T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 14

1 Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon'ny loholona anankiray amin'ny Fariseo Izy tamin'ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.

2 Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.

3 Ary Jesosy namaly ka nanao tamin'ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata, sa tsia?

4 Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.

5 Ary Izy nanao tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin'izay na dia amin'ny andro Sabata aza?

6 Ary tsy nahavaly ny amin'izany zavatra izany izy.

7 Ary Jesosy nanao fanoharana tamin'izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:

8 Raha misy maka anao ho any amin'ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin'ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,

9 ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin'ny fitoerana aoriana indrindra.

10 Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin'ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason'izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.

11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.

 

12 Ary hoy Jesosy tamin'ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin'ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.

13 Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;

14 dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin'ny fitsanganan'ny marina.

15 Ary ny anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

16 Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.

17 Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.

18 Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.

19 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.

20 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany.

21 Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.

22 Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.

23 Ary hoy ny tompo tamin'ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.

24 Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.

 

25 Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:

26 Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.

27 Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.

28 Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?

29 fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita

30 ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.

31 Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin'ny iray alina izy, na tsia?

32 Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.

33 Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.

34 Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?

35 Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian'ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.


 

14:1 It happened, when he went into the house of one of the rulers of the Pharisees on a Sabbath to eat bread, that they were watching him. 14:2 Behold, a certain man who had dropsy was in front of him. 14:3 Jesus, answering, spoke to the lawyers and Pharisees, saying, “Is it lawful to heal on the Sabbath?”

14:4 But they were silent.

He took him, and healed him, and let him go. 14:5 He answered them, “Which of you, if your son or an ox fell into a well, wouldn’t immediately pull him out on a Sabbath day?”

14:6 They couldn’t answer him regarding these things.

14:7 He spoke a parable to those who were invited, when he noticed how they chose the best seats, and said to them, 14:8 “When you are invited by anyone to a marriage feast, don’t sit in the best seat, since perhaps someone more honorable than you might be invited by him, 14:9 and he who invited both of you would come and tell you, ‘Make room for this person.’ Then you would begin, with shame, to take the lowest place. 14:10 But when you are invited, go and sit in the lowest place, so that when he who invited you comes, he may tell you, ‘Friend, move up higher.’ Then you will be honored in the presence of all who sit at the table with you. 14:11 For everyone who exalts himself will be humbled, and whoever humbles himself will be exalted.”

14:12 He also said to the one who had invited him, “When you make a dinner or a supper, don’t call your friends, nor your brothers, nor your kinsmen, nor rich neighbors, or perhaps they might also return the favor, and pay you back. 14:13 But when you make a feast, ask the poor, the maimed, the lame, or the blind; 14:14 and you will be blessed, because they don’t have the resources to repay you. For you will be repaid in the resurrection of the righteous.”

14:15 When one of those who sat at the table with him heard these things, he said to him, “Blessed is he who will feast in the Kingdom of God!”

14:16 But he said to him, “A certain man made a great supper, and he invited many people. 14:17 He sent out his servant at supper time to tell those who were invited, ‘Come, for everything is ready now.’ 14:18 They all as one began to make excuses.

“The first said to him, ‘I have bought a field, and I must go and see it. Please have me excused.’

14:19 “Another said, ‘I have bought five yoke of oxen, and I must go try them out. Please have me excused.’

14:20 “Another said, ‘I have married a wife, and therefore I can’t come.’

14:21 “That servant came, and told his lord these things. Then the master of the house, being angry, said to his servant, ‘Go out quickly into the streets and lanes of the city, and bring in the poor, maimed, blind, and lame.’

14:22 “The servant said, ‘Lord, it is done as you commanded, and there is still room.’

14:23 “The lord said to the servant, ‘Go out into the highways and hedges, and compel them to come in, that my house may be filled. 14:24 For I tell you that none of those men who were invited will taste of my supper.’”

14:25 Now great multitudes were going with him. He turned and said to them, 14:26 “If anyone comes to me, and doesn’t disregard his own father, mother, wife, children, brothers, and sisters, yes, and his own life also, he can’t be my disciple. 14:27 Whoever doesn’t bear his own cross, and come after me, can’t be my disciple. 14:28 For which of you, desiring to build a tower, doesn’t first sit down and count the cost, to see if he has enough to complete it? 14:29 Or perhaps, when he has laid a foundation, and is not able to finish, everyone who sees begins to mock him, 14:30 saying, ‘This man began to build, and wasn’t able to finish.’ 14:31 Or what king, as he goes to encounter another king in war, will not sit down first and consider whether he is able with ten thousand to meet him who comes against him with twenty thousand? 14:32 Or else, while the other is yet a great way off, he sends an envoy, and asks for conditions of peace. 14:33 So therefore whoever of you who doesn’t renounce all that he has, he can’t be my disciple. 14:34 Salt is good, but if the salt becomes flat and tasteless, with what do you season it? 14:35 It is fit neither for the soil nor for the manure pile. It is thrown out. He who has ears to hear, let him hear.”


