with the six hundred men girt with weapons of war. 18:18 When these went into Micah’s house, and fetched the engraved image, the ephod, and the teraphim, and the molten image, the priest said to them, “What are you doing?” 18:19 They said to him, “Hold your peace, put your hand on your mouth, and go with us, and be to us a father and a priest. Is it better for you to be priest to the house of one man, or to be priest to a tribe and a family in Israel?” 18:20 The priest’s heart was glad, and he took the ephod, and the teraphim, and the engraved image, and went in the midst of the people. 18:21 So they turned and departed, and put the little ones and the livestock and the goods before them. 18:22 When they were a good way from the house of Micah, the men who were in the houses near to Micah’s house were gathered together, and overtook the children of Dan. 18:23 They cried to the children of Dan. They turned their faces, and said to Micah, “What ails you, that you come with such a company?” 18:24 He said, “You have taken away my gods which I made, and the priest, and have gone away, and what more do I have? How then do you say to me, ‘What ails you?’” 18:25 The children of Dan said to him, “Don’t let your voice be heard among us, lest angry fellows fall on you, and you lose your life, with the lives of your household.” 18:26 The children of Dan went their way: and when Micah saw that they were too strong for him, he turned and went back to his house. 18:27 They took that which Micah had made, and the priest whom he had, and came to Laish, to a people quiet and secure, and struck them with the edge of the sword; and they burnt the city with fire. 18:28 There was no deliverer, because it was far from Sidon, and they had no dealings with any man; and it was in the valley that lies by Beth Rehob. They built the city, and lived therein. 18:29 They called the name of the city Dan, after the name of Dan their father, who was born to Israel: however the name of the city was Laish at the first. 18:30 The children of Dan set up for themselves the engraved image: and Jonathan, the son of Gershom, the son of Moses, he and his sons were priests to the tribe of the Danites until the day of the captivity of the land. 18:31 So they set them up Micah’s engraved image which he made, all the time that God’s house was in Shiloh.
| | Chapitre 18 1 En ce temps-là, il n'y avait point de roi en Israël; et la tribu des Danites se cherchait une possession pour s'établir, car jusqu'à ce jour il ne lui était point échu d'héritage au milieu des tribus d'Israël. 2 Les fils de Dan prirent sur eux tous, parmi leurs familles, cinq hommes vaillants, qu'ils envoyèrent de Tsorea et d'Eschthaol, pour explorer le pays et pour l'examiner. Ils leur dirent: Allez, examinez le pays. Ils arrivèrent dans la montagne d'Éphraïm jusqu'à la maison de Mica, et ils y passèrent la nuit. 3 Comme ils étaient près de la maison de Mica, ils reconnurent la voix du jeune Lévite, s'approchèrent et lui dirent: Qui t'a amené ici? que fais-tu dans ce lieu? et qu'as-tu ici? 4 Il leur répondit: Mica fait pour moi telle et telle chose, il me donne un salaire, et je lui sers de prêtre. 5 Ils lui dirent: Consulte Dieu, afin que nous sachions si notre voyage aura du succès. 6 Et le prêtre leur répondit: Allez en paix; le voyage que vous faites est sous le regard de l'Éternel. 7 Les cinq hommes partirent, et ils arrivèrent à Laïs. Ils virent le peuple qui y était vivant en sécurité à la manière des Sidoniens, tranquille et sans inquiétude; il n'y avait dans le pays personne qui leur fît le moindre outrage en dominant sur eux; ils étaient éloignés des Sidoniens, et ils n'avaient pas de liaison avec d'autres hommes. 