T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 16

1 [Ny Andro Fanavotana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak'i Arona, tamin'izy nanatona teo anatrehan'i Jehovah ka maty;

2 dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin'ny fitoerana masina izy; dia ao anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin'ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin'ny rahona eo ambonin'ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.

3 Ary izao no ho entin'i Arona, raha miditra ao amin'ny fitoerana masina izy: vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.

4 Akanjo lava masina rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin'ny rano izy vao hiakanjo azy.

5 Ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.

6 Dia hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany izy.

 

7 Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

8 Dia hanaovan'i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an'i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an'i Azazela.

9 Ary hampanatonin'i Arona ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.

10 Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela.

11 Ary hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany.

12 Dia haka vain'afo eran'ny fitondran'afo avy amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba.

13 Ary hataony eo amin'ny afo eo anatrehan'i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan'ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin'ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.

14 Dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy ka hafafin'ny fanondrony amin'ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin'ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin'ny fanondrony.

15 Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny ran'ny vantotr'ombilahy ihany ka hafafiny eo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.

16 Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an'ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan'ny fahalotoany.

17 Ary aza avela hisy olona ao amin'ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin'ny fitoerana masina Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany ary ho an'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.

18 Dia hivoaka ho eo amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an'ny alitara; dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny ran'ny osilahy ka hatentiny amin'ny tandroky ny alitara eo amin'ny zorony efatra.

19 Dia hofafazany ny rà impito amin'ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin'ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely.

20 Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an'ny fitoerana masina sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona.

21 Dia hapetrak'i Arona amin'ny lohan'ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin'ny lohan'ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin'ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.

22 Ary ho entin'ny osilahy ho any an-efitra ny helok'izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.

23 Dia hiditra ao amin'ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin'ny fitoerana masina izy, ka hamela azy ao.

24 Dia handro amin'ny rano eo amin'izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an'ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an'ny olona ka hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny olona.

25 Ary ny saboran'ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara.

26 Ary ilay mandefa ny osilahy ho an'i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.

27 Ary ny vantotr'ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin'ny fitoerana masina ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan'ny amin'ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.

28 Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.

 

29 Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.

30 Fa amin'izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra eo anatrehan'i Jehovah ianareo

31 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany.

32 Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masina.

33 Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy sy ho an'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin'ny fiangonana.

34 Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin'ny fahotany rehetra. Dia nataon'i Arona araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

 

Chapitre 16

16:1 Yahweh spoke to Moses, after the death of the two sons of Aaron, when they drew near before Yahweh, and died; 16:2 and Yahweh said to Moses, “Tell Aaron your brother, not to come at all times into the Most Holy Place within the veil, before the mercy seat which is on the ark; lest he die: for I will appear in the cloud on the mercy seat.

16:3 “Herewith shall Aaron come into the sanctuary: with a young bull for a sin offering, and a ram for a burnt offering. 16:4 He shall put on the holy linen coat, and he shall have the linen breeches on his body, and shall put on the linen sash, and he shall be clothed with the linen turban. They are the holy garments. He shall bathe his body in water, and put them on. 16:5 He shall take from the congregation of the children of Israel two male goats for a sin offering, and one ram for a burnt offering.

16:6 “Aaron shall offer the bull of the sin offering, which is for himself, and make atonement for himself and for his house. 16:7 He shall take the two goats, and set them before Yahweh at the door of the Tent of Meeting. 16:8 Aaron shall cast lots for the two goats; one lot for Yahweh, and the other lot for the scapegoat. 16:9 Aaron shall present the goat on which the lot fell for Yahweh, and offer him for a sin offering. 16:10 But the goat, on which the lot fell for the scapegoat, shall be presented alive before Yahweh, to make atonement for him, to send him away for the scapegoat into the wilderness.

16:11 “Aaron shall present the bull of the sin offering, which is for himself, and shall make atonement for himself and for his house, and shall kill the bull of the sin offering which is for himself. 16:12 He shall take a censer full of coals of fire from off the altar before Yahweh, and two handfuls of sweet incense beaten small, and bring it within the veil: 16:13 and he shall put the incense on the fire before Yahweh, that the cloud of the incense may cover the mercy seat that is on the testimony, so that he will not die. 16:14 He shall take some of the blood of the bull, and sprinkle it with his finger on the mercy seat on the east; and before the mercy seat he shall sprinkle some of the blood with his finger seven times.

