T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 26

1 Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe Izy:

2 Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazo fijaliana.

3 Ary tamin'izany dia nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.

4 Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy;

5 kanefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin'ny olona.

6 Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon'i Simona boka,

7 dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.

8 Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao?

9 Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.

10 Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.

11 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.

12 Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.

13 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.

14 Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona

15 ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.

16 Ary hatramin'izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.

 

17 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?

18 Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.

19 Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain'i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.

20 Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy*.[*Na: (mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy)]

21 Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.

22 Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?

23 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin'ny lovia, izy no hamadika Ahy.

24 Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.

25 Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.

 

26 Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.

27 Ary nandray kapoaka* Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;[* Na: (ny kapoaka)]

28 fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena*, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.[*Na: (ny fanekena vaovao)]

29 Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.

30 Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.

31 Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7).

32 Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.

33 Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.

34 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.

35 Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.

 

36 Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.

37 Ary nitondra an'i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.

38 Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.

39 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.

40 Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!

41 Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

42 Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.

43 Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.

44 Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.

45 Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo*; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.[*Na: Mbola matory ihany va ianareo ka miala sasatra?]

46 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.

47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.

48 Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.

49 Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.

50 Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto*. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an'i Jesosy ary nitana Azy.[*Na: haninona eto ianao?]

51 Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.

52 Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra.

53 Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?

54 Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?

 

55 Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.

56 Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.

57 Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.

58 Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.

59 Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;

60 fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:

61 Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana.

62 Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?

63 Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.

64 Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.

65 Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy* Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy* izao.[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3]

66 Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.

67 Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.

68 ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?

69 Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy, ilay Galiliana.

70 Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.

71 Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.

72 Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.

73 Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.

74 Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.

75 Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.


 

Chapitre 26

1 It happened, when Jesus had finished all these words, that he said to his disciples,

2 “You know that after two days the Passover is coming, and the Son of Man will be delivered up to be crucified.”

3 Then the chief priests, the scribes, and the elders of the people were gathered together in the court of the high priest, who was called Caiaphas.

4 They took counsel together that they might take Jesus by deceit, and kill him.

5 But they said, “Not during the feast, lest a riot occur among the people.”

6 Now when Jesus was in Bethany, in the house of Simon the leper,

7 a woman came to him having an alabaster jar of very expensive ointment, and she poured it on his head as he sat at the table.

8 But when his disciples saw this, they were indignant, saying, “Why this waste?

9 For this ointment might have been sold for much, and given to the poor.”

10 However, knowing this, Jesus said to them, “Why do you trouble the woman? Because she has done a good work for me.

11 For you always have the poor with you; but you don’t always have me.

12 For in pouring this ointment on my body, she did it to prepare me for burial.

13 Most certainly I tell you, wherever this Good News is preached in the whole world, what this woman has done will also be spoken of as a memorial of her.”

14 Then one of the twelve, who was called Judas Iscariot, went to the chief priests,

15 and said, “What are you willing to give me, that I should deliver him to you?” They weighed out for him thirty pieces of silver.

16 From that time he sought opportunity to betray him.

17 Now on the first day of unleavened bread, the disciples came to Jesus, saying to him, “Where do you want us to prepare for you to eat the Passover?”

18 He said, “Go into the city to a certain person, and tell him, ‘The Teacher says, “My time is at hand. I will keep the Passover at your house with my disciples.”’”

19 The disciples did as Jesus commanded them, and they prepared the Passover.

20 Now when evening had come, he was reclining at the table with the twelve disciples.

21 As they were eating, he said, “Most certainly I tell you that one of you will betray me.”

22 They were exceedingly sorrowful, and each began to ask him, “It isn’t me, is it, Lord?”

23 He answered, “He who dipped his hand with me in the dish, the same will betray me.

24 The Son of Man goes, even as it is written of him, but woe to that man through whom the Son of Man is betrayed! It would be better for that man if he had not been born.”

25 Judas, who betrayed him, answered, “It isn’t me, is it, Rabbi?”

He said to him, “You said it.”

