T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 23

1 [Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:

3 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany.

4 Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy:

5 Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah.

 

6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.

7 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo;

8 fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.

 

9 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

10 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo ho any amin'ny mpisorona ianareo;

11 ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan'i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy.

12 Ary amin'izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.

13 Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.

14 Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan'ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an'Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.

15 Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.

16 Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray.

17 Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany.

18 Ary manatera miaraka amin'ny mofo zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

19 Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak'ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.

20 Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin'ny mofon'ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah mbamin'ny zanak'ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho an'i Jehovah ho anjaran'ny mpisorona.

21 Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.

22 Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

23 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

24 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.

25 Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

 

26 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

27 Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

28 Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo.

29 Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

30 Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny.

31 Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo.

32 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.

33 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

34 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafolo izany no hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah.

35 Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory.

36 Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.

37 Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, hanaterana fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin'ny fotoany avy izy rehetra,

38 afa-tsy izay fanao amin'ny Sabatan'i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an'i Jehovah.

39 Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.

40 Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.

41 Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo azy.

42 Ao amin'ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa,

43 mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

44 Ary Mosesy dia nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah.

 

Chapitre 23

23:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 23:2 “Speak to the children of Israel, and tell them, ‘The set feasts of Yahweh, which you shall proclaim to be holy convocations, even these are my set feasts.

23:3 “‘Six days shall work be done: but on the seventh day is a Sabbath of solemn rest, a holy convocation; you shall do no kind of work. It is a Sabbath to Yahweh in all your dwellings.

23:4 “‘These are the set feasts of Yahweh, even holy convocations, which you shall proclaim in their appointed season. 23:5 In the first month, on the fourteenth day of the month in the evening, is Yahweh’s Passover. 23:6 On the fifteenth day of the same month is the feast of unleavened bread to Yahweh. Seven days you shall eat unleavened bread. 23:7 In the first day you shall have a holy convocation. You shall do no regular work. 23:8 But you shall offer an offering made by fire to Yahweh seven days. In the seventh day is a holy convocation: you shall do no regular work.’”

23:9 Yahweh spoke to Moses, saying, 23:10 “Speak to the children of Israel, and tell them, ‘When you have come into the land which I give to you, and shall reap its the harvest, then you shall bring the sheaf of the first fruits of your harvest to the priest: 23:11 and he shall wave the sheaf before Yahweh, to be accepted for you. On the next day after the Sabbath the priest shall wave it. 23:12 On the day when you wave the sheaf, you shall offer a male lamb without blemish a year old for a burnt offering to Yahweh. 23:13 The meal offering with it shall be two tenth parts of an ephah of fine flour mingled with oil, an offering made by fire to Yahweh for a pleasant aroma; and the drink offering with it shall be of wine, the fourth part of a hin. 23:14 You shall eat neither bread, nor roasted grain, nor fresh grain, until this same day, until you have brought the offering of your God. This is a statute forever throughout your generations in all your dwellings.

23:15 “‘You shall count from the next day after the Sabbath, from the day that you brought the sheaf of the wave offering; seven Sabbaths shall be completed: 23:16 even to the next day after the seventh Sabbath you shall number fifty days; and you shall offer a new meal offering to Yahweh. 23:17 You shall bring out of your habitations two loaves of bread for a wave offering made of two tenth parts of an ephah of fine flour. They shall be baked with yeast, for first fruits to Yahweh. 23:18 You shall present with the bread seven lambs without blemish a year old, one young bull, and two rams. They shall be a burnt offering to Yahweh, with their meal offering, and their drink offerings, even an offering made by fire, of a sweet aroma to Yahweh. 23:19 You shall offer one male goat for a sin offering, and two male lambs a year old for a sacrifice of peace offerings. 23:20 The priest shall wave them with the bread of the first fruits for a wave offering before Yahweh, with the two lambs. They shall be holy to Yahweh for the priest. 23:21 You shall make proclamation on the same day: there shall be a holy convocation to you; you shall do no regular work. This is a statute forever in all your dwellings throughout your generations.

23:22 “‘When you reap the harvest of your land, you shall not wholly reap into the corners of your field, neither shall you gather the gleanings of your harvest: you shall leave them for the poor, and for the foreigner. I am Yahweh your God.’”

23:23 Yahweh spoke to Moses, saying, 23:24 “Speak to the children of Israel, saying, ‘In the seventh month, on the first day of the month, shall be a solemn rest to you, a memorial of blowing of trumpets, a holy convocation. 23:25 You shall do no regular work; and you shall offer an offering made by fire to Yahweh.’”

