| Chapitre 1
1 Satria maro no efa nanoratra
nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka* tamintsika tokoa[*Na:
inoana tokoa amintsika]
2 araka izay efa noraisintsika
natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory* ny teny hatramin'ny
voalohany:[*Gr. mpanompo]
3 dia sitrako koa, rehefa nofotorako
tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao
araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra*,[*Gr. mahery indrindra; teny
fanajana ny lehibe izany]
4 mba hahafantaranao tsara fa mafy
orina ny teny izay nampianarina anao.
5 Tamin'ny andron'i Heroda,
mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i
Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.
6 Ary samy marina teo
anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny
didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo.
7 Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba
Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
8 Ary nony nanao raharaham-pisoronana
teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony,
9 araka ny fanao amin'ny fisoronana,
dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka
handoro ditin-kazo manitra.
10 Ary ny vahoaka rehetra nitoetra
teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
11 Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho
taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia
taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza
matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao
dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao;
ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany.
15 Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo
izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany
an-kibon-dreniny aza.
16 Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no
hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.
17 Ary izy handeha eo alohany amin'ny
fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny
tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny
Tempo (Mal. 3. 23, 24).
18 Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely:
Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny
vadiko.
19 Ary ilay anjely namaly ka nanao
taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary
nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
20 Koa, indro, ho moana ianao ka tsy
hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho
valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.
21 Ary ny olona dia niandry an'i
Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly.
22 Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy
nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao
amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana
ihany.
23 Ary rehefa tapitra ny andro
nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
24 Ary taorian'izany andro izany dia
nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
25 Izao no nataon'ny Tompo tamiko
tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.
26 Ary tamin'ny fahenim-bolana dia
nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia
atao hoe Nazareta,
27 ho any amin'ny virijina anankiray,
izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida;
ary ny anaran'ny virijina dia Maria.
28 Ary nony niditra tao aminy ilay
anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba
anao*.[*Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao]
29 Ary taitra loatra izy noho ny
teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany.
30 Ary hoy ilay anjely taminy: Aza
matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao.
31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka
hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky
ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i
Davida rainy;
33 ary hanjaka amin'ny taranak'i
Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
34 Ary hoy Maria tamin'ilay anjely:
Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
35 Ary ilay anjely namaly ka nanao
taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo
Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka* dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.[*Na:
haterakao]
36 Ary, indro, Elizabeta havanao dia
efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao,
izay natao hoe momba.
37 Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny
teny rehetra ataon'Andriamanitra.
38 Dia hoy Maria: Inty ny
ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy
ilay anjely.
39 Ary Maria niainga tamin'izany
andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao an-tanàna
anankiray any Joda;
40 ary niditra tao an-tranon'i
Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta.
41 Ary rehefa ren'i Elizabeta ny
fiarahaban'i Maria, dia nibitaka* ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny
Fanahy Masina Elizabeta,[*Na: niantsambotra]
42 dia niantso tamin'ny feo mahery hoe
izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
43 Avy aiza no ahatongavan'izao
amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?
44 Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko
ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.
45 Ary sambatra ianao izay nino; fa
hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.
46 Ary hoy Maria: Ny
foko mankalaza ny Tompo,
47 Ary ny fanahiko efa
ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
48 Fa efa nijery ny
fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka
rehetra ho sambatra aho.
49 Fa ny Mahery efa nanao zavatra
lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.
50 Ary ny famindram-pony dia
amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
51 Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny
Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.
52 Nampiala ny lehibe tamin'ny seza
fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
53 Ny noana novokisany soa; Fa ny
manan-karena kosa nampialainy maina.
54 Niahy an'isiraely mpanompony Izy,
fa nahatsiaro ny famindram-pony
55 (Araka ny voalazany tamin'ny
razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
56 Ary Maria nitoetra teo amin'i
Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
57 Ary tonga ny andro hahaveloman'i
Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
58 Ary ny niara-monina taminy sy ny
havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia
niara-nifaly taminy ireo.
59 Ary tamin'ny andro fahavalo dia
tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny
anaran-drainy ny anarany.
60 Fa ny reniny namaly ka nanao hoe:
Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
61 Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy
na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany.
62 Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny
rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
63 Ary nangataka fàfana izy ka
nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64 Ary dia nisokatra niaraka
tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera
an'Andriamanitra.
65 Dia raiki-tahotra izay rehetra
niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny
lazan'izany rehetra izany.
66 Ary izay rehetra nandre dia
nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny
tanan'ny Tompo nomba azy.
