T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 21

1 Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin'ny fandatsahan-drakitra;

2 ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa* teo Izy.[* Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray, tokony ho variroaventy]

3 Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.

4 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.

5 Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:

6 Ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.

7 Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?

8 Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.

9 Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay ny farany.

10 Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.

11 Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.

12 Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.

13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.

14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;

15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.

16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.

17 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.

18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.

19 Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.

20 Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.

21 Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.

22 Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.

23 Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity.

24 Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.

25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany,

26 ka ho reraka ny fon*'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.[* Na: ka hisy ho faty aza]

27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.

28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.

29 Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.

30 Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.

31 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra.

32 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.

33 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.

35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany.

36 Fa miambena* ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.

37 Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.

38 Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.


 

21:1 He looked up, and saw the rich people who were putting their gifts into the treasury. 21:2 He saw a certain poor widow casting in two small brass coins. 21:3 He said, “Truly I tell you, this poor widow put in more than all of them, 21:4 for all these put in gifts for God from their abundance, but she, out of her poverty, put in all that she had to live on.”

21:5 As some were talking about the temple and how it was decorated with beautiful stones and gifts, he said, 21:6 “As for these things which you see, the days will come, in which there will not be left here one stone on another that will not be thrown down.”

21:7 They asked him, “Teacher, so when will these things be? What is the sign that these things are about to happen?”

21:8 He said, “Watch out that you don’t get led astray, for many will come in my name, saying, ‘I am he,’ and, ‘The time is at hand.’ Therefore don’t follow them. 21:9 When you hear of wars and disturbances, don’t be terrified, for these things must happen first, but the end won’t come immediately.”

21:10 Then he said to them, “Nation will rise against nation, and kingdom against kingdom. 21:11 There will be great earthquakes, famines, and plagues in various places. There will be terrors and great signs from heaven. 21:12 But before all these things, they will lay their hands on you and will persecute you, delivering you up to synagogues and prisons, bringing you before kings and governors for my name’s sake. 21:13 It will turn out as a testimony for you. 21:14 Settle it therefore in your hearts not to meditate beforehand how to answer, 21:15 for I will give you a mouth and wisdom which all your adversaries will not be able to withstand or to contradict. 21:16 You will be handed over even by parents, brothers, relatives, and friends. They will cause some of you to be put to death. 21:17 You will be hated by all men for my name’s sake. 21:18 And not a hair of your head will perish.

21:19 “By your endurance you will win your lives.

21:20 “But when you see Jerusalem surrounded by armies, then know that its desolation is at hand. 21:21 Then let those who are in Judea flee to the mountains. Let those who are in the midst of her depart. Let those who are in the country not enter therein. 21:22 For these are days of vengeance, that all things which are written may be fulfilled. 21:23 Woe to those who are pregnant and to those who nurse infants in those days! For there will be great distress in the land, and wrath to this people. 21:24 They will fall by the edge of the sword, and will be led captive into all the nations. Jerusalem will be trampled down by the Gentiles, until the times of the Gentiles are fulfilled. 21:25 There will be signs in the sun, moon, and stars; and on the earth anxiety of nations, in perplexity for the roaring of the sea and the waves; 21:26 men fainting for fear, and for expectation of the things which are coming on the world: for the powers of the heavens will be shaken. 21:27 Then they will see the Son of Man coming in a cloud with power and great glory. 21:28 But when these things begin to happen, look up, and lift up your heads, because your redemption is near.”

21:29 He told them a parable. “See the fig tree, and all the trees. 21:30 When they are already budding, you see it and know by your own selves that the summer is already near. 21:31 Even so you also, when you see these things happening, know that the Kingdom of God is near. 21:32 Most certainly I tell you, this generation will not pass away until all things are accomplished. 21:33 Heaven and earth will pass away, but my words will by no means pass away.

21:34 “So be careful, or your hearts will be loaded down with carousing, drunkenness, and cares of this life, and that day will come on you suddenly. 21:35 For it will come like a snare on all those who dwell on the surface of all the earth. 21:36 Therefore be watchful all the time, praying that you may be counted worthy to escape all these things that will happen, and to stand before the Son of Man.”

21:37 Every day Jesus was teaching in the temple, and every night he would go out and spend the night on the mountain that is called Olivet. 21:38 All the people came early in the morning to him in the temple to hear him.


