T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 [Ny faharatsian'ny Isiraely, sy ny hanjo azy, ary ny hibebahany, sy ny hamindran'Andriamanitra fo aminy] Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin'ny fanahiko,

2 Lany tsy misy amin'ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin'ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin'ny harato izy rehetra.

3 Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.

4 Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao*.[Heb. izy]

5 Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza.

6 Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.

7 Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.

8 Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.

9 Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.

10 Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.

11 He ny andro hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra.32[Na: ho lavitra ny didy]

12 Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanànan'i Egypta*, Eny, hatrany Egypta* ka hatramin'ny Ony**, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.[Heb. Mazora][Eofrata]

13 Nefa ho lao ny tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.

14 Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela.

15 Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.

16 Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.

17 Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.

18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.

19 Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.

20 Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.

 

Chapitre 7

7:1 Misery is mine!
Indeed, I am like one who gathers the summer fruits, as gleanings of the vineyard:
There is no cluster of grapes to eat.
My soul desires to eat the early fig.
7:2 The godly man has perished out of the earth,
and there is no one upright among men.
They all lie in wait for blood;
every man hunts his brother with a net.
7:3 Their hands are on that which is evil to do it diligently.
The ruler and judge ask for a bribe;
and the powerful man dictates the evil desire of his soul.
Thus they conspire together.
7:4 The best of them is like a brier.
The most upright is worse than a thorn hedge.
The day of your watchmen,
even your visitation, has come;
now is the time of their confusion.
7:5 Don’t trust in a neighbor.
Don’t put confidence in a friend.
With the woman lying in your embrace,
be careful of the words of your mouth!
7:6 For the son dishonors the father,
the daughter rises up against her mother,
the daughter-in-law against her mother-in-law;
a man’s enemies are the men of his own house.
7:7 But as for me, I will look to Yahweh.
I will wait for the God of my salvation.
My God will hear me.
7:8 Don’t rejoice against me, my enemy.
When I fall, I will arise.
When I sit in darkness, Yahweh will be a light to me.
7:9 I will bear the indignation of Yahweh,
because I have sinned against him,
until he pleads my case, and executes judgment for me.
He will bring me forth to the light.
I will see his righteousness.
7:10 Then my enemy will see it,
and shame will cover her who said to me,
where is Yahweh your God?
Then my enemy will see me and will cover her shame.
Now she will be trodden down like the mire of the streets.
7:11 A day to build your walls—
In that day, he will extend your boundary.
7:12 In that day they will come to you from Assyria and the cities of Egypt,
and from Egypt even to the River,
and from sea to sea,
and mountain to mountain.
7:13 Yet the land will be desolate because of those who dwell therein,
for the fruit of their doings.
7:14 Shepherd your people with your staff,
the flock of your heritage,
who dwell by themselves in a forest,
in the midst of fertile pasture land, let them feed;
in Bashan and Gilead, as in the days of old.
7:15 “As in the days of your coming forth out of the land of Egypt,
I will show them marvelous things.”
7:16 The nations will see and be ashamed of all their might.
They will lay their hand on their mouth.
Their ears will be deaf.
7:17 They will lick the dust like a serpent.
Like crawling things of the earth they shall come trembling out of their dens.
They will come with fear to Yahweh our God,
and will be afraid because of you.
7:18 Who is a God like you, who pardons iniquity,
and passes over the disobedience of the remnant of his heritage?
He doesn’t retain his anger forever,
because he delights in loving kindness.
7:19 He will again have compassion on us.
He will tread our iniquities under foot;
and you will cast all their sins into the depths of the sea.
7:20 You will give truth to Jacob,
and mercy to Abraham,
as you have sworn to our fathers from the days of old.

 

Chapitre 7
1 Malheur à moi! car je suis comme à la récolte des fruits, Comme au grappillage après la vendange: Il n'y a point de grappes à manger, Point de ces primeurs que mon âme désire. 2 L'homme de bien a disparu du pays, Et il n'y a plus de juste parmi les hommes; Ils sont tous en embuscade pour verser le sang, Chacun tend un piège à son frère. 3 Leurs mains sont habiles à faire le mal: Le prince a des exigences, Le juge réclame un salaire, Le grand manifeste son avidité, Et ils font ainsi cause commune. 4 Le meilleur d'entre eux est comme une ronce, Le plus droit pire qu'un buisson d'épines. Le jour annoncé par tes prophètes, ton châtiment approche. C'est alors qu'ils seront dans la confusion. 5 Ne crois pas à un ami, Ne te fie pas à un intime; Devant celle qui repose sur ton sein Garde les portes de ta bouche. 6 Car le fils outrage le père, La fille se soulève contre sa mère, La belle-fille contre sa belle-mère; Chacun a pour ennemis les gens de sa maison. - 7 Pour moi, je regarderai vers l'Éternel, Je mettrai mon espérance dans le Dieu de mon salut; Mon Dieu m'exaucera. 8 Ne te réjouis pas à mon sujet, mon ennemie! Car si je suis tombée, je me relèverai; Si je suis assise dans les ténèbres, L'Éternel sera ma lumière. 9 Je supporterai la colère de l'Éternel, Puisque j'ai péché contre lui, Jusqu'à ce qu'il défende ma cause et me fasse droit; Il me conduira à la lumière, Et je contemplerai sa justice. 10 Mon ennemie le verra et sera couverte de honte, Elle qui me disait: Où est l'Éternel, ton Dieu? Mes yeux se réjouiront à sa vue; Alors elle sera foulée aux pieds comme la boue des rues. - 11 Le jour où l'on rebâtira tes murs, Ce jour-là tes limites seront reculées. 12 En ce jour, on viendra vers toi De l'Assyrie et des villes d'Égypte, De l'Égypte jusqu'au fleuve, D'une mer à l'autre, et d'une montagne à l'autre. 13 Le pays sera dévasté à cause de ses habitants, A cause du fruit de leurs oeuvres. 14 Pais ton peuple avec ta houlette, le troupeau de ton héritage, Qui habite solitaire dans la forêt au milieu du Carmel! Qu'ils paissent sur le Basan et en Galaad, Comme au jour d'autrefois. - 15 Comme au jour où tu sortis du pays d'Égypte, Je te ferai voir des prodiges. - 16 Les nations le verront, et seront confuses, Avec toute leur puissance; Elles mettront la main sur la bouche, Leurs oreilles seront assourdies. 17 Elles lécheront la poussière, comme le serpent, Comme les reptiles de la terre; Elles seront saisies de frayeur hors de leurs forteresses; Elles trembleront devant l'Éternel, notre Dieu, Elles te craindront. 18 Quel Dieu est semblable à toi, Qui pardonnes l'iniquité, qui oublies les péchés Du reste de ton héritage? Il ne garde pas sa colère à toujours, Car il prend plaisir à la miséricorde. 19 Il aura encore compassion de nous, Il mettra sous ses pieds nos iniquités; Tu jetteras au fond de la mer tous leurs péchés. 20 Tu témoigneras de la fidélité à Jacob, De la bonté à Abraham, Comme tu l'as juré à nos pères aux jours d'autrefois.