T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 22

1 Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.

2 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an'i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.

 

3 Fa Satana niditra tao anatin'i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy;

4 dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin'izay hamadihany an'i Jesosy amin'ireo.

5 Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.

6 Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin'ireo amin'ny tsy misy olona.

 

7 Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.

8 Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.

9 Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?

10 Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin'ny trano izay hidirany.

11 Dia lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?

12 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.

13 Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.

14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly.

15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.

16 Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

17 Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;

18 fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra.

19 Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.

20 Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo.

21 Fa, indro, ny tànan'izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin'ny latabatra.

22 Fa ny Zanak'olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan'izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!

23 Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.

24 Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe.

25 Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.

26 Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.

27 Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.

28 Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko;

29 koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy,

30 mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo,

31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.

32 Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.

33 Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin'ny fahafatesana aza.

34 Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.

 

35 Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.

36 Fa hoy Izy taminy: Fa amin'izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.

37 Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan'ny mpanota (Isa. 53. 12); fa efa ho tanteraka ny amiko.

38 Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.

 

39 Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.

40 Ary raha vao tonga tao amin'izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.

41 Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:

42 Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.

43 Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.

44 Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany.

45 Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin'ny mpianatra ka nahita azy matorin'alahelo.

46 Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.

47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an'i Jesosy hanoroka Azy.

48 Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak'olona?

49 Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin'ny sabatra va izahay?

50 Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.

51 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.

52 Ary hoy Jesosy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?

53 Raha teo aminareo isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin'ny maizina.

 

54 Ary izy ireo nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.

55 Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.

56 Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan'ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.

57 Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.

58 Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.

59 Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.

60 Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.

61 Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an'i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin'ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.

62 Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.

63 Ary ny lehilahy izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.

64 Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?

65 Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.

 

66 Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an'i Jesosy ho eo amin'ny Synedriona, dia nanao hoe:

67 Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.

68 Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.

69 Fa hatramin'izao ny Zanak'olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra.

70 Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.

71 Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.


 

22:1 Now the feast of unleavened bread, which is called the Passover, drew near. 22:2 The chief priests and the scribes sought how they might put him to death, for they feared the people. 22:3 Satan entered into Judas, who was surnamed Iscariot, who was numbered with the twelve. 22:4 He went away, and talked with the chief priests and captains about how he might deliver him to them. 22:5 They were glad, and agreed to give him money. 22:6 He consented, and sought an opportunity to deliver him to them in the absence of the multitude. 22:7 The day of unleavened bread came, on which the Passover must be sacrificed. 22:8 He sent Peter and John, saying, “Go and prepare the Passover for us, that we may eat.”

22:9 They said to him, “Where do you want us to prepare?”

22:10 He said to them, “Behold, when you have entered into the city, a man carrying a pitcher of water will meet you. Follow him into the house which he enters. 22:11 Tell the master of the house, ‘The Teacher says to you, “Where is the guest room, where I may eat the Passover with my disciples?”’ 22:12 He will show you a large, furnished upper room. Make preparations there.”

22:13 They went, found things as he had told them, and they prepared the Passover. 22:14 When the hour had come, he sat down with the twelve apostles. 22:15 He said to them, “I have earnestly desired to eat this Passover with you before I suffer, 22:16 for I tell you, I will no longer by any means eat of it until it is fulfilled in the Kingdom of God.” 22:17 He received a cup, and when he had given thanks, he said, “Take this, and share it among yourselves, 22:18 for I tell you, I will not drink at all again from the fruit of the vine, until the Kingdom of God comes.”

22:19 He took bread, and when he had given thanks, he broke it, and gave to them, saying, “This is my body which is given for you. Do this in memory of me.” 22:20 Likewise, he took the cup after supper, saying, “This cup is the new covenant in my blood, which is poured out for you. 22:21 But behold, the hand of him who betrays me is with me on the table. 22:22 The Son of Man indeed goes, as it has been determined, but woe to that man through whom he is betrayed!”

22:23 They began to question among themselves, which of them it was who would do this thing. 22:24 There arose also a contention among them, which of them was considered to be greatest. 22:25 He said to them, “The kings of the nations lord it over them, and those who have authority over them are called ‘benefactors.’ 22:26 But not so with you. But one who is the greater among you, let him become as the younger, and one who is governing, as one who serves. 22:27 For who is greater, one who sits at the table, or one who serves? Isn’t it he who sits at the table? But I am in the midst of you as one who serves. 22:28 But you are those who have continued with me in my trials. 22:29 I confer on you a kingdom, even as my Father conferred on me, 22:30 that you may eat and drink at my table in my Kingdom. You will sit on thrones, judging the twelve tribes of Israel.”

