T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 19

1 Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny an-dafin'i Jordana, dia tonga tany amin'ny sisin'i Jodia.

2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy.

 

3 Ary nisy Fariseo nanatona Azy*, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?[*Na: (Ary nanatona Azy ny Fariseo)]

4 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe:

5 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)?

6 ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.

7 Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1).

8 Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany.

9 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.

10 Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy manambady.

11 Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany;

12 fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.

13 Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo amin'i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny.

14 Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.

15 Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.

16 Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô*, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?[*Na: (Mpampianatra tsara ô)]

17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)]

18 Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,

19 Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18).

20 Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?

21 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.

22 Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be.

23 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.

24 Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

25 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena?

26 Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.

 

27 Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?

28 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana*, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo.[*Gr.fiteraham-baovao]

29 Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny*, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.[*Ampio hoe: (na vady.)]

30 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.


 

Chapitre 19

1 It happened when Jesus had finished these words, he departed from Galilee, and came into the borders of Judea beyond the Jordan.

2 Great multitudes followed him, and he healed them there.

3 Pharisees came to him, testing him, and saying, “Is it lawful for a man to divorce his wife for any reason?”

4 He answered, “Haven’t you read that he who made them from the beginning made them male and female,*

5 and said, ‘For this cause a man shall leave his father and mother, and shall join to his wife; and the two shall become one flesh?’*

6 So that they are no more two, but one flesh. What therefore God has joined together, don’t let man tear apart.”

7 They asked him, “Why then did Moses command us to give her a bill of divorce, and divorce her?”

8 He said to them, “Moses, because of the hardness of your hearts, allowed you to divorce your wives, but from the beginning it has not been so.

9 I tell you that whoever divorces his wife, except for sexual immorality, and marries another, commits adultery; and he who marries her when she is divorced commits adultery.”

10 His disciples said to him, “If this is the case of the man with his wife, it is not expedient to marry.”

11 But he said to them, “Not all men can receive this saying, but those to whom it is given.

12 For there are eunuchs who were born that way from their mother’s womb, and there are eunuchs who were made eunuchs by men; and there are eunuchs who made themselves eunuchs for the Kingdom of Heaven’s sake. He who is able to receive it, let him receive it.”

13 Then little children were brought to him, that he should lay his hands on them and pray; and the disciples rebuked them.

14 But Jesus said, “Allow the little children, and don’t forbid them to come to me; for the Kingdom of Heaven belongs to ones like these.”

15 He laid his hands on them, and departed from there.

16 Behold, one came to him and said, “Good teacher, what good thing shall I do, that I may have eternal life?”

17 He said to him, “Why do you call me good? No one is good but one, that is, God. But if you want to enter into life, keep the commandments.”

18 He said to him, “Which ones?”

Jesus said, “‘You shall not murder.’ ‘You shall not commit adultery.’ ‘You shall not steal.’ ‘You shall not offer false testimony.’

19 ‘Honor your father and mother.’* And, ‘You shall love your neighbor as yourself.’”*

20 The young man said to him, “All these things I have observed from my youth. What do I still lack?”

21 Jesus said to him, “If you want to be perfect, go, sell what you have, and give to the poor, and you will have treasure in heaven; and come, follow me.”

22 But when the young man heard the saying, he went away sad, for he was one who had great possessions.

23 Jesus said to his disciples, “Most certainly I say to you, a rich man will enter into the Kingdom of Heaven with difficulty.

24 Again I tell you, it is easier for a camel to go through a needle’s eye, than for a rich man to enter into the Kingdom of God.”

25 When the disciples heard it, they were exceedingly astonished, saying, “Who then can be saved?”

26 Looking at them, Jesus said, “With men this is impossible, but with God all things are possible.”

27 Then Peter answered, “Behold, we have left everything, and followed you. What then will we have?”

28 Jesus said to them, “Most certainly I tell you that you who have followed me, in the regeneration when the Son of Man will sit on the throne of his glory, you also will sit on twelve thrones, judging the twelve tribes of Israel.

29 Everyone who has left houses, or brothers, or sisters, or father, or mother, or wife, or children, or lands, for my name’s sake, will receive one hundred times, and will inherit eternal life.

30 But many will be last who are first; and first who are last.


 

Chapitre 19
1 Lorsque Jésus eut achevé ces discours, il quitta la Galilée, et alla dans le territoire de la Judée, au delà du Jourdain.

