T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12

1 Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema* ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.[*Na: niteny tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Ambony indrindra, mitandrema]

2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.

3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.

4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.

5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo*, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.[*Gr. Gehena]

6 Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.

7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;

9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.

10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]

11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;

12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.

13 Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.

14 Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?


<span lang=IT style='font-size:13.0pt;font-family:Arial;mso-ansi-language: IT'>x</span>

15 Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.

16 Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.

17 Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?

18 Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.

19 Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.

20 Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao?

21 Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.

22 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo.

23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.

24 Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?

25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany*, na dia kely monja** aza? [*Na: ny halavan'ny tenany] [**Gr. hakiho iray]

26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin'ny sisa?

27 Hevero ny fanirin'ny voninkazo*; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.[* Karazan'ny lilia]

28 Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?

29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana*.[*Na: aza aingaingain'ny fanantenana foana]

30 Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.

31 Kanefa katsaho ny fanjakany*; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.[*Na: (ny fanjakan'Andriamanitra)]

32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.

33 Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.

34 Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.

35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;

36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay.

37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.

38 Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.

39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.

40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.

41 Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?

42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana?

43 Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.

44 Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.

45 Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,

46 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.[*Na: hokapohiny mafy]

47 Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.

48 Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.

49 Tonga hanipy afo etỳ ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady*?[*Na: ary inona intsony no iriko, raha mirehitra sahady izany?]

50 Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!

51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.

52 Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.

53 Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.

54 Ary hoy Jesosy tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin'izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.

55 Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.

56 Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin'ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?

57 Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina*? [*Na: Nahoana ianareo no tsy mahay mitsara marina avy ao am-ponareo ihany?]

58 Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.

59 Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.


 

 

12:1 Meanwhile, when a multitude of many thousands had gathered together, so much so that they trampled on each other, he began to tell his disciples first of all, “Beware of the yeast of the Pharisees, which is hypocrisy. 12:2 But there is nothing covered up, that will not be revealed, nor hidden, that will not be known. 12:3 Therefore whatever you have said in the darkness will be heard in the light. What you have spoken in the ear in the inner rooms will be proclaimed on the housetops.

12:4 “I tell you, my friends, don’t be afraid of those who kill the body, and after that have no more that they can do. 12:5 But I will warn you whom you should fear. Fear him, who after he has killed, has power to cast into Gehenna. Yes, I tell you, fear him.

12:6 “Aren’t five sparrows sold for two assaria coins? Not one of them is forgotten by God. 12:7 But the very hairs of your head are all numbered. Therefore don’t be afraid. You are of more value than many sparrows.

12:8 “I tell you, everyone who confesses me before men, him will the Son of Man also confess before the angels of God; 12:9 but he who denies me in the presence of men will be denied in the presence of the angels of God. 12:10 Everyone who speaks a word against the Son of Man will be forgiven, but those who blaspheme against the Holy Spirit will not be forgiven. 12:11 When they bring you before the synagogues, the rulers, and the authorities, don’t be anxious how or what you will answer, or what you will say; 12:12 for the Holy Spirit will teach you in that same hour what you must say.”

12:13 One of the multitude said to him, “Teacher, tell my brother to divide the inheritance with me.”

12:14 But he said to him, “Man, who made me a judge or an arbitrator over you?” 12:15 He said to them, “Beware! Keep yourselves from covetousness, for a man’s life doesn’t consist of the abundance of the things which he possesses.”

12:16 He spoke a parable to them, saying, “The ground of a certain rich man brought forth abundantly. 12:17 He reasoned within himself, saying, ‘What will I do, because I don’t have room to store my crops?’ 12:18 He said, ‘This is what I will do. I will pull down my barns, and build bigger ones, and there I will store all my grain and my goods. 12:19 I will tell my soul, “Soul, you have many goods laid up for many years. Take your ease, eat, drink, be merry.”’

12:20 “But God said to him, ‘You foolish one, tonight your soul is required of you. The things which you have prepared—whose will they be?’ 12:21 So is he who lays up treasure for himself, and is not rich toward God.”

