T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 28

1 Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.

2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.

3 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;

4 ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.

5 Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.

6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.

7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.

8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra.

9 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.

10 Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.

 

11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.

12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila

13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay;

14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.

15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.

 

16 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany.

17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.

18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;

19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.

 

Chapitre 28

1 Now after the Sabbath, as it began to dawn on the first day of the week, Mary Magdalene and the other Mary came to see the tomb.

2 Behold, there was a great earthquake, for an angel of the Lord descended from the sky, and came and rolled away the stone from the door, and sat on it.

3 His appearance was like lightning, and his clothing white as snow.

4 For fear of him, the guards shook, and became like dead men.

5 The angel answered the women, “Don’t be afraid, for I know that you seek Jesus, who has been crucified.

6 He is not here, for he has risen, just like he said. Come, see the place where the Lord was lying.

7 Go quickly and tell his disciples, ‘He has risen from the dead, and behold, he goes before you into Galilee; there you will see him.’ Behold, I have told you.”

8 They departed quickly from the tomb with fear and great joy, and ran to bring his disciples word.

9 As they went to tell his disciples, behold, Jesus met them, saying, “Rejoice!”

They came and took hold of his feet, and worshiped him.

10 Then Jesus said to them, “Don’t be afraid. Go tell my brothers that they should go into Galilee, and there they will see me.”

11 Now while they were going, behold, some of the guards came into the city, and told the chief priests all the things that had happened.

12 When they were assembled with the elders, and had taken counsel, they gave a large amount of silver to the soldiers,

13 saying, “Say that his disciples came by night, and stole him away while we slept.

14 If this comes to the governor’s ears, we will persuade him and make you free of worry.”

15 So they took the money and did as they were told. This saying was spread abroad among the Jews, and continues until this day.

16 But the eleven disciples went into Galilee, to the mountain where Jesus had sent them.

17 When they saw him, they bowed down to him, but some doubted.

18 Jesus came to them and spoke to them, saying, “All authority has been given to me in heaven and on earth.

19 Go,* and make disciples of all nations, baptizing them in the name of the Father and of the Son and of the Holy Spirit,

20 teaching them to observe all things that I commanded you. Behold, I am with you always, even to the end of the age.” Amen.

 

 

Chapitre 28
1 Après le sabbat, à l'aube du premier jour de la semaine, Marie de Magdala et l'autre Marie allèrent voir le sépulcre.

2 Et voici, il y eut un grand tremblement de terre; car un ange du Seigneur descendit du ciel, vint rouler la pierre, et s'assit dessus.

3 Son aspect était comme l'éclair, et son vêtement blanc comme la neige.

4 Les gardes tremblèrent de peur, et devinrent comme morts.

5 Mais l'ange prit la parole, et dit aux femmes: Pour vous, ne craignez pas; car je sais que vous cherchez Jésus qui a été crucifié.

6 Il n'est point ici; il est ressuscité, comme il l'avait dit. Venez, voyez le lieu où il était couché,

7 et allez promptement dire à ses disciples qu'il est ressuscité des morts. Et voici, il vous précède en Galilée: c'est là que vous le verrez. Voici, je vous l'ai dit.

8 Elles s'éloignèrent promptement du sépulcre, avec crainte et avec une grande joie, et elles coururent porter la nouvelle aux disciples.

9 Et voici, Jésus vint à leur rencontre, et dit: Je vous salue. Elles s'approchèrent pour saisir ses pieds, et elles se prosternèrent devant lui.

10 Alors Jésus leur dit: Ne craignez pas; allez dire à mes frères de se rendre en Galilée: c'est là qu'ils me verront.

11 Pendant qu'elles étaient en chemin, quelques hommes de la garde entrèrent dans la ville, et annoncèrent aux principaux sacrificateurs tout ce qui était arrivé.

12 Ceux-ci, après s'être assemblés avec les anciens et avoir tenu conseil, donnèrent aux soldats une forte somme d'argent,

13 en disant: Dites: Ses disciples sont venus de nuit le dérober, pendant que nous dormions.

14 Et si le gouverneur l'apprend, nous l'apaiserons, et nous vous tirerons de peine.

15 Les soldats prirent l'argent, et suivirent les instructions qui leur furent données. Et ce bruit s'est répandu parmi les Juifs, jusqu'à ce jour.

16 Les onze disciples allèrent en Galilée, sur la montagne que Jésus leur avait désignée.

17 Quand ils le virent, ils se prosternèrent devant lui. Mais quelques-uns eurent des doutes.

18 Jésus, s'étant approché, leur parla ainsi: Tout pouvoir m'a été donné dans le ciel et sur la terre.

19 Allez, faites de toutes les nations des disciples, les baptisant au nom du Père, du Fils et du Saint-Esprit,

20 et enseignez-leur à observer tout ce que je vous ai prescrit. Et voici, je suis avec vous tous les jours, jusqu'à la fin du monde.