T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 27

1 Ary nony maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an'i Jesosy mba hamonoany Azy.

2 Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora.

 

3 Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona

4 ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.

 

5 Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.

6 Ary ny lohan'ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin'ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.

7 Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.

8 Koa izany no anaovana ny anaran'izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.

9 Ary tamin'izany dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin'ilay notombanana*, dia ilay notombanan'ny Zanak'Isiraely,[*Na: Nohajaina]

10 ka nomeny hamidy ny sahan'ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah ahy (Jer. 18. 2; Zak. 11. 13).

11 Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan'ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.

12 Ary raha nampangain'ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.

13 dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?

14 Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.

15 Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an'ny vahoaka, araka izay tiany.

16 Ary tamin'izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.

17 Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?

18 Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ireo Azy.

19 Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin'izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.

20 Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy ary hamono an'i Jesosy.

21 Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.

22 Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy.

23 Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy!

24 Ary raha hitan'i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin'ny ran'ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.

25 Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin'ny zanakay.

26 Ary dia nandefa an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina*, dia natolony mba hohomboana tamin'ny hazo fijaliana.[*Gr. dia nokapohiny; ny teny Grika milaza ny nokapohina tamin'ny fikapohana hoditra lehibe nisy varahina]

27 Ary ny miaramilan'ny governora dia nitondra an'i Jesosy ho ao anati-rova* sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.[*Gr. pretoria]

28 Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.

29 Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!

30 Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.

31 Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.

32 Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.

33 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,

34 dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.

35 Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.

36 Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.

37 Ary napetany teo ambonin'ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan'ny Jiosy.

38 Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.

39 Ary izay nandalo dia niteny ratsy* Azy, sady nihifikifi-doha[*Gr. nanao blasfemia; izahao 9. 3]

40 ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, midina hiala amin'ny hazo fijaliana.

41 Ary dia naneso toy izany koa ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

42 Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan'ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin'ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;

43 natoky an'Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy (Sal. 22. 8), satria hoy Izy: Zanak'Andriamanitra Aho.

44 Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana.

45 Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.

46 Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 1).

47 Ary ny sasany tamin'izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an'i Elia Ilehio.

48 Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy.

49 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.

50 Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.

51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;

52 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana,

53 ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian*'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro.[*Na:ary taorin',etc]

54 Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an'i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.

55 Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.

56 Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.

57 Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy.

58 Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nasain'i Pilato homena azy izany.

59 Ary rehefa nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,

60 dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.

61 Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin'ny fasana.

 

62 Ary nony ampitson'ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin'i Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo

63 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.

64 Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa natsangana tamin'ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.

65 Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.

66 Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.


 

Chapitre27

1 Now when morning had come, all the chief priests and the elders of the people took counsel against Jesus to put him to death:

2 and they bound him, and led him away, and delivered him up to Pontius Pilate, the governor.

3 Then Judas, who betrayed him, when he saw that Jesus was condemned, felt remorse, and brought back the thirty pieces of silver to the chief priests and elders,

4 saying, “I have sinned in that I betrayed innocent blood.”

But they said, “What is that to us? You see to it.”

5 He threw down the pieces of silver in the sanctuary, and departed. He went away and hanged himself.

6 The chief priests took the pieces of silver, and said, “It’s not lawful to put them into the treasury, since it is the price of blood.”

7 They took counsel, and bought the potter’s field with them, to bury strangers in.

8 Therefore that field was called “The Field of Blood” to this day.

9 Then that which was spoken through Jeremiah the prophet was fulfilled, saying,

“They took the thirty pieces of silver,
the price of him upon whom a price had been set,
whom some of the children of Israel priced,
10 and they gave them for the potter’s field,
as the Lord commanded me.”*
11 Now Jesus stood before the governor: and the governor asked him, saying, “Are you the King of the Jews?”

Jesus said to him, “So you say.”

12 When he was accused by the chief priests and elders, he answered nothing.

13 Then Pilate said to him, “Don’t you hear how many things they testify against you?”

14 He gave him no answer, not even one word, so that the governor marveled greatly.

15 Now at the feast the governor was accustomed to release to the multitude one prisoner, whom they desired.

16 They had then a notable prisoner, called Barabbas.

17 When therefore they were gathered together, Pilate said to them, “Whom do you want me to release to you? Barabbas, or Jesus, who is called Christ?”

18 For he knew that because of envy they had delivered him up.

19 While he was sitting on the judgment seat, his wife sent to him, saying, “Have nothing to do with that righteous man, for I have suffered many things this day in a dream because of him.”

