T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!

2 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.

3 Ary raha nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:

4 Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?

5 Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.

6 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.

7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.

8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana]

9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.

10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.

11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.

12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.

13 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

14 Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.

15 Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.

16 Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.

17 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany!

18 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany.

19 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.

20 Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.

21 Ary amin'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ ; aza mino ianareo.

22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana*, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.[*Na: hatsangana]

23 Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.

24 Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,

25 ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra.

26 Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra.

27 Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra* hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.[*Gr. rivotra]

28 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.

29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany]

30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany* ity taranaka ity** mandra-pahatongan'izany rehetra izany. [* Gr. handalo] [** Na: ity firenena ity]

31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

32 Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.

33 Mitandrema, miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.[*Gr. miareta tory]

34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;

35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,

36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.

37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra


 

Chapitre 13

1 As he went out of the temple, one of his disciples said to him, “Teacher, see what kind of stones and what kind of buildings!”

2 Jesus said to him, “Do you see these great buildings? There will not be left here one stone on another, which will not be thrown down.”

3 As he sat on the Mount of Olives opposite the temple, Peter, James, John, and Andrew asked him privately, 4 “Tell us, when will these things be? What is the sign that these things are all about to be fulfilled?”

5 Jesus, answering, began to tell them, “Be careful that no one leads you astray. 6 For many will come in my name, saying, ‘I am he!’ and will lead many astray.

7 “When you hear of wars and rumors of wars, don’t be troubled. For those must happen, but the end is not yet. 8 For nation will rise against nation, and kingdom against kingdom. There will be earthquakes in various places. There will be famines and troubles. These things are the beginning of birth pains. 9 But watch yourselves, for they will deliver you up to councils. You will be beaten in synagogues. You will stand before rulers and kings for my sake, for a testimony to them. 10 The Good News must first be preached to all the nations. 11 When they lead you away and deliver you up, don’t be anxious beforehand, or premeditate what you will say, but say whatever will be given you in that hour. For it is not you who speak, but the Holy Spirit.

12 “Brother will deliver up brother to death, and the father his child. Children will rise up against parents, and cause them to be put to death. 13 You will be hated by all men for my name’s sake, but he who endures to the end, the same will be saved. 14 But when you see the abomination of desolation,* spoken of by Daniel the prophet, standing where it ought not (let the reader understand), then let those who are in Judea flee to the mountains, 15 and let him who is on the housetop not go down, nor enter in, to take anything out of his house. 16 Let him who is in the field not return back to take his cloak. 17 But woe to those who are with child and to those who nurse babies in those days! 18 Pray that your flight won’t be in the winter. 19 For in those days there will be oppression, such as there has not been the like from the beginning of the creation which God created until now, and never will be. 20 Unless the Lord had shortened the days, no flesh would have been saved; but for the sake of the chosen ones, whom he picked out, he shortened the days. 21 Then if anyone tells you, ‘Look, here is the Christ!’ or, ‘Look, there!’ don’t believe it. 22 For there will arise false christs and false prophets, and will show signs and wonders, that they may lead astray, if possible, even the chosen ones. 23 But you watch.

“Behold, I have told you all things beforehand. 24 But in those days, after that oppression, the sun will be darkened, the moon will not give its light, 25 the stars will be falling from the sky, and the powers that are in the heavens will be shaken.* 26 Then they will see the Son of Man coming in clouds with great power and glory. 27 Then he will send out his angels, and will gather together his chosen ones from the four winds, from the ends of the earth to the ends of the sky.

28 “Now from the fig tree, learn this parable. When the branch has now become tender, and puts forth its leaves, you know that the summer is near; 29 even so you also, when you see these things coming to pass, know that it is near, at the doors. 30 Most certainly I say to you, this generation will not pass away until all these things happen. 31 Heaven and earth will pass away, but my words will not pass away. 32 But of that day or that hour no one knows, not even the angels in heaven, nor the Son, but only the Father. 33 Watch, keep alert, and pray; for you don’t know when the time is.

34 “It is like a man, traveling to another country, having left his house, and given authority to his servants, and to each one his work, and also commanded the doorkeeper to keep watch. 35 Watch therefore, for you don’t know when the lord of the house is coming, whether at evening, or at midnight, or when the rooster crows, or in the morning; 36 lest coming suddenly he might find you sleeping. 37 What I tell you, I tell all: Watch.”