8 Ils revinrent auprès de leurs frères à Tsorea et Eschthaol, et leurs frères leur dirent: Quelle nouvelle apportez-vous? 9 Allons! répondirent-ils, montons contre eux; car nous avons vu le pays, et voici, il est très bon. Quoi! vous restez sans rien dire! Ne soyez point paresseux à vous mettre en marche pour aller prendre possession de ce pays. 10 Quand vous y entrerez, vous arriverez vers un peuple en sécurité. Le pays est vaste, et Dieu l'a livré entre vos mains; c'est un lieu où rien ne manque de tout ce qui est sur la terre. 11 Six cents hommes de la famille de Dan partirent de Tsorea et d'Eschthaol, munis de leurs armes de guerre. 12 Ils montèrent, et campèrent à Kirjath-Jearim en Juda; c'est pourquoi ce lieu, qui est derrière Kirjath-Jearim, a été appelé jusqu'à ce jour Machané-Dan. 13 Ils passèrent de là dans la montagne d'Éphraïm, et ils arrivèrent jusqu'à la maison de Mica. 14 Alors les cinq hommes qui étaient allés pour explorer le pays de Laïs prirent la parole et dirent à leurs frères: Savez-vous qu'il y a dans ces maisons-là un éphod, des théraphim, une image taillée et une image en fonte? Voyez maintenant ce que vous avez à faire. 15 Ils s'approchèrent de là, entrèrent dans la maison du jeune Lévite, dans la maison de Mica, et lui demandèrent comment il se portait. 16 Les six cents hommes d'entre les fils de Dan, munis de leurs armes de guerre, se tenaient à l'entrée de la porte. 17 Et les cinq hommes qui étaient allés pour explorer le pays montèrent et entrèrent dans la maison; ils prirent l'image taillée, l'éphod, les théraphim, et l'image en fonte, pendant que le prêtre était à l'entrée de la porte avec les six cents hommes munis de leurs armes de guerre. 18 Lorsqu'ils furent entrés dans la maison de Mica, et qu'ils eurent pris l'image taillée, l'éphod, les théraphim, et l'image en fonte, le prêtre leur dit: Que faites-vous? 19 Ils lui répondirent: Tais-toi, mets ta main sur ta bouche, et viens avec nous; tu nous serviras de père et de prêtre. Vaut-il mieux que tu serves de prêtre à la maison d'un seul homme, ou que tu serves de prêtre à une tribu et à une famille en Israël? 20 Le prêtre éprouva de la joie dans son coeur; il prit l'éphod, les théraphim, et l'image taillée, et se joignit à la troupe. 21 Ils se remirent en route et partirent, en plaçant devant eux les enfants, le bétail et les bagages. 22 Comme ils étaient déjà loin de la maison de Mica, les gens qui habitaient les maisons voisines de celle de Mica se rassemblèrent et poursuivirent les fils de Dan. 23 Ils appelèrent les fils de Dan, qui se retournèrent et dirent à Mica: Qu'as-tu, et que signifie ce rassemblement? 24 Il répondit: Mes dieux que j'avais faits, vous les avez enlevés avec le prêtre et vous êtes partis: que me reste-t-il? Comment donc pouvez-vous me dire: Qu'as-tu? 25 Les fils de Dan lui dirent: Ne fais pas entendre ta voix près de nous; sinon des hommes irrités se jetteront sur vous, et tu causeras ta perte et celle de ta maison. 26 Et les fils de Dan continuèrent leur route. Mica, voyant qu'ils étaient plus forts que lui, s'en retourna et revint dans sa maison. 27 Ils enlevèrent ainsi ce qu'avait fait Mica et emmenèrent le prêtre qui était à son service, et ils tombèrent sur Laïs, sur un peuple tranquille et en sécurité; ils le passèrent au fil de l'épée, et ils brûlèrent la ville. 28 Personne ne la délivra, car elle était éloignée de Sidon, et ses habitants n'avaient pas de liaison avec d'autres hommes: elle était dans la vallée qui s'étend vers Beth-Rehob. Les fils de Dan rebâtirent la ville, et y habitèrent; 29 ils l'appelèrent Dan, d'après le nom de Dan, leur père, qui était né à Israël; mais la ville s'appelait auparavant Laïs. 30 Ils dressèrent pour eux l'image taillée; et Jonathan, fils de Guerschom, fils de Manassé, lui et ses fils, furent prêtres pour la tribu des Danites, jusqu'à l'époque de la captivité du pays. 31 Ils établirent pour eux l'image taillée qu'avait faite Mica, pendant tout le temps que la maison de Dieu fut à Silo. | |