T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 [Ny fahantran'ny sasany noho ny tsy ahitany soa amin'ny zavatra ananany] Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ary mitambesatra amin'ny olona izany:

2 dia olona izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen'Andriamanitra fahefana hihinana amin'izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.

3 Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.

4 Fa toa zava-poana no nihavian'io, ary mandeha ao amin'ny maizina izy, sady ho voasaron'ny aizina ny anarany,

5 ary koa, tsy nahita na nahalala ny masoandro akory izy, mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo izy.

6 Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin'ny fitoerana iray ihany va no alehan'izy rehetra?

7 Ny fisasarana rehetra ataon'ny olona dia ho an'ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.

8 Fa inona no soa azon'ny hendry noho ny adala? Inona no azon'ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason'ny velona?

9 Ny fahitan'ny maso dia mahafinaritra noho ny firenirenin'ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]

10 Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin'izay mahery noho izy.

11 Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon'ny olona?

12 Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin'izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin'ny aloka? Fa iza no hahalaza amin'ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin'ny masoandro?

 

Chapitre 6

6:1 There is an evil which I have seen under the sun, and it is heavy on men: 6:2 a man to whom God gives riches, wealth, and honor, so that he lacks nothing for his soul of all that he desires, yet God gives him no power to eat of it, but an alien eats it. This is vanity, and it is an evil disease.

6:3 If a man fathers a hundred children, and lives many years, so that the days of his years are many, but his soul is not filled with good, and moreover he has no burial; I say, that a stillborn child is better than he: 6:4 for it comes in vanity, and departs in darkness, and its name is covered with darkness.

6:5 Moreover it has not seen the sun nor known it. This has rest rather than the other.

6:6 Yes, though he live a thousand years twice told, and yet fails to enjoy good, don’t all go to one place?

6:7 All the labor of man is for his mouth, and yet the appetite is not filled.

6:8 For what advantage has the wise more than the fool? What has the poor man, that knows how to walk before the living?

6:9 Better is the sight of the eyes than the wandering of the desire. This also is vanity and a chasing after wind.

6:10 Whatever has been, its name was given long ago; and it is known what man is; neither can he contend with him who is mightier than he.

6:11 For there are many words that create vanity. What does that profit man?

6:12 For who knows what is good for man in life, all the days of his vain life which he spends like a shadow? For who can tell a man what will be after him under the sun?

 

Chapitre 6
1 Il est un mal que j'ai vu sous le soleil, et qui est fréquent parmi les hommes.

2 Il y a tel homme à qui Dieu a donné des richesses, des biens, et de la gloire, et qui ne manque pour son âme de rien de ce qu'il désire, mais que Dieu ne laisse pas maître d'en jouir, car c'est un étranger qui en jouira. C'est là une vanité et un mal grave.

3 Quand un homme aurait cent fils, vivrait un grand nombre d'années, et que les jours de ses années se multiplieraient, si son âme ne s'est point rassasiée de bonheur, et si de plus il n'a point de sépulture, je dis qu'un avorton est plus heureux que lui.

4 Car il est venu en vain, il s'en va dans les ténèbres, et son nom reste couvert de ténèbres;

5 il n'a point vu, il n'a point connu le soleil; il a plus de repos que cet homme.

6 Et quand celui-ci vivrait deux fois mille ans, sans jouir du bonheur, tout ne va-t-il pas dans un même lieu? 7 Tout le travail de l'homme est pour sa bouche, et cependant ses désirs ne sont jamais satisfaits.

8 Car quel avantage le sage a-t-il sur l'insensé? quel avantage a le malheureux qui sait se conduire en présence des vivants?

9 Ce que les yeux voient est préférable à l'agitation des désirs: c'est encore là une vanité et la poursuite du vent.

10 Ce qui existe a déjà été appelé par son nom; et l'on sait que celui qui est homme ne peut contester avec un plus fort que lui.

11 S'il y a beaucoup de choses, il y a beaucoup de vanités: quel avantage en revient-il à l'homme?

12 Car qui sait ce qui est bon pour l'homme dans la vie, pendant le nombre des jours de sa vie de vanité, qu'il passe comme une ombre? Et qui peut dire à l'homme ce qui sera après lui sous le soleil?