67 Ary dia feno ny
Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
68 Isaorana anie
ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao
fanavotana ho azy,
69 Ary nanangana
tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy
70 (Araka izay nampilazainy ny
mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),
71 Dia famonjena antsika amin'ny
fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika;
72 Manefa famindram-po amin'ny
razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73 Dia ny fianianana izay nianianany
tamin'i Abrahama razantsika,
74 Hanao izay hahazoantsika hanompo
Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika,
75 Amin'ny fahamasinana sy ny
fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.
76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe
mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra
ny lalany.
77 Hanome ny olony ny
fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,
78 Noho ny halehiben'ny
famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny avo ho
antsika.[*Na: niposahan']
79 Hamirapiratra amin'izay mipetraka
ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho
amin'ny lalam-piadanana.
80 Ary ny zazakely nitombo ka
nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro
nisehoany tamin'ny Isiraely. | | Chapitre 1
1:1
Since many have undertaken to set in order a narrative concerning those matters
which have been fulfilled among us, 1:2 even as those who from the beginning
were eyewitnesses and servants of the word delivered them to us, 1:3 it seemed
good to me also, having traced the course of all things accurately from the
first, to write to you in order, most excellent Theophilus; 1:4 that you might
know the certainty concerning the things in which you were instructed.
1:5
There was in the days of Herod, the king of Judea,
a certain priest named Zacharias, of the priestly division of Abijah. He had a
wife of the daughters of Aaron, and her name was Elizabeth. 1:6 They were both righteous
before God, walking blamelessly in all the commandments and ordinances of the
Lord. 1:7 But they had no child, because Elizabeth
was barren, and they both were well advanced in years. 1:8 Now it happened,
while he executed the priest’s office before God in the order of his division,
1:9 according to the custom of the priest’s office, his lot was to enter into
the temple of the Lord and burn incense. 1:10 The whole multitude of the people
were praying outside at the hour of incense.
1:11
An angel of the Lord appeared to him, standing on the right side of the altar
of incense. 1:12 Zacharias was troubled when he saw him, and fear fell upon
him. 1:13 But the angel said to him, “Don’t be afraid, Zacharias, because your
request has been heard, and your wife, Elizabeth, will bear you a son, and you
shall call his name John. 1:14 You will have joy and gladness; and many will
rejoice at his birth. 1:15 For he will be great in the sight of the Lord, and
he will drink no wine nor strong drink. He will be filled with the Holy Spirit,
even from his mother’s womb. 1:16 He will turn many of the children of Israel to the
Lord, their God. 1:17 He will go before him in the spirit and power of Elijah,
‘to turn the hearts of the fathers to the children,’ and the disobedient to the
wisdom of the just; to prepare a people prepared for the Lord.”
1:18
Zacharias said to the angel, “How can I be sure of this? For I am an old man,
and my wife is well advanced in years.”
1:19
The angel answered him, “I am Gabriel, who stands in the presence of God. I was
sent to speak to you, and to bring you this good news. 1:20 Behold, you will be
silent and not able to speak, until the day that these things will happen,
because you didn’t believe my words, which will be fulfilled in their proper
time.”
1:21
The people were waiting for Zacharias, and they marveled that he delayed in the
temple. 1:22 When he came out, he could not speak to them, and they perceived
that he had seen a vision in the temple. He continued making signs to them, and
remained mute. 1:23 It happened, when the days of his service were fulfilled,
he departed to his house. 1:24 After these days Elizabeth, his wife, conceived, and she hid
herself five months, saying, 1:25 “Thus has the Lord done to me in the days in
which he looked at me, to take away my reproach among men.”
1:26
Now in the sixth month, the angel Gabriel was sent from God to a city of
Galilee, named Nazareth, 1:27 to a virgin pledged to be married to a man whose
name was Joseph, of the house of David. The virgin’s name was Mary. 1:28 Having
come in, the angel said to her, “Rejoice, you highly favored one! The Lord is
with you. Blessed are you among women!”
1:29
But when she saw him, she was greatly troubled at the saying, and considered
what kind of salutation this might be. 1:30 The angel said to her, “Don’t be
afraid, Mary, for you have found favor with God. 1:31 Behold, you will conceive
in your womb, and bring forth a son, and will call his name ‘Jesus.’ 1:32 He
will be great, and will be called the Son of the Most High. The Lord God will
give him the throne of his father, David, 1:33 and he will reign over the house
of Jacob forever. There will be no end to his Kingdom.”
1:34
Mary said to the angel, “How can this be, seeing I am a virgin?”
