| Chapitre 14 1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Izao no lalàna ny amin'ny boka amin'ny andro fanavotana azy: ho entina any amin'ny mpisorona izy; 3 dia hivoaka eny ivelan'ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin'ny habokany ny boka, 4 dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ho an'ilay hodiovina; 5 Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha; 6 Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha. 7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona. 8 Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana. 9 Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy. 10 Ary amin'ny andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga. 11 Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; 12 dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah. 13 Ary hamono ny zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany. 14 Dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, 15 ary ny diloilo iray loga dia hangalan'ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia; 16 dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin'ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah. 17 ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana; 18 ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona. 19 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina hahafahany amin'ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy; 20 ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin'ny alitara ka hanao fanavotana ho an'ilay olona hodiovina, dia hadio izy. 21 Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak'ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga 22 ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana. 23 Dia ho eniny any amin'ny mpisorona ireo amin'ny andro fahavalon'ny fanadiovana azy, ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah. 24 Dia horaisin'ny mpisorona ny zanak'ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah. 25 Dia hovonoina ny zanak'ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; 26 ary hangalan'ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia; 27 dia hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah; 28 dia hotentenan'ny mpisorona amin'ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana; 29 ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah. 30 Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany, 31 dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin'ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina eo anatrehan'i Jehovah. 32 Izany no lalàna ny amin'ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy. * 33 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: 34 Rehefa tonga any amin'ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin'ny tany fanananareo, 35 dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin'ny tranoko. 36 Dia hasain'ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan'ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano; 37 ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny azy, 38 dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana. 39 Ary hiverina ny mpisorona amin'ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin'ny rindrin'ny trano izy, 40 dia hasain'ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin'izay fitoerana maloto eo ivelan'ny tanàna; 41 dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian'ny olona amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna. 42 Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano. 43 Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin'ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano, 44 ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin'ny trano izany, ka dia maloto izy. 45 Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna. 46 Ary izay miditra ao amin'izany trano izany amin'ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan'ny andro; 47 ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa. 48 Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon'ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina. 49 Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano. 50 Dia hovonoiny eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha ny vorona anankiray; 51 dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina sy eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito. 52 Dia hanadio ny trano amin'ny ran'ny vorona izy sy amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha sy amin'ny vorona velona sy amin'ny hazo sedera sy amin'ny hysopa ary amin'ny jaky. 53 Fa hasainy ho entina eny ivelan'ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an'ny trano izy, ka dia hadio izany. 54 Izany no lalàna ny amin'ny habokana rehetra sy ny kongonina, 55 ary amin'ny habokana amin'ny fitafiana sy amin'ny trano, 56 ary ny amin'ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana, 57 hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin'ny habokana.
