T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-panonerana: masina dia masina izany.

2 Eo amin'izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara.

3 Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy

4 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.

5 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ireo ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanati-panonerana izany.

6 Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy: masina dia masina izany.

7 Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin'izy roa: ho an'ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.

8 Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin'ny olona dia hahazo ny hoditr'izany fanatitra dorana nateriny izany.

9 Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in'ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin'ny vilany fandrahoana, na amin'ny lapoely, dia ho an'ilay mpisorona manatitra azy.

10 Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an'ny zanak'i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy.

 

11 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-pihavanana izay haterina ho an'i Jehovah:

12 Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin'ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.

13 Ary miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.

14 Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah; ho an'ilay mpisorona manopy ny ran'ny fanati-pihavanana izany.

15 Ary ny henan'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.

16 Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin'ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson'iny no hihinanana izay ambiny.

17 Fa ny sisa amin'ny henan'ny fanatitra dia hodorana amin'ny afo amin'ny andro fahatelo.

18 Ary raha tahìny hihinanana amin'ny andro fahatelo ny henan'ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an'izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin'izany dia ho meloka.

19 Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin'ny afo; ary ny amin'ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy;

20 fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin'ny fanati-pihavanana, izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

21 Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan'olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin'ny henan'ny fanati-pihavanana izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

22 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

23 Mitenana amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an'ny omby, na ny an'ny ondry, nany an'ny osy.

24 Ary ny saboran'ny biby izay maty ho azy sy ny saboran'izay noviraviraim-biby dila azo atao amin'ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.

25 Fa izay rehetra mihinana saboran'ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

26 Ary aza mihinana rà eny amin'izay rehetra itoeranareo, na ny an'ny vorona, na ny an'ny biby fiompy.

27 Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

 

28 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

29 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an'i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an'i Jehovah avy amin'ny fanati-pihavanany.

30 Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany mbamin'ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.

31 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an'i Arona sy ireo zanany.

32 Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin'ny fanati-pihavananareo.

33 Ny anankiray amin'ny zanak'i Arona izay manatitra ny ran'ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.

34 Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an'i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin'ny Zanak'Isiraely.

35 Izany no anjaran'i Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah,

36 dia izay nandidian'i Jehovah homena azy avy amin'ny Zanak'Isiraely amin'ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby.

37 Izany no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,

38 izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny andro izay nandidiany ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah, tany an-efitr'i Sinay.

 

Chapitre 7

7:1 “‘This is the law of the trespass offering. It is most holy. 7:2 In the place where they kill the burnt offering, he shall kill the trespass offering; and its blood he shall sprinkle around on the altar. 7:3 He shall offer all of its fat: the fat tail, and the fat that covers the innards, 7:4 and the two kidneys, and the fat that is on them, which is by the loins, and the cover on the liver, with the kidneys, shall he take away; 7:5 and the priest shall burn them on the altar for an offering made by fire to Yahweh: it is a trespass offering. 7:6 Every male among the priests may eat of it. It shall be eaten in a holy place. It is most holy.

7:7 “‘As is the sin offering, so is the trespass offering; there is one law for them. The priest who makes atonement with them shall have it. 7:8 The priest who offers any man’s burnt offering, even the priest shall have for himself the skin of the burnt offering which he has offered. 7:9 Every meal offering that is baked in the oven, and all that is dressed in the pan, and on the griddle, shall be the priest’s who offers it. 7:10 Every meal offering, mixed with oil or dry, belongs to all the sons of Aaron, one as well as another.

7:11 “‘This is the law of the sacrifice of peace offerings, which one shall offer to Yahweh. 7:12 If he offers it for a thanksgiving, then he shall offer with the sacrifice of thanksgiving unleavened cakes mixed with oil, and unleavened wafers anointed with oil, and cakes mixed with oil. 7:13 With cakes of leavened bread he shall offer his offering with the sacrifice of his peace offerings for thanksgiving. 7:14 Of it he shall offer one out of each offering for a heave offering to Yahweh. It shall be the priest’s who sprinkles the blood of the peace offerings. 7:15 The flesh of the sacrifice of his peace offerings for thanksgiving shall be eaten on the day of his offering. He shall not leave any of it until the morning.

7:16 “‘But if the sacrifice of his offering is a vow, or a freewill offering, it shall be eaten on the day that he offers his sacrifice; and on the next day what remains of it shall be eaten: 7:17 but what remains of the flesh of the sacrifice on the third day shall be burned with fire. 7:18 If any of the flesh of the sacrifice of his peace offerings is eaten on the third day, it will not be accepted, neither shall it be imputed to him who offers it. It will be an abomination, and the soul who eats any of it will bear his iniquity.

