T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 10

1 Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.

2 Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.

3 Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia*.[* lopa]

4 Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.

5 Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin'ity trano ity.

6 Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.

7 Ary mitoera ao amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.

8 Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.

9 Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.

10 Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin'ny lalambe, ka lazao hoe:

11 Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin'ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.

12 Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho amin'izany tanàna izany.

13 Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona.

14 Fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.

15 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao.[*Gr. Hadesy]

16 Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.

17 Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.

18 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.

19 Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.

20 Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.

21 Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.

22 Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.

23 Ary nitodika tamin'ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.

24 Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.

25 Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?

26 Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?

27 Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).

28 Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.

29 Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Iza ary no namako?

30 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon'ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.

31 Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin'izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.

32 Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.

33 Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.

34 Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin'ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.

35 Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.

36 Iza moa amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy?

37 Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.

38 Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra teo amin'ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony.

39 Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.

40 Fa Marta sahirana tamin'ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.

41 Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;

42 nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.


 

10:1 Now after these things, the Lord also appointed seventy others, and sent them two by two ahead of him into every city and place, where he was about to come. 10:2 Then he said to them, “The harvest is indeed plentiful, but the laborers are few. Pray therefore to the Lord of the harvest, that he may send out laborers into his harvest. 10:3 Go your ways. Behold, I send you out as lambs among wolves. 10:4 Carry no purse, nor wallet, nor sandals. Greet no one on the way. 10:5 Into whatever house you enter, first say, ‘Peace be to this house.’ 10:6 If a son of peace is there, your peace will rest on him; but if not, it will return to you. 10:7 Remain in that same house, eating and drinking the things they give, for the laborer is worthy of his wages. Don’t go from house to house. 10:8 Into whatever city you enter, and they receive you, eat the things that are set before you. 10:9 Heal the sick who are therein, and tell them, ‘The Kingdom of God has come near to you.’ 10:10 But into whatever city you enter, and they don’t receive you, go out into its streets and say, 10:11 ‘Even the dust from your city that clings to us, we wipe off against you. Nevertheless know this, that the Kingdom of God has come near to you.’ 10:12 I tell you, it will be more tolerable in that day for Sodom than for that city.

10:13 “Woe to you, Chorazin! Woe to you, Bethsaida! For if the mighty works had been done in Tyre and Sidon which were done in you, they would have repented long ago, sitting in sackcloth and ashes. 10:14 But it will be more tolerable for Tyre and Sidon in the judgment than for you. 10:15 You, Capernaum, who are exalted to heaven, will be brought down to Hades. 10:16 Whoever listens to you listens to me, and whoever rejects you rejects me. Whoever rejects me rejects him who sent me.”

10:17 The seventy returned with joy, saying, “Lord, even the demons are subject to us in your name!”

10:18 He said to them, “I saw Satan having fallen like lightning from heaven. 10:19 Behold, I give you authority to tread on serpents and scorpions, and over all the power of the enemy. Nothing will in any way hurt you. 10:20 Nevertheless, don’t rejoice in this, that the spirits are subject to you, but rejoice that your names are written in heaven.”

10:21 In that same hour Jesus rejoiced in the Holy Spirit, and said, “I thank you, O Father, Lord of heaven and earth, that you have hidden these things from the wise and understanding, and revealed them to little children. Yes, Father, for so it was well-pleasing in your sight.”

10:22 Turning to the disciples, he said, “All things have been delivered to me by my Father. No one knows who the Son is, except the Father, and who the Father is, except the Son, and he to whomever the Son desires to reveal him.”

10:23 Turning to the disciples, he said privately, “Blessed are the eyes which see the things that you see, 10:24 for I tell you that many prophets and kings desired to see the things which you see, and didn’t see them, and to hear the things which you hear, and didn’t hear them.”

10:25 Behold, a certain lawyer stood up and tested him, saying, “Teacher, what shall I do to inherit eternal life?”

10:26 He said to him, “What is written in the law? How do you read it?”

