T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 16

1 Ary hoy koa Jesosy tamin'ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany.

2 Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.

3 Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.

4 Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin'ny fitandremana ny fananana aho.

5 Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?

6 Ary hoy io: Diloilo injaton'ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty. [*Gr. bata]

7 Dia hoy izy tamin'ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton'ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.[*Gr. kora]

8 Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava.

9 Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.

10 Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be.

11 Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena?

12 Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?

13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.

14 Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an'i Jesosy.

15 Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra.

16 Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.

17 Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna.

18 Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.

19 Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana.

20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;

21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy* ka nilelaka ny feriny.[*Na: ary ny alika koa dia avy]

22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;

23 ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy]

24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.

25 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana.

26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.

27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko

28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin'ity fijaliana ity koa izy.

29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.

30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.

31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.


 

16:1 He also said to his disciples, “There was a certain rich man who had a manager. An accusation was made to him that this man was wasting his possessions. 16:2 He called him, and said to him, ‘What is this that I hear about you? Give an accounting of your management, for you can no longer be manager.’

16:3 “The manager said within himself, ‘What will I do, seeing that my lord is taking away the management position from me? I don’t have strength to dig. I am ashamed to beg. 16:4 I know what I will do, so that when I am removed from management, they may receive me into their houses.’ 16:5 Calling each one of his lord’s debtors to him, he said to the first, ‘How much do you owe to my lord?’ 16:6 He said, ‘A hundred batos of oil.’ He said to him, ‘Take your bill, and sit down quickly and write fifty.’ 16:7 Then he said to another, ‘How much do you owe?’ He said, ‘A hundred cors of wheat.’ He said to him, ‘Take your bill, and write eighty.’

16:8 “His lord commended the dishonest manager because he had done wisely, for the children of this world are, in their own generation, wiser than the children of the light. 16:9 I tell you, make for yourselves friends by means of unrighteous mammon, so that when you fail, they may receive you into the eternal tents. 16:10 He who is faithful in a very little is faithful also in much. He who is dishonest in a very little is also dishonest in much. 16:11 If therefore you have not been faithful in the unrighteous mammon, who will commit to your trust the true riches? 16:12 If you have not been faithful in that which is another’s, who will give you that which is your own? 16:13 No servant can serve two masters, for either he will hate the one, and love the other; or else he will hold to one, and despise the other. You aren’t able to serve God and mammon.”

16:14 The Pharisees, who were lovers of money, also heard all these things, and they scoffed at him. 16:15 He said to them, “You are those who justify yourselves in the sight of men, but God knows your hearts. For that which is exalted among men is an abomination in the sight of God. 16:16 The law and the prophets were until John. From that time the Good News of the Kingdom of God is preached, and everyone is forcing his way into it. 16:17 But it is easier for heaven and earth to pass away, than for one tiny stroke of a pen in the law to fall. 16:18 Everyone who divorces his wife, and marries another, commits adultery. He who marries one who is divorced from a husband commits adultery.

16:19 “Now there was a certain rich man, and he was clothed in purple and fine linen, living in luxury every day. 16:20 A certain beggar, named Lazarus, was laid at his gate, full of sores, 16:21 and desiring to be fed with the crumbs that fell from the rich man’s table. Yes, even the dogs came and licked his sores. 16:22 It happened that the beggar died, and that he was carried away by the angels to Abraham’s bosom. The rich man also died, and was buried. 16:23 In Hades, he lifted up his eyes, being in torment, and saw Abraham far off, and Lazarus at his bosom. 16:24 He cried and said, ‘Father Abraham, have mercy on me, and send Lazarus, that he may dip the tip of his finger in water, and cool my tongue! For I am in anguish in this flame.’

16:25 “But Abraham said, ‘Son, remember that you, in your lifetime, received your good things, and Lazarus, in the same way, bad things. But now here he is comforted and you are in anguish. 16:26 Besides all this, between us and you there is a great gulf fixed, that those who want to pass from here to you are not able, and that none may cross over from there to us.’

16:27 “He said, ‘I ask you therefore, father, that you would send him to my father’s house; 16:28 for I have five brothers, that he may testify to them, so they won’t also come into this place of torment.’

16:29 “But Abraham said to him, ‘They have Moses and the prophets. Let them listen to them.’

16:30 “He said, ‘No, father Abraham, but if one goes to them from the dead, they will repent.’

16:31 “He said to him, ‘If they don’t listen to Moses and the prophets, neither will they be persuaded if one rises from the dead.’”


