T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 22

1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin'ny tsy hanakekeny ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masina: Izaho no Jehovah.

3 Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin'ny zanakareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.

4 Na iza na iza amin'ny taranak'i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan'ny azy,

5 na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na inona no fahalotoany,

6 ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro ka tsy hihinana amin'ny zava-masina, raha tsy mandro amin'ny rano.

7 Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin'ny zava-masina, satria fihinany izany.

8 Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.

9 Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin'ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasina azy.

10 Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina; na izay mivahiny ao amin'ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.

11 Fa raha misy olona novidin'ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin'izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin'ny fihinan'ny mpisorona koa.

12 Ary raha misy zanakavavin'ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin'ny fanatitra avy amin'ny zava-masina izy.

13 Fa raha misy zanakavavin'ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.

14 Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin'ny zava-masina, dia honerany ny zava-masina ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina:

15 Ary aoka tsy hisy hametaveta ny zava-masin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'i Jehovah,

16 na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.

*

17 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

18 Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny zanak'Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo amin'ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana,

19 dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak'ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.

20 Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.

21 Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.

22 Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an'i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin'ny afo eo ambonin'ny alitara ho an'i Jehovah.

23 Na omby, na ondry, na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy.

24 Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an'i Jehovah; ary aza manao izany eo amin'ny taninareo.

25 Ary raha misy entin'olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin'Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.

26 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

27 Raha misy omby, na ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin'ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

28 Ary ny ombivavy, na ny ondrivavy, na ny osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.

29 Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an'i Jehovah ianareo, dia amin'izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy.

30 Amin'izany andro izany ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah

31 Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.

32 Ary aza manamavo ny anarako masina; fa hohamasinina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho: Izaho Jehovah,

33 Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no manamasina anareo; Izaho no Jehovah.

 

Chapitre 22

22:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 22:2 “Tell Aaron and his sons to separate themselves from the holy things of the children of Israel, which they make holy to me, and that they not profane my holy name. I am Yahweh.

22:3 “Tell them, ‘If anyone of all your seed throughout your generations approaches the holy things, which the children of Israel make holy to Yahweh, having his uncleanness on him, that soul shall be cut off from before me. I am Yahweh.

22:4 “‘Whoever of the seed of Aaron is a leper or has an issue; he shall not eat of the holy things, until he is clean. Whoever touches anything that is unclean by the dead, or a man whose seed goes from him; 22:5 or whoever touches any creeping thing, whereby he may be made unclean, or a man of whom he may take uncleanness, whatever uncleanness he has; 22:6 the person that touches any such shall be unclean until the evening, and shall not eat of the holy things, unless he bathe his body in water. 22:7 When the sun is down, he shall be clean; and afterward he shall eat of the holy things, because it is his bread. 22:8 That which dies of itself, or is torn by animals, he shall not eat, defiling himself by it. I am Yahweh.

22:9 “‘They shall therefore follow my requirements, lest they bear sin for it, and die therein, if they profane it. I am Yahweh who sanctifies them.

22:10 “‘No stranger shall eat of the holy thing: a foreigner living with the priests, or a hired servant, shall not eat of the holy thing. 22:11 But if a priest buys a slave, purchased by his money, he shall eat of it; and such as are born in his house, they shall eat of his bread. 22:12 If a priest’s daughter is married to an outsider, she shall not eat of the heave offering of the holy things. 22:13 But if a priest’s daughter is a widow, or divorced, and has no child, and has returned to her father’s house, as in her youth, she may eat of her father’s bread: but no stranger shall eat any of it.

22:14 “‘If a man eats something holy unwittingly, then he shall add the fifth part of its value to it, and shall give the holy thing to the priest. 22:15 The priests shall not profane the holy things of the children of Israel, which they offer to Yahweh, 22:16 and so cause them to bear the iniquity that brings guilt, when they eat their holy things: for I am Yahweh who sanctifies them.’”

22:17 Yahweh spoke to Moses, saying, 22:18 “Speak to Aaron, and to his sons, and to all the children of Israel, and say to them, ‘Whoever is of the house of Israel, or of the foreigners in Israel, who offers his offering, whether it be any of their vows, or any of their freewill offerings, which they offer to Yahweh for a burnt offering; 22:19 that you may be accepted, you shall offer a male without blemish, of the bulls, of the sheep, or of the goats. 22:20 But whatever has a blemish, that you shall not offer: for it shall not be acceptable for you. 22:21 Whoever offers a sacrifice of peace offerings to Yahweh to accomplish a vow, or for a freewill offering, of the herd or of the flock, it shall be perfect to be accepted; no blemish shall be therein. 22:22 Blind, injured, maimed, having a wart, festering, or having a running sore, you shall not offer these to Yahweh, nor make an offering by fire of them on the altar to Yahweh. 22:23 Either a bull or a lamb that has any deformity or lacking in his parts, that you may offer for a freewill offering; but for a vow it shall not be accepted. 22:24 That which has its testicles bruised, crushed, broken, or cut, you shall not offer to Yahweh; neither shall you do thus in your land. 22:25 Neither shall you offer the bread of your God from the hand of a foreigner of any of these; because their corruption is in them. There is a blemish in them. They shall not be accepted for you.’”

22:26 Yahweh spoke to Moses, saying, 22:27 “When a bull, or a sheep, or a goat, is born, then it shall remain seven days with its mother; and from the eighth day and thenceforth it shall be accepted for the offering of an offering made by fire to Yahweh. 22:28 Whether it is a cow or ewe, you shall not kill it and its young both in one day.

22:29 “When you sacrifice a sacrifice of thanksgiving to Yahweh, you shall sacrifice it so that you may be accepted. 22:30 It shall be eaten on the same day; you shall leave none of it until the morning. I am Yahweh.

