| Chapitre 27 1 [Lalàna ny amin'ny voady sy ny fahafolon-karena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mltenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona hanala voady, dia ho an'i Jehovah izy araka izay hataonao tombany. 3 Ary ny hataonao tomban'ny lehilahy hatramin'ny roa-polo taona ka hatramin'ny enim-polo taona dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely masina; 4 fa raha vehivavy, dia sekely telo-polo kosa no hataonao tombany. 5 Ary raha hatramin'ny dimy taona ka hatramin'ny roa-polo taona izy, dia sekely roa-polo no hataonao tomban'ny lehilahy; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa. 6 Ary raha hatramin'ny iray volana ka hatramin'ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no hataonao tomban'ny zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao tomban'ny zazavavy. 7 Ary raha hatramin'ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin'ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa. 8 Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan'ilay nivoady no hanombanan'ny mpisorona azy. 9 Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho an'i Jehovah, dia ho masina ho an'i Jehovah izay rehetra omena amin'izany. 10 Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon'ny ratsy, na ny ratsy ho solon'ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masina Izy sy ny takalony. 11 Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an'i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy; 12 ary ny mpisorona hanombana azy, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataonao mpisorona tombany no izy. 13 Fa raha ta-hanavotra azy ny tompony, dia hampiany ho tonga avy fahenina izay nataonao tombany. 14 Ary raha misy olona manamasina ny tranony ho an'i Jehovah, dia hotombanan'ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataon'ny mpisorona tombany no izy. 15 Ary raha tian'ny tompony havotana ny tranony izay nohamasininy, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, dia ho azy ny trano. 16 Ary raha misy olona manamasina ho an'Jehovah ny sasany amin'ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo. 17 Raha misy manamasina ny taniny, raha vao afaka ny Jobily, dia araka izay hataonao tombany no izy. 18 Fa raha misy manamasina ny taniny ao aorian'ny Jobily, dia holazain'ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin'ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany. 19 Ary raha tian'ilay nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy. 20 Ary raha tsy hanavotra ny tany izy, na efa nivarotra azy tamin'olon-kafa, dia tsy ho azo avotana intsony izany. 21 Fa raha afaka amin'ny Jobily ny tany, dia ho masina ho an'i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony. 22 Ary raha misy manamasina ho an'i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin'ny zara-taniny, 23 dia holazain'ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin'ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin'izany andro izany izy ho zava-masina ho an'i Jehovah. 24 Amin'ny taona Jobily no hodian'ny tany amin'izay nividianana azy, dia ho an'izay tompon-dova. 25 Ary ny tombany rehetra izay hataonao dia ho araka ny sekely masina: ho gera roa-polo ny sekely iray. 26 Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an'i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an'i Jehovah izany. 27 Fa raha biby maloto kosa, dia havotany araka izay hataonao tombany, ary hampiany ho tonga avy fahenina; fa raha tsy havotana izy, dia hamidy araka izay nataonao tombany. 28 Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan'ny olona ho an'i Jehovah amin'izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masina dia masina ho an'i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana. 29 Ny olona rehetra izay atokana dia tsy havotana, fa hatao maty tokoa. 30 Ary ny ampahafolon'ny vokatra rehetra ao amin'ny tany, na avy amin'ny tanimbary, na avy amin'ny saha, dia an'i Jehovah; masina ho an'i Jehovah izany. 31 Ary raha misy tian'ny tompony havotana ny ampahafolon'ny vokatra, dia hampiany ho tonga avy fahenina izy. 32 Ary ny amin'ny ampahafolon'ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon'izay rehetra mandalo eo ambanin'ny tehin'ny mpiandry, ho masina ho an'i Jehovah. 33 Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masina avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana. 34 Ireo no didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay. | | Chapitre 27 27:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 27:2 “Speak to the children of Israel, and say to them, ‘When a man makes a vow, the persons shall be for Yahweh by your valuation. 