T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 24

1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

2 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. [*Na:Tsy hitanareo izany rehetra izany]

3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao.

4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.

5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.

6 Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.

7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.

8 Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana; izahao 19. 28]

9 Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.

10 Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.

11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.

12 Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro.

13 Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.

15 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany),

16 dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;

17 ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;

18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.

19 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo!

20 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo.

21 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.

22 Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.

23 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro,y Kristy, na: Indro, ar ; aza mino ianareo.

24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.

25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany.

26 Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino.

27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.

28 Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.

29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina.

30 Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.

31 Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany* efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.[*Gr. rivotra]

32 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy:* Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.[*aviavimbazaha]

33 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany]

34 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany.

35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

36 Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.

37 Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona.

38 Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara,

39 ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.

40 Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

41 Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

42 Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.

43 Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.

44 Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.

45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?

46 Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.

47 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.

48 Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,

49 ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo,

50 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany,

51 dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.[*Na: hokapohiny mafy]


 

Chapitre 24

1 Jesus went out from the temple, and was going on his way. His disciples came to him to show him the buildings of the temple.

2 But he answered them, “You see all of these things, don’t you? Most certainly I tell you, there will not be left here one stone on another, that will not be thrown down.”

3 As he sat on the Mount of Olives, the disciples came to him privately, saying, “Tell us, when will these things be? What is the sign of your coming, and of the end of the age?”

4 Jesus answered them, “Be careful that no one leads you astray.

5 For many will come in my name, saying, ‘I am the Christ,’ and will lead many astray.

6 You will hear of wars and rumors of wars. See that you aren’t troubled, for all this must happen, but the end is not yet.

7 For nation will rise against nation, and kingdom against kingdom; and there will be famines, plagues, and earthquakes in various places.

8 But all these things are the beginning of birth pains.

9 Then they will deliver you up to oppression, and will kill you. You will be hated by all of the nations for my name’s sake.

10 Then many will stumble, and will deliver up one another, and will hate one another.

11 Many false prophets will arise, and will lead many astray. 12 Because iniquity will be multiplied, the love of many will grow cold.

13 But he who endures to the end, the same will be saved.

14 This Good News of the Kingdom will be preached in the whole world for a testimony to all the nations, and then the end will come.

15 “When, therefore, you see the abomination of desolation,* which was spoken of through Daniel the prophet, standing in the holy place (let the reader understand),

16 then let those who are in Judea flee to the mountains.

17 Let him who is on the housetop not go down to take out things that are in his house.

18 Let him who is in the field not return back to get his clothes.

19 But woe to those who are with child and to nursing mothers in those days!

20 Pray that your flight will not be in the winter, nor on a Sabbath,

21 for then there will be great oppression, such as has not been from the beginning of the world until now, no, nor ever will be.

22 Unless those days had been shortened, no flesh would have been saved. But for the sake of the chosen ones, those days will be shortened.

23 “Then if any man tells you, ‘Behold, here is the Christ,’ or, ‘There,’ don’t believe it.

24 For there will arise false christs, and false prophets, and they will show great signs and wonders, so as to lead astray, if possible, even the chosen ones.

25 “Behold, I have told you beforehand.

26 If therefore they tell you, ‘Behold, he is in the wilderness,’ don’t go out; ‘Behold, he is in the inner rooms,’ don’t believe it.

27 For as the lightning flashes from the east, and is seen even to the west, so will be the coming of the Son of Man.

28 For wherever the carcass is, there is where the vultures gather together.

29 But immediately after the oppression of those days, the sun will be darkened, the moon will not give its light, the stars will fall from the sky, and the powers of the heavens will be shaken;*

30 and then the sign of the Son of Man will appear in the sky. Then all the tribes of the earth will mourn, and they will see the Son of Man coming on the clouds of the sky with power and great glory.

31 He will send out his angels with a great sound of a trumpet, and they will gather together his chosen ones from the four winds, from one end of the sky to the other.

32 “Now from the fig tree learn this parable. When its branch has now become tender, and puts forth its leaves, you know that the summer is near.