20 Now the chief priests and the elders persuaded the multitudes to ask for Barabbas, and destroy Jesus.

21 But the governor answered them, “Which of the two do you want me to release to you?”

They said, “Barabbas!”

22 Pilate said to them, “What then shall I do to Jesus, who is called Christ?”

They all said to him, “Let him be crucified!”

23 But the governor said, “Why? What evil has he done?”

But they cried out exceedingly, saying, “Let him be crucified!”

24 So when Pilate saw that nothing was being gained, but rather that a disturbance was starting, he took water, and washed his hands before the multitude, saying, “I am innocent of the blood of this righteous person. You see to it.”

25 All the people answered, “May his blood be on us, and on our children!”

26 Then he released to them Barabbas, but Jesus he flogged and delivered to be crucified.

27 Then the governor’s soldiers took Jesus into the Praetorium, and gathered the whole garrison together against him.

28 They stripped him, and put a scarlet robe on him.

29 They braided a crown of thorns and put it on his head, and a reed in his right hand; and they kneeled down before him, and mocked him, saying, “Hail, King of the Jews!”

30 They spat on him, and took the reed and struck him on the head.

31 When they had mocked him, they took the robe off of him, and put his clothes on him, and led him away to crucify him.

32 As they came out, they found a man of Cyrene, Simon by name, and they compelled him to go with them, that he might carry his cross.

33 They came to a place called “Golgotha,” that is to say, “The place of a skull.”

34 They gave him sour wine to drink mixed with gall. When he had tasted it, he would not drink.

35 When they had crucified him, they divided his clothing among them, casting lots,*

36 and they sat and watched him there.

37 They set up over his head the accusation against him written, “THIS IS JESUS, THE KING OF THE JEWS.”

38 Then there were two robbers crucified with him, one on his right hand and one on the left.

39 Those who passed by blasphemed him, wagging their heads,

40 and saying, “You who destroy the temple, and build it in three days, save yourself! If you are the Son of God, come down from the cross!”

41 Likewise the chief priests also mocking, with the scribes, the Pharisees, and the elders, said,

42 “He saved others, but he can’t save himself. If he is the King of Israel, let him come down from the cross now, and we will believe in him.

43 He trusts in God. Let God deliver him now, if he wants him; for he said, ‘I am the Son of God.’”

44 The robbers also who were crucified with him cast on him the same reproach.

45 Now from the sixth hour there was darkness over all the land until the ninth hour.

46 About the ninth hour Jesus cried with a loud voice, saying, “Eli, Eli, lima sabachthani?” That is, “My God, my God, why have you forsaken me?”*

47 Some of them who stood there, when they heard it, said, “This man is calling Elijah.”

48 Immediately one of them ran, and took a sponge, and filled it with vinegar, and put it on a reed, and gave him a drink.

49 The rest said, “Let him be. Let’s see whether Elijah comes to save him.”

50 Jesus cried again with a loud voice, and yielded up his spirit.

 51 Behold, the veil of the temple was torn in two from the top to the bottom. The earth quaked and the rocks were split.

52 The tombs were opened, and many bodies of the saints who had fallen asleep were raised;

53 and coming out of the tombs after his resurrection, they entered into the holy city and appeared to many.

54 Now the centurion, and those who were with him watching Jesus, when they saw the earthquake, and the things that were done, feared exceedingly, saying, “Truly this was the Son of God.”

55 Many women were there watching from afar, who had followed Jesus from Galilee, serving him.

56 Among them were Mary Magdalene, Mary the mother of James and Joses, and the mother of the sons of Zebedee.

57 When evening had come, a rich man from Arimathaea, named Joseph, who himself was also Jesus’ disciple came.

58 This man went to Pilate, and asked for Jesus’ body. Then Pilate commanded the body to be given up.

59 Joseph took the body, and wrapped it in a clean linen cloth,

60 and laid it in his own new tomb, which he had cut out in the rock, and he rolled a great stone to the door of the tomb, and departed.

61 Mary Magdalene was there, and the other Mary, sitting opposite the tomb.

62 Now on the next day, which was the day after the Preparation Day, the chief priests and the Pharisees were gathered together to Pilate,

63 saying, “Sir, we remember what that deceiver said while he was still alive: ‘After three days I will rise again.’

64 Command therefore that the tomb be made secure until the third day, lest perhaps his disciples come at night and steal him away, and tell the people, ‘He is risen from the dead;’ and the last deception will be worse than the first.”