12:22 He said to his disciples, “Therefore I tell you, don’t be anxious for your life, what you will eat, nor yet for your body, what you will wear. 12:23 Life is more than food, and the body is more than clothing. 12:24 Consider the ravens: they don’t sow, they don’t reap, they have no warehouse or barn, and God feeds them. How much more valuable are you than birds! 12:25 Which of you by being anxious can add a cubit to his height? 12:26 If then you aren’t able to do even the least things, why are you anxious about the rest? 12:27 Consider the lilies, how they grow. They don’t toil, neither do they spin; yet I tell you, even Solomon in all his glory was not arrayed like one of these. 12:28 But if this is how God clothes the grass in the field, which today exists, and tomorrow is cast into the oven, how much more will he clothe you, O you of little faith? 12:29 Don’t seek what you will eat or what you will drink; neither be anxious. 12:30 For the nations of the world seek after all of these things, but your Father knows that you need these things. 12:31 But seek God’s Kingdom, and all these things will be added to you. 12:32 Don’t be afraid, little flock, for it is your Father’s good pleasure to give you the Kingdom. 12:33 Sell that which you have, and give gifts to the needy. Make for yourselves purses which don’t grow old, a treasure in the heavens that doesn’t fail, where no thief approaches, neither moth destroys. 12:34 For where your treasure is, there will your heart be also.

12:35 “Let your waist be dressed and your lamps burning. 12:36 Be like men watching for their lord, when he returns from the marriage feast; that, when he comes and knocks, they may immediately open to him. 12:37 Blessed are those servants, whom the lord will find watching when he comes. Most certainly I tell you, that he will dress himself, and make them recline, and will come and serve them. 12:38 They will be blessed if he comes in the second or third watch, and finds them so. 12:39 But know this, that if the master of the house had known in what hour the thief was coming, he would have watched, and not allowed his house to be broken into. 12:40 Therefore be ready also, for the Son of Man is coming in an hour that you don’t expect him.”

12:41 Peter said to him, “Lord, are you telling this parable to us, or to everybody?”

12:42 The Lord said, “Who then is the faithful and wise steward, whom his lord will set over his household, to give them their portion of food at the right times? 12:43 Blessed is that servant whom his lord will find doing so when he comes. 12:44 Truly I tell you, that he will set him over all that he has. 12:45 But if that servant says in his heart, ‘My lord delays his coming,’ and begins to beat the menservants and the maidservants, and to eat and drink, and to be drunken, 12:46 then the lord of that servant will come in a day when he isn’t expecting him, and in an hour that he doesn’t know, and will cut him in two, and place his portion with the unfaithful. 12:47 That servant, who knew his lord’s will, and didn’t prepare, nor do what he wanted, will be beaten with many stripes, 12:48 but he who didn’t know, and did things worthy of stripes, will be beaten with few stripes. To whomever much is given, of him will much be required; and to whom much was entrusted, of him more will be asked.

12:49 “I came to throw fire on the earth. I wish it were already kindled. 12:50 But I have a baptism to be baptized with, and how distressed I am until it is accomplished! 12:51 Do you think that I have come to give peace in the earth? I tell you, no, but rather division. 12:52 For from now on, there will be five in one house divided, three against two, and two against three. 12:53 They will be divided, father against son, and son against father; mother against daughter, and daughter against her mother; mother-in-law against her daughter-in-law, and daughter-in-law against her mother-in-law.”

12:54 He said to the multitudes also, “When you see a cloud rising from the west, immediately you say, ‘A shower is coming,’ and so it happens. 12:55 When a south wind blows, you say, ‘There will be a scorching heat,’ and it happens. 12:56 You hypocrites! You know how to interpret the appearance of the earth and the sky, but how is it that you don’t interpret this time? 12:57 Why don’t you judge for yourselves what is right? 12:58 For when you are going with your adversary before the magistrate, try diligently on the way to be released from him, lest perhaps he drag you to the judge, and the judge deliver you to the officer, and the officer throw you into prison. 12:59 I tell you, you will by no means get out of there, until you have paid the very last penny.”


