T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 17

1 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan'izay olona mahatonga izany!

2 Aleo anantonana vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.[*Na: ahodim-boriky]

3 Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.

4 Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.

5 Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.

6 Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.

7 Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?

8 Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?

9 Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?

10 Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.

11 Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'i* Samaria sy Galilia.[*Na: Teny anelanelan'i]

12 Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.

13 Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.

14 Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.

15 Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery

16 sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.

17 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?

18 Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?

19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.

20 Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra.

21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo]

22 Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita ianareo.

23 Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.

24 Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny,

25 Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity.

26 Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona:

27 nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.

28 Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;

29 fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.

30 Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.

31 Amin'izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay efa nilaozany izy.

32 Tsarovy ny vadin'i Lota.

33 Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.

34 Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

35 Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

36 * [* Ampio hoe: Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela]

37 Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran'ny faty, dia any koa no hiangonan'ny voromahery.


 

17:1 He said to the disciples, “It is impossible that no occasions of stumbling should come, but woe to him through whom they come! 17:2 It would be better for him if a millstone were hung around his neck, and he were thrown into the sea, rather than that he should cause one of these little ones to stumble. 17:3 Be careful. If your brother sins against you, rebuke him. If he repents, forgive him. 17:4 If he sins against you seven times in the day, and seven times returns, saying, ‘I repent,’ you shall forgive him.”

17:5 The apostles said to the Lord, “Increase our faith.”

17:6 The Lord said, “If you had faith like a grain of mustard seed, you would tell this sycamore tree, ‘Be uprooted, and be planted in the sea,’ and it would obey you. 17:7 But who is there among you, having a servant plowing or keeping sheep, that will say, when he comes in from the field, ‘Come immediately and sit down at the table,’ 17:8 and will not rather tell him, ‘Prepare my supper, clothe yourself properly, and serve me, while I eat and drink. Afterward you shall eat and drink’? 17:9 Does he thank that servant because he did the things that were commanded? I think not. 17:10 Even so you also, when you have done all the things that are commanded you, say, ‘We are unworthy servants. We have done our duty.’”

17:11 It happened as he was on his way to Jerusalem, that he was passing along the borders of Samaria and Galilee. 17:12 As he entered into a certain village, ten men who were lepers met him, who stood at a distance. 17:13 They lifted up their voices, saying, “Jesus, Master, have mercy on us!”

17:14 When he saw them, he said to them, “Go and show yourselves to the priests.” It happened that as they went, they were cleansed. 17:15 One of them, when he saw that he was healed, turned back, glorifying God with a loud voice. 17:16 He fell on his face at Jesus’ feet, giving him thanks; and he was a Samaritan. 17:17 Jesus answered, “Weren’t the ten cleansed? But where are the nine? 17:18 Were there none found who returned to give glory to God, except this stranger?” 17:19 Then he said to him, “Get up, and go your way. Your faith has healed you.”

17:20 Being asked by the Pharisees when the Kingdom of God would come, he answered them, “The Kingdom of God doesn’t come with observation; 17:21 neither will they say, ‘Look, here!’ or, ‘Look, there!’ for behold, the Kingdom of God is within you.”

17:22 He said to the disciples, “The days will come, when you will desire to see one of the days of the Son of Man, and you will not see it. 17:23 They will tell you, ‘Look, here!’ or ‘Look, there!’ Don’t go away, nor follow after them, 17:24 for as the lightning, when it flashes out of the one part under the sky, shines to the other part under the sky; so will the Son of Man be in his day. 17:25 But first, he must suffer many things and be rejected by this generation. 17:26 As it happened in the days of Noah, even so will it be also in the days of the Son of Man. 17:27 They ate, they drank, they married, they were given in marriage, until the day that Noah entered into the ship, and the flood came, and destroyed them all. 17:28 Likewise, even as it happened in the days of Lot: they ate, they drank, they bought, they sold, they planted, they built; 17:29 but in the day that Lot went out from Sodom, it rained fire and sulfur from the sky, and destroyed them all. 17:30 It will be the same way in the day that the Son of Man is revealed. 17:31 In that day, he who will be on the housetop, and his goods in the house, let him not go down to take them away. Let him who is in the field likewise not turn back. 17:32 Remember Lot’s wife! 17:33 Whoever seeks to save his life loses it, but whoever loses his life preserves it. 17:34 I tell you, in that night there will be two people in one bed. The one will be taken, and the other will be left. 17:35 There will be two grinding grain together. One will be taken, and the other will be left.” 17:36 *

17:37 They, answering, asked him, “Where, Lord?”

He said to them, “Where the body is, there will the vultures also be gathered together.”