26 As they were eating, Jesus took bread, gave thanks for it, and broke it. He gave to the disciples, and said, “Take, eat; this is my body.”

27 He took the cup, gave thanks, and gave to them, saying, “All of you drink it,

28 for this is my blood of the new covenant, which is poured out for many for the remission of sins.

29 But I tell you that I will not drink of this fruit of the vine from now on, until that day when I drink it anew with you in my Father’s Kingdom.”

30 When they had sung a hymn, they went out to the Mount of Olives.

31 Then Jesus said to them, “All of you will be made to stumble because of me tonight, for it is written, ‘I will strike the shepherd, and the sheep of the flock will be scattered.’*

32 But after I am raised up, I will go before you into Galilee.”

33 But Peter answered him, “Even if all will be made to stumble because of you, I will never be made to stumble.”

34 Jesus said to him, “Most certainly I tell you that tonight, before the rooster crows, you will deny me three times.”

35 Peter said to him, “Even if I must die with you, I will not deny you.” All of the disciples also said likewise.

36 Then Jesus came with them to a place called Gethsemane, and said to his disciples, “Sit here, while I go there and pray.”

37 He took with him Peter and the two sons of Zebedee, and began to be sorrowful and severely troubled.

38 Then he said to them, “My soul is exceedingly sorrowful, even to death. Stay here, and watch with me.”

39 He went forward a little, fell on his face, and prayed, saying, “My Father, if it is possible, let this cup pass away from me; nevertheless, not what I desire, but what you desire.”

40 He came to the disciples, and found them sleeping, and said to Peter, “What, couldn’t you watch with me for one hour?

41 Watch and pray, that you don’t enter into temptation. The spirit indeed is willing, but the flesh is weak.”

42 Again, a second time he went away, and prayed, saying, “My Father, if this cup can’t pass away from me unless I drink it, your desire be done.”

43 He came again and found them sleeping, for their eyes were heavy.

44 He left them again, went away, and prayed a third time, saying the same words.

45 Then he came to his disciples, and said to them, “Sleep on now, and take your rest. Behold, the hour is at hand, and the Son of Man is betrayed into the hands of sinners.

46 Arise, let’s be going. Behold, he who betrays me is at hand.”

47 While he was still speaking, behold, Judas, one of the twelve, came, and with him a great multitude with swords and clubs, from the chief priest and elders of the people.

48 Now he who betrayed him gave them a sign, saying, “Whoever I kiss, he is the one. Seize him.”

49 Immediately he came to Jesus, and said, “Hail, Rabbi!” and kissed him.

50 Jesus said to him, “Friend, why are you here?” Then they came and laid hands on Jesus, and took him.

51 Behold, one of those who were with Jesus stretched out his hand, and drew his sword, and struck the servant of the high priest, and struck off his ear.

52 Then Jesus said to him, “Put your sword back into its place, for all those who take the sword will die by the sword.

53 Or do you think that I couldn’t ask my Father, and he would even now send me more than twelve legions of angels?

54 How then would the Scriptures be fulfilled that it must be so?”

55 In that hour Jesus said to the multitudes, “Have you come out as against a robber with swords and clubs to seize me? I sat daily in the temple teaching, and you didn’t arrest me.

56 But all this has happened, that the Scriptures of the prophets might be fulfilled.”

Then all the disciples left him, and fled.

57 Those who had taken Jesus led him away to Caiaphas the high priest, where the scribes and the elders were gathered together.

58 But Peter followed him from a distance, to the court of the high priest, and entered in and sat with the officers, to see the end.

59 Now the chief priests, the elders, and the whole council sought false testimony against Jesus, that they might put him to death;

60 and they found none. Even though many false witnesses came forward, they found none. But at last two false witnesses came forward,

61 and said, “This man said, ‘I am able to destroy the temple of God, and to build it in three days.’”