 

Chapitre 16 
1 Jésus dit aussi à ses disciples: Un homme riche avait un économe, qui lui fut dénoncé comme dissipant ses biens. 2 Il l'appela, et lui dit: Qu'est-ce que j'entends dire de toi? Rends compte de ton administration, car tu ne pourras plus administrer mes biens. 3 L'économe dit en lui-même: Que ferai-je, puisque mon maître m'ôte l'administration de ses biens? Travailler à la terre? je ne le puis. Mendier? j'en ai honte. 4 Je sais ce que je ferai, pour qu'il y ait des gens qui me reçoivent dans leurs maisons quand je serai destitué de mon emploi. 5 Et, faisant venir chacun des débiteurs de son maître, il dit au premier: Combien dois-tu à mon maître? 6 Cent mesures d'huile, répondit-il. Et il lui dit: Prends ton billet, assieds-toi vite, et écris cinquante. 7 Il dit ensuite à un autre: Et toi, combien dois-tu? Cent mesures de blé, répondit-il. Et il lui dit: Prends ton billet, et écris quatre-vingts. 8 Le maître loua l'économe infidèle de ce qu'il avait agi prudemment. Car les enfants de ce siècle sont plus prudents à l'égard de leurs semblables que ne le sont les enfants de lumière. 9 Et moi, je vous dis: Faites-vous des amis avec les richesses injustes, pour qu'ils vous reçoivent dans les tabernacles éternels, quand elles viendront à vous manquer. 10 Celui qui est fidèle dans les moindres choses l'est aussi dans les grandes, et celui qui est injuste dans les moindres choses l'est aussi dans les grandes. 11 Si donc vous n'avez pas été fidèles dans les richesses injustes, qui vous confiera les véritables? 12 Et si vous n'avez pas été fidèles dans ce qui est à autrui, qui vous donnera ce qui est à vous? 13 Nul serviteur ne peut servir deux maîtres. Car, ou il haïra l'un et aimera l'autre; ou il s'attachera à l'un et méprisera l'autre. Vous ne pouvez servir Dieu et Mamon. 14 Les pharisiens, qui étaient avares, écoutaient aussi tout cela, et ils se moquaient de lui. 15 Jésus leur dit: Vous, vous cherchez à paraître justes devant les hommes, mais Dieu connaît vos coeurs; car ce qui est élevé parmi les hommes est une abomination devant Dieu. 16 La loi et les prophètes ont subsisté jusqu'à Jean; depuis lors, le royaume de Dieu est annoncé, et chacun use de violence pour y entrer. 17 Il est plus facile que le ciel et la terre passent, qu'il ne l'est qu'un seul trait de lettre de la loi vienne à tomber. 18 Quiconque répudie sa femme et en épouse une autre commet un adultère, et quiconque épouse une femme répudiée par son mari commet un adultère. 19 Il y avait un homme riche, qui était vêtu de pourpre et de fin lin, et qui chaque jour menait joyeuse et brillante vie. 20 Un pauvre, nommé Lazare, était couché à sa porte, couvert d'ulcères, 21 et désireux de se rassasier des miettes qui tombaient de la table du riche; et même les chiens venaient encore lécher ses ulcères. 22 Le pauvre mourut, et il fut porté par les anges dans le sein d'Abraham. Le riche mourut aussi, et il fut enseveli. 23 Dans le séjour des morts, il leva les yeux; et, tandis qu'il était en proie aux tourments, il vit de loin Abraham, et Lazare dans son sein. 24 Il s'écria: Père Abraham, aie pitié de moi, et envoie Lazare, pour qu'il trempe le bout de son doigt dans l'eau et me rafraîchisse la langue; car je souffre cruellement dans cette flamme. 25 Abraham répondit: Mon enfant, souviens-toi que tu as reçu tes biens pendant ta vie, et que Lazare a eu les maux pendant la sienne; maintenant il est ici consolé, et toi, tu souffres. 26 D'ailleurs, il y a entre nous et vous un grand abîme, afin que ceux qui voudraient passer d'ici vers vous, ou de là vers nous, ne puissent le faire. 27 Le riche dit: Je te prie donc, père Abraham, d'envoyer Lazare dans la maison de mon père; 28 (16:27) car j'ai cinq frères. (16:28) C'est pour qu'il leur atteste ces choses, afin qu'ils ne viennent pas aussi dans ce lieu de tourments. 29 Abraham répondit: Ils ont Moïse et les prophètes; qu'ils les écoutent. 30 Et il dit: Non, père Abraham, mais si quelqu'un des morts va vers eux, ils se repentiront. 31 Et Abraham lui dit: S'ils n'écoutent pas Moïse et les prophètes, ils ne se laisseront pas persuader quand même quelqu'un des morts ressusciterait.