65 Pilate said to them, “You have a guard. Go, make it as secure as you can.”

66 So they went with the guard and made the tomb secure, sealing the stone.


 

Chapitre 27
1 Dès que le matin fut venu, tous les principaux sacrificateurs et les anciens du peuple tinrent conseil contre Jésus, pour le faire mourir.

2 Après l'avoir lié, ils l'emmenèrent, et le livrèrent à Ponce Pilate, le gouverneur.

3 Alors Judas, qui l'avait livré, voyant qu'il était condamné, se repentit, et rapporta les trente pièces d'argent aux principaux sacrificateurs et aux anciens,

4 en disant: J'ai péché, en livrant le sang innocent. Ils répondirent: Que nous importe? Cela te regarde.

5 Judas jeta les pièces d'argent dans le temple, se retira, et alla se pendre.

6 Les principaux sacrificateurs les ramassèrent, et dirent: Il n'est pas permis de les mettre dans le trésor sacré, puisque c'est le prix du sang.

7 Et, après en avoir délibéré, ils achetèrent avec cet argent le champ du potier, pour la sépulture des étrangers.

8 C'est pourquoi ce champ a été appelé champ du sang, jusqu'à ce jour.

9 Alors s'accomplit ce qui avait été annoncé par Jérémie, le prophète: Ils ont pris les trente pièces d'argent, la valeur de celui qui a été estimé, qu'on a estimé de la part des enfants d'Israël;

10 et ils les ont données pour le champ du potier, comme le Seigneur me l'avait ordonné.

11 Jésus comparut devant le gouverneur. Le gouverneur l'interrogea, en ces termes: Es-tu le roi des Juifs? Jésus lui répondit: Tu le dis.

12 Mais il ne répondit rien aux accusations des principaux sacrificateurs et des anciens.

13 Alors Pilate lui dit: N'entends-tu pas de combien de choses ils t'accusent?

14 Et Jésus ne lui donna de réponse sur aucune parole, ce qui étonna beaucoup le gouverneur.

15 A chaque fête, le gouverneur avait coutume de relâcher un prisonnier, celui que demandait la foule.

16 Ils avaient alors un prisonnier fameux, nommé Barabbas.

17 Comme ils étaient assemblés, Pilate leur dit: Lequel voulez-vous que je vous relâche, Barabbas, ou Jésus, qu'on appelle Christ?

18 Car il savait que c'était par envie qu'ils avaient livré Jésus.

19 Pendant qu'il était assis sur le tribunal, sa femme lui fit dire: Qu'il n'y ait rien entre toi et ce juste; car aujourd'hui j'ai beaucoup souffert en songe à cause de lui.

20 Les principaux sacrificateurs et les anciens persuadèrent à la foule de demander Barabbas, et de faire périr Jésus.

21 Le gouverneur prenant la parole, leur dit: Lequel des deux voulez-vous que je vous relâche? Ils répondirent: Barabbas.

22 Pilate leur dit: Que ferai-je donc de Jésus, qu'on appelle Christ? Tous répondirent: Qu'il soit crucifié!

23 Le gouverneur dit: Mais quel mal a-t-il fait? Et ils crièrent encore plus fort: Qu'il soit crucifié!

24 Pilate, voyant qu'il ne gagnait rien, mais que le tumulte augmentait, prit de l'eau, se lava les mains en présence de la foule, et dit: Je suis innocent du sang de ce juste. Cela vous regarde.

25 Et tout le peuple répondit: Que son sang retombe sur nous et sur nos enfants!

26 Alors Pilate leur relâcha Barabbas; et, après avoir fait battre de verges Jésus, il le livra pour être crucifié.

27 Les soldats du gouverneur conduisirent Jésus dans le prétoire, et ils assemblèrent autour de lui toute la cohorte.

28 Ils lui ôtèrent ses vêtements, et le couvrirent d'un manteau écarlate.

29 Ils tressèrent une couronne d'épines, qu'ils posèrent sur sa tête, et ils lui mirent un roseau dans la main droite; puis, s'agenouillant devant lui, ils le raillaient, en disant: Salut, roi des Juifs!

30 Et ils crachaient contre lui, prenaient le roseau, et frappaient sur sa tête.

31 Après s'être ainsi moqués de lui, ils lui ôtèrent le manteau, lui remirent ses vêtements, et l'emmenèrent pour le crucifier.

32 Lorsqu'ils sortirent, ils rencontrèrent un homme de Cyrène, appelé Simon, et ils le forcèrent à porter la croix de Jésus.