 

Chapitre 17
1 Jésus dit à ses disciples: Il est impossible qu'il n'arrive pas des scandales; mais malheur à celui par qui ils arrivent! 2 Il vaudrait mieux pour lui qu'on mît à son cou une pierre de moulin et qu'on le jetât dans la mer, que s'il scandalisait un de ces petits. 3 Prenez garde à vous-mêmes. Si ton frère a péché, reprends-le; et, s'il se repent, pardonne-lui. 4 Et s'il a péché contre toi sept fois dans un jour et que sept fois il revienne à toi, disant: Je me repens, -tu lui pardonneras. 5 Les apôtres dirent au Seigneur: Augmente-nous la foi. 6 Et le Seigneur dit: Si vous aviez de la foi comme un grain de sénevé, vous diriez à ce sycomore: Déracine-toi, et plante-toi dans la mer; et il vous obéirait. 7 Qui de vous, ayant un serviteur qui laboure ou paît les troupeaux, lui dira, quand il revient des champs: Approche vite, et mets-toi à table? 8 Ne lui dira-t-il pas au contraire: Prépare-moi à souper, ceins-toi, et sers-moi, jusqu'à ce que j'aie mangé et bu; après cela, toi, tu mangeras et boiras? 9 Doit-il de la reconnaissance à ce serviteur parce qu'il a fait ce qui lui était ordonné? 10 Vous de même, quand vous avez fait tout ce qui vous a été ordonné, dites: Nous sommes des serviteurs inutiles, nous avons fait ce que nous devions faire. 11 Jésus, se rendant à Jérusalem, passait entre la Samarie et la Galilée. 12 Comme il entrait dans un village, dix lépreux vinrent à sa rencontre. Se tenant à distance, 13 (17:12) ils élevèrent la voix, et dirent: (17:13) Jésus, maître, aie pitié de nous! 14 Dès qu'il les eut vus, il leur dit: Allez vous montrer aux sacrificateurs. Et, pendant qu'ils y allaient, il arriva qu'ils furent guéris. 15 L'un d'eux, se voyant guéri, revint sur ses pas, glorifiant Dieu à haute voix. 16 Il tomba sur sa face aux pieds de Jésus, et lui rendit grâces. C'était un Samaritain. 17 Jésus, prenant la parole, dit: Les dix n'ont-ils pas été guéris? Et les neuf autres, où sont-ils? 18 Ne s'est-il trouvé que cet étranger pour revenir et donner gloire à Dieu? 19 Puis il lui dit: Lève-toi, va; ta foi t'a sauvé. 20 Les pharisiens demandèrent à Jésus quand viendrait le royaume de Dieu. Il leur répondit: Le royaume de Dieu ne vient pas de manière à frapper les regards. 21 On ne dira point: Il est ici, ou: Il est là. Car voici, le royaume de Dieu est au milieu de vous. 22 Et il dit aux disciples: Des jours viendront où vous désirerez voir l'un des jours du Fils de l'homme, et vous ne le verrez point. 23 On vous dira: Il est ici, il est là. N'y allez pas, ne courez pas après. 24 Car, comme l'éclair resplendit et brille d'une extrémité du ciel à l'autre, ainsi sera le Fils de l'homme en son jour. 25 Mais il faut auparavant qu'il souffre beaucoup, et qu'il soit rejeté par cette génération. 26 Ce qui arriva du temps de Noé arrivera de même aux jours du Fils de l'homme. 27 Les hommes mangeaient, buvaient, se mariaient et mariaient leurs enfants, jusqu'au jour où Noé entra dans l'arche; le déluge vint, et les fit tous périr. 28 Ce qui arriva du temps de Lot arrivera pareillement. Les hommes mangeaient, buvaient, achetaient, vendaient, plantaient, bâtissaient; 29 mais le jour où Lot sortit de Sodome, une pluie de feu et de soufre tomba du ciel, et les fit tous périr. 30 Il en sera de même le jour où le Fils de l'homme paraîtra. 31 En ce jour-là, que celui qui sera sur le toit, et qui aura ses effets dans la maison, ne descende pas pour les prendre; et que celui qui sera dans les champs ne retourne pas non plus en arrière. 32 Souvenez-vous de la femme de Lot. 33 Celui qui cherchera à sauver sa vie la perdra, et celui qui la perdra la retrouvera. 34 Je vous le dis, en cette nuit-là, de deux personnes qui seront dans un même lit, l'une sera prise et l'autre laissée; 35 de deux femmes qui moudront ensemble, l'une sera prise et l'autre laissée. 36 De deux hommes qui seront dans un champ, l'un sera pris et l'autre laissé. 37 Les disciples lui dirent: Où sera-ce, Seigneur? Et il répondit: Où sera le corps, là s'assembleront les aigles.