T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Ny maha-zava-poana ny fahafinaretana sy ny voninahitra momba izao fiainana izao, na dia omban'ny fahendrena aza] Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.

2 Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?

3 Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.

4 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,

5 nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;

6 nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;

7 nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.

8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka*. [Na: fahafinaretan'ny zanak'olombelona be dia be]

9 Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.

10 Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra.

11 Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra* foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin'ny masoandro.[Na: Homan-drivotra]

12 [Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny fahadalana, ary ny mahatsara ny fiononana, na dia hita aza fa misy zavatra maro itovian'ny hendry sy ny adala] Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon'ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany.

13 Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara* noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran**'ny mazava noho ny maizina.[*Heb. mihoatra][**Heb. fihoaran']

14 Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.

15 Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin'ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.

16 Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.

17 Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra* foana izy rehetra.[Na: Homan-drivotra]

18 Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro, fa havelako ho an'ny olona izay handimby ahy izany,

19 ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon'izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin'ny fahendreko tatỳ ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany.

20 Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin'ny fahakiviana ny amin'ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro.

21 Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.

22 Fa inona no azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra sy amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin'ny masoandro?

23 Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.

24 Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra* [Na: Tsy misy tsara amin'ny olona. Ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenanay amin'ny fisasaranay dia hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra koa]

25 (fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).

26 Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]

Chapitre 2

2:1 I said in my heart, “Come now, I will test you with mirth: therefore enjoy pleasure”; and behold, this also was vanity. 2:2 I said of laughter, “It is foolishness”; and of mirth, “What does it accomplish?”

2:3 I searched in my heart how to cheer my flesh with wine, my heart yet guiding me with wisdom, and how to lay hold of folly, until I might see what it was good for the sons of men that they should do under heaven all the days of their lives. 2:4 I made myself great works. I built myself houses. I planted myself vineyards. 2:5 I made myself gardens and parks, and I planted trees in them of all kinds of fruit. 2:6 I made myself pools of water, to water from it the forest where trees were reared. 2:7 I bought male servants and female servants, and had servants born in my house. I also had great possessions of herds and flocks, above all who were before me in Jerusalem; 2:8 I also gathered silver and gold for myself, and the treasure of kings and of the provinces. I got myself male and female singers, and the delights of the sons of men—musical instruments, and that of all sorts. 2:9 So I was great, and increased more than all who were before me in Jerusalem. My wisdom also remained with me. 2:10 Whatever my eyes desired, I didn’t keep from them. I didn’t withhold my heart from any joy, for my heart rejoiced because of all my labor, and this was my portion from all my labor. 2:11 Then I looked at all the works that my hands had worked, and at the labor that I had labored to do; and behold, all was vanity and a chasing after wind, and there was no profit under the sun.

2:12 I turned myself to consider wisdom, madness, and folly: for what can the king’s successor do? Just that which has been done long ago. 2:13 Then I saw that wisdom excels folly, as far as light excels darkness. 2:14 The wise man’s eyes are in his head, and the fool walks in darkness—and yet I perceived that one event happens to them all. 2:15 Then I said in my heart, “As it happens to the fool, so will it happen even to me; and why was I then more wise?” Then I said in my heart that this also is vanity. 2:16 For of the wise man, even as of the fool, there is no memory for ever, since in the days to come all will have been long forgotten. Indeed, the wise man must die just like the fool!

2:17 So I hated life, because the work that is worked under the sun was grievous to me; for all is vanity and a chasing after wind. 2:18 I hated all my labor in which I labored under the sun, because I must leave it to the man who comes after me. 2:19 Who knows whether he will be a wise man or a fool? Yet he will have rule over all of my labor in which I have labored, and in which I have shown myself wise under the sun. This also is vanity.

2:20 Therefore I began to cause my heart to despair concerning all the labor in which I had labored under the sun. 2:21 For there is a man whose labor is with wisdom, with knowledge, and with skillfulness; yet he shall leave it for his portion to a man who has not labored for it. This also is vanity and a great evil. 2:22 For what has a man of all his labor, and of the striving of his heart, in which he labors under the sun? 2:23 For all his days are sorrows, and his travail is grief; yes, even in the night his heart takes no rest. This also is vanity. 2:24 There is nothing better for a man than that he should eat and drink, and make his soul enjoy good in his labor. This also I saw, that it is from the hand of God. 2:25 For who can eat, or who can have enjoyment, more than I? 2:26 For to the man who pleases him, God gives wisdom, knowledge, and joy; but to the sinner he gives travail, to gather and to heap up, that he may give to him who pleases God. This also is vanity and a chasing after wind.

