T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 18

1 [Lalàna ny amin'ny hanamasinana ny fanambadiana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:

3 Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.

4 Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

5 Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah.

6 Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah.

7 Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.

8 Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy.

9 Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.

10 Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy roa.

11 Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.

12 Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.

13 Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.

14 Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy.

15 Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.

16 Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.

17 Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.

18 Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.

19 Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy.

20 Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.

 

21 Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.

22 Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.

23 Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.

24 Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.

25 Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo.

26 Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo

27 (fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),

28 mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.

29 Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

30 Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

 

Chapitre 18

18:1 Yahweh said to Moses, 18:2 “Speak to the children of Israel, and say to them, ‘I am Yahweh your God. 18:3 You shall not do as they do in the land of Egypt, where you lived: and you shall not do as they do in the land of Canaan, where I am bringing you; neither shall you walk in their statutes. 18:4 You shall do my ordinances, and you shall keep my statutes, and walk in them: I am Yahweh your God. 18:5 You shall therefore keep my statutes and my ordinances; which if a man does, he shall live in them: I am Yahweh.

18:6 “‘None of you shall approach anyone who are his close relatives, to uncover their nakedness: I am Yahweh.

18:7 “‘You shall not uncover the nakedness of your father, nor the nakedness of your mother: she is your mother. You shall not uncover her nakedness.

18:8 “‘You shall not uncover the nakedness of your father’s wife: it is your father’s nakedness.

18:9 “‘You shall not uncover the nakedness of your sister, the daughter of your father, or the daughter of your mother, whether born at home, or born abroad.

18:10 “‘You shall not uncover the nakedness of your son’s daughter, or of your daughter’s daughter, even their nakedness: for theirs is your own nakedness.

18:11 “‘You shall not uncover the nakedness of your father’s wife’s daughter, conceived by your father, since she is your sister.

18:12 “‘You shall not uncover the nakedness of your father’s sister: she is your father’s near kinswoman.

18:13 “‘You shall not uncover the nakedness of your mother’s sister: for she is your mother’s near kinswoman.

18:14 “‘You shall not uncover the nakedness of your father’s brother, you shall not approach his wife: she is your aunt.

18:15 “‘You shall not uncover the nakedness of your daughter-in-law: she is your son’s wife. You shall not uncover her nakedness.

18:16 “‘You shall not uncover the nakedness of your brother’s wife: it is your brother’s nakedness.

18:17 “‘You shall not uncover the nakedness of a woman and her daughter. You shall not take her son’s daughter, or her daughter’s daughter, to uncover her nakedness; they are near kinswomen: it is wickedness.

18:18 “‘You shall not take a wife to her sister, to be a rival, to uncover her nakedness, while her sister is yet alive.

18:19 “‘You shall not approach a woman to uncover her nakedness, as long as she is impure by her uncleanness.

18:20 “‘You shall not lie carnally with your neighbor’s wife, and defile yourself with her.

18:21 “‘You shall not give any of your children to sacrifice to Molech; neither shall you profane the name of your God: I am Yahweh.

18:22 “‘You shall not lie with a man, as with a woman. That is detestable.

18:23 “‘You shall not lie with any animal to defile yourself with it; neither shall any woman give herself to an animal, to lie down with it: it is a perversion.

18:24 “‘Don’t defile yourselves in any of these things: for in all these the nations which I am casting out before you were defiled. 18:25 The land was defiled: therefore I punished its iniquity, and the land vomited out her inhabitants. 18:26 You therefore shall keep my statutes and my ordinances, and shall not do any of these abominations; neither the native-born, nor the stranger who lives as a foreigner among you; 18:27 (for all these abominations have the men of the land done, that were before you, and the land became defiled); 18:28 that the land not vomit you out also, when you defile it, as it vomited out the nation that was before you.

18:29 “‘For whoever shall do any of these abominations, even the souls that do them shall be cut off from among their people. 18:30 Therefore you shall keep my requirements, that you do not practice any of these abominable customs, which were practiced before you, and that you do not defile yourselves with them: I am Yahweh your God.’”