62 The high priest stood up, and said to him, “Have you no answer? What is this that these testify against you?”

63 But Jesus held his peace. The high priest answered him, “I adjure you by the living God, that you tell us whether you are the Christ, the Son of God.”

64 Jesus said to him, “You have said it. Nevertheless, I tell you, after this you will see the Son of Man sitting at the right hand of Power, and coming on the clouds of the sky.”

65 Then the high priest tore his clothing, saying, “He has spoken blasphemy! Why do we need any more witnesses? Behold, now you have heard his blasphemy.

66 What do you think?”

They answered, “He is worthy of death!”

67 Then they spit in his face and beat him with their fists, and some slapped him, 68 saying, “Prophesy to us, you Christ! Who hit you?”

69 Now Peter was sitting outside in the court, and a maid came to him, saying, “You were also with Jesus, the Galilean!”

70 But he denied it before them all, saying, “I don’t know what you are talking about.”

71 When he had gone out onto the porch, someone else saw him, and said to those who were there, “This man also was with Jesus of Nazareth.”

72 Again he denied it with an oath, “I don’t know the man.”

73 After a little while those who stood by came and said to Peter, “Surely you are also one of them, for your speech makes you known.”

74 Then he began to curse and to swear, “I don’t know the man!”

Immediately the rooster crowed.

75 Peter remembered the word which Jesus had said to him, “Before the rooster crows, you will deny me three times.” He went out and wept bitterly.

 


 

Chapitre 26
1 Lorsque Jésus eut achevé tous ces discours, il dit à ses disciples:

2 Vous savez que la Pâque a lieu dans deux jours, et que le Fils de l'homme sera livré pour être crucifié.

3 Alors les principaux sacrificateurs et les anciens du peuple se réunirent dans la cour du souverain sacrificateur, appelé Caïphe;

4 et ils délibérèrent sur les moyens d'arrêter Jésus par ruse, et de le faire mourir.

5 Mais ils dirent: Que ce ne soit pas pendant la fête, afin qu'il n'y ait pas de tumulte parmi le peuple.

6 Comme Jésus était à Béthanie, dans la maison de Simon le lépreux,

7 une femme s'approcha de lui, tenant un vase d'albâtre, qui renfermait un parfum de grand prix; et, pendant qu'il était à table, elle répandit le parfum sur sa tête.

8 Les disciples, voyant cela, s'indignèrent, et dirent: A quoi bon cette perte?

9 On aurait pu vendre ce parfum très cher, et en donner le prix aux pauvres.

10 Jésus, s'en étant aperçu, leur dit: Pourquoi faites-vous de la peine à cette femme? Elle a fait une bonne action à mon égard;

11 car vous avez toujours des pauvres avec vous, mais vous ne m'avez pas toujours.

12 En répandant ce parfum sur mon corps, elle l'a fait pour ma sépulture.

13 Je vous le dis en vérité, partout où cette bonne nouvelle sera prêchée, dans le monde entier, on racontera aussi en mémoire de cette femme ce qu'elle a fait.

14 Alors l'un des douze, appelé Judas Iscariot, alla vers les principaux sacrificateurs,

15 et dit: Que voulez-vous me donner, et je vous le livrerai? Et ils lui payèrent trente pièces d'argent.

16 Depuis ce moment, il cherchait une occasion favorable pour livrer Jésus.

17 Le premier jour des pains sans levain, les disciples s'adressèrent à Jésus, pour lui dire: Où veux-tu que nous te préparions le repas de la Pâque?

18 Il répondit: Allez à la ville chez un tel, et vous lui direz: Le maître dit: Mon temps est proche; je ferai chez toi la Pâque avec mes disciples.

