T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 11

1 [Ny lalàna ny amin'ny biby madio sy maloto] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny tany:

3 Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.

4 Kanefa amin'izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;

5 ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;

6 ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;

7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.

8 Ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.

 

9 Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, no ho fihinanareo;

10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;

11 eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.

12 Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.

13 Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay

14 ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany,

15 ary ny goaika rehetra, isan-karazany,

16 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,

17 ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe

18 ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika

19 sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.

20 Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;

21 nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany.

22 Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.

23 Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.

24 Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

25 Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

26 Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.

27 Ary izay rehetra mandeha amin'ny faladiany, amin'ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.

28 Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan'ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.

29 Ary izao no haloto aminareo amin'ny biby izay mandady na mikisaka amin'ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,

30 ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.

31 Ireo no maloto aminareo amin'ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin'ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

32 Ary izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao hadio.

33 Ary ny amin'ny vilany tany rehetra izay ilatsahan'ny fatin'ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.

34 Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin'ny fanaka inona na tamin'ny fanaka inona.

35 Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.

36 Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.

37 Ary raha misy fatin'ireo latsaka amin'ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.

38 Fa raha misy voan-javatra nalona tamin'ny rano ka ilatsahan'ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.

39 Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izay mikasika ny fatiny.

40 Ary izay mihinana amin'ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan'ny andro

41 Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.

42 Izay rehetra mandady amin'ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.

43 Aza mametaveta ny tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.

44 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany.

45 Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.

 

46 Izany no lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany,

47 mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.

 

Chapitre 11

11:1 Yahweh spoke to Moses and to Aaron, saying to them, 11:2 “Speak to the children of Israel, saying, ‘These are the living things which you may eat among all the animals that are on the earth. 11:3 Whatever parts the hoof, and is cloven-footed, and chews the cud among the animals, that you may eat.

11:4 “‘Nevertheless these you shall not eat of those that chew the cud, or of those who part the hoof: the camel, because he chews the cud but doesn’t have a parted hoof, he is unclean to you. 11:5 The coney, because he chews the cud but doesn’t have a parted hoof, he is unclean to you. 11:6 The hare, because she chews the cud but doesn’t part the hoof, she is unclean to you. 11:7 The pig, because he has a split hoof, and is cloven-footed, but doesn’t chew the cud, he is unclean to you. 11:8 Of their flesh you shall not eat, and their carcasses you shall not touch; they are unclean to you.

11:9 “‘These you may eat of all that are in the waters: whatever has fins and scales in the waters, in the seas, and in the rivers, that you may eat. 11:10 All that don’t have fins and scales in the seas, and in the rivers, of all that move in the waters, and of all the living creatures that are in the waters, they are an abomination to you, 11:11 and you detest them. You shall not eat of their flesh, and you shall detest their carcasses. 11:12 Whatever has no fins nor scales in the waters, that is an abomination to you.

11:13 “‘These you shall detest among the birds; they shall not be eaten, they are an abomination: the eagle, and the vulture, and the black vulture, 11:14 and the red kite, any kind of black kite, 11:15 any kind of raven, 11:16 the horned owl, the screech owl, and the gull, any kind of hawk, 11:17 the little owl, the cormorant, the great owl, 11:18 the white owl, the desert owl, the osprey, 11:19 the stork, any kind of heron, the hoopoe, and the bat.

11:20 “‘All flying insects that walk on all fours are an abomination to you. 11:21 Yet you may eat these: of all winged creeping things that go on all fours, which have legs above their feet, with which to hop on the earth. 11:22 Even of these you may eat: any kind of locust, any kind of katydid, any kind of cricket, and any kind of grasshopper. 11:23 But all winged creeping things which have four feet, are an abomination to you.

11:24 “‘By these you will become unclean: whoever touches their carcass shall be unclean until the evening. 11:25 Whoever carries any part of their carcass shall wash his clothes, and be unclean until the evening.

11:26 “‘Every animal which parts the hoof, and is not cloven-footed, nor chews the cud, is unclean to you. Everyone who touches them shall be unclean. 11:27 Whatever goes on its paws, among all animals that go on all fours, they are unclean to you. Whoever touches their carcass shall be unclean until the evening. 11:28 He who carries their carcass shall wash his clothes, and be unclean until the evening. They are unclean to you.