22:31 The Lord said, “Simon, Simon, behold, Satan asked to have you, that he might sift you as wheat, 22:32 but I prayed for you, that your faith wouldn’t fail. You, when once you have turned again, establish your brothers.”

22:33 He said to him, “Lord, I am ready to go with you both to prison and to death!”

22:34 He said, “I tell you, Peter, the rooster will by no means crow today until you deny that you know me three times.”

22:35 He said to them, “When I sent you out without purse, and wallet, and shoes, did you lack anything?”

They said, “Nothing.”

22:36 Then he said to them, “But now, whoever has a purse, let him take it, and likewise a wallet. Whoever has none, let him sell his cloak, and buy a sword. 22:37 For I tell you that this which is written must still be fulfilled in me: ‘He was counted with transgressors.’* For that which concerns me has an end.”

22:38 They said, “Lord, behold, here are two swords.”

He said to them, “That is enough.”

22:39 He came out, and went, as his custom was, to the Mount of Olives. His disciples also followed him. 22:40 When he was at the place, he said to them, “Pray that you don’t enter into temptation.”

22:41 He was withdrawn from them about a stone’s throw, and he knelt down and prayed, 22:42 saying, “Father, if you are willing, remove this cup from me. Nevertheless, not my will, but yours, be done.”

22:43 An angel from heaven appeared to him, strengthening him. 22:44 Being in agony he prayed more earnestly. His sweat became like great drops of blood falling down on the ground.

22:45 When he rose up from his prayer, he came to the disciples, and found them sleeping because of grief, 22:46 and said to them, “Why do you sleep? Rise and pray that you may not enter into temptation.”

22:47 While he was still speaking, behold, a multitude, and he who was called Judas, one of the twelve, was leading them. He came near to Jesus to kiss him. 22:48 But Jesus said to him, “Judas, do you betray the Son of Man with a kiss?”

22:49 When those who were around him saw what was about to happen, they said to him, “Lord, shall we strike with the sword?” 22:50 A certain one of them struck the servant of the high priest, and cut off his right ear.

22:51 But Jesus answered, “Let me at least do this”—and he touched his ear, and healed him. 22:52 Jesus said to the chief priests, captains of the temple, and elders, who had come against him, “Have you come out as against a robber, with swords and clubs? 22:53 When I was with you in the temple daily, you didn’t stretch out your hands against me. But this is your hour, and the power of darkness.”

22:54 They seized him, and led him away, and brought him into the high priest’s house. But Peter followed from a distance. 22:55 When they had kindled a fire in the middle of the courtyard, and had sat down together, Peter sat among them. 22:56 A certain servant girl saw him as he sat in the light, and looking intently at him, said, “This man also was with him.”

22:57 He denied Jesus, saying, “Woman, I don’t know him.”

22:58 After a little while someone else saw him, and said, “You also are one of them!”

But Peter answered, “Man, I am not!”

22:59 After about one hour passed, another confidently affirmed, saying, “Truly this man also was with him, for he is a Galilean!”

22:60 But Peter said, “Man, I don’t know what you are talking about!” Immediately, while he was still speaking, a rooster crowed. 22:61 The Lord turned, and looked at Peter. Then Peter remembered the Lord’s word, how he said to him, “Before the rooster crows you will deny me three times.” 22:62 He went out, and wept bitterly.

22:63 The men who held Jesus mocked him and beat him. 22:64 Having blindfolded him, they struck him on the face and asked him, “Prophesy! Who is the one who struck you?” 22:65 They spoke many other things against him, insulting him.

22:66 As soon as it was day, the assembly of the elders of the people was gathered together, both chief priests and scribes, and they led him away into their council, saying, 22:67 “If you are the Christ, tell us.”

But he said to them, “If I tell you, you won’t believe, 22:68 and if I ask, you will in no way answer me or let me go. 22:69 From now on, the Son of Man will be seated at the right hand of the power of God.”

22:70 They all said, “Are you then the Son of God?”

He said to them, “You say it, because I am.”

22:71 They said, “Why do we need any more witness? For we ourselves have heard from his own mouth!”


