T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.

2 Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.

3 Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.

4 Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,

5 satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.

6 Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.

7 Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

8 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.

9 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.

10 Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.

11 Ary taoriana kelin'izany* Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.[*Na: (nony ampitson'iny)]

12 Ary rehefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.

13 Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.

14 Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.

15 Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.

16 Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.

17 Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny amin'izany zavatra izany.

18 Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.

19 Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

20 Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

21 Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.

22 Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.

23 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.

24 Ary rehefa lasa ny irak'i Jaona, dia nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?

25 Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa* va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[*Gr. malemy]

26 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.

27 Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).

28 Lazaiko aminareo: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy.

29 Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an'Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy.

30 Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan'Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon'i Jaona batisa izy.

31 Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin'ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?

32 Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.

33 Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.

34 Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.

35 Fa ny fahendrena dia hamarinin'ny zanany rehetra.

36 Ary ny Fariseo anankiray nanasa an'i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.

37 Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;

38 ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra,

39 Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.

40 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô.

41 Nisy roa lahy nananan'ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.

42 Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra?

43 Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.

44 Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany.

45 Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.

46 Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.

47 Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana.

48 Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.

49 Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?

50 Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.


 

Chapitre 7 

7:1 After he had finished speaking in the hearing of the people, he entered into Capernaum. 7:2 A certain centurion’s servant, who was dear to him, was sick and at the point of death. 7:3 When he heard about Jesus, he sent to him elders of the Jews, asking him to come and save his servant. 7:4 When they came to Jesus, they begged him earnestly, saying, “He is worthy for you to do this for him, 7:5 for he loves our nation, and he built our synagogue for us.” 7:6 Jesus went with them. When he was now not far from the house, the centurion sent friends to him, saying to him, “Lord, don’t trouble yourself, for I am not worthy for you to come under my roof. 7:7 Therefore I didn’t even think myself worthy to come to you; but say the word, and my servant will be healed. 7:8 For I also am a man placed under authority, having under myself soldiers. I tell this one, ‘Go!’ and he goes; and to another, ‘Come!’ and he comes; and to my servant, ‘Do this,’ and he does it.”

7:9 When Jesus heard these things, he marveled at him, and turned and said to the multitude who followed him, “I tell you, I have not found such great faith, no, not in Israel.” 7:10 Those who were sent, returning to the house, found that the servant who had been sick was well.

7:11 It happened soon afterwards, that he went to a city called Nain. Many of his disciples, along with a great multitude, went with him. 7:12 Now when he drew near to the gate of the city, behold, one who was dead was carried out, the only son of his mother, and she was a widow. Many people of the city were with her. 7:13 When the Lord saw her, he had compassion on her, and said to her, “Don’t cry.” 7:14 He came near and touched the coffin, and the bearers stood still. He said, “Young man, I tell you, arise!” 7:15 He who was dead sat up, and began to speak. And he gave him to his mother.

7:16 Fear took hold of all, and they glorified God, saying, “A great prophet has arisen among us!” and, “God has visited his people!” 7:17 This report went out concerning him in the whole of Judea, and in all the surrounding region.

7:18 The disciples of John told him about all these things. 7:19 John, calling to himself two of his disciples, sent them to Jesus, saying, “Are you the one who is coming, or should we look for another?” 7:20 When the men had come to him, they said, “John the Baptizer has sent us to you, saying, ‘Are you he who comes, or should we look for another?’”

7:21 In that hour he cured many of diseases and plagues and evil spirits; and to many who were blind he gave sight. 7:22 Jesus answered them, “Go and tell John the things which you have seen and heard: that the blind receive their sight, the lame walk, the lepers are cleansed, the deaf hear, the dead are raised up, and the poor have good news preached to them. 7:23 Blessed is he who finds no occasion for stumbling in me.”

7:24 When John’s messengers had departed, he began to tell the multitudes about John, “What did you go out into the wilderness to see? A reed shaken by the wind? 7:25 But what did you go out to see? A man clothed in soft clothing? Behold, those who are gorgeously dressed, and live delicately, are in kings’ courts. 7:26 But what did you go out to see? A prophet? Yes, I tell you, and much more than a prophet. 7:27 This is he of whom it is written,

‘Behold, I send my messenger before your face,
who will prepare your way before you.’*
7:28 “For I tell you, among those who are born of women there is not a greater prophet than John the Baptizer, yet he who is least in the Kingdom of God is greater than he.”

7:29 When all the people and the tax collectors heard this, they declared God to be just, having been baptized with John’s baptism. 7:30 But the Pharisees and the lawyers rejected the counsel of God, not being baptized by him themselves.

