T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky]

2 Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba.

3 Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.

4 Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha.

5 Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

6 Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana.

7 Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?

8 Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra*. [Heb. fanatitra asandratra]

9 Voaozona amin'ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.

10 Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.

11 Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. mpandany]

12 Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

13 Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?

14 Tamin'ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin'ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin'ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana* teo anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: nijoretra]

15 Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.

16 Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.

17 Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.

18 Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

 

Chapitre 3

3:1 “Behold, I send my messenger, and he will prepare the way before me; and the Lord, whom you seek, will suddenly come to his temple; and the messenger of the covenant, whom you desire, behold, he comes!” says Yahweh of Armies. 3:2 “But who can endure the day of his coming? And who will stand when he appears? For he is like a refiner’s fire, and like launderer’s soap; 3:3 and he will sit as a refiner and purifier of silver, and he will purify the sons of Levi, and refine them as gold and silver; and they shall offer to Yahweh offerings in righteousness. 3:4 Then the offering of Judah and Jerusalem will be pleasant to Yahweh, as in the days of old, and as in ancient years. 3:5 I will come near to you to judgment; and I will be a swift witness against the sorcerers, and against the adulterers, and against the perjurers, and against those who oppress the hireling in his wages, the widow, and the fatherless, and who deprive the foreigner of justice, and don’t fear me,” says Yahweh of Armies. 3:6 “For I, Yahweh, don’t change; therefore you, sons of Jacob, are not consumed. 3:7 From the days of your fathers you have turned aside from my ordinances, and have not kept them. Return to me, and I will return to you,” says Yahweh of Armies. “But you say, ‘How shall we return?’ 3:8 Will a man rob God? Yet you rob me! But you say, ‘How have we robbed you?’ In tithes and offerings. 3:9 You are cursed with the curse; for you rob me, even this whole nation. 3:10 Bring the whole tithe into the storehouse, that there may be food in my house, and test me now in this,” says Yahweh of Armies, “if I will not open you the windows of heaven, and pour you out a blessing, that there shall not be room enough for. 3:11 I will rebuke the devourer for your sakes, and he shall not destroy the fruits of your ground; neither shall your vine cast its fruit before its time in the field,” says Yahweh of Armies. 3:12 “All nations shall call you blessed, for you will be a delightful land,” says Yahweh of Armies.

3:13 “Your words have been stout against me,” says Yahweh. “Yet you say, ‘What have we spoken against you?’ 3:14 You have said, ‘It is vain to serve God;’ and ‘What profit is it that we have followed his instructions, and that we have walked mournfully before Yahweh of Armies? 3:15 Now we call the proud happy; yes, those who work wickedness are built up; yes, they tempt God, and escape.’ 3:16 Then those who feared Yahweh spoke one with another; and Yahweh listened, and heard, and a book of memory was written before him, for those who feared Yahweh, and who honored his name. 3:17 They shall be mine,” says Yahweh of Armies, “my own possession in the day that I make, and I will spare them, as a man spares his own son who serves him. 3:18 Then you shall return and discern between the righteous and the wicked, between him who serves God and him who doesn’t serve him.

 

Chapitre 3
1 Voici, j'enverrai mon messager; Il préparera le chemin devant moi. Et soudain entrera dans son temple le Seigneur que vous cherchez; Et le messager de l'alliance que vous désirez, voici, il vient, Dit l'Éternel des armées. 2 Qui pourra soutenir le jour de sa venue? Qui restera debout quand il paraîtra? Car il sera comme le feu du fondeur, Comme la potasse des foulons. 3 Il s'assiéra, fondra et purifiera l'argent; Il purifiera les fils de Lévi, Il les épurera comme on épure l'or et l'argent, Et ils présenteront à l'Éternel des offrandes avec justice. 4 Alors l'offrande de Juda et de Jérusalem sera agréable à l'Éternel, Comme aux anciens jours, comme aux années d'autrefois. 5 Je m'approcherai de vous pour le jugement, Et je me hâterai de témoigner contre les enchanteurs et les adultères, Contre ceux qui jurent faussement, Contre ceux qui retiennent le salaire du mercenaire, Qui oppriment la veuve et l'orphelin, Qui font tort à l'étranger, et ne me craignent pas, Dit l'Éternel des armées. 6 Car je suis l'Éternel, je ne change pas; Et vous, enfants de Jacob, vous n'avez pas été consumés. 7 Depuis le temps de vos pères, vous vous êtes écartés de mes ordonnances, Vous ne les avez point observées. Revenez à moi, et je reviendrai à vous, dit l'Éternel des armées. Et vous dites: En quoi devons-nous revenir? 8 Un homme trompe-t-il Dieu? Car vous me trompez, Et vous dites: En quoi t'avons-nous trompé? Dans les dîmes et les offrandes. 9 Vous êtes frappés par la malédiction, Et vous me trompez, La nation tout entière! 10 Apportez à la maison du trésor toutes les dîmes, Afin qu'il y ait de la nourriture dans ma maison; Mettez-moi de la sorte à l'épreuve, Dit l'Éternel des armées. Et vous verrez si je n'ouvre pas pour vous les écluses des cieux, Si je ne répands pas sur vous la bénédiction en abondance. 11 Pour vous je menacerai celui qui dévore, Et il ne vous détruira pas les fruits de la terre, Et la vigne ne sera pas stérile dans vos campagnes, Dit l'Éternel des armées. 12 Toutes les nations vous diront heureux, Car vous serez un pays de délices, Dit l'Éternel des armées. 13 Vos paroles sont rudes contre moi, dit l'Éternel. Et vous dites: Qu'avons-nous dit contre toi? 14 Vous avez dit: C'est en vain que l'on sert Dieu; Qu'avons-nous gagné à observer ses préceptes, Et à marcher avec tristesse A cause de l'Éternel des armées? 15 Maintenant nous estimons heureux les hautains; Oui, les méchants prospèrent; Oui, ils tentent Dieu, et ils échappent! 16 Alors ceux qui craignent l'Éternel se parlèrent l'un à l'autre; L'Éternel fut attentif, et il écouta; Et un livre de souvenir fut écrit devant lui Pour ceux qui craignent l'Éternel Et qui honorent son nom. 17 Ils seront à moi, dit l'Éternel des armées, Ils m'appartiendront, au jour que je prépare; J'aurai compassion d'eux, Comme un homme a compassion de son fils qui le sert. 18 Et vous verrez de nouveau la différence Entre le juste et le méchant, Entre celui qui sert Dieu Et celui qui ne le sert pas.