 

Chapitre 13
1 Lorsque Jésus sortit du temple, un de ses disciples lui dit: Maître, regarde quelles pierres, et quelles constructions! 2 Jésus lui répondit: Vois-tu ces grandes constructions? Il ne restera pas pierre sur pierre qui ne soit renversée. 3 Il s'assit sur la montagne des oliviers, en face du temple. Et Pierre, Jacques, Jean et André lui firent en particulier cette question: 4 Dis-nous, quand cela arrivera-t-il, et à quel signe connaîtra-t-on que toutes ces choses vont s'accomplir? 5 Jésus se mit alors à leur dire: Prenez garde que personne ne vous séduise. 6 Car plusieurs viendront sous mon nom, disant; C'est moi. Et ils séduiront beaucoup de gens. 7 Quand vous entendrez parler de guerres et de bruits de guerres, ne soyez pas troublés, car il faut que ces choses arrivent. Mais ce ne sera pas encore la fin. 8 Une nation s'élèvera contre une nation, et un royaume contre un royaume; il y aura des tremblements de terre en divers lieux, il y aura des famines. Ce ne sera que le commencement des douleurs. 9 Prenez garde à vous-mêmes. On vous livrera aux tribunaux, et vous serez battus de verges dans les synagogues; vous comparaîtrez devant des gouverneurs et devant des rois, à cause de moi, pour leur servir de témoignage. 10 Il faut premièrement que la bonne nouvelle soit prêchée à toutes les nations. 11 Quand on vous emmènera pour vous livrer, ne vous inquiétez pas d'avance de ce que vous aurez à dire, mais dites ce qui vous sera donné à l'heure même; car ce n'est pas vous qui parlerez, mais l'Esprit-Saint. 12 Le frère livrera son frère à la mort, et le père son enfant; les enfants se soulèveront contre leurs parents, et les feront mourir. 13 Vous serez haïs de tous, à cause de mon nom, mais celui qui persévérera jusqu'à la fin sera sauvé. 14 Lorsque vous verrez l'abomination de la désolation établie là où elle ne doit pas être, -que celui qui lit fasse attention, -alors, que ceux qui seront en Judée fuient dans les montagnes; 15 que celui qui sera sur le toit ne descende pas et n'entre pas pour prendre quelque chose dans sa maison; 16 et que celui qui sera dans les champs ne retourne pas en arrière pour prendre son manteau. 17 Malheur aux femmes qui seront enceintes et à celles qui allaiteront en ces jours-là! 18 Priez pour que ces choses n'arrivent pas en hiver. 19 Car la détresse, en ces jours, sera telle qu'il n'y en a point eu de semblable depuis le commencement du monde que Dieu a créé jusqu'à présent, et qu'il n'y en aura jamais. 20 Et, si le Seigneur n'avait abrégé ces jours, personne ne serait sauvé; mais il les a abrégés, à cause des élus qu'il a choisis. 21 Si quelqu'un vous dit alors: Le Christ est ici, ou: Il est là", ne le croyez pas. 22 Car il s'élèvera de faux Christs et de faux prophètes; ils feront des prodiges et des miracles pour séduire les élus, s'il était possible. 23 Soyez sur vos gardes: je vous ai tout annoncé d'avance. 24 Mais dans ces jours, après cette détresse, le soleil s'obscurcira, la lune ne donnera plus sa lumière, 25 les étoiles tomberont du ciel, et les puissances qui sont dans les cieux seront ébranlées. 26 Alors on verra le Fils de l'homme venant sur les nuées avec une grande puissance et avec gloire. 27 Alors il enverra les anges, et il rassemblera les élus des quatre vents, de l'extrémité de la terre jusqu'à l'extrémité du ciel. 28 Instruisez-vous par une comparaison tirée du figuier. Dès que ses branches deviennent tendres, et que les feuilles poussent, vous connaissez que l'été est proche. 29 De même, quand vous verrez ces choses arriver, sachez que le Fils de l'homme est proche, à la porte. 30 Je vous le dis en vérité, cette génération ne passera point, que tout cela n'arrive. 31 Le ciel et la terre passeront, mais mes paroles ne passeront point. 32 Pour ce qui est du jour ou de l'heure, personne ne le sait, ni les anges dans le ciel, ni le Fils, mais le Père seul. 33 Prenez garde, veillez et priez; car vous ne savez quand ce temps viendra. 34 Il en sera comme d'un homme qui, partant pour un voyage, laisse sa maison, remet l'autorité à ses serviteurs, indique à chacun sa tâche, et ordonne au portier de veiller. 35 Veillez donc, car vous ne savez quand viendra le maître de la maison, ou le soir, ou au milieu de la nuit, ou au chant du coq, ou le matin; 36 craignez qu'il ne vous trouve endormis, à son arrivée soudaine. 37 Ce que je vous dis, je le dis à tous: Veillez.