| Chapitre 5 1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy; 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. 3 Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. 8 Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony. 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy. 12 Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. 13 Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay. 14 Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. 15 Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny. 16 Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka. 17 Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany. 18 Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany. 19 Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy. 20 Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao. 21 Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy* Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3] 22 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo? 23 Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? 24 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. 25 Ary tamin'izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra. 26 Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany. 27 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra*; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.[*Izahao Mat. 9,9] 28 Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy. 29 Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy. 30 Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota? 31 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; 32 tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. 33 Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany. 34 Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? 35 Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra* ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.[*Na: Ny andro izay hanesorana] 36 Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta. 37 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra; 38 Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao. 39 Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara*.[*Na: tsaratsara kokoa] | | 5:1 Now it happened, while the multitude pressed on him and heard the word of God, that he was standing by the lake of Gennesaret. 5:2 He saw two boats standing by the lake, but the fishermen had gone out of them, and were washing their nets. 5:3 He entered into one of the boats, which was Simon’s, and asked him to put out a little from the land. He sat down and taught the multitudes from the boat. 5:4 When he had finished speaking, he said to Simon, “Put out into the deep, and let down your nets for a catch.” 5:5 Simon answered him, “Master, we worked all night, and took nothing; but at your word I will let down the net.” 5:6 When they had done this, they caught a great multitude of fish, and their net was breaking. 5:7 They beckoned to their partners in the other boat, that they should come and help them. They came, and filled both boats, so that they began to sink. 5:8 But Simon Peter, when he saw it, fell down at Jesus’ knees, saying, “Depart from me, for I am a sinful man, Lord.” 5:9 For he was amazed, and all who were with him, at the catch of fish which they had caught; 5:10 and so also were James and John, sons of Zebedee, who were partners with Simon. Jesus said to Simon, “Don’t be afraid. From now on you will be catching people alive.” 5:11 When they had brought their boats to land, they left everything, and followed him. 5:12 It happened, while he was in one of the cities, behold, there was a man full of leprosy. When he saw Jesus, he fell on his face, and begged him, saying, “Lord, if you want to, you can make me clean.” 5:13 He stretched out his hand, and touched him, saying, “I want to. Be made clean.” Immediately the leprosy left him. 5:14 He commanded him to tell no one, “But go your way, and show yourself to the priest, and offer for your cleansing according to what Moses commanded, for a testimony to them.” 5:15 But the report concerning him spread much more, and great multitudes came together to hear, and to be healed by him of their infirmities. 5:16 But he withdrew himself into the desert, and prayed. 5:17 It happened on one of those days, that he was teaching; and there were Pharisees and teachers of the law sitting by, who had come out of every village of Galilee, Judea, and Jerusalem. The power of the Lord was with him to heal them. 5:18 Behold, men brought a paralyzed man on a cot, and they sought to bring him in to lay before Jesus. 5:19 Not finding a way to bring him in because of the multitude, they went up to the housetop, and let him down through the tiles with his cot into the midst before Jesus. 5:20 Seeing their faith, he said to him, “Man, your sins are forgiven you.” 5:21 The scribes and the Pharisees began to reason, saying, “Who is this that speaks blasphemies? Who can forgive sins, but God alone?” 5:22 But Jesus, perceiving their thoughts, answered them, “Why are you reasoning so in your hearts? 5:23 Which is easier to say, ‘Your sins are forgiven you;’ or to say, ‘Arise and walk?’ 5:24 But that you may know that the Son of Man has authority on earth to forgive sins” (he said to the paralyzed man), “I tell you, arise, and take up your cot, and go to your house.” 5:25 Immediately he rose up before them, and took up that which he was laying on, and departed to his house, glorifying God. 5:26 Amazement took hold on all, and they glorified God. They were filled with fear, saying, “We have seen strange things today.” 5:27 After these things he went out, and saw a tax collector named Levi sitting at the tax office, and said to him, “Follow me!” 5:28 He left everything, and rose up and followed him. 5:29 Levi made a great feast for him in his house. There was a great crowd of tax collectors and others who were reclining with them. 5:30 Their scribes and the Pharisees murmured against his disciples, saying, “Why do you eat and drink with the tax collectors and sinners?” 5:31 Jesus answered them, “Those who are healthy have no need for a physician, but those who are sick do. 5:32 I have not come to call the righteous, but sinners to repentance.” 5:33 They said to him, “Why do John’s disciples often fast and pray, likewise also the disciples of the Pharisees, but yours eat and drink?” 5:34 He said to them, “Can you make the friends of the bridegroom fast, while the bridegroom is with them? 5:35 But the days will come when the bridegroom will be taken away from them. Then they will fast in those days.” 5:36 He also told a parable to them. “No one puts a piece from a new garment on an old garment, or else he will tear the new, and also the piece from the new will not match the old. 5:37 No one puts new wine into old wineskins, or else the new wine will burst the skins, and it will be spilled, and the skins will be destroyed. 5:38 But new wine must be put into fresh wineskins, and both are preserved. 5:39 No man having drunk old wine immediately desires new, for he says, ‘The old is better.’”