11:29 “‘These are they which are unclean to you among the creeping things that creep on the earth: the weasel, the rat, any kind of great lizard, 11:30 the gecko, and the monitor lizard, the wall lizard, the skink, and the chameleon. 11:31 These are they which are unclean to you among all that creep. Whoever touches them when they are dead, shall be unclean until the evening. 11:32 On whatever any of them falls when they are dead, it shall be unclean; whether it is any vessel of wood, or clothing, or skin, or sack, whatever vessel it is, with which any work is done, it must be put into water, and it shall be unclean until the evening; then it will be clean. 11:33 Every earthen vessel, into which any of them falls, all that is in it shall be unclean, and you shall break it. 11:34 All food which may be eaten, that on which water comes, shall be unclean; and all drink that may be drunk in every such vessel shall be unclean. 11:35 Everything whereupon part of their carcass falls shall be unclean; whether oven, or range for pots, it shall be broken in pieces: they are unclean, and shall be unclean to you. 11:36 Nevertheless a spring or a cistern in which water is a gathered shall be clean: but that which touches their carcass shall be unclean. 11:37 If part of their carcass falls on any sowing seed which is to be sown, it is clean. 11:38 But if water is put on the seed, and part of their carcass falls on it, it is unclean to you.

11:39 “‘If any animal, of which you may eat, dies; he who touches its carcass shall be unclean until the evening. 11:40 He who eats of its carcass shall wash his clothes, and be unclean until the evening. He also who carries its carcass shall wash his clothes, and be unclean until the evening.

11:41 “‘Every creeping thing that creeps on the earth is an abomination. It shall not be eaten. 11:42 Whatever goes on its belly, and whatever goes on all fours, or whatever has many feet, even all creeping things that creep on the earth, them you shall not eat; for they are an abomination. 11:43 You shall not make yourselves abominable with any creeping thing that creeps, neither shall you make yourselves unclean with them, that you should be defiled thereby. 11:44 For I am Yahweh your God. Sanctify yourselves therefore, and be holy; for I am holy: neither shall you defile yourselves with any kind of creeping thing that moves on the earth. 11:45 For I am Yahweh who brought you up out of the land of Egypt, to be your God. You shall therefore be holy, for I am holy.

11:46 “‘This is the law of the animal, and of the bird, and of every living creature that moves in the waters, and of every creature that creeps on the earth, 11:47 to make a distinction between the unclean and the clean, and between the living thing that may be eaten and the living thing