33 Arrivés au lieu nommé Golgotha, ce qui signifie lieu du crâne,

34 ils lui donnèrent à boire du vin mêlé de fiel; mais, quand il l'eut goûté, il ne voulut pas boire.

35 Après l'avoir crucifié, ils se partagèrent ses vêtements, en tirant au sort, afin que s'accomplît ce qui avait été annoncé par le prophète: Ils se sont partagé mes vêtements, et ils ont tiré au sort ma tunique.

36 Puis ils s'assirent, et le gardèrent.

37 Pour indiquer le sujet de sa condamnation, on écrivit au-dessus de sa tête: Celui-ci est Jésus, le roi des Juifs.

38 Avec lui furent crucifiés deux brigands, l'un à sa droite, et l'autre à sa gauche.

39 Les passants l'injuriaient, et secouaient la tête,

40 en disant: Toi qui détruis le temple, et qui le rebâtis en trois jours, sauve-toi toi-même! Si tu es le Fils de Dieu, descends de la croix!

41 Les principaux sacrificateurs, avec les scribes et les anciens, se moquaient aussi de lui, et disaient:

42 Il a sauvé les autres, et il ne peut se sauver lui-même! S'il est roi d'Israël, qu'il descende de la croix, et nous croirons en lui.

43 Il s'est confié en Dieu; que Dieu le délivre maintenant, s'il l'aime. Car il a dit: Je suis Fils de Dieu.

44 Les brigands, crucifiés avec lui, l'insultaient de la même manière.

45 Depuis la sixième heure jusqu'à la neuvième, il y eut des ténèbres sur toute la terre.

46 Et vers la neuvième heure, Jésus s'écria d'une voix forte: Éli, Éli, lama sabachthani? c'est-à-dire: Mon Dieu, mon Dieu, pourquoi m'as-tu abandonné?

47 Quelques-uns de ceux qui étaient là, l'ayant entendu, dirent: Il appelle Élie.

48 Et aussitôt l'un d'eux courut prendre une éponge, qu'il remplit de vinaigre, et, l'ayant fixée à un roseau, il lui donna à boire.

49 Mais les autres disaient: Laisse, voyons si Élie viendra le sauver.

50 Jésus poussa de nouveau un grand cri, et rendit l'esprit.

51 Et voici, le voile du temple se déchira en deux, depuis le haut jusqu'en bas, la terre trembla, les rochers se fendirent,

52 les sépulcres s'ouvrirent, et plusieurs corps des saints qui étaient morts ressuscitèrent.

53 Étant sortis des sépulcres, après la résurrection de Jésus, ils entrèrent dans la ville sainte, et apparurent à un grand nombre de personnes.

54 Le centenier et ceux qui étaient avec lui pour garder Jésus, ayant vu le tremblement de terre et ce qui venait d'arriver, furent saisis d'une grande frayeur, et dirent: Assurément, cet homme était Fils de Dieu.

55 Il y avait là plusieurs femmes qui regardaient de loin; qui avaient accompagné Jésus depuis la Galilée, pour le servir.

56 Parmi elles étaient Marie de Magdala, Marie, mère de Jacques et de Joseph, et la mère des fils de Zébédée.

57 Le soir étant venu, arriva un homme riche d'Arimathée, nommé Joseph, lequel était aussi disciple de Jésus.

58 Il se rendit vers Pilate, et demanda le corps de Jésus. Et Pilate ordonna de le remettre.

59 Joseph prit le corps, l'enveloppa d'un linceul blanc,

60 et le déposa dans un sépulcre neuf, qu'il s'était fait tailler dans le roc. Puis il roula une grande pierre à l'entrée du sépulcre, et il s'en alla.

61 Marie de Magdala et l'autre Marie étaient là, assises vis-à-vis du sépulcre.

62 Le lendemain, qui était le jour après la préparation, les principaux sacrificateurs et les pharisiens allèrent ensemble auprès de Pilate,

63 et dirent: Seigneur, nous nous souvenons que cet imposteur a dit, quand il vivait encore: Après trois jours je ressusciterai.

64 Ordonne donc que le sépulcre soit gardé jusqu'au troisième jour, afin que ses disciples ne viennent pas dérober le corps, et dire au peuple: Il est ressuscité des morts. Cette dernière imposture serait pire que la première.

65 Pilate leur dit: Vous avez une garde; allez, gardez-le comme vous l'entendrez.

66 Ils s'en allèrent, et s'assurèrent du sépulcre au moyen de la garde, après avoir scellé la pierre.