7:19 “‘The flesh that touches any unclean thing shall not be eaten. It shall be burned with fire. As for the flesh, everyone who is clean may eat it; 7:20 but the soul who eats of the flesh of the sacrifice of peace offerings, that belongs to Yahweh, having his uncleanness on him, that soul shall be cut off from his people. 7:21 When anyone touches any unclean thing, the uncleanness of man, or an unclean animal, or any unclean abomination, and eats some of the flesh of the sacrifice of peace offerings, which belong to Yahweh, that soul shall be cut off from his people.’”

7:22 Yahweh spoke to Moses, saying, 7:23 “Speak to the children of Israel, saying, ‘You shall eat no fat, of bull, or sheep, or goat. 7:24 The fat of that which dies of itself, and the fat of that which is torn of animals, may be used for any other service, but you shall in no way eat of it. 7:25 For whoever eats the fat of the animal, of which men offer an offering made by fire to Yahweh, even the soul who eats it shall be cut off from his people. 7:26 You shall not eat any blood, whether it is of bird or of animal, in any of your dwellings. 7:27 Whoever it is who eats any blood, that soul shall be cut off from his people.’”

7:28 Yahweh spoke to Moses, saying, 7:29 “Speak to the children of Israel, saying, ‘He who offers the sacrifice of his peace offerings to Yahweh shall bring his offering to Yahweh out of the sacrifice of his peace offerings. 7:30 With his own hands he shall bring the offerings of Yahweh made by fire. He shall bring the fat with the breast, that the breast may be waved for a wave offering before Yahweh. 7:31 The priest shall burn the fat on the altar, but the breast shall be Aaron’s and his sons’. 7:32 The right thigh you shall give to the priest for a heave offering out of the sacrifices of your peace offerings. 7:33 He among the sons of Aaron who offers the blood of the peace offerings, and the fat, shall have the right thigh for a portion. 7:34 For the waved breast and the heaved thigh I have taken from the children of Israel out of the sacrifices of their peace offerings, and have given them to Aaron the priest and to his sons as their portion forever from the children of Israel.’”

7:35 This is the anointing portion of Aaron, and the anointing portion of his sons, out of the offerings of Yahweh made by fire, in the day when he presented them to minister to Yahweh in the priest’s office; 7:36 which Yahweh commanded to be given them of the children of Israel, in the day that he anointed them. It is their portion forever throughout their generations. 7:37 This is the law of the burnt offering, of the meal offering, and of the sin offering, and of the trespass offering, and of the consecration, and of the sacrifice of peace offerings; 7:38 which Yahweh commanded Moses in Mount Sinai, in the day that he commanded the children of Israel to offer their offerings to Yahweh, in the wilderness of Sinai.

 

