T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 4

1 [Ny hampodian'i Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy] Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.

2 Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.

3 Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony.

4 Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.

5 Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.

6 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin'izay nampahoriko;

7 Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.

8 Ary ianao, ry tilikambon'ny andiany*. Tendrombohitr'i Ziona** zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan***' i Jerosalema zanakavavy.[*Na: tilikambon'i Edera][**Na: Ofelan'i Ziona][***Na: hanjakana aminy]

9 Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?

10 Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan'i Jehovah anao ho afaka amin'ny tanan'ny fahavalonao.

11 Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka* Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.[Heb. holotoina]

12 Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.

13 Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao* ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany.[Heb. hataoko herema]

14 Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.

 

Chapitre 4

4:1 But in the latter days,
it will happen that the mountain of Yahweh’s temple will be established on the top of the mountains,
and it will be exalted above the hills;
and peoples will stream to it.
4:2 Many nations will go and say,
“Come, and let us go up to the mountain of Yahweh,
and to the house of the God of Jacob;
and he will teach us of his ways,
and we will walk in his paths.”
For out of Zion will go forth the law,
and the word of Yahweh from Jerusalem;
4:3 and he will judge between many peoples,
and will decide concerning strong nations afar off.
They will beat their swords into plowshares,
and their spears into pruning hooks.
Nation will not lift up sword against nation,
neither will they learn war any more.
4:4 But they will sit every man under his vine and under his fig tree;
and no one will make them afraid:
For the mouth of Yahweh of Armies has spoken. 4:5 Indeed all the nations may walk in the name of their gods;
but we will walk in the name of Yahweh our God forever and ever.
4:6 “In that day,” says Yahweh,
“I will assemble that which is lame,
and I will gather that which is driven away,
and that which I have afflicted;
4:7 and I will make that which was lame a remnant,
and that which was cast far off a strong nation:
and Yahweh will reign over them on Mount Zion from then on, even forever.”
4:8 You, tower of the flock, the hill of the daughter of Zion,
to you it will come,
yes, the former dominion will come,
the kingdom of the daughter of Jerusalem.
4:9 Now why do you cry out aloud?
Is there no king in you?
Has your counselor perished,
that pains have taken hold of you as of a woman in travail?
4:10 Be in pain, and labor to bring forth, daughter of Zion,
like a woman in travail;
for now you will go forth out of the city,
and will dwell in the field,
and will come even to Babylon.
There you will be rescued.
There Yahweh will redeem you from the hand of your enemies.
4:11 Now many nations have assembled against you, that say,
“Let her be defiled,
and let our eye gloat over Zion.”
4:12 But they don’t know the thoughts of Yahweh,
neither do they understand his counsel;
for he has gathered them like the sheaves to the threshing floor.
4:13 Arise and thresh, daughter of Zion;
for I will make your horn iron,
and I will make your hoofs brass;
and you will beat in pieces many peoples:
and I will devote their gain to Yahweh,
and their substance to the Lord of the whole earth.

 

Chapitre 4

1 Il arrivera, dans la suite des temps, Que la montagne de la maison de l'Éternel Sera fondée sur le sommet des montagnes, Qu'elle s'élèvera par-dessus les collines, Et que les peuples y afflueront. 2 Des nations s'y rendront en foule, et diront: Venez, et montons à la montagne de l'Éternel, A la maison du Dieu de Jacob, Afin qu'il nous enseigne ses voies, Et que nous marchions dans ses sentiers. Car de Sion sortira la loi, Et de Jérusalem la parole de l'Éternel. 3 Il sera le juge d'un grand nombre de peuples, L'arbitre de nations puissantes, lointaines. De leurs glaives ils forgeront des hoyaux, Et de leurs lances des serpes; Une nation ne tirera plus l'épée contre une autre, Et l'on n'apprendra plus la guerre. 4 Ils habiteront chacun sous sa vigne et sous son figuier, Et il n'y aura personne pour les troubler; Car la bouche de l'Éternel des armées a parlé. 5 Tandis que tous les peuples marchent, chacun au nom de son dieu, Nous marcherons, nous, au nom de l'Éternel, notre Dieu, A toujours et à perpétuité. 6 En ce jour-là, dit l'Éternel, je recueillerai les boiteux, Je rassemblerai ceux qui étaient chassés, Ceux que j'avais maltraités. 7 Des boiteux je ferai un reste, De ceux qui étaient chassés une nation puissante; Et l'Éternel régnera sur eux, à la montagne de Sion, Dès lors et pour toujours. 8 Et toi, tour du troupeau, colline de la fille de Sion, A toi viendra, à toi arrivera l'ancienne domination, Le royaume de la fille de Jérusalem. 9 Pourquoi maintenant pousses-tu des cris? N'as-tu point de roi, plus de conseiller, Pour que la douleur te saisisse comme une femme qui accouche? 10 Fille de Sion, souffre et gémis comme une femme qui accouche! Car maintenant tu sortiras de la ville et tu habiteras dans les champs, Et tu iras jusqu'à Babylone; Là tu seras délivrée, C'est là que l'Éternel te rachètera de la main de tes ennemis. 11 Maintenant plusieurs nations se sont rassemblées contre toi: Qu'elle soit profanée, disent-elles, Et que nos yeux se rassasient dans Sion! 12 Mais elles ne connaissent pas les pensées de l'Éternel, Elles ne comprennent pas ses desseins, Elles ignorent qu'il les a rassemblées comme des gerbes dans l'aire. 13 Fille de Sion, lève-toi et foule! Je te ferai une corne de fer et des ongles d'airain, Et tu broieras des peuples nombreux; Tu consacreras leurs biens à l'Éternel, Leurs richesses au Seigneur de toute la terre.