1:35
The angel answered her, “The Holy Spirit will come on you, and the power of the
Most High will overshadow you. Therefore also the holy one who is born from you
will be called the Son of God. 1:36 Behold, Elizabeth, your relative, also has
conceived a son in her old age; and this is the sixth month with her who was
called barren. 1:37 For everything spoken by God is possible.”
1:38
Mary said, “Behold, the handmaid of the Lord; be it to me according to your
word.”
The
angel departed from her. 1:39 Mary arose in those days and went into the hill
country with haste, into a city of Judah,
1:40 and entered into the house of Zacharias and greeted Elizabeth. 1:41 It happened, when Elizabeth
heard Mary’s greeting, that the baby leaped in her womb, and Elizabeth was
filled with the Holy Spirit. 1:42 She called out with a loud voice, and said,
“Blessed are you among women, and blessed is the fruit of your womb! 1:43 Why
am I so favored, that the mother of my Lord should come to me? 1:44 For behold,
when the voice of your greeting came into my ears, the baby leaped in my womb
for joy! 1:45 Blessed is she who believed, for there will be a fulfillment of
the things which have been spoken to her from the Lord!”
1:46
Mary said,
“My
soul magnifies the Lord.
1:47 My spirit has rejoiced in God my Savior,
1:48 for he has looked at the humble state of his handmaid.
For behold, from now on, all generations will call me blessed.
1:49 For he who is mighty has done great things for me.
Holy is his name.
1:50 His mercy is for generations of generations on those who fear him.
1:51 He has shown strength with his arm.
He has scattered the proud in the imagination of their hearts.
1:52 He has put down princes from their thrones.
And has exalted the lowly.
1:53 He has filled the hungry with good things.
He has sent the rich away empty.
1:54 He has given help to Israel, his servant, that he might remember mercy,
1:55 As he spoke to our fathers,
to Abraham and his seed forever.”
1:56 Mary stayed with her about three months, and then returned to her house. 1:57
Now the time that Elizabeth should give birth was fulfilled, and she brought
forth a son. 1:58 Her neighbors and her relatives heard that the Lord had
magnified his mercy towards her, and they rejoiced with her. 1:59 It happened
on the eighth day, that they came to circumcise the child; and they would have
called him Zacharias, after the name of the father. 1:60 His mother answered,
“Not so; but he will be called John.”
1:61
They said to her, “There is no one among your relatives who is called by this
name.” 1:62 They made signs to his father, what he would have him called.
1:63
He asked for a writing tablet, and wrote, “His name is John.”
They
all marveled. 1:64 His mouth was opened immediately, and his tongue freed, and
he spoke, blessing God. 1:65 Fear came on all who lived around them, and all
these sayings were talked about throughout all the hill country of Judea. 1:66
All who heard them laid them up in their heart, saying, “What then will this
child be?” The hand of the Lord was with him.
1:67 His father, Zacharias, was filled with the Holy
Spirit, and prophesied, saying,
1:68 “Blessed be the Lord, the God of Israel, for he
has visited and worked redemption for his people;
1:69 and has raised up a horn of salvation for us in the house of his servant
David
1:70 (as he spoke by the mouth of his holy prophets
who have been from of old),
1:71 salvation from our enemies, and from the hand of all who hate us;
1:72 to show mercy towards our fathers,
to remember his holy covenant,
1:73 the oath which he spoke to Abraham, our father,
1:74 to grant to us that we, being delivered out of the hand of our enemies,
should serve him without fear,
1:75 In holiness and righteousness before him all the days of our life.
1:76 And you, child, will be called a prophet of the Most High,
for you will go before the face of the Lord to prepare his ways,
1:77 to give knowledge of salvation to his people by the remission of their
sins,
1:78 because of the tender mercy of our God,
whereby the dawn from on high will visit us,
1:79 to shine on those who sit in darkness and the shadow of death;
to guide our feet into the way of peace.”