 

Chapitre 12 

1 Sur ces entrefaites, les gens s'étant rassemblés par milliers, au point de se fouler les uns les autres, Jésus se mit à dire à ses disciples: Avant tout, gardez-vous du levain des pharisiens, qui est l'hypocrisie. 2 Il n'y a rien de caché qui ne doive être découvert, ni de secret qui ne doive être connu. 3 C'est pourquoi tout ce que vous aurez dit dans les ténèbres sera entendu dans la lumière, et ce que vous aurez dit à l'oreille dans les chambres sera prêché sur les toits. 4 Je vous dis, à vous qui êtes mes amis: Ne craignez pas ceux qui tuent le corps et qui, après cela, ne peuvent rien faire de plus. 5 Je vous montrerai qui vous devez craindre. Craignez celui qui, après avoir tué, a le pouvoir de jeter dans la géhenne; oui, je vous le dis, c'est lui que vous devez craindre. 6 Ne vend-on pas cinq passereaux pour deux sous? Cependant, aucun d'eux n'est oublié devant Dieu. 7 Et même les cheveux de votre tête sont tous comptés. Ne craignez donc point: vous valez plus que beaucoup de passereaux. 8 Je vous le dis, quiconque me confessera devant les hommes, le Fils de l'homme le confessera aussi devant les anges de Dieu; 9 mais celui qui me reniera devant les hommes sera renié devant les anges de Dieu. 10 Et quiconque parlera contre le Fils de l'homme, il lui sera pardonné; mais à celui qui blasphémera contre le Saint-Esprit il ne sera point pardonné. 11 Quand on vous mènera devant les synagogues, les magistrats et les autorités, ne vous inquiétez pas de la manière dont vous vous défendrez ni de ce que vous direz; 12 car le Saint-Esprit vous enseignera à l'heure même ce qu'il faudra dire. 13 Quelqu'un dit à Jésus, du milieu de la foule: Maître, dis à mon frère de partager avec moi notre héritage. 14 Jésus lui répondit: O homme, qui m'a établi pour être votre juge, ou pour faire vos partages? 15 Puis il leur dit: Gardez-vous avec soin de toute avarice; car la vie d'un homme ne dépend pas de ses biens, fût-il dans l'abondance. 16 Et il leur dit cette parabole: Les terres d'un homme riche avaient beaucoup rapporté. 17 Et il raisonnait en lui-même, disant: Que ferai-je? car je n'ai pas de place pour serrer ma récolte. 18 Voici, dit-il, ce que je ferai: j'abattrai mes greniers, j'en bâtirai de plus grands, j'y amasserai toute ma récolte et tous mes biens; 19 et je dirai à mon âme: Mon âme, tu as beaucoup de biens en réserve pour plusieurs années; repose-toi, mange, bois, et réjouis-toi. 20 Mais Dieu lui dit: Insensé! cette nuit même ton âme te sera redemandée; et ce que tu as préparé, pour qui cela sera-t-il? 21 Il en est ainsi de celui qui amasse des trésors pour lui-même, et qui n'est pas riche pour Dieu. 22 Jésus dit ensuite à ses disciples: C'est pourquoi je vous dis: Ne vous inquiétez pas pour votre vie de ce que vous mangerez, ni pour votre corps de quoi vous serez vêtus. 23 La vie est plus que la nourriture, et le corps plus que le vêtement. 24 Considérez les corbeaux: ils ne sèment ni ne moissonnent, ils n'ont ni cellier ni grenier; et Dieu les nourrit. Combien ne valez-vous pas plus que les oiseaux! 25 Qui de vous, par ses inquiétudes, peut ajouter une coudée à la durée de sa vie? 26 Si donc vous ne pouvez pas même la moindre chose, pourquoi vous inquiétez-vous du reste? 27 Considérez comment croissent les lis: ils ne travaillent ni ne filent; cependant je vous dis que Salomon même, dans toute sa gloire, n'a pas été vêtu comme l'un d'eux. 28 Si Dieu revêt ainsi l'herbe qui est aujourd'hui dans les champs et qui demain sera jetée au four, à combien plus forte raison ne vous vêtira-t-il pas, gens de peu de foi? 29 Et vous, ne cherchez pas ce que vous mangerez et ce que vous boirez, et ne soyez pas inquiets. 