T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 [Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra.

2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.

3 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.

4 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo.

5 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;

6 fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;

7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.

8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.

9 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra* taloha mbamin'ny asany; [* Gr. olona]

10 ary efa notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy. [* Gr. olona]

11 Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika]

12 Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.

13 Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo* ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [* Na: (Kristy)]

14 Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.

15 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.

16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

17 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.

18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo.

19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra* aminy. [* Gr. mangidy]

20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany.

21 Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.

22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;

23 ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona,

24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.

25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,


 

Chapitre 3 

3:1 If then you were raised together with Christ, seek the things that are above, where Christ is, seated on the right hand of God. 3:2 Set your mind on the things that are above, not on the things that are on the earth. 3:3 For you died, and your life is hidden with Christ in God. 3:4 When Christ, our life, is revealed, then you will also be revealed with him in glory. 3:5 Put to death therefore your members which are on the earth: sexual immorality, uncleanness, depraved passion, evil desire, and covetousness, which is idolatry; 3:6 for which things’ sake the wrath of God comes on the children of disobedience. 3:7 You also once walked in those, when you lived in them; 3:8 but now you also put them all away: anger, wrath, malice, slander, and shameful speaking out of your mouth. 3:9 Don’t lie to one another, seeing that you have put off the old man with his doings, 3:10 and have put on the new man, who is being renewed in knowledge after the image of his Creator, 3:11 where there can’t be Greek and Jew, circumcision and uncircumcision, barbarian, Scythian, bondservant, freeman; but Christ is all, and in all.

3:12 Put on therefore, as God’s chosen ones, holy and beloved, a heart of compassion, kindness, lowliness, humility, and perseverance; 3:13 bearing with one another, and forgiving each other, if any man has a complaint against any; even as Christ forgave you, so you also do.

3:14 Above all these things, walk in love, which is the bond of perfection. 3:15 And let the peace of God rule in your hearts, to which also you were called in one body; and be thankful. 3:16 Let the word of Christ dwell in you richly; in all wisdom teaching and admonishing one another with psalms, hymns, and spiritual songs, singing with grace in your heart to the Lord.

3:17 Whatever you do, in word or in deed, do all in the name of the Lord Jesus, giving thanks to God the Father, through him.

3:18 Wives, be in subjection to your husbands, as is fitting in the Lord.

3:19 Husbands, love your wives, and don’t be bitter against them.

3:20 Children, obey your parents in all things, for this pleases the Lord.

3:21 Fathers, don’t provoke your children, so that they won’t be discouraged.

3:22 Servants, obey in all things those who are your masters according to the flesh, not just when they are looking, as men pleasers, but in singleness of heart, fearing God. 3:23 And whatever you do, work heartily, as for the Lord, and not for men, 3:24 knowing that from the Lord you will receive the reward of the inheritance; for you serve the Lord Christ. 3:25 But he who does wrong will receive again for the wrong that he has done, and there is no partiality.


 

Chapitre 3
1 Si donc vous êtes ressuscités avec Christ, cherchez les choses d'en haut, où Christ est assis à la droite de Dieu. 2 Affectionnez-vous aux choses d'en haut, et non à celles qui sont sur la terre. 3 Car vous êtes morts, et votre vie est cachée avec Christ en Dieu. 4 Quand Christ, votre vie, paraîtra, alors vous paraîtrez aussi avec lui dans la gloire. 5 Faites donc mourir les membres qui sont sur la terre, l'impudicité, l'impureté, les passions, les mauvais désirs, et la cupidité, qui est une idolâtrie. 6 C'est à cause de ces choses que la colère de Dieu vient sur les fils de la rébellion, 7 parmi lesquels vous marchiez autrefois, lorsque vous viviez dans ces péchés. 8 Mais maintenant, renoncez à toutes ces choses, à la colère, à l'animosité, à la méchanceté, à la calomnie, aux paroles déshonnêtes qui pourraient sortir de votre bouche. 9 Ne mentez pas les uns aux autres, vous étant dépouillés du vieil homme et de ses oeuvres, 10 et ayant revêtu l'homme nouveau, qui se renouvelle, dans la connaissance, selon l'image de celui qui l'a créé. 11 Il n'y a ici ni Grec ni Juif, ni circoncis ni incirconcis, ni barbare ni Scythe, ni esclave ni libre; mais Christ est tout et en tous. 12 Ainsi donc, comme des élus de Dieu, saints et bien-aimés, revêtez-vous d'entrailles de miséricorde, de bonté, d'humilité, de douceur, de patience. 13 Supportez-vous les uns les autres, et, si l'un a sujet de se plaindre de l'autre, pardonnez-vous réciproquement. De même que Christ vous a pardonné, pardonnez-vous aussi. 14 Mais par-dessus toutes ces choses revêtez-vous de la charité, qui est le lien de la perfection. 15 Et que la paix de Christ, à laquelle vous avez été appelés pour former un seul corps, règne dans vos coeurs. Et soyez reconnaissants. 16 Que la parole de Christ habite parmi vous abondamment; instruisez-vous et exhortez-vous les uns les autres en toute sagesse, par des psaumes, par des hymnes, par des cantiques spirituels, chantant à Dieu dans vos coeurs sous l'inspiration de la grâce. 17 Et quoi que vous fassiez, en parole ou en oeuvre, faites tout au nom du Seigneur Jésus, en rendant par lui des actions de grâces à Dieu le Père. 18 Femmes, soyez soumises à vos maris, comme il convient dans le Seigneur. 19 Maris, aimez vos femmes, et ne vous aigrissez pas contre elles. 20 Enfants, obéissez en toutes choses à vos parents, car cela est agréable dans le Seigneur. 21 Pères, n'irritez pas vos enfants, de peur qu'ils ne se découragent. 22 Serviteurs, obéissez en toutes choses à vos maîtres selon la chair, non pas seulement sous leurs yeux, comme pour plaire aux hommes, mais avec simplicité de coeur, dans la crainte du Seigneur. 23 Tout ce que vous faites, faites-le de bon coeur, comme pour le Seigneur et non pour des hommes, 24 sachant que vous recevrez du Seigneur l'héritage pour récompense. Servez Christ, le Seigneur. 25 Car celui qui agit injustement recevra selon son injustice, et il n'y a point d'acception de personnes.