19 Les disciples firent ce que Jésus leur avait ordonné, et ils préparèrent la Pâque.

20 Le soir étant venu, il se mit à table avec les douze.

21 Pendant qu'ils mangeaient, il dit: Je vous le dis en vérité, l'un de vous me livrera.

22 Ils furent profondément attristés, et chacun se mit à lui dire: Est-ce moi, Seigneur?

23 Il répondit: Celui qui a mis avec moi la main dans le plat, c'est celui qui me livrera.

24 Le Fils de l'homme s'en va, selon ce qui est écrit de lui. Mais malheur à l'homme par qui le Fils de l'homme est livré! Mieux vaudrait pour cet homme qu'il ne fût pas né.

25 Judas, qui le livrait, prit la parole et dit: Est-ce moi, Rabbi? Jésus lui répondit: Tu l'as dit.

26 Pendant qu'ils mangeaient, Jésus prit du pain; et, après avoir rendu grâces, il le rompit, et le donna aux disciples, en disant: Prenez, mangez, ceci est mon corps.

27 Il prit ensuite une coupe; et, après avoir rendu grâces, il la leur donna, en disant: Buvez-en tous;

28 car ceci est mon sang, le sang de l'alliance, qui est répandu pour plusieurs, pour la rémission des péchés.

29 Je vous le dis, je ne boirai plus désormais de ce fruit de la vigne, jusqu'au jour où j'en boirai du nouveau avec vous dans le royaume de mon Père.

30 Après avoir chanté les cantiques, ils se rendirent à la montagne des oliviers.

31 Alors Jésus leur dit: Je serai pour vous tous, cette nuit, une occasion de chute; car il est écrit: Je frapperai le berger, et les brebis du troupeau seront dispersées.

32 Mais, après que je serai ressuscité, je vous précèderai en Galilée.

33 Pierre, prenant la parole, lui dit: Quand tu serais pour tous une occasion de chute, tu ne le seras jamais pour moi.

34 Jésus lui dit: Je te le dis en vérité, cette nuit même, avant que le coq chante, tu me renieras trois fois.

35 Pierre lui répondit: Quand il me faudrait mourir avec toi, je ne te renierai pas. Et tous les disciples dirent la même chose.

36 Là-dessus, Jésus alla avec eux dans un lieu appelé Gethsémané, et il dit aux disciples: Asseyez-vous ici, pendant que je m'éloignerai pour prier.

37 Il prit avec lui Pierre et les deux fils de Zébédée, et il commença à éprouver de la tristesse et des angoisses.

38 Il leur dit alors: Mon âme est triste jusqu'à la mort; restez ici, et veillez avec moi.

39 Puis, ayant fait quelques pas en avant, il se jeta sur sa face, et pria ainsi: Mon Père, s'il est possible, que cette coupe s'éloigne de moi! Toutefois, non pas ce que je veux, mais ce que tu veux.

40 Et il vint vers les disciples, qu'il trouva endormis, et il dit à Pierre: Vous n'avez donc pu veiller une heure avec moi!

41 Veillez et priez, afin que vous ne tombiez pas dans la tentation; l'esprit est bien disposé, mais la chair est faible.

42 Il s'éloigna une seconde fois, et pria ainsi: Mon Père, s'il n'est pas possible que cette coupe s'éloigne sans que je la boive, que ta volonté soit faite!

43 Il revint, et les trouva encore endormis; car leurs yeux étaient appesantis.

44 Il les quitta, et, s'éloignant, il pria pour la troisième fois, répétant les mêmes paroles.

45 Puis il alla vers ses disciples, et leur dit: Vous dormez maintenant, et vous vous reposez! Voici, l'heure est proche, et le Fils de l'homme est livré aux mains des pécheurs.

46 Levez-vous, allons; voici, celui qui me livre s'approche.

47 Comme il parlait encore, voici, Judas, l'un des douze, arriva, et avec lui une foule nombreuse armée d'épées et de bâtons, envoyée par les principaux sacrificateurs et par les anciens du peuple.