16:15 “Then he shall kill the goat of the sin offering, that is for the people, and bring his blood within the veil, and do with his blood as he did with the blood of the bull, and sprinkle it on the mercy seat, and before the mercy seat: 16:16 and he shall make atonement for the Holy Place, because of the uncleanness of the children of Israel, and because of their transgressions, even all their sins; and so he shall do for the Tent of Meeting, that dwells with them in the midst of their uncleanness. 16:17 No one shall be in the Tent of Meeting when he enters to make atonement in the Holy Place, until he comes out, and has made atonement for himself and for his household, and for all the assembly of Israel.

16:18 “He shall go out to the altar that is before Yahweh and make atonement for it, and shall take some of the bull’s blood, and some of the goat’s blood, and put it around on the horns of the altar. 16:19 He shall sprinkle some of the blood on it with his finger seven times, and cleanse it, and make it holy from the uncleanness of the children of Israel.

16:20 “When he has made an end of atoning for the Holy Place, the Tent of Meeting, and the altar, he shall present the live goat. 16:21 Aaron shall lay both his hands on the head of the live goat, and confess over him all the iniquities of the children of Israel, and all their transgressions, even all their sins; and he shall put them on the head of the goat, and shall send him away into the wilderness by the hand of a man who is in readiness. 16:22 The goat shall carry all their iniquities on himself to a solitary land, and he shall let the goat go in the wilderness.

16:23 “Aaron shall come into the Tent of Meeting, and shall take off the linen garments, which he put on when he went into the Holy Place, and shall leave them there. 16:24 Then he shall bathe himself in water in a holy place, and put on his garments, and come out and offer his burnt offering and the burnt offering of the people, and make atonement for himself and for the people. 16:25 The fat of the sin offering he shall burn on the altar.

16:26 “He who lets the goat go for the scapegoat shall wash his clothes, and bathe his flesh in water, and afterward he shall come into the camp. 16:27 The bull for the sin offering, and the goat for the sin offering, whose blood was brought in to make atonement in the Holy Place, shall be carried forth outside the camp; and they shall burn their skins, their flesh, and their dung with fire. 16:28 He who burns them shall wash his clothes, and bathe his flesh in water, and afterward he shall come into the camp.

16:29 “It shall be a statute to you forever: in the seventh month, on the tenth day of the month, you shall afflict your souls, and shall do no kind of work, the native-born, or the stranger who lives as a foreigner among you: 16:30 for on this day shall atonement be made for you, to cleanse you; from all your sins you shall be clean before Yahweh. 16:31 It is a Sabbath of solemn rest to you, and you shall afflict your souls; it is a statute forever. 16:32 The priest, who is anointed and who is consecrated to be priest in his father’s place, shall make the atonement, and shall put on the linen garments, even the holy garments. 16:33 Then he shall make atonement for the Holy Sanctuary; and he shall make atonement for the Tent of Meeting and for the altar; and he shall make atonement for the priests and for all the people of the assembly.

16:34 “This shall be an everlasting statute for you, to make atonement for the children of Israel once in the year because of all their sins.”

It was done as Yahweh commanded Moses.

 

