T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 [Ny fanati-pihavanana] Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'i Jehovah.

2 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.

3 Dia hangalan'ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy

4 sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.

5 Ary ireo zanak'i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana izay eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.

6 Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny.

7 Raha zanak'ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.

8 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.

9 Ary hangalan'ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin'ny faran'ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy

10 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.

11 Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.

12 Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.

13 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.

14 Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy

15 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.

16 Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny sabora rehetra.

17 Izao no ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.

Chapitre 3

3:1 “‘If his offering is a sacrifice of peace offerings; if he offers it from the herd, whether male or female, he shall offer it without blemish before Yahweh. 3:2 He shall lay his hand on the head of his offering, and kill it at the door of the Tent of Meeting: and Aaron’s sons, the priests shall sprinkle the blood around on the altar. 3:3 He shall offer of the sacrifice of peace offerings an offering made by fire to Yahweh; the fat that covers the innards, and all the fat that is on the innards, 3:4 and the two kidneys, and the fat that is on them, which is by the loins, and the cover on the liver, with the kidneys, he shall take away. 3:5 Aaron’s sons shall burn it on the altar on the burnt offering, which is on the wood that is on the fire: it is an offering made by fire, of a pleasant aroma to Yahweh.

3:6 “‘If his offering for a sacrifice of peace offerings to Yahweh is from the flock; male or female, he shall offer it without blemish. 3:7 If he offers a lamb for his offering, then he shall offer it before Yahweh; 3:8 and he shall lay his hand on the head of his offering, and kill it before the Tent of Meeting: and Aaron’s sons shall sprinkle its blood around on the altar. 3:9 He shall offer from the sacrifice of peace offerings an offering made by fire to Yahweh; its fat, the entire tail fat, he shall take away close to the backbone; and the fat that covers the inwards, and all the fat that is on the inwards, 3:10 and the two kidneys, and the fat that is on them, which is by the loins, and the cover on the liver, with the kidneys, he shall take away. 3:11 The priest shall burn it on the altar: it is the food of the offering made by fire to Yahweh.

3:12 “‘If his offering is a goat, then he shall offer it before Yahweh: 3:13 and he shall lay his hand on its head, and kill it before the Tent of Meeting; and the sons of Aaron shall sprinkle its blood around on the altar. 3:14 He shall offer from it as his offering, an offering made by fire to Yahweh; the fat that covers the innards, and all the fat that is on the innards, 3:15 and the two kidneys, and the fat that is on them, which is by the loins, and the cover on the liver, with the kidneys, he shall take away. 3:16 The priest shall burn them on the altar: it is the food of the offering made by fire, for a pleasant aroma; all the fat is Yahweh’s.

3:17 “‘It shall be a perpetual statute throughout your generations in all your dwellings, that you shall eat neither fat nor blood.’”

 

Chapitre 3
1 Lorsque quelqu'un offrira à l'Éternel un sacrifice d'actions de grâces: S'il offre du gros bétail, mâle ou femelle, il l'offrira sans défaut, devant l'Éternel. 2 Il posera sa main sur la tête de la victime, qu'il égorgera à l'entrée de la tente d'assignation; et les sacrificateurs, fils d'Aaron, répandront le sang sur l'autel tout autour. 3 De ce sacrifice d'actions de grâces, il offrira en sacrifice consumé par le feu devant l'Éternel: la graisse qui couvre les entrailles et toute celle qui y est attachée; 4 les deux rognons, et la graisse qui les entoure, qui couvre les flancs, et le grand lobe du foie, qu'il détachera près des rognons. 5 Les fils d'Aaron brûleront cela sur l'autel, par-dessus l'holocauste qui sera sur le bois mis au feu. C'est un sacrifice consumé par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel. 6 S'il offre du menu bétail, mâle ou femelle, en sacrifice d'actions de grâces à l'Éternel, il l'offrira sans défaut. 7 S'il offre en sacrifice un agneau, il le présentera devant l'Éternel. 8 Il posera sa main sur la tête de la victime, qu'il égorgera devant la tente d'assignation; et les fils d'Aaron en répandront le sang sur l'autel tout autour. 9 De ce sacrifice d'actions de grâces, il offrira en sacrifice consumé par le feu devant l'Éternel: la graisse, la queue entière, qu'il séparera près de l'échine, la graisse qui couvre les entrailles et toute celle qui y est attachée, 10 les deux rognons, et la graisse qui les entoure, qui couvre les flancs, et le grand lobe du foie, qu'il détachera près des rognons. 11 Le sacrificateur brûlera cela sur l'autel. C'est l'aliment d'un sacrifice consumé par le feu devant l'Éternel. 12 Si son offrande est une chèvre, il la présentera devant l'Éternel. 13 Il posera sa main sur la tête de sa victime, qu'il égorgera devant la tente d'assignation; et les fils d'Aaron en répandront le sang sur l'autel tout autour. 14 De la victime, il offrira en sacrifice consumé par le feu devant l'Éternel: la graisse qui couvre les entrailles et toute celle qui y est attachée, 15 les deux rognons, et la graisse qui les entoure, qui couvre les flancs, et le grand lobe du foie, qu'il détachera près des rognons. 16 Le sacrificateur brûlera cela sur l'autel. Toute la graisse est l'aliment d'un sacrifice consumé par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel. 17 C'est ici une loi perpétuelle pour vos descendants, dans tous les lieux où vous habiterez: vous ne mangerez ni graisse ni sang.