27:3 Your valuation shall be of a male from twenty years old even to sixty years old, even your valuation shall be fifty shekels of silver, after the shekel of the sanctuary. 27:4 If it is a female, then your valuation shall be thirty shekels. 27:5 If the person is from five years old even to twenty years old, then your valuation shall be for a male twenty shekels, and for a female ten shekels. 27:6 If the person is from a month old even to five years old, then your valuation shall be for a male five shekels of silver, and for a female your valuation shall be three shekels of silver. 27:7 If the person is from sixty years old and upward; if it is a male, then your valuation shall be fifteen shekels, and for a female ten shekels. 27:8 But if he is poorer than your valuation, then he shall be set before the priest, and the priest shall value him; according to the ability of him who vowed shall the priest value him. 27:9 “‘If it is an animal, of which men offer an offering to Yahweh, all that any man gives of such to Yahweh becomes holy. 27:10 He shall not alter it, nor change it, a good for a bad, or a bad for a good: and if he shall at all change animal for animal, then both it and that for which it is changed shall be holy. 27:11 If it is any unclean animal, of which they do not offer as an offering to Yahweh, then he shall set the animal before the priest; 27:12 and the priest shall value it, whether it is good or bad. As you the priest values it, so shall it be. 27:13 But if he will indeed redeem it, then he shall add the fifth part of it to its valuation. 27:14 “‘When a man dedicates his house to be holy to Yahweh, then the priest shall evaluate it, whether it is good or bad: as the priest shall evaluate it, so shall it stand. 27:15 If he who dedicates it will redeem his house, then he shall add the fifth part of the money of your valuation to it, and it shall be his. 27:16 “‘If a man dedicates to Yahweh part of the field of his possession, then your valuation shall be according to the seed for it: the sowing of a homer of barley shall be valued at fifty shekels of silver. 27:17 If he dedicates his field from the Year of Jubilee, according to your valuation it shall stand. 27:18 But if he dedicates his field after the Jubilee, then the priest shall reckon to him the money according to the years that remain to the Year of Jubilee; and an abatement shall be made from your valuation. 27:19 If he who dedicated the field will indeed redeem it, then he shall add the fifth part of the money of your valuation to it, and it shall remain his. 27:20 If he will not redeem the field, or if he has sold the field to another man, it shall not be redeemed any more; 27:21 but the field, when it goes out in the Jubilee, shall be holy to Yahweh, as a field devoted; it shall be owned by the priests. 27:22 “‘If he dedicates to Yahweh a field which he has bought, which is not of the field of his possession, 27:23 then the priest shall reckon to him the worth of your valuation up to the Year of Jubilee; and he shall give your valuation on that day, as a holy thing to Yahweh. 27:24 In the Year of Jubilee the field shall return to him from whom it was bought, even to him to whom the possession of the land belongs. 27:25 All your valuations shall be according to the shekel of the sanctuary: twenty gerahs to the shekel. 27:26 “‘Only the firstborn among animals, which is made a firstborn to Yahweh, no man may dedicate it; whether an ox or sheep, it is Yahweh’s. 27:27 If it is an unclean animal, then he shall buy it back according to your valuation, and shall add to it the fifth part of it: or if it isn’t redeemed, then it shall be sold according to your valuation. 27:28 “‘Notwithstanding, no devoted thing, that a man shall devote to Yahweh of all that he has, whether of man or animal, or of the field of his possession, shall be sold or redeemed: every devoted thing is most holy to Yahweh. 27:29 “‘No one devoted, who shall be devoted from among men, shall be ransomed; he shall surely be put to death. 27:30 “‘All the tithe of the land, whether of the seed of the land or of the fruit of the trees, is Yahweh’s. It is holy to Yahweh. 27:31 If a man redeems anything of his tithe, he shall add a fifth part to it. 27:32 All the tithe of the herds or the flocks, whatever passes under the rod, the tenth shall be holy to Yahweh. 27:33 He shall not search whether it is good or bad, neither shall he change it: and if he changes it at all, then both it and that for which it is changed shall be holy. It shall not be redeemed.’” 