T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 14

1 Tamin'izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan'i Jesosy,

2 ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.

3 Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny.

4 Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.

5 Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon'ireo ho mpaminany Jaona.

6 Fa nony tonga ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin'i Herodiasy ka nahafaly an'i Heroda.

7 Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.

8 Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.

9 Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.

10 Ary dia naniraka hanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tranomaizina izy.

11 Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.

12 Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin'i Jesosy.

13 Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety* nanaraka Azy.[*Na: nandeha tongotra]

14 Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.

15 Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy.

16 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.

17 Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.

18 Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.

19 Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.

20 Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.

21 Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.

 

22 Ary niaraka tamin'izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.

23 Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.

 

24 Ary efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano izy, fa notohain'ny rivotra.

25 Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina.

26 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.

27 Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.

28 Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho.

29 Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy.

30 Fa raha nahita ny rivotra* izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho![* Na: (rivotra mahery)]

31 Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?

32 Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.

33 Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.

34 Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.

35 Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin'ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.

36 Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.


 

Chapitre 14

1 At that time, Herod the tetrarch heard the report concerning Jesus,

2 and said to his servants, “This is John the Baptizer. He is risen from the dead. That is why these powers work in him.”

3 For Herod had laid hold of John, and bound him, and put him in prison for the sake of Herodias, his brother Philip’s wife.

4 For John said to him, “It is not lawful for you to have her.”

5 When he would have put him to death, he feared the multitude, because they counted him as a prophet.

6 But when Herod’s birthday came, the daughter of Herodias danced among them and pleased Herod. 7 Whereupon he promised with an oath to give her whatever she should ask.

8 She, being prompted by her mother, said, “Give me here on a platter the head of John the Baptizer.”

9 The king was grieved, but for the sake of his oaths, and of those who sat at the table with him, he commanded it to be given,

10 and he sent and beheaded John in the prison.

11 His head was brought on a platter, and given to the young lady: and she brought it to her mother.

12 His disciples came, and took the body, and buried it; and they went and told Jesus.

13 Now when Jesus heard this, he withdrew from there in a boat, to a deserted place apart. When the multitudes heard it, they followed him on foot from the cities.

14 Jesus went out, and he saw a great multitude. He had compassion on them, and healed their sick. 15 When evening had come, his disciples came to him, saying, “This place is deserted, and the hour is already late. Send the multitudes away, that they may go into the villages, and buy themselves food.”

16 But Jesus said to them, “They don’t need to go away. You give them something to eat.”

17 They told him, “We only have here five loaves and two fish.”

18 He said, “Bring them here to me.”

19 He commanded the multitudes to sit down on the grass; and he took the five loaves and the two fish, and looking up to heaven, he blessed, broke and gave the loaves to the disciples, and the disciples gave to the multitudes.

20 They all ate, and were filled. They took up twelve baskets full of that which remained left over from the broken pieces.

21 Those who ate were about five thousand men, besides women and children.

22 Immediately Jesus made the disciples get into the boat, and to go ahead of him to the other side, while he sent the multitudes away.

23 After he had sent the multitudes away, he went up into the mountain by himself to pray. When evening had come, he was there alone.

24 But the boat was now in the middle of the sea, distressed by the waves, for the wind was contrary.

25 In the fourth watch of the night, Jesus came to them, walking on the sea.*

26 When the disciples saw him walking on the sea, they were troubled, saying, “It’s a ghost!” and they cried out for fear.

27 But immediately Jesus spoke to them, saying “Cheer up! It is I! Don’t be afraid.”

28 Peter answered him and said, “Lord, if it is you, command me to come to you on the waters.”

29 He said, “Come!”

Peter stepped down from the boat, and walked on the waters to come to Jesus.

30 But when he saw that the wind was strong, he was afraid, and beginning to sink, he cried out, saying, “Lord, save me!”

31 Immediately Jesus stretched out his hand, took hold of him, and said to him, “You of little faith, why did you doubt?”

32 When they got up into the boat, the wind ceased.

33 Those who were in the boat came and worshiped him, saying, “You are truly the Son of God!”

34 When they had crossed over, they came to the land of Gennesaret.

35 When the people of that place recognized him, they sent into all that surrounding region, and brought to him all who were sick,

36 and they begged him that they might just touch the fringe of his garment. As many as touched it were made whole.


