| Chapitre 1 1
[Fiarahabana ny Kolosiana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny
toetr'ireo] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny
sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, 2
mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin'i
Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Raintsika. 3 Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo, 4 rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, 5
noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay
efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara, 6
izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa,
sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro
nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka
ny marina; 7
tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala,
izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay*, [* Na: (anareo)] 8 sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy. 9
[Fivavahan'i Paoly ho an'ny Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan'ny
voninahitr'i Kristy] Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro
nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba
hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny
fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy, 10
mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny
zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo
amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra, 11
ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny
ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana, 12 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava, 13 sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, 14 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika. 15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; 16
fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ
ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na
fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra
rehetra, sady ho Azy izany; [* Gr. seza fiandrianana] 17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18
Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny
Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [*
Gr. eklesia] 19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra, 20
sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo
amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho,
no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin'ny tany, na ny any
an-danitra. 21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny 22 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, 23
raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra
ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny
filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra
rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo. 24
Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary
mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy
ho an'ny tenany, dia ny fiangonana*, [* Gr. eklesia] 25
izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena
ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra, 26 dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina, 27
izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny
voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao
anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra; 28
Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena
rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i
Kristy izy rehetra. 29 Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.
| | Chapitre 1 1:1
Paul, an apostle of Christ Jesus through the will of God, and Timothy
our brother, 1:2 to the saints and faithful brothers in Christ at
Colossae: Grace to you and peace from God our Father, and the Lord Jesus
Christ. 1:3
We give thanks to God the Father of our Lord Jesus Christ, praying
always for you, 1:4 having heard of your faith in Christ Jesus, and of
the love which you have toward all the saints, 1:5 because of the hope
which is laid up for you in the heavens, of which you heard before in
the word of the truth of the Good News, 1:6 which has come to you; even
as it is in all the world and is bearing fruit and growing, as it does
in you also, since the day you heard and knew the grace of God in truth;
1:7 even as you learned of Epaphras our beloved fellow servant, who is a
faithful servant of Christ on our behalf, 1:8 who also declared to us
your love in the Spirit. 1:9 For this cause, we also, since the day we
heard this, don’t cease praying and making requests for you, that you
may be filled with the knowledge of his will in all spiritual wisdom and
understanding, 1:10 that you may walk worthily of the Lord, to please
him in all respects, bearing fruit in every good work, and increasing in
the knowledge of God; 1:11 strengthened with all power, according to
the might of his glory, for all endurance and perseverance with joy;
1:12 giving thanks to the Father, who made us fit to be partakers of the
inheritance of the saints in light; 1:13 who delivered us out of the
power of darkness, and translated us into the Kingdom of the Son of his
love; 1:14 in whom we have our redemption,* the forgiveness of our sins;
1:15 who is the image of the invisible God, the firstborn of all
creation. 1:16 For by him all things were created, in the heavens and on
the earth, things visible and things invisible, whether thrones or
dominions or principalities or powers; all things have been created
through him, and for him. 1:17 He is before all things, and in him all
things are held together. 1:18 He is the head of the body, the assembly,
who is the beginning, the firstborn from the dead; that in all things
he might have the preeminence. 1:19 For all the fullness was pleased to
dwell in him; 1:20 and through him to reconcile all things to himself,
by him, whether things on the earth, or things in the heavens, having
made peace through the blood of his cross. 1:21
You, being in past times alienated and enemies in your mind in your
evil works, 1:22 yet now he has reconciled in the body of his flesh
through death, to present you holy and without blemish and blameless
before him, 1:23 if it is so that you continue in the faith, grounded
and steadfast, and not moved away from the hope of the Good News which
you heard, which is being proclaimed in all creation under heaven; of
which I, Paul, was made a servant. 1:24
Now I rejoice in my sufferings for your sake, and fill up on my part
that which is lacking of the afflictions of Christ in my flesh for his
body’s sake, which is the assembly; 1:25 of which I was made a servant,
according to the stewardship of God which was given me toward you, to
fulfill the word of God, 1:26 the mystery which has been hidden for ages
and generations. But now it has been revealed to his saints, 1:27 to
whom God was pleased to make known what are the riches of the glory of
this mystery among the Gentiles, which is Christ in you, the hope of
glory; 1:28
whom we proclaim, admonishing every man and teaching every man in all
wisdom, that we may present every man perfect in Christ Jesus; 1:29 for which I also labor, striving according to his working, which works in me mightily.
