| Chapitre 3 1 Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena, 2 ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra. 3 Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka; 4 araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany. 5 Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina; 6 Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5). 7 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? 8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 9 Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo. 10 Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay? 11 Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy. 12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay? 13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo. 14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo. 15 Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia, 16 dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; 17 eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina. 18 Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona. 19 Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony, 20 dia nanidy an'i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin'izany rehetra izany koa. 21 Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; 22 ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. 23 Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i Josefa, izay zanak'i Hely, 24 zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa, 25 zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay, 26 zanak'i Mata, zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda, 27 zanak'i Joanana, zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela*, zanak'i Nery,[*Gr. Salatiela] 28 zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era, 29 zanak'i Jesosy, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy, 30 zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, 31 zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida, 32 zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona, 33 zanak'i Aminadaba, zanak'i Arny*, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda,[*Na: (Arama)] 34 zanak'i Jakoba, zanak'isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora, 35 zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela, 36 zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, 37 zanak'i Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana, 38 zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.
| | 3:1 Now in the fifteenth year of the reign of Tiberius Caesar, Pontius Pilate being governor of Judea, and Herod being tetrarch of Galilee, and his brother Philip tetrarch of the region of Ituraea and Trachonitis, and Lysanias tetrarch of Abilene, 3:2 in the high priesthood of Annas and Caiaphas, the word of God came to John, the son of Zacharias, in the wilderness. 3:3 He came into all the region around the Jordan, preaching the baptism of repentance for remission of sins. 3:4 As it is written in the book of the words of Isaiah the prophet, “The voice of one crying in the wilderness, ‘Make ready the way of the Lord. Make his paths straight. 3:5 Every valley will be filled. Every mountain and hill will be brought low. The crooked will become straight, and the rough ways smooth. 3:6 All flesh will see God’s salvation.’”* 3:7 He said therefore to the multitudes who went out to be baptized by him, “You offspring of vipers, who warned you to flee from the wrath to come? 3:8 Bring forth therefore fruits worthy of repentance, and don’t begin to say among yourselves, ‘We have Abraham for our father;’ for I tell you that God is able to raise up children to Abraham from these stones! 3:9 Even now the axe also lies at the root of the trees. Every tree therefore that doesn’t bring forth good fruit is cut down, and thrown into the fire.” 3:10 The multitudes asked him, “What then must we do?” 3:11 He answered them, “He who has two coats, let him give to him who has none. He who has food, let him do likewise.” 3:12 Tax collectors also came to be baptized, and they said to him, “Teacher, what must we do?” 3:13 He said to them, “Collect no more than that which is appointed to you.” 3:14 Soldiers also asked him, saying, “What about us? What must we do?” He said to them, “Extort from no one by violence, neither accuse anyone wrongfully. Be content with your wages.” 3:15 As the people were in expectation, and all men reasoned in their hearts concerning John, whether perhaps he was the Christ, 3:16 John answered them all, “I indeed baptize you with water, but he comes who is mightier than I, the latchet of whose sandals I am not worthy to loosen. He will baptize you in the Holy Spirit and fire, 3:17 whose fan is in his hand, and he will thoroughly cleanse his threshing floor, and will gather the wheat into his barn; but he will burn up the chaff with unquenchable fire.” 3:18 Then with many other exhortations he preached good news to the people, 3:19 but Herod the tetrarch, being reproved by him for Herodias, his brother’s wife, and for all the evil things which Herod had done, 3:20 added this also to them all, that he shut up John in prison. 3:21 Now it happened, when all the people were baptized, Jesus also had been baptized, and was praying. The sky was opened, 3:22 and the Holy Spirit descended in a bodily form as a dove on him; and a voice came out of the sky, saying “You are my beloved Son. In you I am well pleased.” 3:23 Jesus himself, when he began to teach, was about thirty years old, being the son (as was supposed) of Joseph, the son of Heli, 3:24 the son of Matthat, the son of Levi, the son of Melchi, the son of Jannai, the son of Joseph, 3:25 the son of Mattathias, the son of Amos, the son of Nahum, the son of Esli, the son of Naggai, 3:26 the son of Maath, the son of Mattathias, the son of Semein, the son of Joseph, the son of Judah, 3:27 the son of Joanan, the son of Rhesa, the son of Zerubbabel, the son of Shealtiel, the son of Neri, 3:28 the son of Melchi, the son of Addi, the son of Cosam, the son of Elmodam, the son of Er, 3:29 the son of Jose, the son of Eliezer, the son of Jorim, the son of Matthat, the son of Levi, 3:30 the son of Simeon, the son of Judah, the son of Joseph, the son of Jonan, the son of Eliakim, 3:31 the son of Melea, the son of Menan, the son of Mattatha, the son of Nathan, the son of David, 3:32 the son of Jesse, the son of Obed, the son of Boaz, the son of Salmon, the son of Nahshon, 3:33 the son of Amminadab, the son of Aram, the son of Hezron, the son of Perez, the son of Judah, 3:34 the son of Jacob, the son of Isaac, the son of Abraham, the son of Terah, the son of Nahor, 3:35 the son of Serug, the son of Reu, the son of Peleg, the son of Eber, the son of Shelah, 3:36 the son of Cainan, the son of Arphaxad, the son of Shem, the son of Noah, the son of Lamech, 3:37 the son of Methuselah, the son of Enoch, the son of Jared, the son of Mahalaleel, the son of Cainan, 3:38 the son of Enos, the son of Seth, the son of Adam, the son of God.
