T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 15

1 Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin*'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato.[*Na: dia]

2 Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao.

3 Ary ny lohan'ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro.

4 Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan'ny zavatra iampangany Anao izao!

5 Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato.

6 Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin'ny vahoaka.

7 Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin'ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin'ny fikomiana.

8 Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy.

9 Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo?

10 Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona Azy.

11 Fa ny lohan'ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan'i Pilato ho azy.

12 Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin'ilay ataonareo hoe: Mpanjakan'ny Jiosy?

13 Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!

14 Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!

15 Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia nandefa an'i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina*, dia natolony azy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.[*Izahao Mat. 27.36]

16 Ary ny miaramila nitondra an'i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova*, sady nanangona ny miaramila namany rehetra.

17 Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany.

18 Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!

19 Ary dia nikapoka ny lohany tamin'ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.

20 Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy.

21 Ary Simona Kyreniana (rain'i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.

22 Ary Jesosy dia nentiny teo amin'ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha.

23 Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy.

24 Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.

25 Ary tamin'ny ora fahatelo no nanomboany tamin'ny hazo fijaliana.

26 Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY.

27 Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin'ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.

28 *[*Ampio hoe: 28 Dia tanteraka ny Soratra Masina izay manao hoe: Ary natao ho isan'ny mpanota Izy (Isa. 53. 12)]

29 Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin'ny hateloana,

30 vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin'ny hazo fijaliana.

31 Ary toy izany koa no faneson'ny lohan'ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.

32 Aoka Kristy, Mpanjakan'ny Isiraely, hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.

33 Ary nony tamin'ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany.

34 Ary tamin'ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 2).

35 Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an'i Elia Izy.

36 Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin'ny vinaingitra, ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia.

37 Ary Jesosy niantso tamin'ny feo mahery, dia afaka ny ainy.

38 Ary ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.

39 Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy*, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.[*Na: nahita Azy niantso toy izany, sady afaka ny ainy]

40 Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan'ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba kely sy Josesy,

41 izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin'ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema.

42 Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan'ny Sabata),

43 dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan'ny Synedriona sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin'i Pilato izy ka nangataka ny fatin'i Jesosy.

44 Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.

45 Ary rehefa nahare tamin'ny kapiteny izy, dia nomeny an'i Josefa ny faty.

46 Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy.

47 Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.


 

Chapitre 15

1 Immediately in the morning the chief priests, with the elders and scribes, and the whole council, held a consultation, and bound Jesus, and carried him away, and delivered him up to Pilate. 2 Pilate asked him, “Are you the King of the Jews?”

He answered, “So you say.”

3 The chief priests accused him of many things. 4 Pilate again asked him, “Have you no answer? See how many things they testify against you!”

5 But Jesus made no further answer, so that Pilate marveled.

6 Now at the feast he used to release to them one prisoner, whom they asked of him. 7 There was one called Barabbas, bound with those who had made insurrection, men who in the insurrection had committed murder. 8 The multitude, crying aloud, began to ask him to do as he always did for them. 9 Pilate answered them, saying, “Do you want me to release to you the King of the Jews?” 10 For he perceived that for envy the chief priests had delivered him up. 11 But the chief priests stirred up the multitude, that he should release Barabbas to them instead. 12 Pilate again asked them, “What then should I do to him whom you call the King of the Jews?”

13 They cried out again, “Crucify him!”

14 Pilate said to them, “Why, what evil has he done?”

But they cried out exceedingly, “Crucify him!”

15 Pilate, wishing to please the multitude, released Barabbas to them, and handed over Jesus, when he had flogged him, to be crucified. 16 The soldiers led him away within the court, which is the Praetorium; and they called together the whole cohort. 17 They clothed him with purple, and weaving a crown of thorns, they put it on him. 18 They began to salute him, “Hail, King of the Jews!” 19 They struck his head with a reed, and spat on him, and bowing their knees, did homage to him. 20 When they had mocked him, they took the purple off of him, and put his own garments on him. They led him out to crucify him. 21 They compelled one passing by, coming from the country, Simon of Cyrene, the father of Alexander and Rufus, to go with them, that he might bear his cross. 22 They brought him to the place called Golgotha, which is, being interpreted, “The place of a skull.” 23 They offered him wine mixed with myrrh to drink, but he didn’t take it.