10:27 He answered, “You shall love the Lord your God with all your heart, with all your soul, with all your strength, and with all your mind;* and your neighbor as yourself.”*

10:28 He said to him, “You have answered correctly. Do this, and you will live.”

10:29 But he, desiring to justify himself, asked Jesus, “Who is my neighbor?”

10:30 Jesus answered, “A certain man was going down from Jerusalem to Jericho, and he fell among robbers, who both stripped him and beat him, and departed, leaving him half dead. 10:31 By chance a certain priest was going down that way. When he saw him, he passed by on the other side. 10:32 In the same way a Levite also, when he came to the place, and saw him, passed by on the other side. 10:33 But a certain Samaritan, as he traveled, came where he was. When he saw him, he was moved with compassion, 10:34 came to him, and bound up his wounds, pouring on oil and wine. He set him on his own animal, and brought him to an inn, and took care of him. 10:35 On the next day, when he departed, he took out two denarii, and gave them to the host, and said to him, ‘Take care of him. Whatever you spend beyond that, I will repay you when I return.’ 10:36 Now which of these three do you think seemed to be a neighbor to him who fell among the robbers?”

10:37 He said, “He who showed mercy on him.”

Then Jesus said to him, “Go and do likewise.”

10:38 It happened as they went on their way, he entered into a certain village, and a certain woman named Martha received him into her house. 10:39 She had a sister called Mary, who also sat at Jesus’ feet, and heard his word. 10:40 But Martha was distracted with much serving, and she came up to him, and said, “Lord, don’t you care that my sister left me to serve alone? Ask her therefore to help me.”

10:41 Jesus answered her, “Martha, Martha, you are anxious and troubled about many things, 10:42 but one thing is needed. Mary has chosen the good part, which will not be taken away from her.”


 