Chapitre 16
1 L'Éternel parla à Moïse, après la mort des deux fils d'Aaron, qui moururent en se présentant devant l'Éternel. 2 L'Éternel dit à Moïse: Parle à ton frère Aaron, afin qu'il n'entre pas en tout temps dans le sanctuaire, au dedans du voile, devant le propitiatoire qui est sur l'arche, de peur qu'il ne meure; car j'apparaîtrai dans la nuée sur le propitiatoire. 3 Voici de quelle manière Aaron entrera dans le sanctuaire. Il prendra un jeune taureau pour le sacrifice d'expiation et un bélier pour l'holocauste. 4 Il se revêtira de la tunique sacrée de lin, et portera sur son corps des caleçons de lin; il se ceindra d'une ceinture de lin, et il se couvrira la tête d'une tiare de lin: ce sont les vêtements sacrés, dont il se revêtira après avoir lavé son corps dans l'eau. 5 Il recevra de l'assemblée des enfants d'Israël deux boucs pour le sacrifice d'expiation et un bélier pour l'holocauste. 6 Aaron offrira son taureau expiatoire, et il fera l'expiation pour lui et pour sa maison. 7 Il prendra les deux boucs, et il les placera devant l'Éternel, à l'entrée de la tente d'assignation. 8 Aaron jettera le sort sur les deux boucs, un sort pour l'Éternel et un sort pour Azazel. 9 Aaron fera approcher le bouc sur lequel est tombé le sort pour l'Éternel, et il l'offrira en sacrifice d'expiation. 10 Et le bouc sur lequel est tombé le sort pour Azazel sera placé vivant devant l'Éternel, afin qu'il serve à faire l'expiation et qu'il soit lâché dans le désert pour Azazel. 11 Aaron offrira son taureau expiatoire, et il fera l'expiation pour lui et pour sa maison. Il égorgera son taureau expiatoire. 12 Il prendra un brasier plein de charbons ardents ôtés de dessus l'autel devant l'Éternel, et de deux poignées de parfum odoriférant en poudre; il portera ces choses au delà du voile; 13 il mettra le parfum sur le feu devant l'Éternel, afin que la nuée du parfum couvre le propitiatoire qui est sur le témoignage, et il ne mourra point. 14 Il prendra du sang du taureau, et il fera l'aspersion avec son doigt sur le devant du propitiatoire vers l'orient; il fera avec son doigt sept fois l'aspersion du sang devant le propitiatoire. 15 Il égorgera le bouc expiatoire pour le peuple, et il en portera le sang au delà du voile. Il fera avec ce sang comme il a fait avec le sang du taureau, il en fera l'aspersion sur le propitiatoire et devant le propitiatoire. 16 C'est ainsi qu'il fera l'expiation pour le sanctuaire à cause des impuretés des enfants d'Israël et de toutes les transgressions par lesquelles ils ont péché. Il fera de même pour la tente d'assignation, qui est avec eux au milieu de leurs impuretés. 17 Il n'y aura personne dans la tente d'assignation lorsqu'il entrera pour faire l'expiation dans le sanctuaire, jusqu'à ce qu'il en sorte. Il fera l'expiation pour lui et pour sa maison, et pour toute l'assemblée d'Israël. 18 En sortant, il ira vers l'autel qui est devant l'Éternel, et il fera l'expiation pour l'autel; il prendra du sang du taureau et du bouc, et il en mettra sur les cornes de l'autel tout autour. 19 Il fera avec son doigt sept fois l'aspersion du sang sur l'autel; il le purifiera et le sanctifiera, à cause des impuretés des enfants d'Israël. 20 Lorsqu'il aura achevé de faire l'expiation pour le sanctuaire, pour la tente d'assignation et pour l'autel, il fera approcher le bouc vivant. 21 Aaron posera ses deux mains sur la tête du bouc vivant, et il confessera sur lui toutes les iniquités des enfants d'Israël et toutes les transgressions par lesquelles ils ont péché; il les mettra sur la tête du bouc, puis il le chassera dans le désert, à l'aide d'un homme qui aura cette charge. 22 Le bouc emportera sur lui toutes leurs iniquités dans une terre désolée; il sera chassé dans le désert. 23 Aaron entrera dans la tente d'assignation; il quittera les vêtements de lin qu'il avait mis en entrant dans le sanctuaire, et il les déposera là. 24 Il lavera son corps avec de l'eau dans un lieu saint, et reprendra ses vêtements. Puis il sortira, offrira son holocauste et l'holocauste du peuple, et fera l'expiation pour lui et pour le peuple. 25 Il brûlera sur l'autel la graisse de la victime expiatoire. 26 Celui qui aura chassé le bouc pour Azazel lavera ses vêtements, et lavera son corps dans l'eau; après cela, il rentrera dans le camp. 27 On emportera hors du camp le taureau expiatoire et le bouc expiatoire dont on a porté le sang dans le sanctuaire pour faire l'expiation, et l'on brûlera au feu leurs peaux, leur chair et leurs excréments. 28 Celui qui les brûlera lavera ses vêtements, et lavera son corps dans l'eau; après cela, il rentrera dans le camp. 29 C'est ici pour vous une loi perpétuelle: au septième mois, le dixième jour du mois, vous humilierez vos âmes, vous ne ferez aucun ouvrage, ni l'indigène, ni l'étranger qui séjourne au milieu de vous. 30 Car en ce jour on fera l'expiation pour vous, afin de vous purifier: vous serez purifiés de tous vos péchés devant l'Éternel. 31 Ce sera pour vous un sabbat, un jour de repos, et vous humilierez vos âmes. C'est une loi perpétuelle. 32 L'expiation sera faite par le sacrificateur qui a reçu l'onction et qui a été consacré pour succéder à son père dans le sacerdoce; il se revêtira des vêtements de lin, des vêtements sacrés. 33 Il fera l'expiation pour le sanctuaire de sainteté, il fera l'expiation pour la tente d'assignation et pour l'autel, et il fera l'expiation pour les sacrificateurs et pour tout le peuple de l'assemblée. 34 Ce sera pour vous une loi perpétuelle: il se fera une fois chaque année l'expiation pour les enfants d'Israël, à cause de leurs péchés. On fit ce que l'Éternel avait ordonné à Moïse.