2 Une grande foule le suivit, et là il guérit les malades.

3 Les pharisiens l'abordèrent, et dirent, pour l'éprouver: Est-il permis à un homme de répudier sa femme pour un motif quelconque?

4 Il répondit: N'avez-vous pas lu que le créateur, au commencement, fit l'homme et la femme

5 et qu'il dit: C'est pourquoi l'homme quittera son père et sa mère, et s'attachera à sa femme, et les deux deviendront une seule chair?

6 Ainsi ils ne sont plus deux, mais ils sont une seule chair. Que l'homme donc ne sépare pas ce que Dieu a joint.

7 Pourquoi donc, lui dirent-ils, Moïse a-t-il prescrit de donner à la femme une lettre de divorce et de la répudier?

8 Il leur répondit: C'est à cause de la dureté de votre coeur que Moïse vous a permis de répudier vos femmes; au commencement, il n'en était pas ainsi.

9 Mais je vous dis que celui qui répudie sa femme, sauf pour infidélité, et qui en épouse une autre, commet un adultère.

10 Ses disciples lui dirent: Si telle est la condition de l'homme à l'égard de la femme, il n'est pas avantageux de se marier.

11 Il leur répondit: Tous ne comprennent pas cette parole, mais seulement ceux à qui cela est donné. 12 Car il y a des eunuques qui le sont dès le ventre de leur mère; il y en a qui le sont devenus par les hommes; et il y en a qui se sont rendus tels eux-mêmes, à cause du royaume des cieux. Que celui qui peut comprendre comprenne.

13 Alors on lui amena des petits enfants, afin qu'il leur imposât les mains et priât pour eux. Mais les disciples les repoussèrent.

14 Et Jésus dit: Laissez les petits enfants, et ne les empêchez pas de venir à moi; car le royaume des cieux est pour ceux qui leur ressemblent.

15 Il leur imposa les mains, et il partit de là.

16 Et voici, un homme s'approcha, et dit à Jésus: Maître, que dois-je faire de bon pour avoir la vie éternelle?

17 Il lui répondit: Pourquoi m'interroges-tu sur ce qui est bon? Un seul est le bon. Si tu veux entrer dans la vie, observe les commandements.

18 (19:17) Lesquels? lui dit-il. (19:18) Et Jésus répondit: Tu ne tueras point; tu ne commettras point d'adultère; tu ne déroberas point; tu ne diras point de faux témoignage;

19 (19:18) honore ton père et ta mère; (19:19) et: tu aimeras ton prochain comme toi-même.

20 Le jeune homme lui dit: J'ai observé toutes ces choses; que me manque-t-il encore?

21 Jésus lui dit: Si tu veux être parfait, va, vends ce que tu possèdes, donne-le aux pauvres, et tu auras un trésor dans le ciel. Puis viens, et suis-moi.

22 Après avoir entendu ces paroles, le jeune homme s'en alla tout triste; car il avait de grands biens.

23 Jésus dit à ses disciples: Je vous le dis en vérité, un riche entrera difficilement dans le royaume des cieux.

24 Je vous le dis encore, il est plus facile à un chameau de passer par le trou d'une aiguille qu'à un riche d'entrer dans le royaume de Dieu.

25 Les disciples, ayant entendu cela, furent très étonnés, et dirent: Qui peut donc être sauvé?

26 Jésus les regarda, et leur dit: Aux hommes cela est impossible, mais à Dieu tout est possible.

27 Pierre, prenant alors la parole, lui dit: Voici, nous avons tout quitté, et nous t'avons suivi; qu'en sera-t-il pour nous?

28 Jésus leur répondit: Je vous le dis en vérité, quand le Fils de l'homme, au renouvellement de toutes choses, sera assis sur le trône de sa gloire, vous qui m'avez suivi, vous serez de même assis sur douze trônes, et vous jugerez les douze tribus d'Israël.

29 Et quiconque aura quitté, à cause de mon nom, ses frères, ou ses soeurs, ou son père, ou sa mère, ou sa femme, ou ses enfants, ou ses terres, ou ses maisons, recevra le centuple, et héritera la vie éternelle.

30 Plusieurs des premiers seront les derniers, et plusieurs des derniers seront les premiers.