T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12

1 [Ny hatezeran'ny Efraima tamin'i Jefta, sy ny niadian'i Jefta taminy] Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra* ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy ianao. [Na: nankany Zafona]

2 Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin'ny tànany ianareo.

3 Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotr'i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?

4 Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin'ny Gileada ka niady tamin'ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin'ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin'ny Efraima ao amin'ny taranak'i Efraima sy Manase.

5 Dia novonjen'ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin'ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin'ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,

6 dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany.

7 Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin'ny tanana anankiray any Gileada.

8 [Ny tantaran'Ibzana sy Elona ary Abdona] Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta.

9 Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.

10 Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.

11 Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.

12 Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona.

13 Ary Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.

14 Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.

15 Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita.

 

Chapitre 12

12:1 The men of Ephraim were gathered together, and passed northward; and they said to Jephthah, “Why did you pass over to fight against the children of Ammon, and didn’t call us to go with you? We will burn your house around you with fire!”

12:2 Jephthah said to them, “I and my people were at great strife with the children of Ammon; and when I called you, you didn’t save me out of their hand. 12:3 When I saw that you didn’t save me, I put my life in my hand, and passed over against the children of Ammon, and Yahweh delivered them into my hand. Why then have you come up to me this day, to fight against me?”

12:4 Then Jephthah gathered together all the men of Gilead, and fought with Ephraim; and the men of Gilead struck Ephraim, because they said, “You are fugitives of Ephraim, you Gileadites, in the midst of Ephraim, and in the midst of Manasseh.” 12:5 The Gileadites took the fords of the Jordan against the Ephraimites. It was so, that when the fugitives of Ephraim said, “Let me go over,” the men of Gilead said to him, “Are you an Ephraimite?” If he said, “No”; 12:6 then they said to him, “Now say ‘Shibboleth;’” and he said “Sibboleth”; for he couldn’t manage to pronounce it right: then they siezed him, and killed him at the fords of the Jordan. At that time, forty-two thousand of Ephraim fell. 12:7 Jephthah judged Israel six years. Then Jephthah the Gileadite died, and was buried in the cities of Gilead. 12:8 After him Ibzan of Bethlehem judged Israel. 12:9 He had thirty sons; and thirty daughters he sent abroad, and thirty daughters he brought in from abroad for his sons. He judged Israel seven years. 12:10 Ibzan died, and was buried at Bethlehem. 12:11 After him Elon the Zebulunite judged Israel; and he judged Israel ten years. 12:12 Elon the Zebulunite died, and was buried in Aijalon in the land of Zebulun. 12:13 After him Abdon the son of Hillel the Pirathonite judged Israel. 12:14 He had forty sons and thirty sons’ sons, who rode on seventy donkey colts: and he judged Israel eight years. 12:15 Abdon the son of Hillel the Pirathonite died, and was buried in Pirathon in the land of Ephraim, in the hill country of the Amalekites.

 

Chapitre 12
1 Les hommes d'Éphraïm se rassemblèrent, partirent pour le nord, et dirent à Jephthé: Pourquoi es-tu allé combattre les fils d'Ammon sans nous avoir appelés à marcher avec toi? Nous voulons incendier ta maison et te brûler avec elle. 2 Jephthé leur répondit: Nous avons eu de grandes contestations, moi et mon peuple, avec les fils d'Ammon; et quand je vous ai appelés, vous ne m'avez pas délivré de leurs mains. 3 Voyant que tu ne venais pas à mon secours, j'ai exposé ma vie, et j'ai marché contre les fils d'Ammon. L'Éternel les a livrés entre mes mains. Pourquoi donc aujourd'hui montez-vous contre moi pour me faire la guerre? 4 Jephthé rassembla tous les hommes de Galaad, et livra bataille à Éphraïm. Les hommes de Galaad battirent Éphraïm, parce que les Éphraïmites disaient: Vous êtes des fugitifs d'Éphraïm! Galaad est au milieu d'Éphraïm, au milieu de Manassé! 5 Galaad s'empara des gués du Jourdain du côté d'Éphraïm. Et quand l'un des fuyards d'Éphraïm disait: Laissez-moi passer! les hommes de Galaad lui demandaient: Es-tu Éphraïmite? Il répondait: Non. 6 Ils lui disaient alors: Hé bien, dis Schibboleth. Et il disait Sibboleth, car il ne pouvait pas bien prononcer. Sur quoi les hommes de Galaad le saisissaient, et l'égorgeaient près des gués du Jourdain. Il périt en ce temps-là quarante-deux mille hommes d'Éphraïm. 7 Jephthé fut juge en Israël pendant six ans; puis Jephthé, le Galaadite, mourut, et fut enterré dans l'une des villes de Galaad. 8 Après lui, Ibtsan de Bethléhem fut juge en Israël. 9 Il eut trente fils, il maria trente filles au dehors, et il fit venir pour ses fils trente filles du dehors. Il fut juge en Israël pendant sept ans; 10 puis Ibtsan mourut, et fut enterré à Bethléhem. 11 Après lui, Élon de Zabulon fut juge en Israël. Il fut juge en Israël pendant dix ans; 12 puis Élon de Zabulon mourut, et fut enterré à Ajalon, dans le pays de Zabulon. 13 Après lui, Abdon, fils d'Hillel, le Pirathonite, fut juge en Israël. 14 Il eut quarante fils et trente petits-fils, qui montaient sur soixante dix ânons. Il fut juge en Israël pendant huit ans; 15 puis Abdon, fils d'Hillel, le Pirathonite, mourut, et fut enterré à Pirathon, dans le pays d'Éphraïm, sur la montagne des Amalécites.