27:34 These are the commandments which Yahweh commanded Moses for the children of Israel on Mount Sinai. | | Chapitre 27 1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Parle aux enfants d'Israël, et tu leur diras: Lorsqu'on fera des voeux, s'il s'agit de personnes, elles seront à l'Éternel d'après ton estimation. 3 Si tu as à faire l'estimation d'un mâle de vingt à soixante ans, ton estimation sera de cinquante sicles d'argent, selon le sicle du sanctuaire; 4 si c'est une femme, ton estimation sera de trente sicles. 5 De cinq à vingt ans, ton estimation sera de vingt sicles pour un mâle, et de dix sicles pour une fille. 6 D'un mois à cinq ans, ton estimation sera de cinq sicles d'argent pour un mâle, et de trois sicles d'argent pour une fille. 7 De soixante ans et au-dessus, ton estimation sera de quinze sicles pour un mâle, et de dix sicles pour une femme. 8 Si celui qui a fait le voeu est trop pauvre pour payer ton estimation, on le présentera au sacrificateur, qui le taxera, et le sacrificateur fera une estimation en rapport avec les ressources de cet homme. 9 S'il s'agit d'animaux qui peuvent être offerts en sacrifice à l'Éternel, tout animal qu'on donnera à l'Éternel sera chose sainte. 10 On ne le changera point, et l'on n'en mettra point un mauvais à la place d'un bon ni un bon à la place d'un mauvais; si l'on remplace un animal par un autre, ils seront l'un et l'autre chose sainte. 11 S'il s'agit d'animaux impurs, qui ne peuvent être offerts en sacrifice à l'Éternel, on présentera l'animal au sacrificateur, 12 qui en fera l'estimation selon qu'il sera bon ou mauvais, et l'on s'en rapportera à l'estimation du sacrificateur. 13 Si on veut le racheter, on ajoutera un cinquième à son estimation. 14 Si quelqu'un sanctifie sa maison en la consacrant à l'Éternel, le sacrificateur en fera l'estimation selon qu'elle sera bonne ou mauvaise, et l'on s'en tiendra à l'estimation du sacrificateur. 15 Si celui qui a sanctifié sa maison veut la racheter, il ajoutera un cinquième au prix de son estimation, et elle sera à lui. 16 Si quelqu'un sanctifie à l'Éternel un champ de sa propriété, ton estimation sera en rapport avec la quantité de semence, cinquante sicles d'argent pour un homer de semence d'orge. 17 Si c'est dès l'année du jubilé qu'il sanctifie son champ, on s'en tiendra à ton estimation; 18 si c'est après le jubilé qu'il sanctifie son champ, le sacrificateur en évaluera le prix à raison du nombre d'années qui restent jusqu'au jubilé, et il sera fait une réduction sur ton estimation. 19 Si celui qui a sanctifié son champ veut le racheter, il ajoutera un cinquième au prix de ton estimation, et le champ lui restera. 20 S'il ne rachète point le champ, et qu'on le vende à un autre homme, il ne pourra plus être racheté. 21 Et quand l'acquéreur en sortira au jubilé, ce champ sera consacré à l'Éternel, comme un champ qui a été dévoué; il deviendra la propriété du sacrificateur. 22 Si quelqu'un sanctifie à l'Éternel un champ qu'il a acquis et qui ne fait point partie de sa propriété, 23 le sacrificateur en évaluera le prix d'après ton estimation jusqu'à l'année du jubilé, et cet homme paiera le jour même le prix fixé, comme étant consacré à l'Éternel. 24 L'année du jubilé, le champ retournera à celui de qui il avait été acheté et de la propriété dont il faisait partie. 25 Toutes tes estimations se feront en sicles du sanctuaire: le sicle est de vingt guéras. 26 Nul ne pourra sanctifier le premier-né de son bétail, lequel appartient déjà à l'Éternel en sa qualité de premier-né; soit boeuf, soit agneau, il appartient à l'Éternel. 27 S'il s'agit d'un animal impur, on le rachètera au prix de ton estimation, en y ajoutant un cinquième; s'il n'est pas racheté, il sera vendu d'après ton estimation. 28 Tout ce qu'un homme dévouera par interdit à l'Éternel, dans ce qui lui appartient, ne pourra ni se vendre, ni se racheter, que ce soit une personne, un animal, ou un champ de sa propriété; tout ce qui sera dévoué par interdit sera entièrement consacré à l'Éternel. 29 Aucune personne dévouée par interdit ne pourra être rachetée, elle sera mise à mort. 30 Toute dîme de la terre, soit des récoltes de la terre, soit du fruit des arbres, appartient à l'Éternel; c'est une chose consacrée à l'Éternel. 31 Si quelqu'un veut racheter quelque chose de sa dîme, il y ajoutera un cinquième. 32 Toute dîme de gros et de menu bétail, de tout ce qui passe sous la houlette, sera une dîme consacrée à l'Éternel. 33 On n'examinera point si l'animal est bon ou mauvais, et l'on ne fera point d'échange; si l'on remplace un animal par un autre, ils seront l'un et l'autre chose sainte, et ne pourront être rachetés. 34 Tels sont les commandements que l'Éternel donna à Moïse pour les enfants d'Israël, sur la montagne de Sinaï. | |