33 Even so you also, when you see all these things, know that it is near, even at the doors.

34 Most certainly I tell you, this generation will not pass away, until all these things are accomplished.

35 Heaven and earth will pass away, but my words will not pass away.

36 But no one knows of that day and hour, not even the angels of heaven,* but my Father only.

37 “As the days of Noah were, so will be the coming of the Son of Man.

38 For as in those days which were before the flood they were eating and drinking, marrying and giving in marriage, until the day that Noah entered into the ship,

39 and they didn’t know until the flood came, and took them all away, so will be the coming of the Son of Man.

40 Then two men will be in the field: one will be taken and one will be left;

41 two women grinding at the mill, one will be taken and one will be left.

42 Watch therefore, for you don’t know in what hour your Lord comes.

43 But know this, that if the master of the house had known in what watch of the night the thief was coming, he would have watched, and would not have allowed his house to be broken into.

44 Therefore also be ready, for in an hour that you don’t expect, the Son of Man will come.

45 “Who then is the faithful and wise servant, whom his lord has set over his household, to give them their food in due season?

46 Blessed is that servant whom his lord finds doing so when he comes.

47 Most certainly I tell you that he will set him over all that he has.

48 But if that evil servant should say in his heart, ‘My lord is delaying his coming,’

49 and begins to beat his fellow servants, and eat and drink with the drunkards,

50 the lord of that servant will come in a day when he doesn’t expect it, and in an hour when he doesn’t know it,

51 and will cut him in pieces, and appoint his portion with the hypocrites. There is where the weeping and grinding of teeth will be.


 

Chapitre 24
1 Comme Jésus s'en allait, au sortir du temple, ses disciples s'approchèrent pour lui en faire remarquer les constructions.

2 Mais il leur dit: Voyez-vous tout cela? Je vous le dis en vérité, il ne restera pas ici pierre sur pierre qui ne soit renversée.

3 Il s'assit sur la montagne des oliviers. Et les disciples vinrent en particulier lui faire cette question: Dis-nous, quand cela arrivera-t-il, et quel sera le signe de ton avènement et de la fin du monde?

4 Jésus leur répondit: Prenez garde que personne ne vous séduise.

5 Car plusieurs viendront sous mon nom, disant: C'est moi qui suis le Christ. Et ils séduiront beaucoup de gens.

6 Vous entendrez parler de guerres et de bruits de guerres: gardez-vous d'être troublés, car il faut que ces choses arrivent. Mais ce ne sera pas encore la fin.

7 Une nation s'élèvera contre une nation, et un royaume contre un royaume, et il y aura, en divers lieux, des famines et des tremblements de terre.

8 Tout cela ne sera que le commencement des douleurs.

9 Alors on vous livrera aux tourments, et l'on vous fera mourir; et vous serez haïs de toutes les nations, à cause de mon nom.

10 Alors aussi plusieurs succomberont, et ils se trahiront, se haïront les uns les autres.

11 Plusieurs faux prophètes s'élèveront, et ils séduiront beaucoup de gens.

12 Et, parce que l'iniquité se sera accrue, la charité du plus grand nombre se refroidira.

13 Mais celui qui persévérera jusqu'à la fin sera sauvé.

14 Cette bonne nouvelle du royaume sera prêchée dans le monde entier, pour servir de témoignage à toutes les nations. Alors viendra la fin.

15 C'est pourquoi, lorsque vous verrez l'abomination de la désolation, dont a parlé le prophète Daniel, établie en lieu saint, -que celui qui lit fasse attention! -

16 alors, que ceux qui seront en Judée fuient dans les montagnes;

17 que celui qui sera sur le toit ne descende pas pour prendre ce qui est dans sa maison;

18 et que celui qui sera dans les champs ne retourne pas en arrière pour prendre son manteau.