24 Crucifying him, they parted his garments among them, casting lots on them, what each should take. 25 It was the third hour, and they crucified him. 26 The superscription of his accusation was written over him, “THE KING OF THE JEWS.” 27 With him they crucified two robbers; one on his right hand, and one on his left. 28 The Scripture was fulfilled, which says, “He was numbered with transgressors.”

29 Those who passed by blasphemed him, wagging their heads, and saying, “Ha! You who destroy the temple, and build it in three days, 30 save yourself, and come down from the cross!”

31 Likewise, also the chief priests mocking among themselves with the scribes said, “He saved others. He can’t save himself. 32 Let the Christ, the King of Israel, now come down from the cross, that we may see and believe him.” Those who were crucified with him insulted him.

33 When the sixth hour had come, there was darkness over the whole land until the ninth hour. 34 At the ninth hour Jesus cried with a loud voice, saying, “Eloi, Eloi, lama sabachthani?” which is, being interpreted, “My God, my God, why have you forsaken me?”*

35 Some of those who stood by, when they heard it, said, “Behold, he is calling Elijah.”

36 One ran, and filling a sponge full of vinegar, put it on a reed, and gave it to him to drink, saying, “Let him be. Let’s see whether Elijah comes to take him down.”

37 Jesus cried out with a loud voice, and gave up the spirit. 38 The veil of the temple was torn in two from the top to the bottom. 39 When the centurion, who stood by opposite him, saw that he cried out like this and breathed his last, he said, “Truly this man was the Son of God!”

40 There were also women watching from afar, among whom were both Mary Magdalene, and Mary the mother of James the less and of Joses, and Salome; 41 who, when he was in Galilee, followed him, and served him; and many other women who came up with him to Jerusalem.

42 When evening had now come, because it was the Preparation Day, that is, the day before the Sabbath, 43 Joseph of Arimathaea, a prominent council member who also himself was looking for the Kingdom of God, came. He boldly went in to Pilate, and asked for Jesus’ body. 44 Pilate marveled if he were already dead; and summoning the centurion, he asked him whether he had been dead long. 45 When he found out from the centurion, he granted the body to Joseph. 46 He bought a linen cloth, and taking him down, wound him in the linen cloth, and laid him in a tomb which had been cut out of a rock. He rolled a stone against the door of the tomb. 47 Mary Magdalene and Mary, the mother of Joses, saw where he was laid.


 