 

Chapitre 21
1 Jésus, ayant levé les yeux, vit les riches qui mettaient leurs offrandes dans le tronc. 2 Il vit aussi une pauvre veuve, qui y mettait deux petites pièces. 3 Et il dit: Je vous le dis en vérité, cette pauvre veuve a mis plus que tous les autres; 4 car c'est de leur superflu que tous ceux-là ont mis des offrandes dans le tronc, mais elle a mis de son nécessaire, tout ce qu'elle avait pour vivre. 5 Comme quelques-uns parlaient des belles pierres et des offrandes qui faisaient l'ornement du temple, Jésus dit: 6 Les jours viendront où, de ce que vous voyez, il ne restera pas pierre sur pierre qui ne soit renversée. 7 Ils lui demandèrent: Maître, quand donc cela arrivera-t-il, et à quel signe connaîtra-t-on que ces choses vont arriver? 8 Jésus répondit: Prenez garde que vous ne soyez séduits. Car plusieurs viendront en mon nom, disant: C'est moi, et le temps approche. Ne les suivez pas. 9 Quand vous entendrez parler de guerres et de soulèvements, ne soyez pas effrayés, car il faut que ces choses arrivent premièrement. Mais ce ne sera pas encore la fin. 10 Alors il leur dit: Une nation s'élèvera contre une nation, et un royaume contre un royaume; 11 il y aura de grands tremblements de terre, et, en divers lieux, des pestes et des famines; il y aura des phénomènes terribles, et de grands signes dans le ciel. 12 Mais, avant tout cela, on mettra la main sur vous, et l'on vous persécutera; on vous livrera aux synagogues, on vous jettera en prison, on vous mènera devant des rois et devant des gouverneurs, à cause de mon nom. 13 Cela vous arrivera pour que vous serviez de témoignage. 14 Mettez-vous donc dans l'esprit de ne pas préméditer votre défense; 15 car je vous donnerai une bouche et une sagesse à laquelle tous vos adversaires ne pourront résister ou contredire. 16 Vous serez livrés même par vos parents, par vos frères, par vos proches et par vos amis, et ils feront mourir plusieurs d'entre vous. 17 Vous serez haïs de tous, à cause de mon nom. 18 Mais il ne se perdra pas un cheveu de votre tête; 19 par votre persévérance vous sauverez vos âmes. 20 Lorsque vous verrez Jérusalem investie par des armées, sachez alors que sa désolation est proche. 21 Alors, que ceux qui seront en Judée fuient dans les montagnes, que ceux qui seront au milieu de Jérusalem en sortent, et que ceux qui seront dans les champs n'entrent pas dans la ville. 22 Car ce seront des jours de vengeance, pour l'accomplissement de tout ce qui est écrit. 23 Malheur aux femmes qui seront enceintes et à celles qui allaiteront en ces jours-là! Car il y aura une grande détresse dans le pays, et de la colère contre ce peuple. 24 Ils tomberont sous le tranchant de l'épée, ils seront emmenés captifs parmi toutes les nations, et Jérusalem sera foulée aux pieds par les nations, jusqu'à ce que les temps des nations soient accomplis. 25 Il y aura des signes dans le soleil, dans la lune et dans les étoiles. Et sur la terre, il y aura de l'angoisse chez les nations qui ne sauront que faire, au bruit de la mer et des flots, 26 les hommes rendant l'âme de terreur dans l'attente de ce qui surviendra pour la terre; car les puissances des cieux seront ébranlées. 27 Alors on verra le Fils de l'homme venant sur une nuée avec puissance et une grande gloire. 28 Quand ces choses commenceront à arriver, redressez-vous et levez vos têtes, parce que votre délivrance approche. 29 Et il leur dit une comparaison: Voyez le figuier, et tous les arbres. 30 Dès qu'ils ont poussé, vous connaissez de vous-mêmes, en regardant, que déjà l'été est proche. 31 De même, quand vous verrez ces choses arriver, sachez que le royaume de Dieu est proche. 32 Je vous le dis en vérité, cette génération ne passera point, que tout cela n'arrive. 33 Le ciel et la terre passeront, mais mes paroles ne passeront point. 34 Prenez garde à vous-mêmes, de crainte que vos coeurs ne s'appesantissent par les excès du manger et du boire, et par les soucis de la vie, et que ce jour ne vienne sur vous à l'improviste; 35 car il viendra comme un filet sur tous ceux qui habitent sur la face de toute la terre. 36 Veillez donc et priez en tout temps, afin que vous ayez la force d'échapper à toutes ces choses qui arriveront, et de paraître debout devant le Fils de l'homme. 37 Pendant le jour, Jésus enseignait dans le temple, et il allait passer la nuit à la montagne appelée montagne des oliviers. 38 Et tout le peuple, dès le matin, se rendait vers lui dans le temple pour l'écouter.