T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 22

1 Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:

2 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy.

3 Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.

4 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin'ny fampakaram-bady ianareo.

5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony.

6 Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.

7 Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.

8 Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.

9 Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.

10 Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.

11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.

12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.

13 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

14 Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.

 

15 Ary tamin'izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny.

16 Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona.

17 Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?

18 Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?

19 Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.

20 Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity?

21 Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

22 Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.

23 Tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy hoe:

24 Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).

25 Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny;

26 ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.

27 Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

28 Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.

29 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.

30 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely* any an-danitra izy.[*Na: (anjelin'Andriamanitra)]

31 Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:

32 Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.

33 Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany.

34 Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.

35 Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:

36 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?

37 Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5).

38 Izany no didy lehibe sady voalohany.

39 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).

40 Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.

 

41 Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:

42 Ahoana no hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.

43 Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:

44 Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)?

45 Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?

46 Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.


 

Chapitre 22

1 Jesus answered and spoke again in parables to them, saying,

2 “The Kingdom of Heaven is like a certain king, who made a marriage feast for his son,

3 and sent out his servants to call those who were invited to the marriage feast, but they would not come.

4 Again he sent out other servants, saying, ‘Tell those who are invited, “Behold, I have prepared my dinner. My cattle and my fatlings are killed, and all things are ready. Come to the marriage feast!”’

5 But they made light of it, and went their ways, one to his own farm, another to his merchandise,

6 and the rest grabbed his servants, and treated them shamefully, and killed them.

7 When the king heard that, he was angry, and sent his armies, destroyed those murderers, and burned their city.

8 “Then he said to his servants, ‘The wedding is ready, but those who were invited weren’t worthy.

9 Go therefore to the intersections of the highways, and as many as you may find, invite to the marriage feast.’

10 Those servants went out into the highways, and gathered together as many as they found, both bad and good. The wedding was filled with guests.

11 But when the king came in to see the guests, he saw there a man who didn’t have on wedding clothing,

12 and he said to him, ‘Friend, how did you come in here not wearing wedding clothing?’ He was speechless.

13 Then the king said to the servants, ‘Bind him hand and foot, take him away, and throw him into the outer darkness; there is where the weeping and grinding of teeth will be.’

14 For many are called, but few chosen.”

15 Then the Pharisees went and took counsel how they might entrap him in his talk.

16 They sent their disciples to him, along with the Herodians, saying, “Teacher, we know that you are honest, and teach the way of God in truth, no matter whom you teach, for you aren’t partial to anyone.

17 Tell us therefore, what do you think? Is it lawful to pay taxes to Caesar, or not?”

18 But Jesus perceived their wickedness, and said, “Why do you test me, you hypocrites?

19 Show me the tax money.”

They brought to him a denarius.

20 He asked them, “Whose is this image and inscription?”

21 They said to him, “Caesar’s.”

Then he said to them, “Give therefore to Caesar the things that are Caesar’s, and to God the things that are God’s.”

22 When they heard it, they marveled, and left him, and went away.

23 On that day Sadducees (those who say that there is no resurrection) came to him. They asked him,

24 saying, “Teacher, Moses said, ‘If a man dies, having no children, his brother shall marry his wife, and raise up seed for his brother.’

25 Now there were with us seven brothers. The first married and died, and having no seed left his wife to his brother.

26 In the same way, the second also, and the third, to the seventh.

27 After them all, the woman died.

28 In the resurrection therefore, whose wife will she be of the seven? For they all had her.”

29 But Jesus answered them, “You are mistaken, not knowing the Scriptures, nor the power of God. 30 For in the resurrection they neither marry, nor are given in marriage, but are like God’s angels in heaven.

31 But concerning the resurrection of the dead, haven’t you read that which was spoken to you by God, saying,

32 ‘I am the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob?’* God is not the God of the dead, but of the living.”

33 When the multitudes heard it, they were astonished at his teaching.

34 But the Pharisees, when they heard that he had silenced the Sadducees, gathered themselves together.

35 One of them, a lawyer, asked him a question, testing him.

36 “Teacher, which is the greatest commandment in the law?”

37 Jesus said to him, “‘You shall love the Lord your God with all your heart, with all your soul, and with all your mind.’*

38 This is the first and great commandment.

39 A second likewise is this, ‘You shall love your neighbor as yourself.’*

40 The whole law and the prophets depend on these two commandments.”

41 Now while the Pharisees were gathered together, Jesus asked them a question,

42 saying, “What do you think of the Christ? Whose son is he?”

They said to him, “Of David.”

43 He said to them, “How then does David in the Spirit call him Lord, saying,

44 ‘The Lord said to my Lord,
sit on my right hand,
until I make your enemies a footstool for your feet?’*
45 “If then David calls him Lord, how is he his son?”

46 No one was able to answer him a word, neither did any man dare ask him any more questions from that day forth.


 

Chapitre 22
1 Jésus, prenant la parole, leur parla de nouveau en paraboles, et il dit:

2 Le royaume des cieux est semblable à un roi qui fit des noces pour son fils.

3 Il envoya ses serviteurs appeler ceux qui étaient invités aux noces; mais ils ne voulurent pas venir.

4 Il envoya encore d'autres serviteurs, en disant: Dites aux conviés: Voici, j'ai préparé mon festin; mes boeufs et mes bêtes grasses sont tués, tout est prêt, venez aux noces.