Chapitre 15
1 Dès le matin, les principaux sacrificateurs tinrent conseil avec les anciens et les scribes, et tout le sanhédrin. Après avoir lié Jésus, ils l'emmenèrent, et le livrèrent à Pilate. 2 Pilate l'interrogea: Es-tu le roi des Juifs? Jésus lui répondit: Tu le dis. 3 Les principaux sacrificateurs portaient contre lui plusieurs accusations. 4 Pilate l'interrogea de nouveau: Ne réponds-tu rien? Vois de combien de choses ils t'accusent. 5 Et Jésus ne fit plus aucune réponse, ce qui étonna Pilate. 6 A chaque fête, il relâchait un prisonnier, celui que demandait la foule. 7 Il y avait en prison un nommé Barabbas avec ses complices, pour un meurtre qu'ils avaient commis dans une sédition. 8 La foule, étant montée, se mit à demander ce qu'il avait coutume de leur accorder. 9 Pilate leur répondit: Voulez-vous que je vous relâche le roi des Juifs? 10 Car il savait que c'était par envie que les principaux sacrificateurs l'avaient livré. 11 Mais les chefs des sacrificateurs excitèrent la foule, afin que Pilate leur relâchât plutôt Barabbas. 12 Pilate, reprenant la parole, leur dit: Que voulez-vous donc que je fasse de celui que vous appelez le roi des Juifs? 13 Ils crièrent de nouveau: Crucifie-le! 14 Pilate leur dit: Quel mal a-t-il fait? Et ils crièrent encore plus fort: Crucifie-le! 15 Pilate, voulant satisfaire la foule, leur relâcha Barabbas; et, après avoir fait battre de verges Jésus, il le livra pour être crucifié. 16 Les soldats conduisirent Jésus dans l'intérieur de la cour, c'est-à-dire, dans le prétoire, et ils assemblèrent toute la cohorte. 17 Ils le revêtirent de pourpre, et posèrent sur sa tête une couronne d'épines, qu'ils avaient tressée. 18 Puis ils se mirent à le saluer: Salut, roi des Juifs! 19 Et ils lui frappaient la tête avec un roseau, crachaient sur lui, et, fléchissant les genoux, ils se prosternaient devant lui. 20 Après s'être ainsi moqués de lui, ils lui ôtèrent la pourpre, lui remirent ses vêtements, et l'emmenèrent pour le crucifier. 21 Ils forcèrent à porter la croix de Jésus un passant qui revenait des champs, Simon de Cyrène, père d'Alexandre et de Rufus; 22 et ils conduisirent Jésus au lieu nommé Golgotha, ce qui signifie lieu du crâne. 23 Ils lui donnèrent à boire du vin mêlé de myrrhe, mais il ne le prit pas. 24 Ils le crucifièrent, et se partagèrent ses vêtements, en tirant au sort pour savoir ce que chacun aurait. 25 C'était la troisième heure, quand ils le crucifièrent. 26 L'inscription indiquant le sujet de sa condamnation portait ces mots: Le roi des Juifs. 27 Ils crucifièrent avec lui deux brigands, l'un à sa droite, et l'autre à sa gauche. 28 Ainsi fut accompli ce que dit l'Écriture: Il a été mis au nombre des malfaiteurs. 29 Les passants l'injuriaient, et secouaient la tête, en disant: Hé! toi qui détruis le temple, et qui le rebâtis en trois jours, 30 sauve-toi toi-même, en descendant de la croix! 31 Les principaux sacrificateurs aussi, avec les scribes, se moquaient entre eux, et disaient: Il a sauvé les autres, et il ne peut se sauver lui-même! 32 Que le Christ, le roi d'Israël, descende maintenant de la croix, afin que nous voyions et que nous croyions! Ceux qui étaient crucifiés avec lui l'insultaient aussi. 33 La sixième heure étant venue, il y eut des ténèbres sur toute la terre, jusqu'à la neuvième heure. 34 Et à la neuvième heure, Jésus s'écria d'une voix forte: Éloï, Éloï, lama sabachthani? ce qui signifie: Mon Dieu, mon Dieu, pourquoi m'as-tu abandonné? 35 Quelques-uns de ceux qui étaient là, l'ayant entendu, dirent: Voici, il appelle Élie. 36 Et l'un d'eux courut remplir une éponge de vinaigre, et, l'ayant fixée à un roseau, il lui donna à boire, en disant: Laissez, voyons si Élie viendra le descendre. 37 Mais Jésus, ayant poussé un grand cri, expira. 38 Le voile du temple se déchira en deux, depuis le haut jusqu'en bas. 39 Le centenier, qui était en face de Jésus, voyant qu'il avait expiré de la sorte, dit: Assurément, cet homme était Fils de Dieu. 40 Il y avait aussi des femmes qui regardaient de loin. Parmi elles étaient Marie de Magdala, Marie, mère de Jacques le mineur et de Joses, et Salomé, 41 qui le suivaient et le servaient lorsqu'il était en Galilée, et plusieurs autres qui étaient montées avec lui à Jérusalem. 42 Le soir étant venu, comme c'était la préparation, c'est-à-dire, la veille du sabbat, - 43 arriva Joseph d'Arimathée, conseiller de distinction, qui lui-même attendait aussi le royaume de Dieu. Il osa se rendre vers Pilate, pour demander le corps de Jésus. 44 Pilate s'étonna qu'il fût mort si tôt; fit venir le centenier et lui demanda s'il était mort depuis longtemps. 45 S'en étant assuré par le centenier, il donna le corps à Joseph. 46 Et Joseph, ayant acheté un linceul, descendit Jésus de la croix, l'enveloppa du linceul, et le déposa dans un sépulcre taillé dans le roc. Puis il roula une pierre à l'entrée du sépulcre. 47 Marie de Magdala, et Marie, mère de Joses, regardaient où on le mettait.