T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 [Ny nahadiso ny lehiben'ny Isiraely sy ny mpaminany, ary ny handravana an'i Jerosalema]Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon'i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak'Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?

2 Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin'ny taolany,

3 Eny, ianareo izay homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin'ny fahandroan-kena.

4 Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo.

5 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina:

6 Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro,

7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.

8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin']

9 Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,

10 Dia izay manangana an'i Ziona amin'ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin'ny faharatsiana.

11 Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.

12 Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.

 

Chapitre 3

I said,

“Please listen, you heads of Jacob,
and rulers of the house of Israel:
Isn’t it for you to know justice?
3:2 You who hate the good,
and love the evil;
who tear off their skin,
and their flesh from off their bones;
3:3 who also eat the flesh of my people,
and flay their skin from off them,
and break their bones,
and chop them in pieces, as for the pot,
and as flesh within the caldron.
3:4 Then they will cry to Yahweh,
but he will not answer them.
Yes, he will hide his face from them at that time,
because they made their deeds evil.”
3:5 Thus says Yahweh concerning the prophets who lead my people astray; for those who feed their teeth, they proclaim, “Peace!” and whoever doesn’t provide for their mouths, they prepare war against him:

3:6 “Therefore night is over you, with no vision,
and it is dark to you, that you may not divine;
and the sun will go down on the prophets,
and the day will be black over them.
3:7 The seers shall be disappointed,
and the diviners confounded.
Yes, they shall all cover their lips;
for there is no answer from God.”
3:8 But as for me, I am full of power by the Spirit of Yahweh,
and of judgment, and of might,
to declare to Jacob his disobedience,
and to Israel his sin.
3:9 Please listen to this, you heads of the house of Jacob,
and rulers of the house of Israel,
who abhor justice,
and pervert all equity.
3:10 They build up Zion with blood,
and Jerusalem with iniquity.
3:11 Her leaders judge for bribes,
and her priests teach for a price,
and her prophets of it tell fortunes for money:
yet they lean on Yahweh, and say,
“Isn’t Yahweh in the midst of us?
No disaster will come on us.”
3:12 Therefore Zion for your sake will be plowed like a field,
and Jerusalem will become heaps of rubble,
and the mountain of the temple like the high places of a forest.

 

Chapitre 3
1 Je dis: Écoutez, chefs de Jacob, Et princes de la maison d'Israël! N'est-ce pas à vous à connaître la justice? 2 Vous haïssez le bien et vous aimez le mal; Vous leur arrachez la peau et la chair de dessus les os. 3 Ils dévorent la chair de mon peuple, Lui arrachent la peau, Et lui brisent les os; Ils le mettent en pièces comme ce qu'on cuit dans un pot, Comme de la viande dans une chaudière. 4 Alors ils crieront vers l'Éternel, Mais il ne leur répondra pas; Il leur cachera sa face en ce temps-là, Parce qu'ils ont fait de mauvaises actions. 5 Ainsi parle l'Éternel sur les prophètes qui égarent mon peuple, Qui annoncent la paix si leurs dents ont quelque chose à mordre, Et qui publient la guerre si on ne leur met rien dans la bouche: 6 A cause de cela, vous aurez la nuit..., et plus de visions! Vous aurez les ténèbres..., et plus d'oracles! Le soleil se couchera sur ces prophètes, Le jour s'obscurcira sur eux. 7 Les voyants seront confus, les devins rougiront, Tous se couvriront la barbe; Car Dieu ne répondra pas. 8 Mais moi, je suis rempli de force, de l'esprit de l'Éternel, Je suis rempli de justice et de vigueur, Pour faire connaître à Jacob son crime, Et à Israël son péché. 9 Écoutez donc ceci, chefs de la maison de Jacob, Et princes de la maison d'Israël, Vous qui avez en horreur la justice, Et qui pervertissez tout ce qui est droit, 10 Vous qui bâtissez Sion avec le sang, Et Jérusalem avec l'iniquité! 11 Ses chefs jugent pour des présents, Ses sacrificateurs enseignent pour un salaire, Et ses prophètes prédisent pour de l'argent; Et ils osent s'appuyer sur l'Éternel, ils disent: L'Éternel n'est-il pas au milieu de nous? Le malheur ne nous atteindra pas. 12 C'est pourquoi, à cause de vous, Sion sera labourée comme un champ, Jérusalem deviendra un monceau de pierres, Et la montagne du temple une sommité couverte de bois.