Chapitre 2
1 J'ai dit en mon coeur: Allons! je t'éprouverai par la joie, et tu goûteras le bonheur. Et voici, c'est encore là une vanité. 2 J'ai dit du rire: Insensé! et de la joie: A quoi sert-elle? 3 Je résolus en mon coeur de livrer ma chair au vin, tandis que mon coeur me conduirait avec sagesse, et de m'attacher à la folie jusqu'à ce que je visse ce qu'il est bon pour les fils de l'homme de faire sous les cieux pendant le nombre des jours de leur vie. 4 J'exécutai de grands ouvrages: je me bâtis des maisons; je me plantai des vignes; 5 je me fis des jardins et des vergers, et j'y plantai des arbres à fruit de toute espèce; 6 je me créai des étangs, pour arroser la forêt où croissaient les arbres. 7 J'achetai des serviteurs et des servantes, et j'eus leurs enfants nés dans la maison; je possédai des troupeaux de boeufs et de brebis, plus que tous ceux qui étaient avant moi dans Jérusalem. 8 Je m'amassai de l'argent et de l'or, et les richesses des rois et des provinces. Je me procurai des chanteurs et des chanteuses, et les délices des fils de l'homme, des femmes en grand nombre. 9 Je devins grand, plus grand que tous ceux qui étaient avant moi dans Jérusalem. Et même ma sagesse demeura avec moi. 10 Tout ce que mes yeux avaient désiré, je ne les en ai point privés; je n'ai refusé à mon coeur aucune joie; car mon coeur prenait plaisir à tout mon travail, et c'est la part qui m'en est revenue. 11 Puis, j'ai considéré tous les ouvrages que mes mains avaient faits, et la peine que j'avais prise à les exécuter; et voici, tout est vanité et poursuite du vent, et il n'y a aucun avantage à tirer de ce qu'on fait sous le soleil. 12 Alors j'ai tourné mes regards vers la sagesse, et vers la sottise et la folie. -Car que fera l'homme qui succédera au roi? Ce qu'on a déjà fait. 13 Et j'ai vu que la sagesse a de l'avantage sur la folie, comme la lumière a de l'avantage sur les ténèbres; 14 le sage a ses yeux à la tête, et l'insensé marche dans les ténèbres. Mais j'ai reconnu aussi qu'ils ont l'un et l'autre un même sort. 15 Et j'ai dit en mon coeur: J'aurai le même sort que l'insensé; pourquoi donc ai-je été plus sage? Et j'ai dit en mon coeur que c'est encore là une vanité. 16 Car la mémoire du sage n'est pas plus éternelle que celle de l'insensé, puisque déjà les jours qui suivent, tout est oublié. Eh quoi! le sage meurt aussi bien que l'insensé! 17 Et j'ai haï la vie, car ce qui se fait sous le soleil m'a déplu, car tout est vanité et poursuite du vent. 18 J'ai haï tout le travail que j'ai fait sous le soleil, et dont je dois laisser la jouissance à l'homme qui me succédera. 19 Et qui sait s'il sera sage ou insensé? Cependant il sera maître de tout mon travail, de tout le fruit de ma sagesse sous le soleil. C'est encore là une vanité. 20 Et j'en suis venu à livrer mon coeur au désespoir, à cause de tout le travail que j'ai fait sous le soleil. 21 Car tel homme a travaillé avec sagesse et science et avec succès, et il laisse le produit de son travail à un homme qui ne s'en est point occupé. C'est encore là une vanité et un grand mal. 22 Que revient-il, en effet, à l'homme de tout son travail et de la préoccupation de son coeur, objet de ses fatigues sous le soleil? 23 Tous ses jours ne sont que douleur, et son partage n'est que chagrin; même la nuit son coeur ne repose pas. C'est encore là une vanité. 24 Il n'y a de bonheur pour l'homme qu'à manger et à boire, et à faire jouir son âme du bien-être, au milieu de son travail; mais j'ai vu que cela aussi vient de la main de Dieu. 25 Qui, en effet, peut manger et jouir, si ce n'est moi? 26 Car il donne à l'homme qui lui est agréable la sagesse, la science et la joie; mais il donne au pécheur le soin de recueillir et d'amasser, afin de donner à celui qui est agréable à Dieu. C'est encore là une vanité et la poursuite du vent.