| | Chapitre 5 1 Comme Jésus se trouvait auprès du lac de Génésareth, et que la foule se pressait autour de lui pour entendre la parole de Dieu, 2 il vit au bord du lac deux barques, d'où les pêcheurs étaient descendus pour laver leurs filets. 3 Il monta dans l'une de ces barques, qui était à Simon, et il le pria de s'éloigner un peu de terre. Puis il s'assit, et de la barque il enseignait la foule. 4 Lorsqu'il eut cessé de parler, il dit à Simon: Avance en pleine eau, et jetez vos filets pour pêcher. 5 Simon lui répondit: Maître, nous avons travaillé toute la nuit sans rien prendre; mais, sur ta parole, je jetterai le filet. 6 L'ayant jeté, ils prirent une grande quantité de poissons, et leur filet se rompait. 7 Ils firent signe à leurs compagnons qui étaient dans l'autre barque de venir les aider. Ils vinrent et ils remplirent les deux barques, au point qu'elles enfonçaient. 8 Quand il vit cela, Simon Pierre tomba aux genoux de Jésus, et dit: Seigneur, retire-toi de moi, parce que je suis un homme pécheur. 9 Car l'épouvante l'avait saisi, lui et tous ceux qui étaient avec lui, à cause de la pêche qu'ils avaient faite. 10 Il en était de même de Jacques et de Jean, fils de Zébédée, les associés de Simon. Alors Jésus dit à Simon: Ne crains point; désormais tu seras pêcheur d'hommes. 11 Et, ayant ramené les barques à terre, ils laissèrent tout, et le suivirent. 12 Jésus était dans une des villes; et voici, un homme couvert de lèpre, l'ayant vu, tomba sur sa face, et lui fit cette prière: Seigneur, si tu le veux, tu peux me rendre pur. 13 Jésus étendit la main, le toucha, et dit: Je le veux, sois pur. Aussitôt la lèpre le quitta. 14 Puis il lui ordonna de n'en parler à personne. Mais, dit-il, va te montrer au sacrificateur, et offre pour ta purification ce que Moïse a prescrit, afin que cela leur serve de témoignage. 15 Sa renommée se répandait de plus en plus, et les gens venaient en foule pour l'entendre et pour être guéris de leurs maladies. 16 Et lui, il se retirait dans les déserts, et priait. 17 Un jour Jésus enseignait. Des pharisiens et des docteurs de la loi étaient là assis, venus de tous les villages de la Galilée, de la Judée et de Jérusalem; et la puissance du Seigneur se manifestait par des guérisons. 18 Et voici, des gens, portant sur un lit un homme qui était paralytique, cherchaient à le faire entrer et à le placer sous ses regards. 19 Comme ils ne savaient par où l'introduire, à cause de la foule, ils montèrent sur le toit, et ils le descendirent par une ouverture, avec son lit, au milieu de l'assemblée, devant Jésus. 20 Voyant leur foi, Jésus dit: Homme, tes péchés te sont pardonnés. 21 Les scribes et les pharisiens se mirent à raisonner et à dire: Qui est celui-ci, qui profère des blasphèmes? Qui peut pardonner les péchés, si ce n'est Dieu seul? 22 Jésus, connaissant leurs pensées, prit la parole et leur dit: Quelles pensées avez-vous dans vos coeurs? 23 Lequel est le plus aisé, de dire: Tes péchés te sont pardonnés, ou de dire: Lève-toi, et marche? 24 Or, afin que vous sachiez que le Fils de l'homme a sur la terre le pouvoir de pardonner les péchés: Je te l'ordonne, dit-il au paralytique, lève-toi, prends ton lit, et va dans ta maison. 25 Et, à l'instant, il se leva en leur présence, prit le lit sur lequel il était couché, et s'en alla dans sa maison, glorifiant Dieu. 26 Tous étaient dans l'étonnement, et glorifiaient Dieu; remplis de crainte, ils disaient: Nous avons vu aujourd'hui des choses étranges. 27 Après cela, Jésus sortit, et il vit un publicain, nommé Lévi, assis au lieu des péages. Il lui dit: Suis-moi. 28 Et, laissant tout, il se leva, et le suivit. 29 Lévi lui donna un grand festin dans sa maison, et beaucoup de publicains et d'autres personnes étaient à table avec eux. 30 Les pharisiens et les scribes murmurèrent, et dirent à ses disciples: Pourquoi mangez-vous et buvez-vous avec les publicains et les gens de mauvaise vie? 31 Jésus, prenant la parole, leur dit: Ce ne sont pas ceux qui se portent bien qui ont besoin de médecin, mais les malades. 32 Je ne suis pas venu appeler à la repentance des justes, mais des pécheurs. 33 Ils lui dirent: Les disciples de Jean, comme ceux des pharisiens, jeûnent fréquemment et font des prières, tandis que les tiens mangent et boivent. 34 Il leur répondit: Pouvez-vous faire jeûner les amis de l'époux pendant que l'époux est avec eux? 35 Les jours viendront où l'époux leur sera enlevé, alors ils jeûneront en ces jours-là. 36 Il leur dit aussi une parabole: Personne ne déchire d'un habit neuf un morceau pour le mettre à un vieil habit; car, il déchire l'habit neuf, et le morceau qu'il en a pris n'est pas assorti au vieux. 37 Et personne ne met du vin nouveau dans de vieilles outres; autrement, le vin nouveau fait rompre les outres, il se répand, et les outres sont perdues; 38 mais il faut mettre le vin nouveau dans des outres neuves. 39 Et personne, après avoir bu du vin vieux, ne veut du nouveau, car il dit: Le vieux est bon.
| |