 

Chapitre 22
1 La fête des pains sans levain, appelée la Pâque, approchait. 2 Les principaux sacrificateurs et les scribes cherchaient les moyens de faire mourir Jésus; car ils craignaient le peuple. 3 Or, Satan entra dans Judas, surnommé Iscariot, qui était du nombre des douze. 4 Et Judas alla s'entendre avec les principaux sacrificateurs et les chefs des gardes, sur la manière de le leur livrer. 5 Ils furent dans la joie, et ils convinrent de lui donner de l'argent. 6 Après s'être engagé, il cherchait une occasion favorable pour leur livrer Jésus à l'insu de la foule. 7 Le jour des pains sans levain, où l'on devait immoler la Pâque, arriva, 8 et Jésus envoya Pierre et Jean, en disant: Allez nous préparer la Pâque, afin que nous la mangions. 9 Ils lui dirent: Où veux-tu que nous la préparions? 10 Il leur répondit: Voici, quand vous serez entrés dans la ville, vous rencontrerez un homme portant une cruche d'eau; suivez-le dans la maison où il entrera, 11 et vous direz au maître de la maison: Le maître te dit: Où est le lieu où je mangerai la Pâque avec mes disciples? 12 Et il vous montrera une grande chambre haute, meublée: c'est là que vous préparerez la Pâque. 13 Ils partirent, et trouvèrent les choses comme il le leur avait dit; et ils préparèrent la Pâque. 14 L'heure étant venue, il se mit à table, et les apôtres avec lui. 15 Il leur dit: J'ai désiré vivement manger cette Pâque avec vous, avant de souffrir; 16 car, je vous le dis, je ne la mangerai plus, jusqu'à ce qu'elle soit accomplie dans le royaume de Dieu. 17 Et, ayant pris une coupe et rendu grâces, il dit: Prenez cette coupe, et distribuez-la entre vous; 18 car, je vous le dis, je ne boirai plus désormais du fruit de la vigne, jusqu'à ce que le royaume de Dieu soit venu. 19 Ensuite il prit du pain; et, après avoir rendu grâces, il le rompit, et le leur donna, en disant: Ceci est mon corps, qui est donné pour vous; faites ceci en mémoire de moi. 20 Il prit de même la coupe, après le souper, et la leur donna, en disant: Cette coupe est la nouvelle alliance en mon sang, qui est répandu pour vous. 21 Cependant voici, la main de celui qui me livre est avec moi à cette table. 22 Le Fils de l'homme s'en va selon ce qui est déterminé. Mais malheur à l'homme par qui il est livré! 23 Et ils commencèrent à se demander les uns aux autres qui était celui d'entre eux qui ferait cela. 24 Il s'éleva aussi parmi les apôtres une contestation: lequel d'entre eux devait être estimé le plus grand? 25 Jésus leur dit: Les rois des nations les maîtrisent, et ceux qui les dominent sont appelés bienfaiteurs. 26 Qu'il n'en soit pas de même pour vous. Mais que le plus grand parmi vous soit comme le plus petit, et celui qui gouverne comme celui qui sert. 27 Car quel est le plus grand, celui qui est à table, ou celui qui sert? N'est-ce pas celui qui est à table? Et moi, cependant, je suis au milieu de vous comme celui qui sert. 28 Vous, vous êtes ceux qui avez persévéré avec moi dans mes épreuves; 29 c'est pourquoi je dispose du royaume en votre faveur, comme mon Père en a disposé en ma faveur, 30 afin que vous mangiez et buviez à ma table dans mon royaume, et que vous soyez assis sur des trônes, pour juger les douze tribus d'Israël. 31 Le Seigneur dit: Simon, Simon, Satan vous a réclamés, pour vous cribler comme le froment. 32 Mais j'ai prié pour toi, afin que ta foi ne défaille point; et toi, quand tu seras converti, affermis tes frères. 33 Seigneur, lui dit Pierre, je suis prêt à aller avec toi et en prison et à la mort. 34 Et Jésus dit: Pierre, je te le dis, le coq ne chantera pas aujourd'hui que tu n'aies nié trois fois de me connaître. 