Chapitre 11
1 L'Éternel parla à Moïse et à Aaron, et leur dit: 2 Parlez aux enfants d'Israël, et dites: Voici les animaux dont vous mangerez parmi toutes les bêtes qui sont sur la terre. 3 Vous mangerez de tout animal qui a la corne fendue, le pied fourchu, et qui rumine. 4 Mais vous ne mangerez pas de ceux qui ruminent seulement, ou qui ont la corne fendue seulement. Ainsi, vous ne mangerez pas le chameau, qui rumine, mais qui n'a pas la corne fendue: vous le regarderez comme impur. 5 Vous ne mangerez pas le daman, qui rumine, mais qui n'a pas la corne fendue: vous le regarderez comme impur. 6 Vous ne mangerez pas le lièvre, qui rumine, mais qui n'a pas la corne fendue: vous le regarderez comme impur. 7 Vous ne mangerez pas le porc, qui a la corne fendue et le pied fourchu, mais qui ne rumine pas: vous le regarderez comme impur. 8 Vous ne mangerez pas de leur chair, et vous ne toucherez pas leurs corps morts: vous les regarderez comme impurs. 9 Voici les animaux dont vous mangerez parmi tous ceux qui sont dans les eaux. Vous mangerez de tous ceux qui ont des nageoires et des écailles, et qui sont dans les eaux, soit dans les mers, soit dans les rivières. 10 Mais vous aurez en abomination tous ceux qui n'ont pas des nageoires et des écailles, parmi tout ce qui se meut dans les eaux et tout ce qui est vivant dans les eaux, soit dans les mers, soit dans les rivières. 11 Vous les aurez en abomination, vous ne mangerez pas de leur chair, et vous aurez en abomination leurs corps morts. 12 Vous aurez en abomination tous ceux qui, dans les eaux, n'ont pas des nageoires et des écailles. 13 Voici, parmi les oiseaux, ceux que vous aurez en abomination, et dont on ne mangera pas: l'aigle, l'orfraie et l'aigle de mer; 14 le milan, l'autour et ce qui est de son espèce; 15 le corbeau et toutes ses espèces; 16 l'autruche, le hibou, la mouette, l'épervier et ce qui est de son espèce; 17 le chat-huant, le plongeon et la chouette; 18 le cygne, le pélican et le cormoran; 19 la cigogne, le héron et ce qui est de son espèce, la huppe et la chauve-souris. 20 Vous aurez en abomination tout reptile qui vole et qui marche sur quatre pieds. 21 Mais, parmi tous les reptiles qui volent et qui marchent sur quatre pieds, vous mangerez ceux qui ont des jambes au-dessus de leurs pieds, pour sauter sur la terre. 22 Voici ceux que vous mangerez: la sauterelle, le solam, le hargol et le hagab, selon leurs espèces. 23 Vous aurez en abomination tous les autres reptiles qui volent et qui ont quatre pieds. 24 Ils vous rendront impurs: quiconque touchera leurs corps morts sera impur jusqu'au soir, 25 et quiconque portera leurs corps morts lavera ses vêtements et sera impur jusqu'au soir. 26 Vous regarderez comme impur tout animal qui a la corne fendue, mais qui n'a pas le pied fourchu et qui ne rumine pas: quiconque le touchera sera impur. 27 Vous regarderez comme impurs tous ceux des animaux à quatre pieds qui marchent sur leurs pattes: quiconque touchera leurs corps morts sera impur jusqu'au soir, 28 et quiconque portera leurs corps morts lavera ses vêtements et sera impur jusqu'au soir. Vous les regarderez comme impurs. 29 Voici, parmi les animaux qui rampent sur la terre, ceux que vous regarderez comme impurs: la taupe, la souris et le lézard, selon leurs espèces; 30 le hérisson, la grenouille, la tortue, le limaçon et le caméléon. 31 Vous les regarderez comme impurs parmi tous les reptiles: quiconque les touchera morts sera impur jusqu'au soir. 32 Tout objet sur lequel tombera quelque chose de leurs corps morts sera souillé, ustensile de bois, vêtement, peau, sac, tout objet dont on fait usage; il sera mis dans l'eau, et restera souillé jusqu'au soir; après quoi, il sera pur. 33 Tout ce qui se trouvera dans un vase de terre où il en tombera quelque chose, sera souillé, et vous briserez le vase. 34 Tout aliment qui sert à la nourriture, et sur lequel il sera tombé de cette eau, sera souillé; et toute boisson dont on fait usage, quel que soit le vase qui la contienne, sera souillée. 35 Tout objet sur lequel tombera quelque chose de leurs corps morts sera souillé; le four et le foyer seront détruits: ils seront souillés, et vous les regarderez comme souillés. 36 Il n'y aura que les sources et les citernes, formant des amas d'eaux, qui resteront pures; mais celui qui y touchera de leurs corps morts sera impur. 37 S'il tombe quelque chose de leurs corps morts sur une semence qui doit être semée, elle restera pure; 38 mais si l'on a mis de l'eau sur la semence, et qu'il y tombe quelque chose de leurs corps morts, vous la regarderez comme souillée. 39 S'il meurt un des animaux qui vous servent de nourriture, celui qui touchera son corps mort sera impur jusqu'au soir; 40 celui qui mangera de son corps mort lavera ses vêtements et sera impur jusqu'au soir, et celui qui portera son corps mort lavera ses vêtements et sera impur jusqu'au soir. 41 Vous aurez en abomination tout reptile qui rampe sur la terre: on n'en mangera point. 42 Vous ne mangerez point, parmi tous les reptiles qui rampent sur la terre, de tous ceux qui se traînent sur le ventre, ni de tous ceux qui marchent sur quatre pieds ou sur un grand nombre de pieds; car vous les aurez en abomination. 43 Ne rendez point vos personnes abominables par tous ces reptiles qui rampent; ne vous rendez point impurs par eux, ne vous souillez point par eux. 44 Car je suis l'Éternel, votre Dieu; vous vous sanctifierez, et vous serez saints, car je suis saint; et vous ne vous rendrez point impurs par tous ces reptiles qui rampent sur la terre. 45 Car je suis l'Éternel, qui vous ai fait monter du pays d'Égypte, pour être votre Dieu, et pour que vous soyez saints; car je suis saint. 46 Telle est la loi touchant les animaux, les oiseaux, tous les êtres vivants qui se meuvent dans les eaux, et tous les êtres qui rampent sur la terre, 47 afin que vous distinguiez ce qui est impur et ce qui est pur, l'animal qui se mange et l'animal qui ne se mange pas.