| | Chapitre 14 14:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 14:2 “This shall be the law of the leper in the day of his cleansing. He shall be brought to the priest, 14:3 and the priest shall go forth out of the camp. The priest shall examine him, and behold, if the plague of leprosy is healed in the leper, 14:4 then the priest shall command them to take for him who is to be cleansed two living clean birds, and cedar wood, and scarlet, and hyssop. 14:5 The priest shall command them to kill one of the birds in an earthen vessel over running water. 14:6 As for the living bird, he shall take it, and the cedar wood, and the scarlet, and the hyssop, and shall dip them and the living bird in the blood of the bird that was killed over the running water. 14:7 He shall sprinkle on him who is to be cleansed from the leprosy seven times, and shall pronounce him clean, and shall let the living bird go into the open field. 14:8 “He who is to be cleansed shall wash his clothes, and shave off all his hair, and bathe himself in water; and he shall be clean. After that he shall come into the camp, but shall dwell outside his tent seven days. 14:9 It shall be on the seventh day, that he shall shave all his hair off his head and his beard and his eyebrows, even all his hair he shall shave off. He shall wash his clothes, and he shall bathe his body in water, then he shall be clean. 14:10 “On the eighth day he shall take two male lambs without blemish, and one ewe lamb a year old without blemish, and three tenths of an ephah of fine flour for a meal offering, mingled with oil, and one log of oil. 14:11 The priest who cleanses him shall set the man who is to be cleansed, and those things, before Yahweh, at the door of the Tent of Meeting. 14:12 “The priest shall take one of the male lambs, and offer him for a trespass offering, with the log of oil, and wave them for a wave offering before Yahweh. 14:13 He shall kill the male lamb in the place where they kill the sin offering and the burnt offering, in the place of the sanctuary; for as the sin offering is the priest’s, so is the trespass offering. It is most holy. 14:14 The priest shall take some of the blood of the trespass offering, and the priest shall put it on the tip of the right ear of him who is to be cleansed, and on the thumb of his right hand, and on the big toe of his right foot. 14:15 The priest shall take some of the log of oil, and pour it into the palm of his own left hand. 14:16 The priest shall dip his right finger in the oil that is in his left hand, and shall sprinkle some of the oil with his finger seven times before Yahweh. 14:17 The priest shall put some of the rest of the oil that is in his hand on the tip of the right ear of him who is to be cleansed, and on the thumb of his right hand, and on the big toe of his right foot, upon the blood of the trespass offering. 14:18 The rest of the oil that is in the priest’s hand he shall put on the head of him who is to be cleansed, and the priest shall make atonement for him before Yahweh. 14:19 “The priest shall offer the sin offering, and make atonement for him who is to be cleansed because of his uncleanness: and afterward he shall kill the burnt offering; 14:20 and the priest shall offer the burnt offering and the meal offering on the altar. The priest shall make atonement for him, and he shall be clean. 14:21 “If he is poor, and can’t afford so much, then he shall take one male lamb for a trespass offering to be waved, to make atonement for him, and one tenth of an ephah of fine flour mingled with oil for a meal offering, and a log of oil; 14:22 and two turtledoves, or two young pigeons, such as he is able to afford; and the one shall be a sin offering, and the other a burnt offering. 14:23 “On the eighth day he shall bring them for his cleansing to the priest, to the door of the Tent of Meeting, before Yahweh. 14:24 The priest shall take the lamb of the trespass offering, and the log of oil, and the priest shall wave them for a wave offering before Yahweh. 14:25 He shall kill the lamb of the trespass offering. The priest shall take some of the blood of the trespass offering and put it on the tip of the right ear of him who is to be cleansed, and on the thumb of his right hand, and on the big toe of his right foot. 14:26 The priest shall pour some of the oil into the palm of his own left hand; 14:27 and the priest shall sprinkle with his right finger some of the oil that is in his left hand seven times before Yahweh. 14:28 Then the priest shall put some of the oil that is in his hand on the tip of the right ear of him who is to be cleansed, and on the thumb of his right hand, and on the big toe of his right foot, on the place of the blood of the trespass offering. 14:29 The rest of the oil that is in the priest’s hand he shall put on the head of him who is to be cleansed, to make atonement for him before Yahweh. 14:30 He shall offer one of the turtledoves, or of the young pigeons, such as he is able to afford, 14:31 even such as he is able to afford, the one for a sin offering, and the other for a burnt offering, with the meal offering. The priest shall make atonement for him who is to be cleansed before Yahweh.” 14:32 This is the law for him in whom is the plague of leprosy, who is not able to afford the sacrifice for his cleansing. 14:33 Yahweh spoke to Moses and to Aaron, saying, 14:34 “When you have come into the land of Canaan, which I give to you for a possession, and I put a spreading mildew in a house in the land of your possession, 14:35 then he who owns the house shall come and tell the priest, saying, ‘There seems to me to be some sort of plague in the house.’ 14:36 The priest shall command that they empty the house, before the priest goes in to examine the plague, that all that is in the house not be made unclean: and afterward the priest shall go in to inspect the house. 