T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 [Ny nahaterahan'i Samsona] Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, ka dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Filistina efa-polo taona izy.

2 Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin'ny fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.

3 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy.

4 Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.

5 Fa, indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin'ny tanan'ny Filistina.

6 Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin'Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.

7 Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny

8 Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.

9 Ary Andriamanitra nihaino ny feon'i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin'Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.

10 Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin'ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin'ilay indray andro.

11 Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.

12 Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?

13 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa.

14 Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

15 Ary hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak'osy ho Anao.

16 Dia hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin'ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr'i Manoa ho Anjelin'i Jehovah Izy.

17 Dia hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao?

18 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.

19 Dia naka ny zanak'osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin'ny vatolampy ho an'i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady.

20 Ary raha niakatra ho amin'ny lanitra ny lelafo avy teo amin'ny alitara, dia niakatra teo anatin'ny lelafo avy teo amin'ny alitara Ilay Anjelin'i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin'ny tany.

21 Ary tsy niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin'i Jehovah; dia fantatr'i Manoa fa Anjelin'i Jehovah Izy.

22 Ary hoy Manoa tamin'ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an'Andriamanitra.

23 Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak'i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin'ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.

24 Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.

25 Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin'i Jehovah tany Mahane-dana*, teo anelanelan'i Zora sy Estaola.[Mahane-dana = Tobin'i Dana]

 

Chapitre 13

13:1 The children of Israel again did that which was evil in the sight of Yahweh; and Yahweh delivered them into the hand of the Philistines forty years. 13:2 There was a certain man of Zorah, of the family of the Danites, whose name was Manoah; and his wife was barren, and didn’t bear. 13:3 The angel of Yahweh appeared to the woman, and said to her, “See now, you are barren, and don’t bear; but you shall conceive, and bear a son. 13:4 Now therefore please beware and drink no wine nor strong drink, and don’t eat any unclean thing: 13:5 for, behold, you shall conceive, and bear a son; and no razor shall come on his head; for the child shall be a Nazirite to God from the womb: and he shall begin to save Israel out of the hand of the Philistines.”

13:6 Then the woman came and told her husband, saying, “A man of God came to me, and his face was like the face of the angel of God, very awesome; and I didn’t ask him where he was from, neither did he tell me his name: 13:7 but he said to me, ‘Behold, you shall conceive, and bear a son; and now drink no wine nor strong drink, and eat not any unclean thing; for the child shall be a Nazirite to God from the womb to the day of his death.’”

13:8 Then Manoah entreated Yahweh, and said, “Oh, Lord, please let the man of God whom you did send come again to us, and teach us what we shall do to the child who shall be born.”

13:9 God listened to the voice of Manoah; and the angel of God came again to the woman as she sat in the field: but Manoah, her husband, wasn’t with her. 13:10 The woman made haste, and ran, and told her husband, and said to him, “Behold, the man has appeared to me, who came to me that day.”

13:11 Manoah arose, and went after his wife, and came to the man, and said to him, “Are you the man who spoke to the woman?”

He said, “I am.”

13:12 Manoah said, “Now let your words happen. What shall the child’s way of life and mission be?”

13:13 The angel of Yahweh said to Manoah, “Of all that I said to the woman let her beware. 13:14 She may not eat of anything that comes of the vine, neither let her drink wine or strong drink, nor eat any unclean thing; all that I commanded her let her observe.”

13:15 Manoah said to the angel of Yahweh, “Please, let us detain you, that we may make a young goat ready for you.”

13:16 The angel of Yahweh said to Manoah, “Though you detain me, I won’t eat of your bread; and if you will prepare a burnt offering, you must offer it to Yahweh.” For Manoah didn’t know that he was the angel of Yahweh.

13:17 Manoah said to the angel of Yahweh, “What is your name, that when your words happen, we may honor you?”

13:18 The angel of Yahweh said to him, “Why do you ask about my name, since it is wonderful?”

13:19 So Manoah took the young goat with the meal offering, and offered it on the rock to Yahweh. Then the angel did a wonderful thing as Manoah and his wife looked on. 13:20 For it happened, when the flame went up toward the sky from off the altar, that the angel of Yahweh ascended in the flame of the altar: and Manoah and his wife looked on; and they fell on their faces to the ground. 13:21 But the angel of Yahweh didn’t appear to Manoah or to his wife any more. Then Manoah knew that he was the angel of Yahweh. 13:22 Manoah said to his wife, “We shall surely die, because we have seen God.”