| | Chapitre 1 1
Paul, apôtre de Jésus Christ par la volonté de Dieu, et le frère
Timothée, 2 aux saints et fidèles frères en Christ qui sont à Colosses;
que la grâce et la paix vous soient données de la part de Dieu notre
Père! 3 Nous rendons grâces à Dieu, le Père de notre Seigneur
Jésus-Christ, et nous ne cessons de prier pour vous, 4 ayant été
informés de votre foi en Jésus-Christ et de votre charité pour tous les
saints, 5 à cause de l'espérance qui vous est réservée dans les cieux,
et que la parole de la vérité, la parole de l'Évangile vous a
précédemment fait connaître. 6 Il est au milieu de vous, et dans le
monde entier; il porte des fruits, et il va grandissant, comme c'est
aussi le cas parmi vous, depuis le jour où vous avez entendu et connu la
grâce de Dieu conformément à la vérité, 7 d'après les instructions que
vous avez reçues d'Épaphras, notre bien-aimé compagnon de service, qui
est pour vous un fidèle ministre de Christ, 8 et qui nous a appris de
quelle charité l'Esprit vous anime. 9 C'est pour cela que nous aussi,
depuis le jour où nous en avons été informés, nous ne cessons de prier
Dieu pour vous, et de demander que vous soyez remplis de la connaissance
de sa volonté, en toute sagesse et intelligence spirituelle, 10 pour
marcher d'une manière digne du Seigneur et lui être entièrement
agréables, portant des fruits en toutes sortes de bonnes oeuvres et
croissant par la connaissance de Dieu, 11 fortifiés à tous égards par sa
puissance glorieuse, en sorte que vous soyez toujours et avec joie
persévérants et patients. 12 Rendez grâces au Père, qui vous a rendus
capables d'avoir part à l'héritage des saints dans la lumière, 13 qui
nous a délivrés de la puissance des ténèbres et nous a transportés dans
le royaume du Fils de son amour, 14 en qui nous avons la rédemption, la
rémission des péchés. 15 Il est l'image du Dieu invisible, le premier-né
de toute la création. 16 Car en lui ont été créées toutes les choses
qui sont dans les cieux et sur la terre, les visibles et les invisibles,
trônes, dignités, dominations, autorités. Tout a été créé par lui et
pour lui. 17 Il est avant toutes choses, et toutes choses subsistent en
lui. 18 Il est la tête du corps de l'Église; il est le commencement, le
premier-né d'entre les morts, afin d'être en tout le premier. 19 Car
Dieu a voulu que toute plénitude habitât en lui; 20 il a voulu par lui
réconcilier tout avec lui-même, tant ce qui est sur la terre que ce qui
est dans les cieux, en faisant la paix par lui, par le sang de sa croix.
21
Et vous, qui étiez autrefois étrangers et ennemis par vos pensées et
par vos mauvaises oeuvres, il vous a maintenant réconciliés 22 (1:21)
par sa mort dans le corps de sa chair, (1:22) pour vous faire paraître
devant lui saints, irrépréhensibles et sans reproche, 23 si du moins
vous demeurez fondés et inébranlables dans la foi, sans vous détourner
de l'espérance de l'Évangile que vous avez entendu, qui a été prêché à
toute créature sous le ciel, et dont moi Paul, j'ai été fait ministre.
24 Je me réjouis maintenant dans mes souffrances pour vous; et ce qui
manque aux souffrances de Christ, je l'achève en ma chair, pour son
corps, qui est l'Église. 25 C'est d'elle que j'ai été fait ministre,
selon la charge que Dieu m'a donnée auprès de vous, afin que
j'annonçasse pleinement la parole de Dieu, 26 le mystère caché de tout
temps et dans tous les âges, mais révélé maintenant à ses saints, 27 à
qui Dieu a voulu faire connaître quelle est la glorieuse richesse de ce
mystère parmi les païens, savoir: Christ en vous, l'espérance de la
gloire. 28 C'est lui que nous annonçons, exhortant tout homme, et
instruisant tout homme en toute sagesse, afin de présenter à Dieu tout
homme, devenu parfait en Christ. 29 C'est à quoi je travaille, en
combattant avec sa force, qui agit puissamment en moi.
| |