23:26 Yahweh spoke to Moses, saying, 23:27 “However on the tenth day of this seventh month is the day of atonement: it shall be a holy convocation to you, and you shall afflict yourselves; and you shall offer an offering made by fire to Yahweh. 23:28 You shall do no kind of work in that same day; for it is a day of atonement, to make atonement for you before Yahweh your God. 23:29 For whoever it is who shall not deny himself in that same day; shall be cut off from his people. 23:30 Whoever it is who does any kind of work in that same day, that person I will destroy from among his people. 23:31 You shall do no kind of work: it is a statute forever throughout your generations in all your dwellings. 23:32 It shall be a Sabbath of solemn rest for you, and you shall deny yourselves. In the ninth day of the month at evening, from evening to evening, you shall keep your Sabbath.”

23:33 Yahweh spoke to Moses, saying, 23:34 “Speak to the children of Israel, and say, ‘On the fifteenth day of this seventh month is the feast of tents for seven days to Yahweh. 23:35 On the first day shall be a holy convocation: you shall do no regular work. 23:36 Seven days you shall offer an offering made by fire to Yahweh. On the eighth day shall be a holy convocation to you; and you shall offer an offering made by fire to Yahweh. It is a solemn assembly; you shall do no regular work.

23:37 “‘These are the appointed feasts of Yahweh, which you shall proclaim to be holy convocations, to offer an offering made by fire to Yahweh, a burnt offering, and a meal offering, a sacrifice, and drink offerings, each on its own day; 23:38 besides the Sabbaths of Yahweh, and besides your gifts, and besides all your vows, and besides all your freewill offerings, which you give to Yahweh.

23:39 “‘So on the fifteenth day of the seventh month, when you have gathered in the fruits of the land, you shall keep the feast of Yahweh seven days: on the first day shall be a solemn rest, and on the eighth day shall be a solemn rest. 23:40 You shall take on the first day the fruit of goodly trees, branches of palm trees, and boughs of thick trees, and willows of the brook; and you shall rejoice before Yahweh your God seven days. 23:41 You shall keep it a feast to Yahweh seven days in the year: it is a statute forever throughout your generations; you shall keep it in the seventh month. 23:42 You shall dwell in booths seven days. All who are native-born in Israel shall dwell in booths, 23:43 that your generations may know that I made the children of Israel to dwell in booths, when I brought them out of the land of Egypt. I am Yahweh your God.’”

23:44 Moses declared to the children of Israel the appointed feasts of Yahweh.