30 Car toutes ces choses, ce sont les païens du monde qui les recherchent. Votre Père sait que vous en avez besoin. 31 Cherchez plutôt le royaume de Dieu; et toutes ces choses vous seront données par-dessus. 32 Ne crains point, petit troupeau; car votre Père a trouvé bon de vous donner le royaume. 33 Vendez ce que vous possédez, et donnez-le en aumônes. Faites-vous des bourses qui ne s'usent point, un trésor inépuisable dans les cieux, où le voleur n'approche point, et où la teigne ne détruit point. 34 Car là où est votre trésor, là aussi sera votre coeur. 35 Que vos reins soient ceints, et vos lampes allumées. 36 Et vous, soyez semblables à des hommes qui attendent que leur maître revienne des noces, afin de lui ouvrir dès qu'il arrivera et frappera. 37 Heureux ces serviteurs que le maître, à son arrivée, trouvera veillant! Je vous le dis en vérité, il se ceindra, les fera mettre à table, et s'approchera pour les servir. 38 Qu'il arrive à la deuxième ou à la troisième veille, heureux ces serviteurs, s'il les trouve veillant! 39 Sachez-le bien, si le maître de la maison savait à quelle heure le voleur doit venir, il veillerait et ne laisserait pas percer sa maison. 40 Vous aussi, tenez-vous prêts, car le Fils de l'homme viendra à l'heure où vous n'y penserez pas. 41 Pierre lui dit: Seigneur, est-ce à nous, ou à tous, que tu adresses cette parabole? 42 Et le Seigneur dit: Quel est donc l'économe fidèle et prudent que le maître établira sur ses gens, pour leur donner la nourriture au temps convenable? 43 Heureux ce serviteur, que son maître, à son arrivée, trouvera faisant ainsi! 44 Je vous le dis en vérité, il l'établira sur tous ses biens. 45 Mais, si ce serviteur dit en lui-même: Mon maître tarde à venir; s'il se met à battre les serviteurs et les servantes, à manger, à boire et à s'enivrer, 46 le maître de ce serviteur viendra le jour où il ne s'y attend pas et à l'heure qu'il ne connaît pas, il le mettra en pièces, et lui donnera sa part avec les infidèles. 47 Le serviteur qui, ayant connu la volonté de son maître, n'a rien préparé et n'a pas agi selon sa volonté, sera battu d'un grand nombre de coups. 48 Mais celui qui, ne l'ayant pas connue, a fait des choses dignes de châtiment, sera battu de peu de coups. On demandera beaucoup à qui l'on a beaucoup donné, et on exigera davantage de celui à qui l'on a beaucoup confié. 49 Je suis venu jeter un feu sur la terre, et qu'ai-je à désirer, s'il est déjà allumé? 50 Il est un baptême dont je dois être baptisé, et combien il me tarde qu'il soit accompli! 51 Pensez-vous que je sois venu apporter la paix sur la terre? Non, vous dis-je, mais la division. 52 Car désormais cinq dans une maison seront divisés, trois contre deux, et deux contre trois; 53 le père contre le fils et le fils contre le père, la mère contre la fille et la fille contre la mère, la belle-mère contre la belle-fille et la belle-fille contre la belle-mère. 54 Il dit encore aux foules: Quand vous voyez un nuage se lever à l'occident, vous dites aussitôt: La pluie vient. Et il arrive ainsi. 55 Et quand vous voyez souffler le vent du midi, vous dites: Il fera chaud. Et cela arrive. 56 Hypocrites! vous savez discerner l'aspect de la terre et du ciel; comment ne discernez-vous pas ce temps-ci? 57 Et pourquoi ne discernez-vous pas de vous-mêmes ce qui est juste? 58 Lorsque tu vas avec ton adversaire devant le magistrat, tâche en chemin de te dégager de lui, de peur qu'il ne te traîne devant le juge, que le juge ne te livre à l'officier de justice, et que celui-ci ne te mette en prison. 59 Je te le dis, tu ne sortiras pas de là que tu n'aies payé jusqu'à la dernière pite.