14:37 He shall examine the plague; and behold, if the plague is in the walls of the house with hollow streaks, greenish or reddish, and it appears to be deeper than the wall; 14:38 then the priest shall go out of the house to the door of the house, and shut up the house seven days. 14:39 The priest shall come again on the seventh day, and look. If the plague has spread in the walls of the house, 14:40 then the priest shall command that they take out the stones in which is the plague, and cast them into an unclean place outside of the city: 14:41 and he shall cause the inside of the house to be scraped all over, and they shall pour out the mortar, that they scraped off, outside of the city into an unclean place. 14:42 They shall take other stones, and put them in the place of those stones; and he shall take other mortar, and shall plaster the house. 14:43 “If the plague comes again, and breaks out in the house, after he has taken out the stones, and after he has scraped the house, and after it was plastered; 14:44 then the priest shall come in and look; and behold, if the plague has spread in the house, it is a destructive mildew in the house. It is unclean. 14:45 He shall break down the house, its stones, and its timber, and all the house’s mortar. He shall carry them out of the city into an unclean place. 14:46 “Moreover he who goes into the house while it is shut up shall be unclean until the evening. 14:47 He who lies down in the house shall wash his clothes; and he who eats in the house shall wash his clothes. 14:48 “If the priest shall come in, and examine it, and behold, the plague hasn’t spread in the house, after the house was plastered, then the priest shall pronounce the house clean, because the plague is healed. 14:49 To cleanse the house he shall take two birds, and cedar wood, and scarlet, and hyssop. 14:50 He shall kill one of the birds in an earthen vessel over running water. 14:51 He shall take the cedar wood, and the hyssop, and the scarlet, and the living bird, and dip them in the blood of the slain bird, and in the running water, and sprinkle the house seven times. 14:52 He shall cleanse the house with the blood of the bird, and with the running water, with the living bird, with the cedar wood, with the hyssop, and with the scarlet; 14:53 but he shall let the living bird go out of the city into the open field. So shall he make atonement for the house; and it shall be clean.” 14:54 This is the law for any plague of leprosy, and for an itch, 14:55 and for the destructive mildew of a garment, and for a house, 14:56 and for a rising, and for a scab, and for a bright spot; 14:57 to teach when it is unclean, and when it is clean. This is the law of leprosy.
| | Chapitre 14 1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Voici quelle sera la loi sur le lépreux, pour le jour de sa purification. On l'amènera devant le sacrificateur. 3 Le sacrificateur sortira du camp, et il examinera le lépreux. Si le lépreux est guéri de la plaie de la lèpre, 4 le sacrificateur ordonnera que l'on prenne, pour celui qui doit être purifié, deux oiseaux vivants et purs, du bois de cèdre, du cramoisi et de l'hysope. 5 Le sacrificateur ordonnera qu'on égorge l'un des oiseaux sur un vase de terre, sur de l'eau vive. 6 Il prendra l'oiseau vivant, le bois de cèdre, le cramoisi et l'hysope; et il les trempera, avec l'oiseau vivant, dans le sang de l'oiseau égorgé sur l'eau vive. 7 Il en fera sept fois l'aspersion sur celui qui doit être purifié de la lèpre. Puis il le déclarera pur, et il lâchera dans les champs l'oiseau vivant. 8 Celui qui se purifie lavera ses vêtements, rasera tout son poil, et se baignera dans l'eau; et il sera pur. Ensuite il pourra entrer dans le camp, mais il restera sept jours hors de sa tente. 9 Le septième jour, il rasera tout son poil, sa tête, sa barbe, ses sourcils, il rasera tout son poil; il lavera ses vêtements, et baignera son corps dans l'eau, et il sera pur. 10 Le huitième jour, il prendra deux agneaux sans défaut et une brebis d'un an sans défaut, trois dixièmes d'un épha de fleur de farine en offrande pétrie à l'huile, et un log d'huile. 11 Le sacrificateur qui fait la purification présentera l'homme qui se purifie et toutes ces choses devant l'Éternel, à l'entrée de la tente d'assignation. 12 Le sacrificateur prendra l'un des agneaux, et il l'offrira en sacrifice de culpabilité, avec le log d'huile; il les agitera de côté et d'autre devant l'Éternel. 13 Il égorgera l'agneau dans le lieu où l'on égorge les victimes expiatoires et les holocaustes, dans le lieu saint; car, dans le sacrifice de culpabilité, comme dans le sacrifice d'expiation, la victime est pour le sacrificateur; c'est une chose très sainte. 14 Le sacrificateur prendra du sang de la victime de culpabilité; il en mettra sur le lobe de l'oreille droite de celui qui se purifie, sur le pouce de sa main droite et sur le gros orteil de son pied droit. 15 Le sacrificateur prendra du log d'huile, et il en versera dans le creux de sa main gauche. 16 Le sacrificateur trempera le doigt de sa main droite dans l'huile qui est dans le creux de sa main gauche, et il fera avec le doigt sept fois l'aspersion de l'huile devant l'Éternel. 17 Le sacrificateur mettra de l'huile qui lui reste dans la main sur le lobe de l'oreille droite de celui qui se purifie, sur le pouce de sa main droite et sur le gros orteil de son pied droit, par-dessus le sang de la victime de culpabilité. 