| Chapitre 14 1 [Ny nanambadian'i Samsona ny vehivavy Filistina anankiray, sy ny namaliany ny Filistina] Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina. 2 Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny. 3 Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin'ny zana-kavanao, na ato amin'ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin'ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy. 4 Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin'ny Filistina Izy*; fa tamin'izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.[Na: izy] 5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy. 6 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony. 7 Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an'i Samsona izy. 8 Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona. 9 Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely. 10 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo. 11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy. 12 Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo. 13 Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay. 14 Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin'ny mpihinana no nivoahan'ny hanina; Ary avy tao amin'ny mahery no nivoahan'ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin'ny hateloana. 15 Ary nony tamin'ny andro fahafito*, dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin'ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va? [Na: (fahefatra)] 16 Ary ny vadin'i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako? 17 Dia nitomany teo anatrehany tamin'ny hafitoana izay nisian'ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin'ny andro fahafito dia nolazain'i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneny. 18 Ary nony tamin'ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko. 19 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian'ireo ka nomeny ho an'izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran'i Samsona, ka niakatra nankany amin'ny tranon-drainy izy. 20 Ary ny vadiny dia lasan'ny namany, izay efa nataony sakaizany.
| | Chapitre 14 14:1 Samson went down to Timnah, and saw a woman in Timnah of the daughters of the Philistines. 14:2 He came up, and told his father and his mother, and said, “I have seen a woman in Timnah of the daughters of the Philistines: now therefore get her for me as wife.” 14:3 Then his father and his mother said to him, “Is there never a woman among the daughters of your brothers, or among all my people, that you go to take a wife of the uncircumcised Philistines?” Samson said to his father, “Get her for me; for she pleases me well.” 14:4 But his father and his mother didn’t know that it was of Yahweh; for he sought an occasion against the Philistines. Now at that time the Philistines had rule over Israel. 14:5 Then went Samson down, and his father and his mother, to Timnah, and came to the vineyards of Timnah: and behold, a young lion roared against him. 14:6 The Spirit of Yahweh came mightily on him, and he tore him as he would have torn a young goat; and he had nothing in his hand: but he didn’t tell his father or his mother what he had done. 14:7 He went down, and talked with the woman, and she pleased Samson well. 14:8 After a while he returned to take her; and he turned aside to see the carcass of the lion: and behold, there was a swarm of bees in the body of the lion, and honey. 14:9 He took it into his hands, and went on, eating as he went; and he came to his father and mother, and gave to them, and they ate: but he didn’t tell them that he had taken the honey out of the body of the lion. 14:10 His father went down to the woman: and Samson made there a feast; for so used the young men to do. 14:11 It happened, when they saw him, that they brought thirty companions to be with him. 14:12 Samson said to them, “Let me tell you a riddle now. If you can declare it to me within the seven days of the feast, and find it out, then I will give you thirty linen garments and thirty changes of clothing; 14:13 but if you can’t declare it to me, then you shall give me thirty linen garments and thirty changes of clothing.” They said to him, “Put forth your riddle, that we may hear it.” 14:14 He said to them, “Out of the eater came forth food. Out of the strong came forth sweetness.” They couldn’t in three days declare the riddle. 14:15 It happened on the seventh day, that they said to Samson’s wife, “Entice your husband, that he may declare to us the riddle, lest we burn you and your father’s house with fire. Have you called us to impoverish us? Is it not so?” 14:16 Samson’s wife wept before him, and said, “You just hate me, and don’t love me. You have put forth a riddle to the children of my people, and haven’t told it me.” He said to her, “Behold, I haven’t told it my father nor my mother, and shall I tell you?” 14:17 She wept before him the seven days, while their feast lasted: and it happened on the seventh day, that he told her, because she pressed him severely; and she told the riddle to the children of her people. 14:18 The men of the city said to him on the seventh day before the sun went down, “What is sweeter than honey? What is stronger than a lion?” He said to them, “If you hadn’t plowed with my heifer, you wouldn’t have found out my riddle.” 14:19 The Spirit of Yahweh came mightily on him, and he went down to Ashkelon, and struck thirty men of them, and took their spoil, and gave the changes of clothing to those who declared the riddle. His anger was kindled, and he went up to his father’s house. 14:20 But Samson’s wife was given to his companion, whom he had used as his friend.