5 Mais, sans s'inquiéter de l'invitation, ils s'en allèrent, celui-ci à son champ, celui-là à son trafic;

6 et les autres se saisirent des serviteurs, les outragèrent et les tuèrent.

7 Le roi fut irrité; il envoya ses troupes, fit périr ces meurtriers, et brûla leur ville.

8 Alors il dit à ses serviteurs: Les noces sont prêtes; mais les conviés n'en étaient pas dignes.

9 Allez donc dans les carrefours, et appelez aux noces tous ceux que vous trouverez.

10 Ces serviteurs allèrent dans les chemins, rassemblèrent tous ceux qu'ils trouvèrent, méchants et bons, et la salle des noces fut pleine de convives.

11 Le roi entra pour voir ceux qui étaient à table, et il aperçut là un homme qui n'avait pas revêtu un habit de noces.

12 Il lui dit: Mon ami, comment es-tu entré ici sans avoir un habit de noces? Cet homme eut la bouche fermée.

13 Alors le roi dit aux serviteurs: Liez-lui les pieds et les mains, et jetez-le dans les ténèbres du dehors, où il y aura des pleurs et des grincements de dents.

14 Car il y a beaucoup d'appelés, mais peu d'élus.

15 Alors les pharisiens allèrent se consulter sur les moyens de surprendre Jésus par ses propres paroles.

16 Ils envoyèrent auprès de lui leurs disciples avec les hérodiens, qui dirent: Maître, nous savons que tu es vrai, et que tu enseignes la voie de Dieu selon la vérité, sans t'inquiéter de personne, car tu ne regardes pas à l'apparence des hommes.

17 Dis-nous donc ce qu'il t'en semble: est-il permis, ou non, de payer le tribut à César?

18 Jésus, connaissant leur méchanceté, répondit: Pourquoi me tentez-vous, hypocrites?

19 Montrez-moi la monnaie avec laquelle on paie le tribut. Et ils lui présentèrent un denier.

20 Il leur demanda: De qui sont cette effigie et cette inscription?

21 De César, lui répondirent-ils. Alors il leur dit: Rendez donc à César ce qui est à César, et à Dieu ce qui est à Dieu.

22 Étonnés de ce qu'ils entendaient, ils le quittèrent, et s'en allèrent.

23 Le même jour, les sadducéens, qui disent qu'il n'y a point de résurrection, vinrent auprès de Jésus, et lui firent cette question:

24 Maître, Moïse a dit: Si quelqu'un meurt sans enfants, son frère épousera sa veuve, et suscitera une postérité à son frère.

25 Or, il y avait parmi nous sept frères. Le premier se maria, et mourut; et, comme il n'avait pas d'enfants, il laissa sa femme à son frère.

26 Il en fut de même du second, puis du troisième, jusqu'au septième.

27 Après eux tous, la femme mourut aussi.

28 A la résurrection, duquel des sept sera-t-elle donc la femme? Car tous l'ont eue.

29 Jésus leur répondit: Vous êtes dans l'erreur, parce que vous ne comprenez ni les Écritures, ni la puissance de Dieu.

30 Car, à la résurrection, les hommes ne prendront point de femmes, ni les femmes de maris, mais ils seront comme les anges de Dieu dans le ciel.

31 Pour ce qui est de la résurrection des morts, n'avez-vous pas lu ce que Dieu vous a dit:

32 Je suis le Dieu d'Abraham, le Dieu d'Isaac, et le Dieu de Jacob? Dieu n'est pas Dieu des morts, mais des vivants.

33 La foule, qui écoutait, fut frappée de l'enseignement de Jésus.

34 Les pharisiens, ayant appris qu'il avait réduit au silence les sadducéens, se rassemblèrent,

35 et l'un d'eux, docteur de la loi, lui fit cette question, pour l'éprouver:

36 Maître, quel est le plus grand commandement de la loi?

37 Jésus lui répondit: Tu aimeras le Seigneur, ton Dieu, de tout ton coeur, de toute ton âme, et de toute ta pensée.

38 C'est le premier et le plus grand commandement.

39 Et voici le second, qui lui est semblable: Tu aimeras ton prochain comme toi-même.

40 De ces deux commandements dépendent toute la loi et les prophètes.

41 Comme les pharisiens étaient assemblés, Jésus les interrogea,

42 en disant: Que pensez-vous du Christ? De qui est-il fils? Ils lui répondirent: De David.

43 Et Jésus leur dit: Comment donc David, animé par l'Esprit, l'appelle-t-il Seigneur, lorsqu'il dit:

44 Le Seigneur a dit à mon Seigneur: Assieds-toi à ma droite, Jusqu'à ce que je fasse de tes ennemis ton marchepied?

45 Si donc David l'appelle Seigneur, comment est-il son fils?

46 Nul ne put lui répondre un mot. Et, depuis ce jour, personne n'osa plus lui proposer des questions.