T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny mahasoa ny olombelona] Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.

2 Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.

3 Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara* ihany ny fo.[Na: faly]

4 Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana.

5 Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ny adala.

6 Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin'ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala; zava-poana koa izany.

7 Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.

8 Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.

9 Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.

10 Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.

11 Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany.

12 Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena.

13 Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?

14 Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.

15 Izao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany.

16 Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?

17 Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?

18 Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.

19 Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.

20 Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.

21 Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;

22 fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.

23 Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin'ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.

24 Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?

25 Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;

26 ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.

27 Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.

28 Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo; fa tao amin'ny vehivavy arivo* dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.[Heb. teo amin'ireo dia tsy nisy vehivavy hitako,etc]

29 Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.

 

Chapitre 7

7:1 A good name is better than fine perfume; and the day of death better than the day of one’s birth. 7:2 It is better to go to the house of mourning than to go to the house of feasting: for that is the end of all men, and the living should take this to heart. 7:3 Sorrow is better than laughter; for by the sadness of the face the heart is made good. 7:4 The heart of the wise is in the house of mourning; but the heart of fools is in the house of mirth. 7:5 It is better to hear the rebuke of the wise, than for a man to hear the song of fools. 7:6 For as the crackling of thorns under a pot, so is the laughter of the fool. This also is vanity. 7:7 Surely extortion makes the wise man foolish; and a bribe destroys the understanding. 7:8 Better is the end of a thing than its beginning.

The patient in spirit is better than the proud in spirit. 7:9 Don’t be hasty in your spirit to be angry, for anger rests in the bosom of fools. 7:10 Don’t say, “Why were the former days better than these?” For you do not ask wisely about this.

7:11 Wisdom is as good as an inheritance. Yes, it is more excellent for those who see the sun. 7:12 For wisdom is a defense, even as money is a defense; but the excellency of knowledge is that wisdom preserves the life of him who has it.

7:13 Consider the work of God, for who can make that straight, which he has made crooked? 7:14 In the day of prosperity be joyful, and in the day of adversity consider; yes, God has made the one side by side with the other, to the end that man should not find out anything after him.

7:15 All this have I seen in my days of vanity: there is a righteous man who perishes in his righteousness, and there is a wicked man who lives long in his evildoing. 7:16 Don’t be overly righteous, neither make yourself overly wise. Why should you destroy yourself? 7:17 Don’t be too wicked, neither be foolish. Why should you die before your time? 7:18 It is good that you should take hold of this. Yes, also from that don’t withdraw your hand; for he who fears God will come forth from them all. 7:19 Wisdom is a strength to the wise man more than ten rulers who are in a city. 7:20 Surely there is not a righteous man on earth, who does good and doesn’t sin. 7:21 Also don’t take heed to all words that are spoken, lest you hear your servant curse you; 7:22 for often your own heart knows that you yourself have likewise cursed others. 7:23 All this have I proved in wisdom. I said, “I will be wise”; but it was far from me. 7:24 That which is, is far off and exceedingly deep. Who can find it out? 7:25 I turned around, and my heart sought to know and to search out, and to seek wisdom and the scheme of things, and to know that wickedness is stupidity, and that foolishness is madness.

7:26 I find more bitter than death the woman whose heart is snares and traps, whose hands are chains. Whoever pleases God shall escape from her; but the sinner will be ensnared by her.

7:27 “Behold, I have found this,” says the Preacher, “one to another, to find out the scheme; 7:28 which my soul still seeks; but I have not found. One man among a thousand have I found; but I have not found a woman among all those. 7:29 Behold, this only have I found: that God made man upright; but they search for many schemes.”

 

Chapitre 7
1 Une bonne réputation vaut mieux que le bon parfum, et le jour de la mort que le jour de la naissance.

2 Mieux vaut aller dans une maison de deuil que d'aller dans une maison de festin; car c'est là la fin de tout homme, et celui qui vit prend la chose à coeur.

3 Mieux vaut le chagrin que le rire; car avec un visage triste le coeur peut être content. 4 Le coeur des sages est dans la maison de deuil, et le coeur des insensés dans la maison de joie.

5 Mieux vaut entendre la réprimande du sage que d'entendre le chant des insensés.

6 Car comme le bruit des épines sous la chaudière, ainsi est le rire des insensés. C'est encore là une vanité.

7 L'oppression rend insensé le sage, et les présents corrompent le coeur.

8 Mieux vaut la fin d'une chose que son commencement; mieux vaut un esprit patient qu'un esprit hautain.

9 Ne te hâte pas en ton esprit de t'irriter, car l'irritation repose dans le sein des insensés. 10 Ne dis pas: D'où vient que les jours passés étaient meilleurs que ceux ci? Car ce n'est point par sagesse que tu demandes cela.

11 La sagesse vaut autant qu'un héritage, et même plus pour ceux qui voient le soleil.

12 Car à l'ombre de la sagesse on est abrité comme à l'ombre de l'argent; mais un avantage de la science, c'est que la sagesse fait vivre ceux qui la possèdent.

13 Regarde l'oeuvre de Dieu: qui pourra redresser ce qu'il a courbé?

14 Au jour du bonheur, sois heureux, et au jour du malheur, réfléchis: Dieu a fait l'un comme l'autre, afin que l'homme ne découvre en rien ce qui sera après lui.

15 J'ai vu tout cela pendant les jours de ma vanité. Il y a tel juste qui périt dans sa justice, et il y a tel méchant qui prolonge son existence dans sa méchanceté. 16 Ne sois pas juste à l'excès, et ne te montre pas trop sage: pourquoi te détruirais-tu?

17 Ne sois pas méchant à l'excès, et ne sois pas insensé: pourquoi mourrais-tu avant ton temps?

18 Il est bon que tu retiennes ceci, et que tu ne négliges point cela; car celui qui craint Dieu échappe à toutes ces choses. 19 La sagesse rend le sage plus fort que dix chefs qui sont dans une ville.

20 Non, il n'y a sur la terre point d'homme juste qui fasse le bien et qui ne pèche jamais.

21 Ne fais donc pas attention à toutes les paroles qu'on dit, de peur que tu n'entendes ton serviteur te maudire;

22 car ton coeur a senti bien des fois que tu as toi-même maudit les autres.

23 J'ai éprouvé tout cela par la sagesse. J'ai dit: Je serai sage. Et la sagesse est restée loin de moi.

24 Ce qui est loin, ce qui est profond, profond, qui peut l'atteindre?

25 Je me suis appliqué dans mon coeur à connaître, à sonder, et à chercher la sagesse et la raison des choses, et à connaître la folie de la méchanceté et la stupidité de la sottise.

26 Et j'ai trouvé plus amère que la mort la femme dont le coeur est un piège et un filet, et dont les mains sont des liens; celui qui est agréable à Dieu lui échappe, mais le pécheur est pris par elle. 27 Voici ce que j'ai trouvé, dit l'Ecclésiaste, en examinant les choses une à une pour en saisir la raison;

28 voici ce que mon âme cherche encore, et que je n'ai point trouvé. J'ai trouvé un homme entre mille; mais je n'ai pas trouvé une femme entre elles toutes.

29 Seulement, voici ce que j'ai trouvé, c'est que Dieu a fait les hommes droits; mais ils ont cherché beaucoup de détours.