48 Celui qui le livrait leur avait donné ce signe: Celui que je baiserai, c'est lui; saisissez-le.

49 Aussitôt, s'approchant de Jésus, il dit: Salut, Rabbi! Et il le baisa.

50 Jésus lui dit: Mon ami, ce que tu es venu faire, fais-le. Alors ces gens s'avancèrent, mirent la main sur Jésus, et le saisirent.

51 Et voici, un de ceux qui étaient avec Jésus étendit la main, et tira son épée; il frappa le serviteur du souverain sacrificateur, et lui emporta l'oreille.

52 Alors Jésus lui dit: Remets ton épée à sa place; car tous ceux qui prendront l'épée périront par l'épée.

53 Penses-tu que je ne puisse pas invoquer mon Père, qui me donnerait à l'instant plus de douze légions d'anges?

54 Comment donc s'accompliraient les Écritures, d'après lesquelles il doit en être ainsi?

55 En ce moment, Jésus dit à la foule: Vous êtes venus, comme après un brigand, avec des épées et des bâtons, pour vous emparer de moi. J'étais tous les jours assis parmi vous, enseignant dans le temple, et vous ne m'avez pas saisi.

56 Mais tout cela est arrivé afin que les écrits des prophètes fussent accomplis. Alors tous les disciples l'abandonnèrent, et prirent la fuite.

57 Ceux qui avaient saisi Jésus l'emmenèrent chez le souverain sacrificateur Caïphe, où les scribes et les anciens étaient assemblés.

58 Pierre le suivit de loin jusqu'à la cour du souverain sacrificateur, y entra, et s'assit avec les serviteurs, pour voir comment cela finirait.

59 Les principaux sacrificateurs et tout le sanhédrin cherchaient quelque faux témoignage contre Jésus, suffisant pour le faire mourir.

60 Mais ils n'en trouvèrent point, quoique plusieurs faux témoins se fussent présentés. Enfin, il en vint deux,

61 (26:60) qui dirent: (26:61) Celui-ci a dit: Je puis détruire le temple de Dieu, et le rebâtir en trois jours.

62 Le souverain sacrificateur se leva, et lui dit: Ne réponds-tu rien? Qu'est-ce que ces hommes déposent contre toi?

63 Jésus garda le silence. Et le souverain sacrificateur, prenant la parole, lui dit: Je t'adjure, par le Dieu vivant, de nous dire si tu es le Christ, le Fils de Dieu.

64 Jésus lui répondit: Tu l'as dit. De plus, je vous le déclare, vous verrez désormais le Fils de l'homme assis à la droite de la puissance de Dieu, et venant sur les nuées du ciel.

65 Alors le souverain sacrificateur déchira ses vêtements, disant: Il a blasphémé! Qu'avons-nous encore besoin de témoins? Voici, vous venez d'entendre son blasphème.

66 (26:65) Que vous en semble? (26:66) Ils répondirent: Il mérite la mort.

67 Là-dessus, ils lui crachèrent au visage, et lui donnèrent des coups de poing et des soufflets

68 (26:67) en disant: (26:68) Christ, prophétise; dis-nous qui t'a frappé.

69 Cependant, Pierre était assis dehors dans la cour. Une servante s'approcha de lui, et dit: Toi aussi, tu étais avec Jésus le Galiléen.

70 Mais il le nia devant tous, disant: Je ne sais ce que tu veux dire.

71 Comme il se dirigeait vers la porte, une autre servante le vit, et dit à ceux qui se trouvaient là; Celui-ci était aussi avec Jésus de Nazareth.

72 Il le nia de nouveau, avec serment: Je ne connais pas cet homme.

73 Peu après, ceux qui étaient là, s'étant approchés, dirent à Pierre: Certainement tu es aussi de ces gens-là, car ton langage te fait reconnaître.

74 Alors il se mit à faire des imprécations et à jurer: Je ne connais pas cet homme. Aussitôt le coq chanta.

75 Et Pierre se souvint de la parole que Jésus avait dite: Avant que le coq chante, tu me renieras trois fois. Et étant sorti, il pleura amèrement.