T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 9

1 [Ny nanombohan'i Arona sy ny zanany ny raharahany] Ary tamin'ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an'i Arona sy ny zanany ary ny loholon'ny Isiraely.

2 Dia hoy izy tamin'i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan'i Jehovah.

3 Ary ny Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,

4 ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan'i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan'i Jehovah aminareo.

5 Dia nitondra izay nandidian'i Mosesy azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan'i Jehovah.

6 Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian'i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr'i Jehovah.

7 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an'ny tenanao sy ho an'ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian'i Jehovah.

8 Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny tenany.

9 Ary nentin'ny zanak'i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin'ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin'ny alitara;

10 fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy;

11 ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.

12 Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.

13 Ary ny fanatitra dorana mbamin'ny lohany dia natolotr'ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara.

14 Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin'ny fanatitra dorana teo ambonin'ny alitara.

15 Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.

16 Dia nanatitra ny fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao.

17 Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana maraina.

18 Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak'i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.

19 Ary natolony azy koa ny saboran'ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,

20 dia napetrany teo ambonin'ny tratran'ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany;

21 fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan'i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidian'i Mosesy.

22 Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.

 

23 Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr'i Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra.

24 Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin'ny alitara; ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.

 

Chapitre 9

9:1 It happened on the eighth day, that Moses called Aaron and his sons, and the elders of Israel; 9:2 and he said to Aaron, “Take a calf from the herd for a sin offering, and a ram for a burnt offering, without blemish, and offer them before Yahweh. 9:3 You shall speak to the children of Israel, saying, ‘Take a male goat for a sin offering; and a calf and a lamb, both a year old, without blemish, for a burnt offering; 9:4 and a bull and a ram for peace offerings, to sacrifice before Yahweh; and a meal offering mixed with oil: for today Yahweh appears to you.’”

9:5 They brought what Moses commanded before the Tent of Meeting: and all the congregation drew near and stood before Yahweh. 9:6 Moses said, “This is the thing which Yahweh commanded that you should do: and the glory of Yahweh shall appear to you.” 9:7 Moses said to Aaron, “Draw near to the altar, and offer your sin offering, and your burnt offering, and make atonement for yourself, and for the people; and offer the offering of the people, and make atonement for them; as Yahweh commanded.”

9:8 So Aaron drew near to the altar, and killed the calf of the sin offering, which was for himself. 9:9 The sons of Aaron presented the blood to him; and he dipped his finger in the blood, and put it on the horns of the altar, and poured out the blood at the base of the altar: 9:10 but the fat, and the kidneys, and the cover from the liver of the sin offering, he burned upon the altar; as Yahweh commanded Moses. 9:11 The flesh and the skin he burned with fire outside the camp. 9:12 He killed the burnt offering; and Aaron’s sons delivered the blood to him, and he sprinkled it around on the altar. 9:13 They delivered the burnt offering to him, piece by piece, and the head: and he burned them upon the altar. 9:14 He washed the innards and the legs, and burned them on the burnt offering on the altar. 9:15 He presented the people’s offering, and took the goat of the sin offering which was for the people, and killed it, and offered it for sin, like the first. 9:16 He presented the burnt offering, and offered it according to the ordinance. 9:17 He presented the meal offering, and filled his hand from there, and burned it upon the altar, besides the burnt offering of the morning. 9:18 He also killed the bull and the ram, the sacrifice of peace offerings, which was for the people: and Aaron’s sons delivered to him the blood, which he sprinkled around on the altar, 9:19 and the fat of the bull and of the ram, the fat tail, and that which covers the innards, and the kidneys, and the cover of the liver: 9:20 and they put the fat upon the breasts, and he burned the fat on the altar: 9:21 and the breasts and the right thigh Aaron waved for a wave offering before Yahweh, as Moses commanded. 9:22 Aaron lifted up his hands toward the people, and blessed them; and he came down from offering the sin offering, and the burnt offering, and the peace offerings.

