T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 1

1 Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Morastita tamin'ny andro nanjakan'i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay hitany ny amin'i Samaria sy Jerosalema.

2 [Ny loza hanjo an'i Samaria sy Joda] Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin'ny tempoliny masina.

3 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin'ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin'ny tany.

4 Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin'ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin'ny hantsana.

5 Noho ny fahadisoan'i Jakoba sy ny fahotan'ny taranak'Isiraely no isian'izany rehetra izany. Iza no nahadiso an'i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon'i Joda? Tsy Jerosalema va?

6 Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.

7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin'ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin'ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin'ny vehivavy janga indray izy.

8 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona* toy ny amboadia** aho Ary hikiakiaka*** toy ny ostritsa.[*Heb. hisaona][**Na: jakala][***Heb. hitomany]

9 Fa tsy azo sitranina ny ferin'i Samaria*; Fa mihatra amin'i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin'ny oloko aza, dia any Jerosalema.[He. ny feriny]

10 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina* vovoka ao Beti-le-afra** aho.[*Na: mihosinkosena... ianao][**Beti-le-afra = fitoeram-bovoka]

11 Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira*; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan'i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.[Safira: = tsara tarehy]

12 Fa malahelo* ny soa ny mponina ao Marota*, Satria loza no efa nidina avy tamin'i Jehovah ho ao am-bavahadin'i Jerosalema.[*Heb. manaintaina][**Marota = fangidiana]

13 Fehezo amin'ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan'ny fahotan'i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan'Isiraely.

14 Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an'i Moresetagata; Ranotrambo ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely ireo tranon'i Akziba*.[Akziba = ranotrambo]

15 Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa*; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr'Isiraely.[Maresa = lova]

16 Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny voltora*, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. [karazam-borona lehibe izay sola]

 

Chapitre 1

1:1 The word of Yahweh that came to Micah the Morashtite in the days of Jotham, Ahaz, and Hezekiah, kings of Judah, which he saw concerning Samaria and Jerusalem.

1:2 Hear, you peoples, all of you.
Listen, O earth, and all that is therein:
and let the Lord Yahweh be witness against you,
the Lord from his holy temple.
1:3 For, behold, Yahweh comes forth out of his place,
and will come down and tread on the high places of the earth.
1:4 The mountains melt under him,
and the valleys split apart,
like wax before the fire,
like waters that are poured down a steep place.
1:5 “All this is for the disobedience of Jacob,
and for the sins of the house of Israel.
What is the disobedience of Jacob?
Isn’t it Samaria?
And what are the high places of Judah?
Aren’t they Jerusalem?
1:6 Therefore I will make Samaria like a rubble heap of the field,
like places for planting vineyards;
and I will pour down its stones into the valley,
and I will uncover its foundations.
1:7 All her idols will be beaten to pieces,
and all her temple gifts will be burned with fire,
and all her images I will destroy;
for of the hire of a prostitute has she gathered them,
and to the hire of a prostitute shall they return.”
1:8 For this I will lament and wail;
I will go stripped and naked;
I will howl like the jackals,
and moan like the daughters of owls.
1:9 For her wounds are incurable;
for it has come even to Judah.
It reaches to the gate of my people,
even to Jerusalem.
1:10 Don’t tell it in Gath.
Don’t weep at all.
At Beth Ophrah I have rolled myself in the dust.
1:11 Pass on, inhabitant of Shaphir, in nakedness and shame.
The inhabitant of Zaanan won’t come out.
The wailing of Beth Ezel will take from you his protection.
1:12 For the inhabitant of Maroth waits anxiously for good,
because evil has come down from Yahweh to the gate of Jerusalem.
1:13 Harness the chariot to the swift steed, inhabitant of Lachish.
She was the beginning of sin to the daughter of Zion;
For the transgressions of Israel were found in you.
1:14 Therefore you will give a parting gift to Moresheth Gath.
The houses of Achzib will be a deceitful thing to the kings of Israel.
1:15 I will yet bring to you, inhabitant of Mareshah.
He who is the glory of Israel will come to Adullam.
1:16 Shave your heads,
and cut off your hair for the children of your delight.
Enlarge your baldness like the vulture;
for they have gone into captivity from you!

 

Chapitre 1
1 La parole de l'Éternel fut adressée à Michée, de Moréscheth, au temps de Jotham, d'Achaz, d'Ézéchias, rois de Juda, prophétie sur Samarie et Jérusalem. 2 Écoutez, vous tous, peuples! Sois attentive, terre, et ce qui est en toi! Que le Seigneur, l'Éternel, soit témoin contre vous, Le Seigneur qui est dans le palais de sa sainteté! 3 Car voici, l'Éternel sort de sa demeure, Il descend, il marche sur les hauteurs de la terre. 4 Sous lui les montagnes se fondent, Les vallées s'entr'ouvrent, Comme la cire devant le feu, Comme l'eau qui coule sur une pente. 5 Et tout cela à cause du crime de Jacob, A cause des péchés de la maison d'Israël! Quel est le crime de Jacob? n'est-ce pas Samarie? Quels sont les hauts lieux de Juda? n'est-ce pas Jérusalem?... 6 Je ferai de Samarie un monceau de pierres dans les champs, Un lieu pour planter de la vigne; Je précipiterai ses pierres dans la vallée, Je mettrai à nu ses fondements. 7 Toutes ses images taillées seront brisées, Tous ses salaires impurs seront brûlés au feu, Et je ravagerai toutes ses idoles: Recueillies avec le salaire de la prostitution, Elles deviendront un salaire de prostitutions... 8 C'est pourquoi je pleurerai, je me lamenterai, Je marcherai déchaussé et nu, Je pousserai des cris comme le chacal, Et des gémissements comme l'autruche. 9 Car sa plaie est douloureuse; Elle s'étend jusqu'à Juda, Elle pénètre jusqu'à la porte de mon peuple, Jusqu'à Jérusalem. 10 Ne l'annoncez point dans Gath, Ne pleurez point dans Acco! Je me roule dans la poussière à Beth Leaphra. 11 Passe, habitante de Schaphir, dans la nudité et la honte! L'habitante de Tsaanan n'ose sortir, Le deuil de Beth-Haëtsel vous prive de son abri. 12 L'habitante de Maroth tremble pour son salut, Car le malheur est descendu de la part de l'Éternel Jusqu'à la porte de Jérusalem. 13 Attelle les coursiers à ton char, Habitante de Lakisch! Tu as été pour la fille de Sion une première cause de péché, Car en toi se sont trouvés les crimes d'Israël. 14 C'est pourquoi tu renonceras à Moréschet-Gath; Les maisons d'Aczib seront une source trompeuse Pour les rois d'Israël. 15 Je t'amènerai un nouveau maître, habitante de Maréscha; La gloire d'Israël s'en ira jusqu'à Adullam. 16 Rase-toi, coupe ta chevelure, A cause de tes enfants chéris! Rends-toi chauve comme l'aigle, Car ils s'en vont en captivité loin de toi!