T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 15

1 Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy.

2 Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.

3 Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe:

4 Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?

5 ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;

6 ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.

7 Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.

 

8 Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely* folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?[*Gr.drakma]

9 Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely* izay very.[*Gr. drakma]

10 Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka.

11 Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy.

12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany.

13 Ary nony afaka kelikely, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany.

14 Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka nahantra izy.

15 Dia nandeha izy ka niankina tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.

16 Ary satriny hameno ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.

17 Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!

18 Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho

19 ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho.

20 Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.

21 Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony.

22 Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;

23 ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;

24 fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.

25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.

26 Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany.

27 Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.

28 Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.

29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako;

30 fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao.

31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.

32 Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.


 

15:1 Now all the tax collectors and sinners were coming close to him to hear him. 15:2 The Pharisees and the scribes murmured, saying, “This man welcomes sinners, and eats with them.”

15:3 He told them this parable. 15:4 “Which of you men, if you had one hundred sheep, and lost one of them, wouldn’t leave the ninety-nine in the wilderness, and go after the one that was lost, until he found it? 15:5 When he has found it, he carries it on his shoulders, rejoicing. 15:6 When he comes home, he calls together his friends and his neighbors, saying to them, ‘Rejoice with me, for I have found my sheep which was lost!’ 15:7 I tell you that even so there will be more joy in heaven over one sinner who repents, than over ninety-nine righteous people who need no repentance. 15:8 Or what woman, if she had ten drachma coins, if she lost one drachma coin, wouldn’t light a lamp, sweep the house, and seek diligently until she found it? 15:9 When she has found it, she calls together her friends and neighbors, saying, ‘Rejoice with me, for I have found the drachma which I had lost.’ 15:10 Even so, I tell you, there is joy in the presence of the angels of God over one sinner repenting.”

15:11 He said, “A certain man had two sons. 15:12 The younger of them said to his father, ‘Father, give me my share of your property.’ He divided his livelihood between them. 15:13 Not many days after, the younger son gathered all of this together and traveled into a far country. There he wasted his property with riotous living. 15:14 When he had spent all of it, there arose a severe famine in that country, and he began to be in need. 15:15 He went and joined himself to one of the citizens of that country, and he sent him into his fields to feed pigs. 15:16 He wanted to fill his belly with the husks that the pigs ate, but no one gave him any. 15:17 But when he came to himself he said, ‘How many hired servants of my father’s have bread enough to spare, and I’m dying with hunger! 15:18 I will get up and go to my father, and will tell him, “Father, I have sinned against heaven, and in your sight. 15:19 I am no more worthy to be called your son. Make me as one of your hired servants.”’

15:20 “He arose, and came to his father. But while he was still far off, his father saw him, and was moved with compassion, and ran, and fell on his neck, and kissed him. 15:21 The son said to him, ‘Father, I have sinned against heaven, and in your sight. I am no longer worthy to be called your son.’

15:22 “But the father said to his servants, ‘Bring out the best robe, and put it on him. Put a ring on his hand, and shoes on his feet. 15:23 Bring the fattened calf, kill it, and let us eat, and celebrate; 15:24 for this, my son, was dead, and is alive again. He was lost, and is found.’ They began to celebrate.

15:25 “Now his elder son was in the field. As he came near to the house, he heard music and dancing. 15:26 He called one of the servants to him, and asked what was going on. 15:27 He said to him, ‘Your brother has come, and your father has killed the fattened calf, because he has received him back safe and healthy.’ 15:28 But he was angry, and would not go in. Therefore his father came out, and begged him. 15:29 But he answered his father, ‘Behold, these many years I have served you, and I never disobeyed a commandment of yours, but you never gave me a goat, that I might celebrate with my friends. 15:30 But when this, your son, came, who has devoured your living with prostitutes, you killed the fattened calf for him.’

15:31 “He said to him, ‘Son, you are always with me, and all that is mine is yours. 15:32 But it was appropriate to celebrate and be glad, for this, your brother, was dead, and is alive again. He was lost, and is found.’”