9:23 Moses and Aaron went into the Tent of Meeting, and came out, and blessed the people: and the glory of Yahweh appeared to all the people. 9:24 There came forth fire from before Yahweh, and consumed the burnt offering and the fat upon the altar: and when all the people saw it, they shouted, and fell on their faces.

 

Chapitre 9
1 Le huitième jour, Moïse appela Aaron et ses fils, et les anciens d'Israël. 2 Il dit à Aaron: Prends un jeune veau pour le sacrifice d'expiation, et un bélier pour l'holocauste, l'un et l'autre sans défaut, et sacrifie-les devant l'Éternel. 3 Tu parleras aux enfants d'Israël, et tu diras: Prenez un bouc, pour le sacrifice d'expiation, un veau et un agneau, âgés d'un an et sans défaut, pour l'holocauste; 4 un boeuf et un bélier, pour le sacrifice d'actions de grâces, afin de les sacrifier devant l'Éternel; et une offrande pétrie à l'huile. Car aujourd'hui l'Éternel vous apparaîtra. 5 Ils amenèrent devant la tente d'assignation ce que Moïse avait ordonné; et toute l'assemblée s'approcha, et se tint devant l'Éternel. 6 Moïse dit: Vous ferez ce que l'Éternel a ordonné; et la gloire de l'Éternel vous apparaîtra. 7 Moïse dit à Aaron: Approche-toi de l'autel; offre ton sacrifice d'expiation et ton holocauste, et fais l'expiation pour toi et pour le peuple; offre aussi le sacrifice du peuple, et fais l'expiation pour lui, comme l'Éternel l'a ordonné. 8 Aaron s'approcha de l'autel, et il égorgea le veau pour son sacrifice d'expiation. 9 Les fils d'Aaron lui présentèrent le sang; il trempa son doigt dans le sang, en mit sur les cornes de l'autel, et répandit le sang au pied de l'autel. 10 Il brûla sur l'autel la graisse, les rognons, et le grand lobe du foie de la victime expiatoire, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 11 Mais il brûla au feu hors du camp la chair et la peau. 12 Il égorgea l'holocauste. Les fils d'Aaron lui présentèrent le sang, et il le répandit sur l'autel tout autour. 13 Ils lui présentèrent l'holocauste coupé par morceaux, avec la tête, et il les brûla sur l'autel. 14 Il lava les entrailles et les jambes, et il les brûla sur l'autel, par dessus l'holocauste. 15 Ensuite, il offrit le sacrifice du peuple. Il prit le bouc pour le sacrifice expiatoire du peuple, il l'égorgea, et l'offrit en expiation, comme la première victime. 16 Il offrit l'holocauste, et le sacrifia, d'après les règles établies. 17 Il présenta l'offrande, en prit une poignée, et la brûla sur l'autel, outre l'holocauste du matin. 18 Il égorgea le boeuf et le bélier, en sacrifice d'actions de grâces pour le peuple. Les fils d'Aaron lui présentèrent le sang, et il le répandit sur l'autel tout autour. 19 Ils lui présentèrent la graisse du boeuf et du bélier, la queue, la graisse qui couvre les entrailles, les rognons, et le grand lobe du foie; 20 ils mirent les graisses sur les poitrines, et il brûla les graisses sur l'autel. 21 Aaron agita de côté et d'autre devant l'Éternel les poitrines et l'épaule droite, comme Moïse l'avait ordonné. 22 Aaron leva ses mains vers le peuple, et il le bénit. Puis il descendit, après avoir offert le sacrifice d'expiation, l'holocauste et le sacrifice d'actions de grâces. 23 Moïse et Aaron entrèrent dans la tente d'assignation. Lorsqu'ils en sortirent, ils bénirent le peuple. Et la gloire de l'Éternel apparut à tout le peuple. 24 Le feu sortit de devant l'Éternel, et consuma sur l'autel l'holocauste et les graisses. Tout le peuple le vit; et ils poussèrent des cris de joie, et se jetèrent sur leur face.