 

Chapitre 14 
1 Jésus étant entré, un jour de sabbat, dans la maison de l'un des chefs des pharisiens, pour prendre un repas, les pharisiens l'observaient. 2 Et voici, un homme hydropique était devant lui. 3 Jésus prit la parole, et dit aux docteurs de la loi et aux pharisiens: Est-il permis, ou non, de faire une guérison le jour du sabbat? 4 Ils gardèrent le silence. Alors Jésus avança la main sur cet homme, le guérit, et le renvoya. 5 Puis il leur dit: Lequel de vous, si son fils ou son boeuf tombe dans un puits, ne l'en retirera pas aussitôt, le jour du sabbat? 6 Et ils ne purent rien répondre à cela. 7 Il adressa ensuite une parabole aux conviés, en voyant qu'ils choisissaient les premières places; et il leur dit: 8 Lorsque tu seras invité par quelqu'un à des noces, ne te mets pas à la première place, de peur qu'il n'y ait parmi les invités une personne plus considérable que toi, 9 et que celui qui vous a invités l'un et l'autre ne vienne te dire: Cède la place à cette personne-là. Tu aurais alors la honte d'aller occuper la dernière place. 10 Mais, lorsque tu seras invité, va te mettre à la dernière place, afin que, quand celui qui t'a invité viendra, il te dise: Mon ami, monte plus haut. Alors cela te fera honneur devant tous ceux qui seront à table avec toi. 11 Car quiconque s'élève sera abaissé, et quiconque s'abaisse sera élevé. 12 Il dit aussi à celui qui l'avait invité: Lorsque tu donnes à dîner ou à souper, n'invite pas tes amis, ni tes frères, ni tes parents, ni des voisins riches, de peur qu'ils ne t'invitent à leur tour et qu'on ne te rende la pareille. 13 Mais, lorsque tu donnes un festin, invite des pauvres, des estropiés, des boiteux, des aveugles. 14 Et tu seras heureux de ce qu'ils ne peuvent pas te rendre la pareille; car elle te sera rendue à la résurrection des justes. 15 Un de ceux qui étaient à table, après avoir entendu ces paroles, dit à Jésus: Heureux celui qui prendra son repas dans le royaume de Dieu! 16 Et Jésus lui répondit: Un homme donna un grand souper, et il invita beaucoup de gens. 17 A l'heure du souper, il envoya son serviteur dire aux conviés: Venez, car tout est déjà prêt. 18 Mais tous unanimement se mirent à s'excuser. Le premier lui dit: J'ai acheté un champ, et je suis obligé d'aller le voir; excuse-moi, je te prie. 19 Un autre dit: J'ai acheté cinq paires de boeufs, et je vais les essayer; excuse-moi, je te prie. 20 Un autre dit: Je viens de me marier, et c'est pourquoi je ne puis aller. 21 Le serviteur, de retour, rapporta ces choses à son maître. Alors le maître de la maison irrité dit à son serviteur: Va promptement dans les places et dans les rues de la ville, et amène ici les pauvres, les estropiés, les aveugles et les boiteux. 22 Le serviteur dit: Maître, ce que tu as ordonné a été fait, et il y a encore de la place. 23 Et le maître dit au serviteur: Va dans les chemins et le long des haies, et ceux que tu trouveras, contrains-les d'entrer, afin que ma maison soit remplie. 24 Car, je vous le dis, aucun de ces hommes qui avaient été invités ne goûtera de mon souper. 25 De grandes foules faisaient route avec Jésus. Il se retourna, et leur dit: 26 Si quelqu'un vient à moi, et s'il ne hait pas son père, sa mère, sa femme, ses enfants, ses frères, et ses soeurs, et même sa propre vie, il ne peut être mon disciple. 27 Et quiconque ne porte pas sa croix, et ne me suit pas, ne peut être mon disciple. 28 Car, lequel de vous, s'il veut bâtir une tour, ne s'assied d'abord pour calculer la dépense et voir s'il a de quoi la terminer, 29 de peur qu'après avoir posé les fondements, il ne puisse l'achever, et que tous ceux qui le verront ne se mettent à le railler, 30 en disant: Cet homme a commencé à bâtir, et il n'a pu achever? 31 Ou quel roi, s'il va faire la guerre à un autre roi, ne s'assied d'abord pour examiner s'il peut, avec dix mille hommes, marcher à la rencontre de celui qui vient l'attaquer avec vingt mille? 32 S'il ne le peut, tandis que cet autre roi est encore loin, il lui envoie une ambassade pour demander la paix. 33 Ainsi donc, quiconque d'entre vous ne renonce pas à tout ce qu'il possède ne peut être mon disciple. 34 Le sel est une bonne chose; mais si le sel perd sa saveur, avec quoi l'assaisonnera-t-on? 35 Il n'est bon ni pour la terre, ni pour le fumier; on le jette dehors. Que celui qui a des oreilles pour entendre entende.