1:80 The child was growing, and becoming strong in spirit, and was in the
desert until the day of his public appearance to Israel. | | Chapitre 1
1 Plusieurs ayant entrepris de composer un récit des événements qui se sont
accomplis parmi nous, 2 suivant ce que nous ont transmis ceux qui ont été des
témoins oculaires dès le commencement et sont devenus des ministres de la
parole, 3 il m'a aussi semblé bon, après avoir fait des recherches exactes sur
toutes ces choses depuis leur origine, de te les exposer par écrit d'une
manière suivie, excellent Théophile, 4 afin que tu reconnaisses la certitude
des enseignements que tu as reçus. 5 Du temps d'Hérode, roi de Judée, il y
avait un sacrificateur, nommé Zacharie, de la classe d'Abia; sa femme était
d'entre les filles d'Aaron, et s'appelait Élisabeth. 6 Tous deux étaient justes
devant Dieu, observant d'une manière irréprochable tous les commandements et
toutes les ordonnances du Seigneur. 7 Ils n'avaient point d'enfants, parce
qu'Élisabeth était stérile; et ils étaient l'un et l'autre avancés en âge. 8
Or, pendant qu'il s'acquittait de ses fonctions devant Dieu, selon le tour de
sa classe, 9 (1:8) il fut appelé par le sort, (1:9) d'après la règle du
sacerdoce, à entrer dans le temple du Seigneur pour offrir le parfum. 10 Toute
la multitude du peuple était dehors en prière, à l'heure du parfum. 11 Alors un
ange du Seigneur apparut à Zacharie, et se tint debout à droite de l'autel des
parfums. 12 Zacharie fut troublé en le voyant, et la frayeur s'empara de lui.
13 Mais l'ange lui dit: Ne crains point, Zacharie; car ta prière a été exaucée.
Ta femme Élisabeth t'enfantera un fils, et tu lui donneras le nom de Jean. 14
Il sera pour toi un sujet de joie et d'allégresse, et plusieurs se réjouiront
de sa naissance. 15 Car il sera grand devant le Seigneur. Il ne boira ni vin,
ni liqueur enivrante, et il sera rempli de l'Esprit-Saint dès le sein de sa
mère; 16 il ramènera plusieurs des fils d'Israël au Seigneur, leur Dieu; 17 il
marchera devant Dieu avec l'esprit et la puissance d'Élie, pour ramener les
coeurs des pères vers les enfants, et les rebelles à la sagesse des justes,
afin de préparer au Seigneur un peuple bien disposé. 18 Zacharie dit à l'ange:
A quoi reconnaîtrai-je cela? Car je suis vieux, et ma femme est avancée en âge.
19 L'ange
lui répondit: Je suis Gabriel, je me tiens devant Dieu; j'ai été envoyé pour te
parler, et pour t'annoncer cette bonne nouvelle. 20 Et voici, tu seras muet, et
tu ne pourras parler jusqu'au jour où ces choses arriveront, parce que tu n'as
pas cru à mes paroles, qui s'accompliront en leur temps. 21 Cependant, le
peuple attendait Zacharie, s'étonnant de ce qu'il restait si longtemps dans le
temple. 22 Quand il sortit, il ne put leur parler, et ils comprirent qu'il
avait eu une vision dans le temple; il leur faisait des signes, et il resta
muet. 23 Lorsque ses jours de service furent écoulés, il s'en alla chez lui. 24
Quelque temps après, Élisabeth, sa femme, devint enceinte. Elle se cacha
pendant cinq mois, disant: 25 C'est
la grâce que le Seigneur m'a faite, quand il a jeté les yeux sur moi pour ôter
mon opprobre parmi les hommes. 26 Au sixième mois, l'ange Gabriel fut envoyé
par Dieu dans une ville de Galilée, appelée Nazareth, 27 auprès d'une vierge
fiancée à un homme de la maison de David, nommé Joseph. Le nom de la vierge
était Marie. 28 L'ange
entra chez elle, et dit: Je te salue, toi à qui une grâce a été faite; le Seigneur
est avec toi. 29 Troublée par cette parole, Marie se demandait ce que pouvait
signifier une telle salutation. 30
L'ange lui dit: Ne crains point, Marie; car tu as trouvé
grâce devant Dieu. 31 Et voici, tu deviendras enceinte, et tu enfanteras un
fils, et tu lui donneras le nom de Jésus. 32 Il sera grand et sera appelé Fils
du Très-Haut, et le Seigneur Dieu lui donnera le trône de David, son père. 33
Il règnera sur la maison de Jacob éternellement, et son règne n'aura point de
fin. 34 Marie dit à l'ange: Comment cela se fera-t-il, puisque je ne connais
point d'homme? 35 L'ange
lui répondit: Le Saint-Esprit viendra sur toi, et la puissance du Très-Haut te
couvrira de son ombre. C'est pourquoi le saint enfant qui naîtra de toi sera
appelé Fils de Dieu. 36 Voici, Élisabeth, ta parente, a conçu, elle aussi, un
fils en sa vieillesse, et celle qui était appelée stérile est dans son sixième
mois. 37 Car rien n'est impossible à Dieu. 38 Marie dit: Je suis la servante du
Seigneur; qu'il me soit fait selon ta parole! Et l'ange la quitta. 39 Dans ce
même temps, Marie se leva, et s'en alla en hâte vers les montagnes, dans une
ville de Juda. 40 Elle entra dans la maison de Zacharie, et salua Élisabeth. 41
Dès qu'Élisabeth entendit la salutation de Marie, son enfant tressaillit dans
son sein, et elle fut remplie du Saint-Esprit. 42 Elle s'écria d'une voix
forte: Tu es bénie entre les femmes, et le fruit de ton sein est béni. 43
Comment m'est-il accordé que la mère de mon Seigneur vienne auprès de moi? 44
Car voici, aussitôt que la voix de ta salutation a frappé mon oreille, l'enfant
a tressailli d'allégresse dans mon sein. 45 Heureuse celle qui a cru, parce que
les choses qui lui ont été dites de la part du Seigneur auront leur
accomplissement. 46 Et Marie dit: Mon âme exalte le Seigneur, 47 Et mon esprit
se réjouit en Dieu, mon Sauveur, 48 Parce qu'il a jeté les yeux sur la bassesse
de sa servante. Car voici, désormais toutes les générations me diront
bienheureuse, 49 Parce que le Tout-Puissant a fait pour moi de grandes choses.