22:31 “Therefore you shall keep my commandments, and do them. I am Yahweh. 22:32 You shall not profane my holy name, but I will be made holy among the children of Israel. I am Yahweh who makes you holy, 22:33 who brought you out of the land of Egypt, to be your God. I am Yahweh.”

 

Chapitre 22
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Parle à Aaron et à ses fils, afin qu'ils s'abstiennent des choses saintes qui me sont consacrées par les enfants d'Israël, et qu'ils ne profanent point mon saint nom. Je suis l'Éternel. 3 Dis-leur: Tout homme parmi vos descendants et de votre race, qui s'approchera des choses saintes que consacrent à l'Éternel les enfants d'Israël, et qui aura sur lui quelque impureté, cet homme-là sera retranché de devant moi. Je suis l'Éternel. 4 Tout homme de la race d'Aaron, qui aura la lèpre ou une gonorrhée, ne mangera point des choses saintes jusqu'à ce qu'il soit pur. Il en sera de même pour celui qui touchera une personne souillée par le contact d'un cadavre, pour celui qui aura une pollution, 5 pour celui qui touchera un reptile et en aura été souillé, ou un homme atteint d'une impureté quelconque et en aura été souillé. 6 Celui qui touchera ces choses sera impur jusqu'au soir; il ne mangera pas des choses saintes, mais il lavera son corps dans l'eau; 7 après le coucher du soleil, il sera pur, et il mangera ensuite des choses saintes, car c'est sa nourriture. 8 Il ne mangera point d'une bête morte ou déchirée, afin de ne pas se souiller par elle. Je suis l'Éternel. 9 Ils observeront mes commandements, de peur qu'ils ne portent la peine de leur péché et qu'ils ne meurent, pour avoir profané les choses saintes. Je suis l'Éternel, qui les sanctifie. 10 Aucun étranger ne mangera des choses saintes; celui qui demeure chez un sacrificateur et le mercenaire ne mangeront point des choses saintes. 11 Mais un esclave acheté par le sacrificateur à prix d'argent pourra en manger, de même que celui qui est né dans sa maison; ils mangeront de sa nourriture. 12 La fille d'un sacrificateur, mariée à un étranger, ne mangera point des choses saintes offertes par élévation. 13 Mais la fille d'un sacrificateur qui sera veuve ou répudiée, sans avoir d'enfants, et qui retournera dans la maison de son père comme dans sa jeunesse, pourra manger de la nourriture de son père. Aucun étranger n'en mangera. 14 Si un homme mange involontairement d'une chose sainte, il donnera au sacrificateur la valeur de la chose sainte, en y ajoutant un cinquième. 15 Les sacrificateurs ne profaneront point les choses saintes qui sont présentées par les enfants d'Israël, et qu'ils ont offertes par élévation à l'Éternel; 16 ils les chargeraient ainsi du péché dont ils se rendraient coupables en mangeant les choses saintes: car je suis l'Éternel, qui les sanctifie. 17 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 18 Parle à Aaron et à ses fils, et à tous les enfants d'Israël, et tu leur diras: Tout homme de la maison d'Israël ou des étrangers en Israël, qui offrira un holocauste à l'Éternel, soit pour l'accomplissement d'un voeu, soit comme offrande volontaire, 19 prendra un mâle sans défaut parmi les boeufs, les agneaux ou les chèvres, afin que sa victime soit agréée. 20 Vous n'en offrirez aucune qui ait un défaut, car elle ne serait pas agréée. 21 Si un homme offre à l'Éternel du gros ou du menu bétail en sacrifice d'actions de grâces, soit pour l'accomplissement d'un voeu, soit comme offrande volontaire, la victime sera sans défaut, afin qu'elle soit agréée; il n'y aura en elle aucun défaut. 22 Vous n'en offrirez point qui soit aveugle, estropiée, ou mutilée, qui ait des ulcères, la gale ou une dartre; vous n'en ferez point sur l'autel un sacrifice consumé par le feu devant l'Éternel. 23 Tu pourras sacrifier comme offrande volontaire un boeuf ou un agneau ayant un membre trop long ou trop court, mais il ne sera point agréé pour l'accomplissement d'un voeu. 24 Vous n'offrirez point à l'Éternel un animal dont les testicules ont été froissés, écrasés, arrachés ou coupés; vous ne l'offrirez point en sacrifice dans votre pays. 25 Vous n'accepterez de l'étranger aucune de ces victimes, pour l'offrir comme aliment de votre Dieu; car elles sont mutilées, elles ont des défauts: elles ne seraient point agréées. 26 L'Éternel dit à Moïse: 27 Un boeuf, un agneau ou une chèvre, quand il naîtra, restera sept jours avec sa mère; dès le huitième jour et les suivants, il sera agréé pour être offert à l'Éternel en sacrifice consumé par le feu. 28 Boeuf ou agneau, vous n'égorgerez pas un animal et son petit le même jour. 29 Quand vous offrirez à l'Éternel un sacrifice d'actions de grâces, vous ferez en sorte qu'il soit agréé. 30 La victime sera mangée le jour même; vous n'en laisserez rien jusqu'au matin. Je suis l'Éternel. 31 Vous observerez mes commandements, et vous les mettrez en pratique. Je suis l'Éternel. 32 Vous ne profanerez point mon saint nom, afin que je sois sanctifié au milieu des enfants d'Israël. Je suis l'Éternel, qui vous sanctifie, 33 et qui vous ai fait sortir du pays d'Égypte pour être votre Dieu. Je suis l'Éternel.