19 Malheur aux femmes qui seront enceintes et à celles qui allaiteront en ces jours-là!

20 Priez pour que votre fuite n'arrive pas en hiver, ni un jour de sabbat.

21 Car alors, la détresse sera si grande qu'il n'y en a point eu de pareille depuis le commencement du monde jusqu'à présent, et qu'il n'y en aura jamais.

22 Et, si ces jours n'étaient abrégés, personne ne serait sauvé; mais, à cause des élus, ces jours seront abrégés.

23 Si quelqu'un vous dit alors: Le Christ est ici, ou: Il est là, ne le croyez pas.

24 Car il s'élèvera de faux Christs et de faux prophètes; ils feront de grands prodiges et des miracles, au point de séduire, s'il était possible, même les élus.

25 Voici, je vous l'ai annoncé d'avance.

26 Si donc on vous dit: Voici, il est dans le désert, n'y allez pas; voici, il est dans les chambres, ne le croyez pas.

27 Car, comme l'éclair part de l'orient et se montre jusqu'en occident, ainsi sera l'avènement du Fils de l'homme.

28 En quelque lieu que soit le cadavre, là s'assembleront les aigles.

29 Aussitôt après ces jours de détresse, le soleil s'obscurcira, la lune ne donnera plus sa lumière, les étoiles tomberont du ciel, et les puissances des cieux seront ébranlées.

30 Alors le signe du Fils de l'homme paraîtra dans le ciel, toutes les tribus de la terre se lamenteront, et elles verront le Fils de l'homme venant sur les nuées du ciel avec puissance et une grande gloire.

31 Il enverra ses anges avec la trompette retentissante, et ils rassembleront ses élus des quatre vents, depuis une extrémité des cieux jusqu'à l'autre.

32 Instruisez-vous par une comparaison tirée du figuier. Dès que ses branches deviennent tendres, et que les feuilles poussent, vous connaissez que l'été est proche.

33 De même, quand vous verrez toutes ces choses, sachez que le Fils de l'homme est proche, à la porte.

34 Je vous le dis en vérité, cette génération ne passera point, que tout cela n'arrive.

35 Le ciel et la terre passeront, mais mes paroles ne passeront point.

36 Pour ce qui est du jour et de l'heure, personne ne le sait, ni les anges des cieux, ni le Fils, mais le Père seul.

37 Ce qui arriva du temps de Noé arrivera de même à l'avènement du Fils de l'homme.

38 Car, dans les jours qui précédèrent le déluge, les hommes mangeaient et buvaient, se mariaient et mariaient leurs enfants, jusqu'au jour où Noé entra dans l'arche;

39 et ils ne se doutèrent de rien, jusqu'à ce que le déluge vînt et les emportât tous: il en sera de même à l'avènement du Fils de l'homme.

40 Alors, de deux hommes qui seront dans un champ, l'un sera pris et l'autre laissé;

41 de deux femmes qui moudront à la meule, l'une sera prise et l'autre laissée.

42 Veillez donc, puisque vous ne savez pas quel jour votre Seigneur viendra.

43 Sachez-le bien, si le maître de la maison savait à quelle veille de la nuit le voleur doit venir, il veillerait et ne laisserait pas percer sa maison.

44 C'est pourquoi, vous aussi, tenez-vous prêts, car le Fils de l'homme viendra à l'heure où vous n'y penserez pas.

45 Quel est donc le serviteur fidèle et prudent, que son maître a établi sur ses gens, pour leur donner la nourriture au temps convenable?

46 Heureux ce serviteur, que son maître, à son arrivée, trouvera faisant ainsi!

47 Je vous le dis en vérité, il l'établira sur tous ses biens.

48 Mais, si c'est un méchant serviteur, qui dise en lui-même: Mon maître tarde à venir,

49 s'il se met à battre ses compagnons, s'il mange et boit avec les ivrognes,

50 le maître de ce serviteur viendra le jour où il ne s'y attend pas et à l'heure qu'il ne connaît pas,

51 il le mettra en pièces, et lui donnera sa part avec les hypocrites: c'est là qu'il y aura des pleurs et des grincements de dents.