13:23 But his wife said to him, “If Yahweh were pleased to kill us, he wouldn’t have received a burnt offering and a meal offering at our hand, neither would he have shown us all these things, nor would at this time have told such things as these.” 13:24 The woman bore a son, and named him Samson: and the child grew, and Yahweh blessed him. 13:25 The Spirit of Yahweh began to move him in Mahaneh Dan, between Zorah and Eshtaol.

 

Chapitre 13
1 Les enfants d'Israël firent encore ce qui déplaît à l'Éternel; et l'Éternel les livra entre les mains des Philistins, pendant quarante ans. 2 Il y avait un homme de Tsorea, de la famille des Danites, et qui s'appelait Manoach. Sa femme était stérile, et n'enfantait pas. 3 Un ange de l'Éternel apparut à la femme, et lui dit: Voici, tu es stérile, et tu n'as point d'enfants; tu deviendras enceinte, et tu enfanteras un fils. 4 Maintenant prends bien garde, ne bois ni vin ni liqueur forte, et ne mange rien d'impur. 5 Car tu vas devenir enceinte et tu enfanteras un fils. Le rasoir ne passera point sur sa tête, parce que cet enfant sera consacré à Dieu dès le ventre de sa mère; et ce sera lui qui commencera à délivrer Israël de la main des Philistins. 6 La femme alla dire à son mari; Un homme de Dieu est venu vers moi, et il avait l'aspect d'un ange de Dieu, un aspect redoutable. Je ne lui ai pas demandé d'où il était, et il ne m'a pas fait connaître son nom. 7 Mais il m'a dit: Tu vas devenir enceinte, et tu enfanteras un fils; et maintenant ne bois ni vin ni liqueur forte, et ne mange rien d'impur, parce que cet enfant sera consacré à Dieu dès le ventre de sa mère jusqu'au jour de sa mort. 8 Manoach fit cette prière à l'Éternel: Ah! Seigneur, que l'homme de Dieu que tu as envoyé vienne encore vers nous, et qu'il nous enseigne ce que nous devons faire pour l'enfant qui naîtra! 9 Dieu exauça la prière de Manoach, et l'ange de Dieu vint encore vers la femme. Elle était assise dans un champ, et Manoach, son mari, n'était pas avec elle. 10 Elle courut promptement donner cette nouvelle à son mari, et lui dit: Voici, l'homme qui était venu l'autre jour vers moi m'est apparu. 11 Manoach se leva, suivit sa femme, alla vers l'homme, et lui dit: Est-ce toi qui as parlé à cette femme? Il répondit: C'est moi. 12 Manoach dit: Maintenant, si ta parole s'accomplit, que faudra-t-il observer à l'égard de l'enfant, et qu'y aura-t-il à faire? 13 L'ange de l'Éternel répondit à Manoach: La femme s'abstiendra de tout ce que je lui ai dit. 14 Elle ne goûtera d'aucun produit de la vigne, elle ne boira ni vin ni liqueur forte, et elle ne mangera rien d'impur; elle observera tout ce que je lui ai prescrit. 15 Manoach dit à l'ange de l'Éternel: Permets-nous de te retenir, et de t'apprêter un chevreau. 16 L'ange de l'Éternel répondit à Manoach: Quand tu me retiendrais, je ne mangerais pas de ton mets; mais si tu veux faire un holocauste, tu l'offriras à l'Éternel. Manoach ne savait point que ce fût un ange de l'Éternel. 17 Et Manoach dit à l'ange de l'Éternel: Quel est ton nom, afin que nous te rendions gloire, quand ta parole s'accomplira? 18 L'ange de l'Éternel lui répondit: Pourquoi demandes-tu mon nom? Il est merveilleux. 19 Manoach prit le chevreau et l'offrande, et fit un sacrifice à l'Éternel sur le rocher. Il s'opéra un prodige, pendant que Manoach et sa femme regardaient. 20 Comme la flamme montait de dessus l'autel vers le ciel, l'ange de l'Éternel monta dans la flamme de l'autel. A cette vue, Manoach et sa femme tombèrent la face contre terre. 21 L'ange de l'Éternel n'apparut plus à Manoach et à sa femme. Alors Manoach comprit que c'était l'ange de l'Éternel, 22 et il dit à sa femme: Nous allons mourir, car nous avons vu Dieu. 23 Sa femme lui répondit: Si l'Éternel eût voulu nous faire mourir, il n'aurait pas pris de nos mains l'holocauste et l'offrande, il ne nous aurait pas fait voir tout cela, et il ne nous aurait pas maintenant fait entendre pareilles choses. 24 La femme enfanta un fils, et lui donna le nom de Samson. L'enfant grandit, et l'Éternel le bénit. 25 Et l'esprit de l'Éternel commença à l'agiter à Machané-Dan, entre Tsorea et Eschthaol.