 

Chapitre 18
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Parle aux enfants d'Israël, et tu leur diras: Je suis l'Éternel, votre Dieu. 3 Vous ne ferez point ce qui se fait dans le pays d'Égypte où vous avez habité, et vous ne ferez point ce qui se fait dans le pays de Canaan où je vous mène: vous ne suivrez point leurs usages. 4 Vous pratiquerez mes ordonnances, et vous observerez mes lois: vous les suivrez. Je suis l'Éternel, votre Dieu. 5 Vous observerez mes lois et mes ordonnances: l'homme qui les mettra en pratique vivra par elles. Je suis l'Éternel. 6 Nul de vous ne s'approchera de sa parente, pour découvrir sa nudité. Je suis l'Éternel. 7 Tu ne découvriras point la nudité de ton père, ni la nudité de ta mère. C'est ta mère: tu ne découvriras point sa nudité. 8 Tu ne découvriras point la nudité de la femme de ton père. C'est la nudité de ton père. 9 Tu ne découvriras point la nudité de ta soeur, fille de ton père ou fille de ta mère, née dans la maison ou née hors de la maison. 10 Tu ne découvriras point la nudité de la fille de ton fils ou de la fille de ta fille. Car c'est ta nudité. 11 Tu ne découvriras point la nudité de la fille de la femme de ton père, née de ton père. C'est ta soeur. 12 Tu ne découvriras point la nudité de la soeur de ton père. C'est la proche parente de ton père. 13 Tu ne découvriras point la nudité de la soeur de ta mère. Car c'est la proche parente de ta mère. 14 Tu ne découvriras point la nudité du frère de ton père. Tu ne t'approcheras point de sa femme. C'est ta tante. 15 Tu ne découvriras point la nudité de ta belle-fille. C'est la femme de ton fils: tu ne découvriras point sa nudité. 16 Tu ne découvriras point la nudité de la femme de ton frère. C'est la nudité de ton frère. 17 Tu ne découvriras point la nudité d'une femme et de sa fille. Tu ne prendras point la fille de son fils, ni la fille de sa fille, pour découvrir leur nudité. Ce sont tes proches parentes: c'est un crime. 18 Tu ne prendras point la soeur de ta femme, pour exciter une rivalité, en découvrant sa nudité à côté de ta femme pendant sa vie. 19 Tu ne t'approcheras point d'une femme pendant son impureté menstruelle, pour découvrir sa nudité. 20 Tu n'auras point commerce avec la femme de ton prochain, pour te souiller avec elle. 21 Tu ne livreras aucun de tes enfants pour le faire passer à Moloc, et tu ne profaneras point le nom de ton Dieu. Je suis l'Éternel. 22 Tu ne coucheras point avec un homme comme on couche avec une femme. C'est une abomination. 23 Tu ne coucheras point avec une bête, pour te souiller avec elle. La femme ne s'approchera point d'une bête, pour se prostituer à elle. C'est une confusion. 24 Ne vous souillez par aucune de ces choses, car c'est par toutes ces choses que se sont souillées les nations que je vais chasser devant vous. 25 Le pays en a été souillé; je punirai son iniquité, et le pays vomira ses habitants. 26 Vous observerez donc mes lois et mes ordonnances, et vous ne commettrez aucune de ces abominations, ni l'indigène, ni l'étranger qui séjourne au milieu de vous. 27 Car ce sont là toutes les abominations qu'ont commises les hommes du pays, qui y ont été avant vous; et le pays en a été souillé. 28 Prenez garde que le pays ne vous vomisse, si vous le souillez, comme il aura vomi les nations qui y étaient avant vous. 29 Car tous ceux qui commettront quelqu'une de ces abominations seront retranchés du milieu de leur peuple. 30 Vous observerez mes commandements, et vous ne pratiquerez aucun des usages abominables qui se pratiquaient avant vous, vous ne vous en souillerez pas. Je suis l'Éternel, votre Dieu.