7:31 *“To what then will I liken the people of this generation? What are they like? 7:32 They are like children who sit in the marketplace, and call one to another, saying, ‘We piped to you, and you didn’t dance. We mourned, and you didn’t weep.’ 7:33 For John the Baptizer came neither eating bread nor drinking wine, and you say, ‘He has a demon.’ 7:34 The Son of Man has come eating and drinking, and you say, ‘Behold, a gluttonous man, and a drunkard; a friend of tax collectors and sinners!’ 7:35 Wisdom is justified by all her children.”

7:36 One of the Pharisees invited him to eat with him. He entered into the Pharisee’s house, and sat at the table. 7:37 Behold, a woman in the city who was a sinner, when she knew that he was reclining in the Pharisee’s house, she brought an alabaster jar of ointment. 7:38 Standing behind at his feet weeping, she began to wet his feet with her tears, and she wiped them with the hair of her head, kissed his feet, and anointed them with the ointment. 7:39 Now when the Pharisee who had invited him saw it, he said to himself, “This man, if he were a prophet, would have perceived who and what kind of woman this is who touches him, that she is a sinner.”

7:40 Jesus answered him, “Simon, I have something to tell you.”

He said, “Teacher, say on.”

7:41 “A certain lender had two debtors. The one owed five hundred denarii, and the other fifty. 7:42 When they couldn’t pay, he forgave them both. Which of them therefore will love him most?”

7:43 Simon answered, “He, I suppose, to whom he forgave the most.”

He said to him, “You have judged correctly.” 7:44 Turning to the woman, he said to Simon, “Do you see this woman? I entered into your house, and you gave me no water for my feet, but she has wet my feet with her tears, and wiped them with the hair of her head. 7:45 You gave me no kiss, but she, since the time I came in, has not ceased to kiss my feet. 7:46 You didn’t anoint my head with oil, but she has anointed my feet with ointment. 7:47 Therefore I tell you, her sins, which are many, are forgiven, for she loved much. But to whom little is forgiven, the same loves little.” 7:48 He said to her, “Your sins are forgiven.”

7:49 Those who sat at the table with him began to say to themselves, “Who is this who even forgives sins?”

7:50 He said to the woman, “Your faith has saved you. Go in peace.”


 