18 Le sacrificateur mettra ce qui lui reste d'huile dans la main sur la tête de celui qui se purifie; et le sacrificateur fera pour lui l'expiation devant l'Éternel. 19 Puis le sacrificateur offrira le sacrifice d'expiation; et il fera l'expiation pour celui qui se purifie de sa souillure. (14:20) Ensuite il égorgera l'holocauste. 20 Le sacrificateur offrira sur l'autel l'holocauste et l'offrande; et il fera pour cet homme l'expiation, et il sera pur. 21 S'il est pauvre et que ses ressources soient insuffisantes, il prendra un seul agneau, qui sera offert en sacrifice de culpabilité, après avoir été agité de côté et d'autre, et avec lequel on fera pour lui l'expiation. Il prendra un seul dixième de fleur de farine pétrie à l'huile pour l'offrande, et un log d'huile. 22 Il prendra aussi deux tourterelles ou deux jeunes pigeons, selon ses ressources, l'un pour le sacrifice d'expiation, l'autre pour l'holocauste. 23 Le huitième jour, il apportera pour sa purification toutes ces choses au sacrificateur, à l'entrée de la tente d'assignation, devant l'Éternel. 24 Le sacrificateur prendra l'agneau pour le sacrifice de culpabilité, et le log d'huile; et il les agitera de côté et d'autre devant l'Éternel. 25 Il égorgera l'agneau du sacrifice de culpabilité. Le sacrificateur prendra du sang de la victime de culpabilité; il en mettra sur le lobe de l'oreille droite de celui qui se purifie, sur le pouce de sa main droite et sur le gros orteil de son pied droit. 26 Le sacrificateur versera de l'huile dans le creux de sa main gauche. 27 Le sacrificateur fera avec le doigt de sa main droite sept fois l'aspersion de l'huile qui est dans sa main gauche, devant l'Éternel. 28 Le sacrificateur mettra de l'huile qui est dans sa main sur le lobe de l'oreille droite de celui qui se purifie, sur le pouce de sa main droite et sur le gros orteil de son pied droit, à la place où il a mis du sang de la victime de culpabilité. 29 Le sacrificateur mettra ce qui lui reste d'huile dans la main sur la tête de celui qui se purifie, afin de faire pour lui l'expiation devant l'Éternel. 30 Puis il offrira l'une des tourterelles ou l'un des jeunes pigeons qu'il a pu se procurer, 31 l'un en sacrifice d'expiation, l'autre en holocauste, avec l'offrande; et le sacrificateur fera pour celui qui se purifie l'expiation devant l'Éternel. 32 Telle est la loi pour la purification de celui qui a une plaie de lèpre, et dont les ressources sont insuffisantes. 33 L'Éternel parla à Moïse et à Aaron, et dit: 34 Lorsque vous serez entrés dans le pays de Canaan, dont je vous donne la possession; si je mets une plaie de lèpre sur une maison du pays que vous posséderez, 35 celui à qui appartiendra la maison ira le déclarer au sacrificateur, et dira: J'aperçois comme une plaie dans ma maison. 36 Le sacrificateur, avant d'y entrer pour examiner la plaie, ordonnera qu'on vide la maison, afin que tout ce qui y est ne devienne pas impur. Après cela, le sacrificateur entrera pour examiner la maison. 37 Le sacrificateur examinera la plaie. S'il voit qu'elle offre sur les murs de la maison des cavités verdâtres ou rougeâtres, paraissant plus enfoncées que le mur, 38 il sortira de la maison, et, quand il sera à la porte, il fera fermer la maison pour sept jours. 39 Le sacrificateur y retournera le septième jour. S'il voit que la plaie s'est étendue sur les murs de la maison, 40 il ordonnera qu'on ôte les pierres attaquées de la plaie, et qu'on les jette hors de la ville, dans un lieu impur. 41 Il fera râcler tout l'intérieur de la maison; et l'on jettera hors de la ville, dans un lieu impur, la poussière qu'on aura râclée. 42 On prendra d'autres pierres, que l'on mettra à la place des premières; et l'on prendra d'autre mortier, pour recrépir la maison. 43 Si la plaie revient et fait éruption dans la maison, après qu'on a ôté les pierres, râclé et recrépi la maison, 44 le sacrificateur y retournera. S'il voit que la plaie s'est étendue dans la maison, c'est une lèpre invétérée dans la maison: elle est impure. 45 On abattra la maison, les pierres, le bois, et tout le mortier de la maison; et l'on portera ces choses hors de la ville dans un lieu impur. 46 Celui qui sera entré dans la maison pendant tout le temps qu'elle était fermée sera impur jusqu'au soir. 47 Celui qui aura couché dans la maison lavera ses vêtements. Celui qui aura mangé dans la maison lavera aussi ses vêtements. 48 Si le sacrificateur, qui est retourné dans la maison, voit que la plaie ne s'est pas étendue, après que la maison a été recrépie, il déclarera la maison pure, car la plaie est guérie. 49 Il prendra, pour purifier la maison, deux oiseaux, du bois de cèdre, du cramoisi et de l'hysope. 50 Il égorgera l'un des oiseaux sur un vase de terre, sur de l'eau vive. 51 Il prendra le bois de cèdre, l'hysope, le cramoisi et l'oiseau vivant; il les trempera dans le sang de l'oiseau égorgé et dans l'eau vive, et il en fera sept fois l'aspersion sur la maison. 52 Il purifiera la maison avec le sang de l'oiseau, avec de l'eau vive, avec l'oiseau vivant, avec le bois de cèdre, l'hysope et le cramoisi. 53 Il lâchera l'oiseau vivant hors de la ville, dans les champs. C'est ainsi qu'il fera pour la maison l'expiation, et elle sera pure. 54 Telle est la loi pour toute plaie de lèpre et pour la teigne, 55 pour la lèpre des vêtements et des maisons, 56 pour les tumeurs, les dartres et les taches: 57 elle enseigne quand une chose est impure, et quand elle est pure. Telle est la loi sur la lèpre.A | |