Son nom est saint, 50 Et sa miséricorde s'étend d'âge en âge Sur ceux qui le
craignent. 51 Il a déployé la force de son bras; Il a dispersé ceux qui avaient
dans le coeur des pensées orgueilleuses. 52 Il a renversé les puissants de
leurs trônes, Et il a élevé les humbles. 53 Il a rassasié de biens les affamés,
Et il a renvoyé les riches à vide. 54 Il a secouru Israël, son serviteur, Et il
s'est souvenu de sa miséricorde, - 55 Comme il l'avait dit à nos pères, -Envers
Abraham et sa postérité pour toujours. 56 Marie demeura avec Élisabeth environ
trois mois. Puis elle retourna chez elle. 57 Le temps où Élisabeth devait
accoucher arriva, et elle enfanta un fils. 58 Ses voisins et ses parents
apprirent que le Seigneur avait fait éclater envers elle sa miséricorde, et ils
se réjouirent avec elle. 59 Le huitième jour, ils vinrent pour circoncire
l'enfant, et ils l'appelaient Zacharie, du nom de son père. 60 Mais sa mère
prit la parole, et dit: Non, il sera appelé Jean. 61 Ils lui dirent: Il n'y a
dans ta parenté personne qui soit appelé de ce nom. 62 Et ils firent des signes
à son père pour savoir comment il voulait qu'on l'appelle. 63 Zacharie demanda
des tablettes, et il écrivit: Jean
est son nom. Et tous furent dans l'étonnement. 64 Au même
instant, sa bouche s'ouvrit, sa langue se délia, et il parlait, bénissant Dieu.
65 La crainte s'empara de tous les habitants d'alentour, et, dans toutes les
montagnes de la Judée, on s'entretenait de toutes ces choses. 66 Tous ceux qui
les apprirent les gardèrent dans leur coeur, en disant: Que sera donc cet
enfant? Et la main du Seigneur était avec lui.
67
Zacharie, son père, fut rempli du Saint-Esprit, et il prophétisa, en ces mots:
68 Béni soit le Seigneur, le Dieu d'Israël, De ce qu'il a visité et racheté son
peuple, 69 Et nous a suscité un puissant Sauveur Dans la maison de David, son
serviteur,
70 Comme il l'avait
annoncé par la bouche de ses saints prophètes des temps anciens, - 71 Un
Sauveur qui nous délivre de nos ennemis et de la main de tous ceux qui nous
haïssent! 72 C'est
ainsi qu'il manifeste sa miséricorde envers nos pères, Et se souvient de sa
sainte alliance, 73 Selon le serment par lequel il avait juré à Abraham, notre
père, 74 De nous permettre, après que nous serions délivrés de la main de nos
ennemis, De le servir sans crainte, 75 En marchant devant lui dans la sainteté
et dans la justice tous les jours de notre vie. 76 Et toi, petit enfant, tu
seras appelé prophète du Très-Haut; Car tu marcheras devant la face du
Seigneur, pour préparer ses voies, 77 Afin de donner à son peuple la
connaissance du salut Par le pardon de ses péchés, 78 Grâce aux entrailles de
la miséricorde de notre Dieu, En vertu de laquelle le soleil levant nous a
visités d'en haut, 79 Pour éclairer ceux qui sont assis dans les ténèbres et
dans l'ombre de la mort, Pour diriger nos pas dans le chemin de la paix. 80 Or,
l'enfant croissait, et se fortifiait en esprit. Et il demeura dans les déserts,
jusqu'au jour où il se présenta devant Israël. | |