 

Chapitre 15 
1 Tous les publicains et les gens de mauvaise vie s'approchaient de Jésus pour l'entendre. 2 Et les pharisiens et les scribes murmuraient, disant: Cet homme accueille des gens de mauvaise vie, et mange avec eux. 3 Mais il leur dit cette parabole: 4 Quel homme d'entre vous, s'il a cent brebis, et qu'il en perde une, ne laisse les quatre-vingt-dix-neuf autres dans le désert pour aller après celle qui est perdue, jusqu'à ce qu'il la retrouve? 5 Lorsqu'il l'a retrouvée, il la met avec joie sur ses épaules, 6 et, de retour à la maison, il appelle ses amis et ses voisins, et leur dit: Réjouissez-vous avec moi, car j'ai retrouvé ma brebis qui était perdue. 7 De même, je vous le dis, il y aura plus de joie dans le ciel pour un seul pécheur qui se repent, que pour quatre-vingt-dix-neuf justes qui n'ont pas besoin de repentance. 8 Ou quelle femme, si elle a dix drachmes, et qu'elle en perde une, n'allume une lampe, ne balaie la maison, et ne cherche avec soin, jusqu'à ce qu'elle la retrouve? 9 Lorsqu'elle l'a retrouvée, elle appelle ses amies et ses voisines, et dit: Réjouissez-vous avec moi, car j'ai retrouvé la drachme que j'avais perdue. 10 De même, je vous le dis, il y a de la joie devant les anges de Dieu pour un seul pécheur qui se repent. 11 Il dit encore: Un homme avait deux fils. 12 Le plus jeune dit à son père: Mon père, donne-moi la part de bien qui doit me revenir. Et le père leur partagea son bien. 13 Peu de jours après, le plus jeune fils, ayant tout ramassé, partit pour un pays éloigné, où il dissipa son bien en vivant dans la débauche. 14 Lorsqu'il eut tout dépensé, une grande famine survint dans ce pays, et il commença à se trouver dans le besoin. 15 Il alla se mettre au service d'un des habitants du pays, qui l'envoya dans ses champs garder les pourceaux. 16 Il aurait bien voulu se rassasier des carouges que mangeaient les pourceaux, mais personne ne lui en donnait. 17 Étant rentré en lui-même, il se dit: Combien de mercenaires chez mon père ont du pain en abondance, et moi, ici, je meurs de faim! 18 Je me lèverai, j'irai vers mon père, et je lui dirai: Mon père, j'ai péché contre le ciel et contre toi, 19 je ne suis plus digne d'être appelé ton fils; traite-moi comme l'un de tes mercenaires. 20 Et il se leva, et alla vers son père. Comme il était encore loin, son père le vit et fut ému de compassion, il courut se jeter à son cou et le baisa. 21 Le fils lui dit: Mon père, j'ai péché contre le ciel et contre toi, je ne suis plus digne d'être appelé ton fils. 22 Mais le père dit à ses serviteurs: Apportez vite la plus belle robe, et l'en revêtez; mettez-lui un anneau au doigt, et des souliers aux pieds. 23 Amenez le veau gras, et tuez-le. Mangeons et réjouissons-nous; 24 car mon fils que voici était mort, et il est revenu à la vie; il était perdu, et il est retrouvé. Et ils commencèrent à se réjouir. 25 Or, le fils aîné était dans les champs. Lorsqu'il revint et approcha de la maison, il entendit la musique et les danses. 26 Il appela un des serviteurs, et lui demanda ce que c'était. 27 Ce serviteur lui dit: Ton frère est de retour, et, parce qu'il l'a retrouvé en bonne santé, ton père a tué le veau gras. 28 Il se mit en colère, et ne voulut pas entrer. Son père sortit, et le pria d'entrer. 29 Mais il répondit à son père: Voici, il y a tant d'années que je te sers, sans avoir jamais transgressé tes ordres, et jamais tu ne m'as donné un chevreau pour que je me réjouisse avec mes amis. 30 Et quand ton fils est arrivé, celui qui a mangé ton bien avec des prostituées, c'est pour lui que tu as tué le veau gras! 31 Mon enfant, lui dit le père, tu es toujours avec moi, et tout ce que j'ai est à toi; 32 mais il fallait bien s'égayer et se réjouir, parce que ton frère que voici était mort et qu'il est revenu à la vie, parce qu'il était perdu et qu'il est retrouvé.