T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 [Teny fampibebahana ny Isiraely] Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.

2 Mihainoa ny adin'i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan'ny tany; Fa Jehovah manana ady amin'ny olony, Eny, amin'ny Isiraely no ifandaharany.

3 Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.

4 Fa nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin'ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.

5 Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama, zanak'i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.

6 Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?

7 Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko?

8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena

9 Manaitra ny tanàna ny feon'i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry*; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.[Heb. ny fahendrena; na: ary fahendrena no kendren'ny anaranao]

10 Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon'ny ratsy fanahy Sy ny famarana* tsy ampy izay voaozona? [Heb. efaha]

11 Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?

12 Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.

13 Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin'ny fandringanako anao noho ny helokao.

14 Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny sabatra.

15 Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;

16 Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.

 

Chapitre 6

6:1 Listen now to what Yahweh says:

“Arise, plead your case before the mountains,
and let the hills hear what you have to say.
6:2 Hear, you mountains, Yahweh’s controversy,
and you enduring foundations of the earth;
for Yahweh has a controversy with his people,
and he will contend with Israel.
6:3 My people, what have I done to you?
How have I burdened you?
Answer me!
6:4 For I brought you up out of the land of Egypt,
and redeemed you out of the house of bondage.
I sent before you Moses, Aaron, and Miriam.
6:5 My people, remember now what Balak king of Moab devised,
and what Balaam the son of Beor answered him from Shittim to Gilgal,
that you may know the righteous acts of Yahweh.”
6:6 How shall I come before Yahweh,
and bow myself before the exalted God?
Shall I come before him with burnt offerings,
with calves a year old?
6:7 Will Yahweh be pleased with thousands of rams?
With tens of thousands of rivers of oil?
Shall I give my firstborn for my disobedience?
The fruit of my body for the sin of my soul?
6:8 He has shown you, O man, what is good.
What does Yahweh require of you, but to act justly,
to love mercy, and to walk humbly with your God?
6:9 Yahweh’s voice calls to the city,
and wisdom sees your name:
“Listen to the rod,
and he who appointed it.
6:10 Are there yet treasures of wickedness in the house of the wicked,
and a short ephah that is accursed?
6:11 Shall I be pure with dishonest scales,
and with a bag of deceitful weights?
6:12 Her rich men are full of violence,
her inhabitants speak lies,
and their tongue is deceitful in their speech.
6:13 Therefore I also have struck you with a grievous wound.
I have made you desolate because of your sins.
6:14 You shall eat, but not be satisfied.
Your humiliation will be in your midst.
You will store up, but not save;
and that which you save I will give up to the sword.
6:15 You will sow, but won’t reap.
You will tread the olives, but won’t anoint yourself with oil;
and crush grapes, but won’t drink the wine.
6:16 For the statutes of Omri are kept,
and all the works of the house of Ahab.
You walk in their counsels,
that I may make you a ruin,
and her inhabitants a hissing;
And you will bear the reproach of my people.”

 

Chapitre 6
1 Écoutez donc ce que dit l'Éternel: Lève-toi, plaide devant les montagnes, Et que les collines entendent ta voix!... 2 Écoutez, montagnes, le procès de l'Éternel, Et vous, solides fondements de la terre! Car l'Éternel a un procès avec son peuple, Il veut plaider avec Israël. - 3 Mon peuple, que t'ai-je fait? En quoi t'ai-je fatigué? Réponds-moi! 4 Car je t'ai fait monter du pays d'Égypte, Je t'ai délivré de la maison de servitude, Et j'ai envoyé devant toi Moïse, Aaron et Marie. 5 Mon peuple, rappelle-toi ce que projetait Balak, roi de Moab, Et ce que lui répondit Balaam, fils de Beor, De Sittim à Guilgal, Afin que tu reconnaisses les bienfaits de l'Éternel. 6 Avec quoi me présenterai-je devant l'Éternel, Pour m'humilier devant le Dieu Très-Haut? Me présenterai-je avec des holocaustes, Avec des veaux d'un an? 7 L'Éternel agréera-t-il des milliers de béliers, Des myriades de torrents d'huile? Donnerai-je pour mes transgressions mon premier-né, Pour le péché de mon âme le fruit de mes entrailles? - 8 On t'a fait connaître, ô homme, ce qui est bien; Et ce que l'Éternel demande de toi, C'est que tu pratiques la justice, Que tu aimes la miséricorde, Et que tu marches humblement avec ton Dieu. 9 La voix de l'Éternel crie à la ville, Et celui qui est sage craindra ton nom. Entendez la verge et celui qui l'envoie! 10 Y a-t-il encore dans la maison du méchant Des trésors iniques, Et un épha trop petit, objet de malédiction? 11 Est-on pur avec des balances fausses, Et avec de faux poids dans le sac? 12 Ses riches sont pleins de violence, Ses habitants profèrent le mensonge, Et leur langue n'est que tromperie dans leur bouche. 13 C'est pourquoi je te frapperai par la souffrance, Je te ravagerai à cause de tes péchés. 14 Tu mangeras sans te rassasier, Et la faim sera au dedans de toi; Tu mettras en réserve et tu ne sauveras pas, Et ce que tu sauveras, je le livrerai à l'épée. 15 Tu sèmeras, et tu ne moissonneras pas, Tu presseras l'olive, et tu ne feras pas d'onctions avec l'huile, Tu presseras le moût, et tu ne boiras pas le vin. 16 On observe les coutumes d'Omri Et toute la manière d'agir de la maison d'Achab, Et vous marchez d'après leurs conseils; C'est pourquoi je te livrerai à la destruction, Je ferai de tes habitants un sujet de raillerie, Et vous porterez l'opprobre de mon peuple.