35 Il leur dit encore: Quand je vous ai envoyés sans bourse, sans sac, et sans souliers, avez-vous manqué de quelque chose? Ils répondirent: De rien. 36 Et il leur dit: Maintenant, au contraire, que celui qui a une bourse la prenne et que celui qui a un sac le prenne également, que celui qui n'a point d'épée vende son vêtement et achète une épée. 37 Car, je vous le dis, il faut que cette parole qui est écrite s'accomplisse en moi: Il a été mis au nombre des malfaiteurs. Et ce qui me concerne est sur le point d'arriver. 38 Ils dirent: Seigneur, voici deux épées. Et il leur dit: Cela suffit. 39 Après être sorti, il alla, selon sa coutume, à la montagne des oliviers. Ses disciples le suivirent. 40 Lorsqu'il fut arrivé dans ce lieu, il leur dit: Priez, afin que vous ne tombiez pas en tentation. 41 Puis il s'éloigna d'eux à la distance d'environ un jet de pierre, et, s'étant mis à genoux, il pria, 42 disant: Père, si tu voulais éloigner de moi cette coupe! Toutefois, que ma volonté ne se fasse pas, mais la tienne. 43 Alors un ange lui apparut du ciel, pour le fortifier. 44 Étant en agonie, il priait plus instamment, et sa sueur devint comme des grumeaux de sang, qui tombaient à terre. 45 Après avoir prié, il se leva, et vint vers les disciples, qu'il trouva endormis de tristesse, 46 et il leur dit: Pourquoi dormez-vous? Levez-vous et priez, afin que vous ne tombiez pas en tentation. 47 Comme il parlait encore, voici, une foule arriva; et celui qui s'appelait Judas, l'un des douze, marchait devant elle. Il s'approcha de Jésus, pour le baiser. 48 Et Jésus lui dit: Judas, c'est par un baiser que tu livres le Fils de l'homme! 49 Ceux qui étaient avec Jésus, voyant ce qui allait arriver, dirent: Seigneur, frapperons-nous de l'épée? 50 Et l'un d'eux frappa le serviteur du souverain sacrificateur, et lui emporta l'oreille droite. 51 Mais Jésus, prenant la parole, dit: Laissez, arrêtez! Et, ayant touché l'oreille de cet homme, il le guérit. 52 Jésus dit ensuite aux principaux sacrificateurs, aux chefs des gardes du temple, et aux anciens, qui étaient venus contre lui: Vous êtes venus, comme après un brigand, avec des épées et des bâtons. 53 J'étais tous les jours avec vous dans le temple, et vous n'avez pas mis la main sur moi. Mais c'est ici votre heure, et la puissance des ténèbres. 54 Après avoir saisi Jésus, ils l'emmenèrent, et le conduisirent dans la maison du souverain sacrificateur. Pierre suivait de loin. 55 Ils allumèrent du feu au milieu de la cour, et ils s'assirent. Pierre s'assit parmi eux. 56 Une servante, qui le vit assis devant le feu, fixa sur lui les regards, et dit: Cet homme était aussi avec lui. 57 Mais il le nia disant: Femme, je ne le connais pas. 58 Peu après, un autre, l'ayant vu, dit: Tu es aussi de ces gens-là. Et Pierre dit: Homme, je n'en suis pas. 59 Environ une heure plus tard, un autre insistait, disant: Certainement cet homme était aussi avec lui, car il est Galiléen. 60 Pierre répondit: Homme, je ne sais ce que tu dis. Au même instant, comme il parlait encore, le coq chanta. 61 Le Seigneur, s'étant retourné, regarda Pierre. Et Pierre se souvint de la parole que le Seigneur lui avait dite: Avant que le coq chante aujourd'hui, tu me renieras trois fois. 62 Et étant sorti, il pleura amèrement. 63 Les hommes qui tenaient Jésus se moquaient de lui, et le frappaient. 64 Ils lui voilèrent le visage, et ils l'interrogeaient, en disant: Devine qui t'a frappé. 65 Et ils proféraient contre lui beaucoup d'autres injures. 66 Quand le jour fut venu, le collège des anciens du peuple, les principaux sacrificateurs et les scribes, s'assemblèrent, et firent amener Jésus dans leur sanhédrin. (22:67) Ils dirent: 67 Si tu es le Christ, dis-le nous. Jésus leur répondit: Si je vous le dis, vous ne le croirez pas; 68 et, si je vous interroge, vous ne répondrez pas. 69 Désormais le Fils de l'homme sera assis à la droite de la puissance de Dieu. 70 Tous dirent: Tu es donc le Fils de Dieu? Et il leur répondit: Vous le dites, je le suis. 71 Alors ils dirent: Qu'avons-nous encore besoin de témoignage? Nous l'avons entendu nous-mêmes de sa bouche.