| | Chapitre 14 1 Samson descendit à Thimna, et il y vit une femme parmi les filles des Philistins. 2 Lorsqu'il fut remonté, il le déclara à son père et à sa mère, et dit: J'ai vu à Thimna une femme parmi les filles des Philistins; prenez-la maintenant pour ma femme. 3 Son père et sa mère lui dirent: N'y a-t-il point de femme parmi les filles de tes frères et dans tout notre peuple, que tu ailles prendre une femme chez les Philistins, qui sont incirconcis? Et Samson dit à son père: Prends-la pour moi, car elle me plaît. 4 Son père et sa mère ne savaient pas que cela venait de l'Éternel: car Samson cherchait une occasion de dispute de la part des Philistins. En ce temps-là, les Philistins dominaient sur Israël. 5 Samson descendit avec son père et sa mère à Thimna. Lorsqu'ils arrivèrent aux vignes de Thimna, voici, un jeune lion rugissant vint à sa rencontre. 6 L'esprit de l'Éternel saisit Samson; et, sans avoir rien à la main, Samson déchira le lion comme on déchire un chevreau. Il ne dit point à son père et à sa mère ce qu'il avait fait. 7 Il descendit et parla à la femme, et elle lui plut. 8 Quelque temps après, il se rendit de nouveau à Thimna pour la prendre, et se détourna pour voir le cadavre du lion. Et voici, il y avait un essaim d'abeilles et du miel dans le corps du lion. 9 Il prit entre ses mains le miel, dont il mangea pendant la route; et lorsqu'il fut arrivé près de son père et de sa mère, il leur en donna, et ils en mangèrent. Mais il ne leur dit pas qu'il avait pris ce miel dans le corps du lion. 10 Le père de Samson descendit chez la femme. Et là, Samson fit un festin, car c'était la coutume des jeunes gens. 11 Dès qu'on le vit, on invita trente compagnons qui se tinrent avec lui. 12 Samson leur dit: Je vais vous proposer une énigme. Si vous me l'expliquez pendant les sept jours du festin, et si vous la découvrez, je vous donnerai trente chemises et trente vêtements de rechange. 13 Mais si vous ne pouvez pas me l'expliquer, ce sera vous qui me donnerez trente chemises et trente vêtements de rechange. Ils lui dirent: Propose ton énigme, et nous l'écouterons. 14 Et il leur dit: De celui qui mange est sorti ce qui se mange, et du fort est sorti le doux. Pendant trois jours, ils ne purent expliquer l'énigme. 15 Le septième jour, ils dirent à la femme de Samson: Persuade à ton mari de nous expliquer l'énigme; sinon, nous te brûlerons, toi et la maison de ton père. C'est pour nous dépouiller que vous nous avez invités, n'est-ce pas? 16 La femme de Samson pleurait auprès de lui, et disait: Tu n'as pour moi que de la haine, et tu ne m'aimes pas; tu as proposé une énigme aux enfants de mon peuple, et tu ne me l'as point expliquée! Et il lui répondait: Je ne l'ai expliquée ni à mon père ni à ma mère; est-ce à toi que je l'expliquerais? 17 Elle pleura auprès de lui pendant les sept jours que dura leur festin; et le septième jour, il la lui expliqua, car elle le tourmentait. Et elle donna l'explication de l'énigme aux enfants de son peuple. 18 Les gens de la ville dirent à Samson le septième jour, avant le coucher du soleil: Quoi de plus doux que le miel, et quoi de plus fort que le lion? Et il leur dit: Si vous n'aviez pas labouré avec ma génisse, vous n'auriez pas découvert mon énigme. 19 L'esprit de l'Éternel le saisit, et il descendit à Askalon. Il y tua trente hommes, prit leurs dépouilles, et donna les vêtements de rechange à ceux qui avaient expliqué l'énigme. Il était enflammé de colère, et il monta à la maison de son père. 20 Sa femme fut donnée à l'un de ses compagnons, avec lequel il était lié. | |