Chapitre 7
1 Voici la loi du sacrifice de culpabilité: c'est une chose très sainte. 2 C'est dans le lieu où l'on égorge l'holocauste que sera égorgée la victime pour le sacrifice de culpabilité. On en répandra le sang sur l'autel tout autour. 3 On en offrira toute la graisse, la queue, la graisse qui couvre les entrailles, 4 les deux rognons, et la graisse qui les entoure, qui couvre les flancs, et le grand lobe du foie, qu'on détachera près des rognons. 5 Le sacrificateur brûlera cela sur l'autel en sacrifice consumé devant l'Éternel. C'est un sacrifice de culpabilité. 6 Tout mâle parmi les sacrificateurs en mangera; il le mangera dans un lieu saint: c'est une chose très sainte. 7 Il en est du sacrifice de culpabilité comme du sacrifice d'expiation; la loi est la même pour ces deux sacrifices: la victime sera pour le sacrificateur qui fera l'expiation. 8 Le sacrificateur qui offrira l'holocauste de quelqu'un aura pour lui la peau de l'holocauste qu'il a offert. 9 Toute offrande cuite au four, préparée sur le gril ou à la poêle, sera pour le sacrificateur qui l'a offerte. 10 Toute offrande pétrie à l'huile et sèche sera pour tous les fils d'Aaron, pour l'un comme pour l'autre. 11 Voici la loi du sacrifice d'actions de grâces, qu'on offrira à l'Éternel. 12 Si quelqu'un l'offre par reconnaissance, il offrira, avec le sacrifice d'actions de grâces, des gâteaux sans levain pétris à l'huile, des galettes sans levain arrosées d'huile, et des gâteaux de fleur de farine frite et pétris à l'huile. 13 A ces gâteaux il ajoutera du pain levé pour son offrande, avec son sacrifice de reconnaissance et d'actions de grâces. 14 On présentera par élévation à l'Éternel une portion de chaque offrande; elle sera pour le sacrificateur qui a répandu le sang de la victime d'actions de grâces. 15 La chair du sacrifice de reconnaissance et d'actions de grâces sera mangée le jour où il est offert; on n'en laissera rien jusqu'au matin. 16 Si quelqu'un offre un sacrifice pour l'accomplissement d'un voeu ou comme offrande volontaire, la victime sera mangée le jour où il l'offrira, et ce qui en restera sera mangé le lendemain. 17 Ce qui restera de la chair de la victime sera brûlé au feu le troisième jour. 18 Dans le cas où l'on mangerait de la chair de son sacrifice d'actions de grâces le troisième jour, le sacrifice ne sera point agréé; il n'en sera pas tenu compte à celui qui l'a offert; ce sera une chose infecte, et quiconque en mangera restera chargé de sa faute. 19 La chair qui a touché quelque chose d'impur ne sera point mangée: elle sera brûlée au feu. 20 Tout homme pur peut manger de la chair; mais celui qui, se trouvant en état d'impureté, mangera de la chair du sacrifice d'actions de grâces qui appartient à l'Éternel, celui-là sera retranché de son peuple. 21 Et celui qui touchera quelque chose d'impur, une souillure humaine, un animal impur, ou quoi que ce soit d'impur, et qui mangera de la chair du sacrifice d'actions de grâces qui appartient à l'Éternel, celui-là sera retranché de son peuple. 22 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 23 Parle aux enfants d'Israël, et dis: Vous ne mangerez point de graisse de boeuf, d'agneau ni de chèvre. 24 La graisse d'une bête morte ou déchirée pourra servir à un usage quelconque; mais vous ne la mangerez point. 25 Car celui qui mangera de la graisse des animaux dont on offre à l'Éternel des sacrifices consumés par le feu, celui-là sera retranché de son peuple. 26 Vous ne mangerez point de sang, ni d'oiseau, ni de bétail, dans tous les lieux où vous habiterez. 27 Celui qui mangera du sang d'une espèce quelconque, celui-là sera retranché de son peuple. 28 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 29 Parle aux enfants d'Israël, et dis: Celui qui offrira à l'Éternel son sacrifice d'actions de grâces apportera son offrande à l'Éternel, prise sur son sacrifice d'actions de grâces. 30 Il apportera de ses propres mains ce qui doit être consumé par le feu devant l'Éternel; il apportera la graisse avec la poitrine, la poitrine pour l'agiter de côté et d'autre devant l'Éternel. 31 Le sacrificateur brûlera la graisse sur l'autel, et la poitrine sera pour Aaron et pour ses fils. 32 Dans vos sacrifices d'actions de grâces, vous donnerez au sacrificateur l'épaule droite, en la présentant par élévation. 33 Celui des fils d'Aaron qui offrira le sang et la graisse du sacrifice d'actions de grâces aura l'épaule droite pour sa part. 34 Car je prends sur les sacrifices d'actions de grâces offerts par les enfants d'Israël la poitrine qu'on agitera de côté et d'autre et l'épaule qu'on présentera par élévation, et je les donne au sacrificateur Aaron et à ses fils, par une loi perpétuelle qu'observeront les enfants d'Israël. 35 C'est là le droit que l'onction d'Aaron et de ses fils leur donnera sur les sacrifices consumés par le feu devant l'Éternel, depuis le jour où ils seront présentés pour être à mon service dans le sacerdoce. 36 C'est ce que l'Éternel ordonne aux enfants d'Israël de leur donner depuis le jour de leur onction; ce sera une loi perpétuelle parmi leurs descendants. 37 Telle est la loi de l'holocauste, de l'offrande, du sacrifice d'expiation, du sacrifice de culpabilité, de la consécration, et du sacrifice d'actions de grâces. 38 L'Éternel la prescrivit à Moïse sur la montagne de Sinaï, le jour où il ordonna aux enfants d'Israël de présenter leurs offrandes à l'Éternel dans le désert du Sinaï.