Chapitre 7 
1 Après avoir achevé tous ces discours devant le peuple qui l'écoutait, Jésus entra dans Capernaüm. 2 Un centenier avait un serviteur auquel il était très attaché, et qui se trouvait malade, sur le point de mourir. 3 Ayant entendu parler de Jésus, il lui envoya quelques anciens des Juifs, pour le prier de venir guérir son serviteur. 4 Ils arrivèrent auprès de Jésus, et lui adressèrent d'instantes supplications, disant: Il mérite que tu lui accordes cela; 5 car il aime notre nation, et c'est lui qui a bâti notre synagogue. 6 Jésus, étant allé avec eux, n'était guère éloigné de la maison, quand le centenier envoya des amis pour lui dire: Seigneur, ne prends pas tant de peine; car je ne suis pas digne que tu entres sous mon toit. 7 C'est aussi pour cela que je ne me suis pas cru digne d'aller en personne vers toi. Mais dis un mot, et mon serviteur sera guéri. 8 Car, moi qui suis soumis à des supérieurs, j'ai des soldats sous mes ordres; et je dis à l'un: Va! et il va; à l'autre: Viens! et il vient; et à mon serviteur: Fais cela! et il le fait. 9 Lorsque Jésus entendit ces paroles, il admira le centenier, et, se tournant vers la foule qui le suivait, il dit: Je vous le dis, même en Israël je n'ai pas trouvé une aussi grande foi. 10 De retour à la maison, les gens envoyés par le centenier trouvèrent guéri le serviteur qui avait été malade. 11 Le jour suivant, Jésus alla dans une ville appelée Naïn; ses disciples et une grande foule faisaient route avec lui. 12 Lorsqu'il fut près de la porte de la ville, voici, on portait en terre un mort, fils unique de sa mère, qui était veuve; et il y avait avec elle beaucoup de gens de la ville. 13 Le Seigneur, l'ayant vue, fut ému de compassion pour elle, et lui dit: Ne pleure pas! 14 Il s'approcha, et toucha le cercueil. Ceux qui le portaient s'arrêtèrent. Il dit: Jeune homme, je te le dis, lève-toi! 15 Et le mort s'assit, et se mit à parler. Jésus le rendit à sa mère. 16 Tous furent saisis de crainte, et ils glorifiaient Dieu, disant: Un grand prophète a paru parmi nous, et Dieu a visité son peuple. 17 Cette parole sur Jésus se répandit dans toute la Judée et dans tout le pays d'alentour. 18 Jean fut informé de toutes ces choses par ses disciples. 19 Il en appela deux, et les envoya vers Jésus, pour lui dire: Es-tu celui qui doit venir, ou devons-nous en attendre un autre? 20 Arrivés auprès de Jésus, ils dirent: Jean Baptiste nous a envoyés vers toi, pour dire: Es-tu celui qui doit venir, ou devons-nous en attendre un autre? 21 A l'heure même, Jésus guérit plusieurs personnes de maladies, d'infirmités, et d'esprits malins, et il rendit la vue à plusieurs aveugles. 22 Et il leur répondit: Allez rapporter à Jean ce que vous avez vu et entendu: les aveugles voient, les boiteux marchent, les lépreux sont purifiés, les sourds entendent, les morts ressuscitent, la bonne nouvelle est annoncée aux pauvres. 23 Heureux celui pour qui je ne serai pas une occasion de chute! 24 Lorsque les envoyés de Jean furent partis, Jésus se mit à dire à la foule, au sujet de Jean: Qu'êtes-vous allés voir au désert? un roseau agité par le vent? 25 Mais, qu'êtes-vous allés voir? un homme vêtu d'habits précieux? Voici, ceux qui portent des habits magnifiques, et qui vivent dans les délices, sont dans les maisons des rois. 26 Qu'êtes-vous donc allés voir? un prophète? Oui, vous dis-je, et plus qu'un prophète. 27 C'est celui dont il est écrit: Voici, j'envoie mon messager devant ta face, Pour préparer ton chemin devant toi. 28 Je vous le dis, parmi ceux qui sont nés de femmes, il n'y en a point de plus grand que Jean. Cependant, le plus petit dans le royaume de Dieu est plus grand que lui. 29 Et tout le peuple qui l'a entendu et même les publicains ont justifié Dieu, en se faisant baptiser du baptême de Jean; 30 mais les pharisiens et les docteurs de la loi, en ne se faisant pas baptiser par lui, ont rendu nul à leur égard le dessein de Dieu. 31 A qui donc comparerai-je les hommes de cette génération, et à qui ressemblent-ils? 32 Ils ressemblent aux enfants assis dans la place publique, et qui, se parlant les uns aux autres, disent: Nous vous avons joué de la flûte, et vous n'avez pas dansé; nous vous avons chanté des complaintes, et vous n'avez pas pleuré. 33 Car Jean Baptiste est venu, ne mangeant pas de pain et ne buvant pas de vin, et vous dites: Il a un démon. 34 Le Fils de l'homme est venu, mangeant et buvant, et vous dites: C'est un mangeur et un buveur, un ami des publicains et des gens de mauvaise vie. 35 Mais la sagesse a été justifiée par tous ses enfants. 36 Un pharisien pria Jésus de manger avec lui. Jésus entra dans la maison du pharisien, et se mit à table. 37 Et voici, une femme pécheresse qui se trouvait dans la ville, ayant su qu'il était à table dans la maison du pharisien, apporta un vase d'albâtre plein de parfum, 38 et se tint derrière, aux pieds de Jésus. Elle pleurait; et bientôt elle lui mouilla les pieds de ses larmes, puis les essuya avec ses cheveux, les baisa, et les oignit de parfum. 39 Le pharisien qui l'avait invité, voyant cela, dit en lui-même: Si cet homme était prophète, il connaîtrait qui et de quelle espèce est la femme qui le touche, il connaîtrait que c'est une pécheresse. 40 Jésus prit la parole, et lui dit: Simon, j'ai quelque chose à te dire. -Maître, parle, répondit-il. - 41 Un créancier avait deux débiteurs: l'un devait cinq cents deniers, et l'autre cinquante. 42 Comme ils n'avaient pas de quoi payer, il leur remit à tous deux leur dette. Lequel l'aimera le plus? 43 Simon répondit: Celui, je pense, auquel il a le plus remis. Jésus lui dit: Tu as bien jugé. 44 Puis, se tournant vers la femme, il dit à Simon: Vois-tu cette femme? Je suis entré dans ta maison, et tu ne m'as point donné d'eau pour laver mes pieds; mais elle, elle les a mouillés de ses larmes, et les a essuyés avec ses cheveux. 45 Tu ne m'as point donné de baiser; mais elle, depuis que je suis entré, elle n'a point cessé de me baiser les pieds. 46 Tu n'as point versé d'huile sur ma tête; mais elle, elle a versé du parfum sur mes pieds. 47 C'est pourquoi, je te le dis, ses nombreux péchés ont été pardonnés: car elle a beaucoup aimé. Mais celui à qui on pardonne peu aime peu. 48 Et il dit à la femme: Tes péchés sont pardonnés. 49 Ceux qui étaient à table avec lui se mirent à dire en eux-mêmes: Qui est celui-ci, qui pardonne même les péchés? 50 Mais Jésus dit à la femme: Ta foi t'a sauvée, va en paix.