 

Chapitre 14
1 En ce temps-là, Hérode le tétrarque, ayant entendu parler de Jésus,

2 (14:1) dit à ses serviteurs: C'est Jean-Baptiste! (14:2) Il est ressuscité des morts, et c'est pour cela qu'il se fait par lui des miracles.

3 Car Hérode, qui avait fait arrêter Jean, l'avait lié et mis en prison, à cause d'Hérodias, femme de Philippe, son frère,

4 parce que Jean lui disait: Il ne t'est pas permis de l'avoir pour femme.

5 Il voulait le faire mourir, mais il craignait la foule, parce qu'elle regardait Jean comme un prophète.

6 Or, lorsqu'on célébra l'anniversaire de la naissance d'Hérode, la fille d'Hérodias dansa au milieu des convives, et plut à Hérode,

7 de sorte qu'il promit avec serment de lui donner ce qu'elle demanderait.

8 A l'instigation de sa mère, elle dit: Donne-moi ici, sur un plat, la tête de Jean-Baptiste.

9 Le roi fut attristé; mais, à cause de ses serments et des convives, il commanda qu'on la lui donne,

10 et il envoya décapiter Jean dans la prison.

11 Sa tête fut apportée sur un plat, et donnée à la jeune fille, qui la porta à sa mère.

12 Les disciples de Jean vinrent prendre son corps, et l'ensevelirent. Et ils allèrent l'annoncer à Jésus.

13 A cette nouvelle, Jésus partit de là dans une barque, pour se retirer à l'écart dans un lieu désert; et la foule, l'ayant su, sortit des villes et le suivit à pied.

14 Quand il sortit de la barque, il vit une grande foule, et fut ému de compassion pour elle, et il guérit les malades.

15 Le soir étant venu, les disciples s'approchèrent de lui, et dirent: Ce lieu est désert, et l'heure est déjà avancée; renvoie la foule, afin qu'elle aille dans les villages, pour s'acheter des vivres.

16 Jésus leur répondit: Ils n'ont pas besoin de s'en aller; donnez-leur vous-mêmes à manger.

17 Mais ils lui dirent: Nous n'avons ici que cinq pains et deux poissons.

18 Et il dit: Apportez-les-moi.

19 Il fit asseoir la foule sur l'herbe, prit les cinq pains et les deux poissons, et, levant les yeux vers le ciel, il rendit grâces. Puis, il rompit les pains et les donna aux disciples, qui les distribuèrent à la foule.

20 Tous mangèrent et furent rassasiés, et l'on emporta douze paniers pleins des morceaux qui restaient.

21 Ceux qui avaient mangé étaient environ cinq mille hommes, sans les femmes et les enfants.

22 Aussitôt après, il obligea les disciples à monter dans la barque et à passer avant lui de l'autre côté, pendant qu'il renverrait la foule.

23 Quand il l'eut renvoyée, il monta sur la montagne, pour prier à l'écart; et, comme le soir était venu, il était là seul.

24 La barque, déjà au milieu de la mer, était battue par les flots; car le vent était contraire.

25 A la quatrième veille de la nuit, Jésus alla vers eux, marchant sur la mer.

26 Quand les disciples le virent marcher sur la mer, ils furent troublés, et dirent: C'est un fantôme! Et, dans leur frayeur, ils poussèrent des cris.

27 Jésus leur dit aussitôt: Rassurez-vous, c'est moi; n'ayez pas peur!

28 Pierre lui répondit: Seigneur, si c'est toi, ordonne que j'aille vers toi sur les eaux.

29 Et il dit: Viens! Pierre sortit de la barque, et marcha sur les eaux, pour aller vers Jésus.

30 Mais, voyant que le vent était fort, il eut peur; et, comme il commençait à enfoncer, il s'écria: Seigneur, sauve-moi!

31 Aussitôt Jésus étendit la main, le saisit, et lui dit: Homme de peu de foi, pourquoi as-tu douté?

32 Et ils montèrent dans la barque, et le vent cessa.

33 Ceux qui étaient dans la barque vinrent se prosterner devant Jésus, et dirent: Tu es véritablement le Fils de Dieu.

34 Après avoir traversé la mer, ils vinrent dans le pays de Génésareth.

35 Les gens de ce lieu, ayant reconnu Jésus, envoyèrent des messagers dans tous les environs, et on lui amena tous les malades.

36 Ils le prièrent de leur permettre seulement de toucher le bord de son vêtement. Et tous ceux qui le touchèrent furent guéris.