Chapitre 10 
1 Après cela, le Seigneur désigna encore soixante-dix autres disciples, et il les envoya deux à deux devant lui dans toutes les villes et dans tous les lieux où lui-même devait aller. 2 Il leur dit: La moisson est grande, mais il y a peu d'ouvriers. Priez donc le maître de la moisson d'envoyer des ouvriers dans sa moisson. 3 Partez; voici, je vous envoie comme des agneaux au milieu des loups. 4 Ne portez ni bourse, ni sac, ni souliers, et ne saluez personne en chemin. 5 Dans quelque maison que vous entriez, dites d'abord: Que la paix soit sur cette maison! 6 Et s'il se trouve là un enfant de paix, votre paix reposera sur lui; sinon, elle reviendra à vous. 7 Demeurez dans cette maison-là, mangeant et buvant ce qu'on vous donnera; car l'ouvrier mérite son salaire. N'allez pas de maison en maison. 8 Dans quelque ville que vous entriez, et où l'on vous recevra, mangez ce qui vous sera présenté, 9 guérissez les malades qui s'y trouveront, et dites-leur: Le royaume de Dieu s'est approché de vous. 10 Mais dans quelque ville que vous entriez, et où l'on ne vous recevra pas, allez dans ses rues, et dites: 11 Nous secouons contre vous la poussière même de votre ville qui s'est attachée à nos pieds; sachez cependant que le royaume de Dieu s'est approché. 12 Je vous dis qu'en ce jour Sodome sera traitée moins rigoureusement que cette ville-là. 13 Malheur à toi, Chorazin! malheur à toi, Bethsaïda! car, si les miracles qui ont été faits au milieu de vous avaient été faits dans Tyr et dans Sidon, il y a longtemps qu'elles se seraient repenties, en prenant le sac et la cendre. 14 C'est pourquoi, au jour du jugement, Tyr et Sidon seront traitées moins rigoureusement que vous. 15 Et toi, Capernaüm, qui as été élevée jusqu'au ciel, tu seras abaissée jusqu'au séjour des morts. 16 Celui qui vous écoute m'écoute, et celui qui vous rejette me rejette; et celui qui me rejette rejette celui qui m'a envoyé. 17 Les soixante-dix revinrent avec joie, disant: Seigneur, les démons mêmes nous sont soumis en ton nom. 18 Jésus leur dit: Je voyais Satan tomber du ciel comme un éclair. 19 Voici, je vous ai donné le pouvoir de marcher sur les serpents et les scorpions, et sur toute la puissance de l'ennemi; et rien ne pourra vous nuire. 20 Cependant, ne vous réjouissez pas de ce que les esprits vous sont soumis; mais réjouissez-vous de ce que vos noms sont écrits dans les cieux. 21 En ce moment même, Jésus tressaillit de joie par le Saint-Esprit, et il dit: Je te loue, Père, Seigneur du ciel et de la terre, de ce que tu as caché ces choses aux sages et aux intelligents, et de ce que tu les as révélées aux enfants. Oui, Père, je te loue de ce que tu l'as voulu ainsi. 22 Toutes choses m'ont été données par mon Père, et personne ne connaît qui est le Fils, si ce n'est le Père, ni qui est le Père, si ce n'est le Fils et celui à qui le Fils veut le révéler. 23 Et, se tournant vers les disciples, il leur dit en particulier: Heureux les yeux qui voient ce que vous voyez! 24 Car je vous dis que beaucoup de prophètes et de rois ont désiré voir ce que vous voyez, et ne l'ont pas vu, entendre ce que vous entendez, et ne l'ont pas entendu. 25 Un docteur de la loi se leva, et dit à Jésus, pour l'éprouver: Maître, que dois-je faire pour hériter la vie éternelle? 26 Jésus lui dit: Qu'est-il écrit dans la loi? Qu'y lis-tu? 27 Il répondit: Tu aimeras le Seigneur, ton Dieu, de tout ton coeur, de toute ton âme, de toute ta force, et de toute ta pensée; et ton prochain comme toi-même. 28 Tu as bien répondu, lui dit Jésus; fais cela, et tu vivras. 29 Mais lui, voulant se justifier, dit à Jésus: Et qui est mon prochain? 30 Jésus reprit la parole, et dit: Un homme descendait de Jérusalem à Jéricho. Il tomba au milieu des brigands, qui le dépouillèrent, le chargèrent de coups, et s'en allèrent, le laissant à demi mort. 31 Un sacrificateur, qui par hasard descendait par le même chemin, ayant vu cet homme, passa outre. 32 Un Lévite, qui arriva aussi dans ce lieu, l'ayant vu, passa outre. 33 Mais un Samaritain, qui voyageait, étant venu là, fut ému de compassion lorsqu'il le vit. 34 Il s'approcha, et banda ses plaies, en y versant de l'huile et du vin; puis il le mit sur sa propre monture, le conduisit à une hôtellerie, et prit soin de lui. 35 Le lendemain, il tira deux deniers, les donna à l'hôte, et dit: Aie soin de lui, et ce que tu dépenseras de plus, je te le rendrai à mon retour. 36 Lequel de ces trois te semble avoir été le prochain de celui qui était tombé au milieu des brigands? 37 C'est celui qui a exercé la miséricorde envers lui, répondit le docteur de la loi. Et Jésus lui dit: Va, et toi, fais de même. 38 Comme Jésus était en chemin avec ses disciples, il entra dans un village, et une femme, nommée Marthe, le reçut dans sa maison. 39 Elle avait une soeur, nommée Marie, qui, s'étant assise aux pieds du Seigneur, écoutait sa parole. 40 Marthe, occupée à divers soins domestiques, survint et dit: Seigneur, cela ne te fait-il rien que ma soeur me laisse seule pour servir? Dis-lui donc de m'aider. 41 Le Seigneur lui répondit: Marthe, Marthe, tu t'inquiètes et tu t'agites pour beaucoup de choses. 42 Une seule chose est nécessaire. Marie a choisi la bonne part, qui ne lui sera point ôtée.