| | Chapitre 3 1 La quinzième année du règne de Tibère César, -lorsque Ponce Pilate était gouverneur de la Judée, Hérode tétrarque de la Galilée, son frère Philippe tétrarque de l'Iturée et du territoire de la Trachonite, Lysanias tétrarque de l'Abilène, 2 et du temps des souverains sacrificateurs Anne et Caïphe, -la parole de Dieu fut adressée à Jean, fils de Zacharie, dans le désert. 3 Et il alla dans tout le pays des environs du Jourdain, prêchant le baptême de repentance, pour la rémission des péchés, 4 selon ce qui est écrit dans le livre des paroles d'Ésaïe, le prophète: C'est la voix de celui qui crie dans le désert: Préparez le chemin du Seigneur, Aplanissez ses sentiers. 5 Toute vallée sera comblée, Toute montagne et toute colline seront abaissées; Ce qui est tortueux sera redressé, Et les chemins raboteux seront aplanis. 6 Et toute chair verra le salut de Dieu. 7 Il disait donc à ceux qui venaient en foule pour être baptisés par lui: Races de vipères, qui vous a appris à fuir la colère à venir? 8 Produisez donc des fruits dignes de la repentance, et ne vous mettez pas à dire en vous-mêmes: Nous avons Abraham pour père! Car je vous déclare que de ces pierres Dieu peut susciter des enfants à Abraham. 9 Déjà même la cognée est mise à la racine des arbres: tout arbre donc qui ne produit pas de bons fruits sera coupé et jeté au feu. 10 La foule l'interrogeait, disant: Que devons-nous donc faire? 11 Il leur répondit: Que celui qui a deux tuniques partage avec celui qui n'en a point, et que celui qui a de quoi manger agisse de même. 12 Il vint aussi des publicains pour être baptisés, et ils lui dirent: Maître, que devons-nous faire? 13 Il leur répondit: N'exigez rien au delà de ce qui vous a été ordonné. 14 Des soldats aussi lui demandèrent: Et nous, que devons-nous faire? Il leur répondit: Ne commettez ni extorsion ni fraude envers personne, et contentez-vous de votre solde. 15 Comme le peuple était dans l'attente, et que tous se demandaient en eux-mêmes si Jean n'était pas le Christ, 16 il leur dit à tous: Moi, je vous baptise d'eau; mais il vient, celui qui est plus puissant que moi, et je ne suis pas digne de délier la courroie de ses souliers. Lui, il vous baptisera du Saint-Esprit et de feu. 17 Il a son van à la main; il nettoiera son aire, et il amassera le blé dans son grenier, mais il brûlera la paille dans un feu qui ne s'éteint point. 18 C'est ainsi que Jean annonçait la bonne nouvelle au peuple, en lui adressant encore beaucoup d'autres exhortations. 19 Mais Hérode le tétrarque, étant repris par Jean au sujet d'Hérodias, femme de son frère, et pour toutes les mauvaises actions qu'il avait commises, 20 ajouta encore à toutes les autres celle d'enfermer Jean dans la prison. 21 Tout le peuple se faisant baptiser, Jésus fut aussi baptisé; et, pendant qu'il priait, le ciel s'ouvrit, 22 et le Saint-Esprit descendit sur lui sous une forme corporelle, comme une colombe. Et une voix fit entendre du ciel ces paroles: Tu es mon Fils bien-aimé; en toi j'ai mis toute mon affection. 23 Jésus avait environ trente ans lorsqu'il commença son ministère, étant, comme on le croyait, fils de Joseph, fils d'Héli, 24 fils de Matthat, fils de Lévi, fils de Melchi, fils de Jannaï, fils de Joseph, 25 fils de Mattathias, fils d'Amos, fils de Nahum, fils d'Esli, fils de Naggaï, 26 fils de Maath, fils de Mattathias, fils de Sémeï, fils de Josech, fils de Joda, 27 fils de Joanan, fils de Rhésa, fils de Zorobabel, fils de Salathiel, fils de Néri, 28 fils de Melchi, fils d'Addi, fils de Kosam, fils d'Elmadam, fils D'Er, 29 fils de Jésus, fils d'Éliézer, fils de Jorim, fils de Matthat, fils de Lévi, 30 fils de Siméon, fils de Juda, fils de Joseph, fils de Jonam, fils d'Éliakim, 31 fils de Méléa, fils de Menna, fils de Mattatha, fils de Nathan, fils de David, 32 fils d'Isaï, fils de Jobed, fils de Booz, fils de Salmon, fils de Naasson, 33 fils d'Aminadab, fils d'Admin, fils d'Arni, fils d'Esrom, fils de Pharès, fils de Juda, 34 fils de Jacob, fils d'Isaac, fils d'Abraham, fils de Thara, fils de Nachor, 35 fils de Seruch, fils de Ragau, fils de Phalek, fils d'Éber, fils de Sala, 36 fils de Kaïnam, fils d'Arphaxad, fils de Sem, fils de Noé, fils de Lamech, 37 fils de Mathusala, fils d'Énoch, fils de Jared, fils de Maléléel, fils de Kaïnan, 38 fils d'Énos, fils de Seth, fils d'Adam, fils de Dieu.
| |