Chapitre 23
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Parle aux enfants d'Israël, et tu leur diras: Les fêtes de l'Éternel, que vous publierez, seront de saintes convocations. Voici quelles sont mes fêtes. 3 On travaillera six jours; mais le septième jour est le sabbat, le jour du repos: il y aura une sainte convocation. Vous ne ferez aucun ouvrage: c'est le sabbat de l'Éternel, dans toutes vos demeures. 4 Voici les fêtes de l'Éternel, les saintes convocations, que vous publierez à leurs temps fixés. 5 Le premier mois, le quatorzième jour du mois, entre les deux soirs, ce sera la Pâque de l'Éternel. 6 Et le quinzième jour de ce mois, ce sera la fête des pains sans levain en l'honneur de l'Éternel; vous mangerez pendant sept jours des pains sans levain. 7 Le premier jour, vous aurez une sainte convocation: vous ne ferez aucune oeuvre servile. 8 Vous offrirez à l'Éternel, pendant sept jours, des sacrifices consumés par le feu. Le septième jour, il y aura une sainte convocation: vous ne ferez aucune oeuvre servile. 9 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 10 Parle aux enfants d'Israël et tu leur diras: Quand vous serez entrés dans le pays que je vous donne, et que vous y ferez la moisson, vous apporterez au sacrificateur une gerbe, prémices de votre moisson. 11 Il agitera de côté et d'autre la gerbe devant l'Éternel, afin qu'elle soit agréée: le sacrificateur l'agitera de côté et d'autre, le lendemain du sabbat. 12 Le jour où vous agiterez la gerbe, vous offrirez en holocauste à l'Éternel un agneau d'un an sans défaut; 13 vous y joindrez une offrande de deux dixièmes de fleur de farine pétrie à l'huile, comme offrande consumée par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel; et vous ferez une libation d'un quart de hin de vin. 14 Vous ne mangerez ni pain, ni épis rôtis ou broyés, jusqu'au jour même où vous apporterez l'offrande à votre Dieu. C'est une loi perpétuelle pour vos descendants, dans tous les lieux où vous habiterez. 15 Depuis le lendemain du sabbat, du jour où vous apporterez la gerbe pour être agitée de côté et d'autre, vous compterez sept semaines entières. 16 Vous compterez cinquante jours jusqu'au lendemain du septième sabbat; et vous ferez à l'Éternel une offrande nouvelle. 17 Vous apporterez de vos demeures deux pains, pour qu'ils soient agités de côté et d'autre; ils seront faits avec deux dixièmes de fleur de farine, et cuits avec du levain: ce sont les prémices à l'Éternel. 18 Outre ces pains, vous offrirez en holocauste à l'Éternel sept agneaux d'un an sans défaut, un jeune taureau et deux béliers; vous y joindrez l'offrande et la libation ordinaires, comme offrande consumée par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel. 19 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, et deux agneaux d'un an en sacrifice d'actions de grâces. 20 Le sacrificateur agitera ces victimes de côté et d'autre devant l'Éternel, avec le pain des prémices et avec les deux agneaux: elles seront consacrées à l'Éternel, et appartiendront au sacrificateur. 21 Ce jour même, vous publierez la fête, et vous aurez une sainte convocation: vous ne ferez aucune oeuvre servile. C'est une loi perpétuelle pour vos descendants, dans tous les lieux où vous habiterez. 22 Quand vous ferez la moisson dans votre pays, tu laisseras un coin de ton champ sans le moissonner, et tu ne ramasseras pas ce qui reste à glaner. Tu abandonneras cela au pauvre et à l'étranger. Je suis l'Éternel, votre Dieu. 23 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 24 Parle aux enfants d'Israël, et dis: Le septième mois, le premier jour du mois, vous aurez un jour de repos, publié au son des trompettes, et une sainte convocation. 25 Vous ne ferez aucune oeuvre servile, et vous offrirez à l'Éternel des sacrifices consumés par le feu. 26 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 27 Le dixième jour de ce septième mois, ce sera le jour des expiations: vous aurez une sainte convocation, vous humilierez vos âmes, et vous offrirez à l'Éternel des sacrifices consumés par le feu. 28 Vous ne ferez aucun ouvrage ce jour-là, car c'est le jour des expiations, où doit être faite pour vous l'expiation devant l'Éternel, votre Dieu. 29 Toute personne qui ne s'humiliera pas ce jour-là sera retranchée de son peuple. 30 Toute personne qui fera ce jour-là un ouvrage quelconque, je la détruirai du milieu de son peuple. 31 Vous ne ferez aucun ouvrage. C'est une loi perpétuelle pour vos descendants dans tous les lieux où vous habiterez. 32 Ce sera pour vous un sabbat, un jour de repos, et vous humilierez vos âmes; dès le soir du neuvième jour jusqu'au soir suivant, vous célébrerez votre sabbat. 33 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 34 Parle aux enfants d'Israël, et dis: Le quinzième jour de ce septième mois, ce sera la fête des tabernacles en l'honneur de l'Éternel, pendant sept jours. 35 Le premier jour, il y aura une sainte convocation: vous ne ferez aucune oeuvre servile. 36 Pendant sept jours, vous offrirez à l'Éternel des sacrifices consumés par le feu. Le huitième jour, vous aurez une sainte convocation, et vous offrirez à l'Éternel des sacrifices consumés par le feu; ce sera une assemblée solennelle: vous ne ferez aucune oeuvre servile. 37 Telles sont les fêtes de l'Éternel, les saintes convocations, que vous publierez, afin que l'on offre à l'Éternel des sacrifices consumés par le feu, des holocaustes, des offrandes, des victimes et des libations, chaque chose au jour fixé. 38 Vous observerez en outre les sabbats de l'Éternel, et vous continuerez à faire vos dons à l'Éternel, tous vos sacrifices pour l'accomplissement d'un voeu et toutes vos offrandes volontaires. 39 Le quinzième jour du septième mois, quand vous récolterez les produits du pays, vous célébrerez donc une fête à l'Éternel, pendant sept jours: le premier jour sera un jour de repos, et le huitième sera un jour de repos. 40 Vous prendrez, le premier jour, du fruit des beaux arbres, des branches de palmiers, des rameaux d'arbres touffus et des saules de rivière; et vous vous réjouirez devant l'Éternel, votre Dieu, pendant sept jours. 41 Vous célébrerez chaque année cette fête à l'Éternel, pendant sept jours. C'est une loi perpétuelle pour vos descendants. Vous la célébrerez le septième mois. 42 Vous demeurerez pendant sept jours sous des tentes; tous les indigènes en Israël demeureront sous des tentes, 43 afin que vos descendants sachent que j'ai fait habiter sous des tentes les enfants d'Israël, après les avoir fait sortir du pays d'Égypte. Je suis l'Éternel, votre Dieu. 44 C'est ainsi que Moïse dit aux enfants d'Israël quelles sont les fêtes de l'Éternel.